Chapitres et versets citant Ejipta

  Genesis Fiandohana na Genesisy Fiandohana na Jenezy La Genèse
...............
Gen / Jen 12.10 And there was a famine in the land: and Abram went down into Egypt to sojourn there; for the famine was grievous in the land. Ary nisy mosary teo amin' ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin' ny tany. Fa nisy mosary teo amin' ny tany ka nidina nitoetra any Ejipta Abrama, fa lehibe ny mosary teo amin' ny tany. Il y eut une famine dans le pays et Abram descendit en Égypte pour y séjourner, car la famine pesait lourdement sur le pays.
Gen / Jen 12.11 And it came to pass, when he was come near to enter into Egypt, that he said unto Sarai his wife, Behold now, I know that thou art a fair woman to look upon: Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin' i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao, Nony efa nadiva hiditra tany Ejipta dia hoy izy tamin' i Saray vadiny: Fantatro fa noho hianao vehivavy tsara tarehy, Lorsqu' il fut près d' entrer en Égypte, il dit à sa femme Saraï : Vois-tu, je sais que tu es une femme de belle apparence.
...............
Gen / Jen 12.14 And it came to pass, that, when Abram was come into Egypt, the Egyptians beheld the woman that she was very fair. Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan' ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy. Nony tonga tany Ejipta Abrama, dia hitan' ny Ejipsiana fa tsara tarehy tokoa ny vadiny. De fait, quand Abram arriva en Égypte, les Égyptiens virent que la femme était très belle.
Gen / Jen 13.1 And Abram went up out of Egypt, he, and his wife, and all that he had, and Lot with him, into the south. Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin' ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin' ny tany atsimo. Ary niakatra avy any Ejipta nihazo tany atsimo Abrama, dia izy sy ny vadiny, mbamin' ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy. D'Égypte, Abram avec sa femme et tout ce qu' il possédait, et Lot avec lui, remonta au Négeb.
...............
Gen / Jen 13.10 And Lot lifted up his eyes, and beheld all the plain of Jordan, that it was well watered every where, before the Lord destroyed Sodom and Gomorrah, even as the garden of the Lord, like the land of Egypt, as thou comest unto Zoar. Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron' i Jordana hatrany akaikin' i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan' ny nandravan' i Jehovah an' i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan' i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta. Dia nanopy ny masony Lota ka nahita ny tany lemak' i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan' ny nandravan' ny Tompo an' i Sodoma sy Gomora, dia tahaka ny sahan' ny Tompo, tahaka ny tany Ejipta akaikin' i Tsoara. Lot leva les yeux et vit toute la Plaine du Jourdain qui était partout irriguée - c'était avant que Yahvé ne détruisît Sodome et Gomorrhe - comme le jardin de Yahvé, comme le pays d'Égypte, jusque vers Çoar.
...............
Gen / Jen 15.18 In the same day the Lord made a covenant with Abram, saying, Unto thy seed have I given this land, from the river of Egypt unto the great river, the river Euphrates: Tamin' izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin' i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin' ny onin' i Egypta ka hatrany amin' ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, Tamin' izany andro izany nanao fanekena tamin' i Abrama Iaveh nanao hoe: Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin' ny onin' i Ejipta ka hatrany amin' ny ony lehibe, dia i Eofrata izany; Ce jour-là Yahvé conclut une alliance avec Abram en ces termes : A ta postérité je donne ce pays, du Fleuve d'Égypte jusqu' au Grand Fleuve, le fleuve d' Euphrate,
...............
Gen / Jen 21.21 And he dwelt in the wilderness of Paran: and his mother took him a wife out of the land of Egypt. Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan' ny reniny vady avy tany amin' ny tany Egypta izy. Nonina tany amin' ny efitra Faràna izy; ary nangalan-dreniny vady avy amin' ny tany Ejipta. Il demeura au désert de Parân et sa mère lui choisit une femme du pays d'Égypte.
...............
