Index

Proverbes : fiainana

Proverbe 1Kodiaran-tsarety ny fiainana ka mifandimby ambony sy ambany. [1.1]
Interprétation malgacheEnti-milaza fa ny fiainana eto an-tany dia tsy misy toerana raikitra fa miovaova mifandimbindimby ka ny ambony mbola mety ho ambany ary ny ambany mbola mety ho ambony. [1.1]

Proverbe 2Loloha lanitra, ka samy miloloha izay tandrifiny. [2.415 #79]
Loloha lanitra ka samy mitondra ny tandrifiny. [1.1]
Loloha lanitra ny fiainana ka samy mitondra ny tandrifiny. [1.1]
Interprétation malgacheEnti-milaza fa ny olona rehetra dia samy manana ary mizaka ny anjarany avy. [1.1]
Enti-milaza fa samy mizaka ny anjarany fa tsy azo ailika ho an-kafa ny soa na ny ratsy mihatra amin' ny tena. [1.1]
Traduction françaiseC' est comme le ciel au-dessus de la tête : chacun porte ce qui est au-dessus de lui. [2.415 #79]
Interprétation françaiseA chacun son sort : il faut se contenter de sa destinée ; ce proverbe se disait aussi de la corvée : chacun en porte sa part. [2.415 #79]

Index