Gen / Jen 25.18 And they dwelt from Havilah unto Shur, that is before Egypt, as thou goest toward Assyria: and he died in the presence of all his brethren. Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin' i Egypta amin' ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin' ny rahalahiny rehetra no nitoerany. Ny taranany dia nonina hatrany Hevila ka hatrany Sora, tandrifin' i Ejipta tamin' ny làlana mankany Asiria. Nitatra tandrifin' ny rahalahiny rehetra izy. Il habita depuis Havila jusqu'à Shur, qui est à l' est de l'Égypte, en allant vers l' Assyrie. Il s'était établi à la face de tous ses frères.
...............
Gen / Jen 26.2 And the Lord appeared unto him, and said, Go not down into Egypt; dwell in the land which I shall tell thee of: Ary Jehovah niseho taminy ka nanao hoe: Aza midina any Egypta ianao; mitoera eo amin' ny tany izay holazaiko aminao. Ary Iaveh niseho taminy, ka nanao hoe: Aza midina any Ejipta, fa mitoera amin' ny tany izay holazaiko aminao. Yahvé lui apparut et dit : Ne descends pas en Égypte; demeure au pays que je te dirai.
...............
Gen / Jen 37.25 And they sat down to eat bread: and they lifted up their eyes and looked, and, behold, a company of Ishmeelites came from Gilead with their camels bearing spicery and balm and myrrh, going to carry it down to Egypt. Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta. Ary dia nipetraka nihinana izy ireo. Nony natopiny ny masony, dia hitany fa indreny misy Ismaelita niray dia avy any Galaada; ary ny entana nentin' ny ramevany dia astragala, ditin-kazo manitra, mbamin' ny ladanoma, ndeha havariny any Ejipta. Puis ils s' assirent pour manger. Comme ils levaient les yeux, voici qu' ils aperçurent une caravane d' Ismaélites qui venait de Galaad. Leurs chameaux étaient chargés de gomme adragante, de baume et de laudanum, qu' ils allaient livrer en Égypte.
...............
Gen / Jen 37.28 Then there passed by Midianites merchantmen; and they drew and lifted up Joseph out of the pit, and sold Joseph to the Ishmeelites for twenty pieces of silver: and they brought Joseph into Egypt. Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin' ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin' ny Isimaelita; ary dia nitondra an' i Josefa ho any Egypta ireo. Ka nony nandalo ireo mpandranto Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka Josefa, dia namidiny roapolo farantsa vola fotsy tamin' ny Ismaelita, ka nentin' ireo nankany Ejipta. Or des gens passèrent, des marchands madianites, et ils retirèrent Joseph de la citerne. Ils vendirent Joseph aux Ismaélites pour vingt sicles d' argent et ceux-ci le conduisirent en Égypte.
...............
Gen / Jen 37.36 And the Midianites sold him into Egypt unto Potiphar, an officer of Pharaoh' s, and captain of the guard. Ary ny Midianita nivarotra an' i Josefa tany Egypta tamin' i Potifara, tandapan' i Farao sady mpifehy ny mpiambina. Namidin' ny Madianita tany Ejipta Josefa tamin' i Potifara, tandapan' i Faraona, lehiben' ny mpiambina. Cependant, les Madianites l' avaient vendu en Égypte à Potiphar, eunuque de Pharaon et commandant des gardes.
Gen / Jen 39.1 And Joseph was brought down to Egypt; and Potiphar, an officer of Pharaoh, captain of the guard, an Egyptian, bought him of the hands of the Ishmeelites, which had brought him down thither. Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan' i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin' ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany. Nentina tany Ejipta Josefa, ary Potifara, Ejipsiana, tandapan' i Faraona, lehiben' ny mpiambina, no nividy azy tamin ny Ismaelita, izay nitondra azy tany. Joseph avait donc été emmené en Égypte. Potiphar, eunuque de Pharaon et commandant des gardes, un Égyptien, l' acheta aux Ismaélites qui l' avaient emmené là-bas.
Gen / Jen 40.1 And it came to pass after these things, that the butler of the king of Egypt and his baker had offended their lord the king of Egypt. Ary taorian' izany ny mpitondra kapoakan' ny mpanjakan' i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin' ny mpanjakan' i Egypta tompony. Taty aorian' izany dia sendra diso tamin' ny mpanjakan' i Ejipta, tompony, ny mpandroso divay, sy ny mpitàntana mofo, ao amin' ny mpanjakan' i Ejipta. Il arriva, après ces événements, que l'échanson du roi d'Égypte et son panetier se rendirent coupables envers leur maître, le roi d'Égypte.
...............
Gen / Jen 40.5 And they dreamed a dream both of them, each man his dream in one night, each man according to the interpretation of his dream, the butler and the baker of the king of Egypt, which were bound in the prison. Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon' ny mpanjakan' i Egypta, izay nifatotra tao amin' ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy. Samy nanonofy izy roalahy indray alina, dia ilay mpandroso divay sy ilay mpitàntana mofon' ny mpanjakan' i Ejipta notanana tao an-tranomaizina; ka samy nanana ny nofiny, sy samihafa ny hevitry ny nofiny. Or, une même nuit, tous deux eurent un songe ayant pour chacun sa signification, l'échanson et le panetier du roi d'Égypte, qui étaient détenus dans la geôle.
...............
Gen / Jen 41.8 And it came to pass in the morning that his spirit was troubled; and he sent and called for all the magicians of Egypt, and all the wise men thereof: and Pharaoh told them his dream; but there was none that could interpret them unto Pharaoh. Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran' i Farao tamin' ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin' i Farao. Nitebiteby ny fanahin' i Faraona nony maraina ka nampiantso ny mpanoratra sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta izy. Notantarainy tamin' ireo ny nofiny; nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamin' i Faraona. Au matin, l' esprit troublé, Pharaon fit appeler tous les magiciens et tous les sages d'Égypte et il leur raconta le songe qu' il avait eu, mais personne ne put l' expliquer à Pharaon.
...............
Gen / Jen 41.19 And, behold, seven other kine came up after them, poor and very ill favoured and leanfleshed, such as I never saw in all the land of Egypt for badness: Ary, indreo, nisy ombivavy fito hafa koa niakatra nanaraka ireny, mihozohozo sady ratsy tarehy indrindra no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin' ny tany Egypta rehetra. Nanaraka ireo, dia indreo ombivavy fito hafa koa, mahia, ratsy tarehy, sady kaozatra ery, tsy mbola hitako izay ratsy toy izany teto amin' ny tany Ejipta rehetra. Mais voici que sept autres vaches montèrent après elles, efflanquées, très laides d' aspect et maigres de chair, je n' en ai jamais vu d' aussi laides dans tout le pays d'Égypte.
...............
Gen / Jen 41.29 Behold, there come seven years of great plenty throughout all the land of Egypt: Indro, hisy fito taona zina indrindra eran' ny tany Egypta rehetra; Indro hisy fito taona zina indrindra eran' ny tany Ejipta rehetra. voici que viennent sept années où il y aura grande abondance dans tout le pays d'Égypte,
Gen / Jen 41.30 And there shall arise after them seven years of famine; and all the plenty shall be forgotten in the land of Egypt; and the famine shall consume the land; ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin' ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany; Manaraka izany, hisy kosa fito taona mosarena, ka amin' ny tany Ejipta ho hadino izany fahavokaram-be rehetra izany, ary ny mosary handevona ny tany. puis leur succéderont sept années de famine et on oubliera toute l' abondance dans le pays d'Égypte; la famine épuisera le pays
...............
Gen / Jen 41.33 Now therefore let Pharaoh look out a man discreet and wise, and set him over the land of Egypt. Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta. Koa ankehitriny aoka Faraona hizaha lehilahy manan-tsaina sy hendry, ka hanendry azy hanapaka ny tany Ejipta. Maintenant, que Pharaon discerne un homme intelligent et sage et qu' il l'établisse sur le pays d'Égypte.
Gen / Jen 41.34 Let Pharaoh do this, and let him appoint officers over the land, and take up the fifth part of the land of Egypt in the seven plenteous years. Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin' ny vokatry ny tany Egypta amin' ny taon-jina fito. Aoka koa Faraona hanendry mpikarakara hitandrina ny tany, hanangona ny ampahadimin' ny vokatra ao amin' ny tany Ejipta mandritra ny fito taon-jina. Que Pharaon agisse et qu' il institue des fonctionnaires sur le pays; il imposera au cinquième le pays d'Égypte pendant les sept années d' abondance,
...............
Gen / Jen 41.36 And that food shall be for store to the land against the seven years of famine, which shall be in the land of Egypt; that the land perish not through the famine. Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao amin' ny tany ho amin' ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin' ny tany Egypta, mba tsy ho simban' ny mosary ny tany. Dia izany hanina tehirizina izany, no ho fitaovana amin' ny fito taona mosarena ho tonga amin' ny tany Ejipta; dia tsy ho levon' ny mosary ny tany. Ces vivres serviront de réserve au pays pour les sept années de famine qui s' abattront sur le pays d'Égypte, et le pays ne sera pas exterminé par la famine.
...............
Gen / Jen 41.41 And Pharaoh said unto Joseph, See, I have set thee over all the land of Egypt. Ary hoy indray Farao tamin' i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho. Ary hoy Faraona tamin' i Josefa: Indro atsangako hanapaka ny tany Ejipta rehetra hianao. Pharaon dit à Joseph : Vois : je t'établis sur tout le pays d'Égypte
...............
Gen / Jen 41.43 And he made him to ride in the second chariot which he had; and they cried before him, Bow the knee: and he made him ruler over all the land of Egypt. dia nampitaingeniny teo anatin' ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy. Nampitaingeniny ny kalesiny faharoa izy, ary nisy niantso teo alohany hoe: Mandohaliha. Toy izany no nananganana azy ho mpanapaka ny tany Ejipta rehetra. Il le fit monter sur le meilleur char qu' il avait après le sien et on criait devant lui Abrek . Ainsi fut-il établi sur tout le pays d'Égypte.
Gen / Jen 41.44 And Pharaoh said unto Joseph, I am Pharaoh, and without thee shall no man lift up his hand or foot in all the land of Egypt. Ary hoy Farao tamin' i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin' ny tany Egypta rehetra. Ary hoy Faraona tamin' i Josefa: Izaho no Faraona, ary raha tsy teninao, tsy hisy hanainga ny tànany na ny tongony eto amin' ny tany Ejipta rehetra. Pharaon dit à Joseph : Je suis Pharaon, mais sans ta permission personne ne lèvera la main ni le pied dans tout le pays d'Égypte.
Gen / Jen 41.45 And Pharaoh called Joseph' s name Zaphnathpaaneah; and he gave him to wife Asenath the daughter of Potipherah priest of On. And Joseph went out over all the land of Egypt. Ary nataon' i Farao hoe Zafenata-panea no anaran' i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin' i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta. Nomen' i Faraona anarana hoe Tsafnata-Paneaka Josefa; ary natolony ho vadiny Aseneta zanakavavin' i Potifara, mpisorona tao Ona. Dia niainga Josefa hamangy ny tany Ejipta. Et Pharaon imposa à Joseph le nom de Çophnat-Panéah et il lui donna pour femme Asnat, fille de Poti-Phéra, prêtre d' On. Et Joseph partit pour le pays d'Égypte.
Gen / Jen 41.46 And Joseph was thirty years old when he stood before Pharaoh king of Egypt. And Joseph went out from the presence of Pharaoh, and went throughout all the land of Egypt. Ary efa telo-polo taona Josefa, raha niseho teo anatrehan' i Farao, mpanjakan' i Egypta. Dia niala teo anatrehan' i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra. Efa telopolo taona Josefa raha niseho teo anatrehan' i Faraona, mpanjakan' i Ejipta. Ary niala teo anatrehan' i Faraona izy handeha hitety ny tany Ejipta rehetra. Joseph avait trente ans lorsqu' il se présenta devant Pharaon, roi d'Égypte, et Joseph quitta la présence de Pharaon et parcourut tout le pays d'Égypte.
...............
Gen / Jen 41.48 And he gathered up all the food of the seven years, which were in the land of Egypt, and laid up the food in the cities: the food of the field, which was round about every city, laid he up in the same. Dia namory ny hanina rehetra tamin' izany fito taona izany teo amin' ny tany Egypta izy ka nitahiry izany tao amin' ny tanàna rehetra: ny vokatry ny saha manodidina ny isan-tanàna dia notehiriziny tao anatin' ny tanàna. Ka Josefa namory ny vokatry ny tany rehetra tamin' izany fito taona izany tany Ejipta, nanangona fitaovana tamin' ny tanàna izy, fa isan-tanàna dia samy nampidirany ny vokatry ny tany manodidina azy avy. et il ramassa tous les vivres des sept années où il y eut abondance au pays d'Égypte et déposa les vivres dans les villes, mettant dans chaque ville les vivres de la campagne environnante.
...............
Gen / Jen 41.53 And the seven years of plenteousness, that was in the land of Egypt, were ended. Ary tapitra ny taon-jina fito teo amin' ny tany Egypta; Nony tapitra ny taon-jina fito tamin' ny tany Ejipta, Alors prirent fin les sept années d' abondance qu' il y eut au pays d'Égypte
Gen / Jen 41.54 And the seven years of dearth began to come, according as Joseph had said: and the dearth was in all lands; but in all the land of Egypt there was bread. dia niandoha kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain' i Josefa; ary nisy mosary tany amin' ny tany rehetra; nefa eran' ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina ihany. dia niandoha kosa ny fihavian' ny taona fito mosarena, araka ny voalazan' i Josefa. Ny tany rehetra dia nisy mosary, fa ny tany Ejipta kosa dia nanan-kanin-kohanina. et commencèrent à venir les sept années de famine, comme l' avait dit Joseph. Il y avait famine dans tous les pays, mais il y avait du pain dans tout le pays d'Égypte.
Gen / Jen 41.55 And when all the land of Egypt was famished, the people cried to Pharaoh for bread: and Pharaoh said unto all the Egyptians, Go unto Joseph; what he saith to you, do. Ary rehefa mosarena ny tany Egypta rehetra, dia nitaraina nangataka hanina tamin' i Farao ny olona; ary hoy Farao tamin' ny Egyptiana rehetra: Mankanesa any amin' i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy. Taty aoriana tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra, ka nitaraina tamin' i Faraona ny vahoaka nitady hanina. Fa hoy Faraona tamin' ny Ejipsiana rehetra: Mankanesa any amin' i Josefa, ary ataovy izay lazainy aminareo. Puis tout le pays d'Égypte souffrit de la faim et le peuple demanda à grands cris du pain à Pharaon, mais Pharaon dit à tous les Égyptiens : Allez à Joseph et faites ce qu' il vous dira. -
Gen / Jen 41.56 And the famine was over all the face of the earth: and Joseph opened all the storehouses, and sold unto the Egyptians; and the famine waxed sore in the land of Egypt. Ary ny mosary dia tany amin' ny tany rehetra. Ary Josefa namoha ny trano fitehirizam-bary ka nivaro-bary tamin' ny Egyptiana. Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary, novohan' i Josefa ny tranom-bary rehetra naorina tany, ary nivarotra tamin' ny Ejipsiana izy; ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin' ny tany Ejipta. La famine sévissait par toute la terre. - Alors Joseph ouvrit tous les magasins à blé et vendit du grain aux Égyptiens. La famine s' aggrava encore au pays d'Égypte.
Gen / Jen 41.57 And all countries came into Egypt to Joseph for to buy corn; because that the famine was so sore in all lands. Ary ny tany rehetra nankany Egypta ho any amin' i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny mosary tany amin' ny tany rehetra. Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin' ny tany rehetra, hividy vary amin' i Josefa, fa nihamafy ny mosary tamin' ny tany rehetra. De toute la terre on vint en Égypte pour acheter du grain à Joseph, car la famine s' aggravait par toute la terre.
Gen / Jen 42.1 Now when Jacob saw that there was corn in Egypt, Jacob said unto his sons, Why do ye look one upon another? Ary fantatr' i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin' ny zananilahy: Nahoana no mifampijery foana ianareo ? Nony fantatr' i Jakoba fa nisy vary tany Ejipta, dia hoy izy tamin' ireo zanany lahy: Nahoana ireto hianareo no mifampijery foana eo? Jacob, voyant qu' il y avait du grain à vendre en Égypte, dit à ses fils : Pourquoi restez-vous à vous regarder ?
Gen / Jen 42.2 And he said, Behold, I have heard that there is corn in Egypt: get you down thither, and buy for us from thence; that we may live, and not die. Dia hoy koa izy: Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha midina any ianareo, ka mividia ho antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty. Dia hoy izy: Indro reko fa hoe misy vary any Ejipta, koa andeha midina any hianareo, hividy ho antsika, mba ho velona isika fa tsy ho faty. J' ai appris, leur dit-il, qu' il y avait du grain à vendre en Égypte. Descendez-y et achetez-nous du grain là-bas, pour que nous restions en vie et ne mourions pas.
Gen / Jen 42.3 And Joseph' s ten brethren went down to buy corn in Egypt. Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin' i Josefa mba hividy vary tany Egypta. Lasa nidina hividy vary any Ejipta ny rahalahin' i Josefa folo lahy. Dix des frères de Joseph descendirent donc pour acheter du blé en Égypte.
...............
Gen / Jen 43.2 And it came to pass, when they had eaten up the corn which they had brought out of Egypt, their father said unto them, Go again, buy us a little food. AryY rehefa laniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika. ka nony efa tapitra nohaniny ny vary nalain' izy ireo tany Ejipta, dia hoy rainy taminy: Mandehàna indray mividy hanina kely ho antsika. et lorsqu' ils eurent achevé de manger le grain qu' ils avaient rapporté d'Égypte, leur père leur dit : Retournez et achetez-nous un peu de vivres.
...............
Gen / Jen 43.15 And the men took that present, and they took double money in their hand and Benjamin; and rose up, and went down to Egypt, and stood before Joseph. Dia nentin' ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin' i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan' i Josefa. Koa nalain' ireo olona ireo izany fanomezana izany, ary nentiny teo an-tànany ny vola avo sasaka, mbamin' i Benjamina, dia niainga izy nidina nankany Ejipta, ary niseho teo anatrehan' i Josefa. Nos gens prirent donc ce présent, le double d' argent avec eux, et Benjamin; ils partirent et descendirent en Égypte et ils se présentèrent devant Joseph.
...............
Gen / Jen 45.4 And Joseph said unto his brethren, Come near to me, I pray you. And they came near. And he said, I am Joseph your brother, whom ye sold into Egypt. Ary hoy Josefa tamin' ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atý Egypta. Ary Josefa nanao tamin' ny rahalahiny hoe: Manatòna eto amiko hianareo, dia nanatona izy, ka hoy izy: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atý Ejipta. Alors Joseph dit à ses frères : Approchez-vous de moi ! et ils s' approchèrent. Il dit : Je suis Joseph, votre frère, que vous avez vendu en Égypte.
...............
Gen / Jen 45.8 So now it was not you that sent me hither, but God: and he hath made me a father to Pharaoh, and lord of all his house, and a ruler throughout all the land of Egypt. Ary amin' izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atý, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain' i Farao, sy ho tompon' ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra. Koa amin' izany, tsy hianareo no nampandeha ahy ho atý, fa Andriamanitra. Izy no nanangana ahy ho rain' i Faraona sy ho tompon' ny tranony rehetra ary ho mpanapaka ny tany Ejipta manontolo. Ainsi, ce n' est pas vous qui m' avez envoyé ici, c' est Dieu, et il m' a établi comme père pour Pharaon, comme maître sur toute sa maison, comme gouverneur dans tout le pays d'Égypte.
Gen / Jen 45.9 Haste ye, and go up to my father, and say unto him, Thus saith thy son Joseph, God hath made me lord of all Egypt: come down unto me, tarry not: Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin' ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin' i Josefa zanakao: Efa nataon' Andriamanitra ho tompon' i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatý amiko, fa aza mijanona; Koa miakara faingana hianareo any amin' ikaky ka lazao aminy hoe: Izao no teny nataon' i Josefa zanakao: Natsangan' Andriamanitra ho tompon' i Ejipta manontolo aho, ka midìna ho aty amiko hianao ary aza ela. Remontez vite chez mon père et dites-lui : Ainsi parle ton fils Joseph : Dieu m' a établi maître sur toute l'Égypte. Descends auprès de moi sans tarder.
...............
Gen / Jen 45.13 And ye shall tell my father of all my glory in Egypt, and of all that ye have seen; and ye shall haste and bring down my father hither. Dia hambaranareo amin' ikaky ny voninahitro rehetra atý Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento midina atý ikaky. Koa tantarao amin' ikaky ny voninahitro rehetra aty Ejipta sy izay rehetra efa hitanareo; ary ataovy izay hidinan' ikaky faingana ho aty. Racontez à mon père toute la gloire que j' ai en Égypte et tout ce que vous avez vu, et hâtez-vous de faire descendre ici mon père.
...............
Gen / Jen 45.18 And take your father and your households, and come unto me: and I will give you the good of the land of Egypt, and ye shall eat the fat of the land. ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atý amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin' ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin' ny tany ianareo. Dia makà ny rainareo sy ny ankohonanareo, ary miverena aty amiko. Fa homeko ny tsara indrindra amin' ny tany Ejipta hianareo, ary hihinana ny menaky ny tany. Prenez votre père et vos familles et revenez vers moi; je vous donnerai le meilleur de la terre d'Égypte et vous vous nourrirez de la graisse du pays.
Gen / Jen 45.19 Now thou art commanded, this do ye; take you wagons out of the land of Egypt for your little ones, and for your wives, and bring your father, and come. Ary ankehitriny efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin' ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atý. Omeko fahefana hianao hilaza aminy hoe: Izao no hataonareo: Makà sarety amin' ny tany Ejipta hitondranareo ny vady aman-janakareo, alao ny rainareo dia mankanesa atý. Pour toi, donne-leur cet ordre : Agissez ainsi : emmenez du pays d'Égypte des chariots pour vos petits enfants et vos femmes, prenez votre père et venez.
Gen / Jen 45.20 Also regard not your stuff; for the good of all the land of Egypt is your' s. Aza malahelo ny amin' ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin' ny tany Egypta rehetra. Aza apitrapitra amin' alahelo ny masonareo hijery ny zavatra ilaozanareo, fa izay tsara indrindra atý amin' ny tany Ejipta manontolo no hatolotro anareo hanarananareo fo. N' ayez pas un regard de regret pour ce que vous laisserez, car ce qu' il y a de meilleur dans toute l'Égypte sera pour vous.
...............
Gen / Jen 45.23 And to his father he sent after this manner; ten asses laden with the good things of Egypt, and ten she asses laden with corn and bread and meat for his father by the way. Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an' ny rainy ho entiny eny an-dalana. Ary rainy kosa nampitondrany ampondralahy folo, nitondra tamin' izay vokatr' i Ejipta tsara indrindra; ampondravavy folo, nitondra vary sy mofo ary hanina ho an-drainy eny an-dàlana. De la même manière, il envoya à son père dix ânes chargés des meilleurs produits d'Égypte et dix ânesses portant du blé, du pain et des vivres pour le voyage de son père.
...............
Gen / Jen 45.25 And they went up out of Egypt, and came into the land of Canaan unto Jacob their father, Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin' i Jakoba rainy tany amin' ny tany Kanana. Nony tafakatra avy any Ejipta izy ireo dia tonga tany amin' i Jakoba rainy, any amin' ny tany Kanaana. Ils remontèrent donc d'Égypte et arrivèrent au pays de Canaan, chez leur père Jacob.
Gen / Jen 45.26 And told him, saying, Joseph is yet alive, and he is governor over all the land of Egypt. And Jacob' s heart fainted, for he believed them not. Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon' i Jakoba, fa tsy nino azy izy. Hoy izy taminy: Mbola velona Josefa, ary izy aza no manapaka ny tany Ejipta. Fa tsy nihontsina akory ny fon' i Jakoba, satria tsy nino azy ireo izy. Ils lui annoncèrent : Joseph est encore vivant, c' est même lui qui gouverne tout le pays d'Égypte ! Mais son coeur resta inerte, car il ne les crut pas.
...............
Gen / Jen 46.3 And he said, I am God, the God of thy father: fear not to go down into Egypt; for I will there make of thee a great nation: Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao. Dia hoy Andriamanitra: Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe hianao any. Dieu reprit : Je suis El, le Dieu de ton père. N' aie pas peur de descendre en Égypte, car là-bas je ferai de toi une grande nation.
Gen / Jen 46.4 I will go down with thee into Egypt; and I will also surely bring thee up again: and Joseph shall put his hand upon thine eyes. Izaho hiara-midina aminao ho any Egypta; ary Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa ary ny tànan' i Josefa no hanirina ny masonao. Izaho hiara-midina aminao any Ejipta. Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any, ary ny tànan' i Josefa no hanirina ny masonao. C' est moi qui descendrai avec toi en Égypte, c' est moi aussi qui t' en ferai remonter, et Joseph te fermera les yeux.
...............
Gen / Jen 46.6 And they took their cattle, and their goods, which they had gotten in the land of Canaan, and came into Egypt, Jacob, and all his seed with him: Ary nentin' izy ireo ny omby aman' ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin' ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy: Nentiny koa ny biby fiompiny sy ny fananany nohariny tany amin' ny tany Kanaana. Dia nankany Ejipta Jakoba mbamin' ny fianakaviany rehetra. Ils emmenèrent leurs troupeaux et tout ce qu' ils avaient acquis au pays de Canaan et ils vinrent en Égypte, Jacob et tous ses descendants avec lui :
Gen / Jen 46.7 His sons, and his sons' sons with him, his daughters, and his sons' daughters, and all his seed brought he with him into Egypt. ny zananilahy sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra. Nentiny nankany Ejipta niaraka taminy ny zanany aman-jafiny lahy, sy ny zanany aman-jafiny vavy, mbamin' ny ankohonany rehetra. ses fils et les fils de ses fils, ses filles et les filles de ses fils, bref tous ses descendants, il les emmena avec lui en Égypte.
Gen / Jen 46.8 And these are the names of the children of Israel, which came into Egypt, Jacob and his sons: Reuben, Jacob' s firstborn. Ary izao no anaran' ny zanak' Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy : Izao no anaran' ny zanakalahin' Israely tonga tany Ejipta. Jakoba sy ny zanany lahy: Voici les noms des fils d' Israël qui vinrent en Égypte, Jacob et ses fils. Ruben, l' aîné de Jacob,
...............
Gen / Jen 46.19 The sons of Rachel Jacob' s wife; Joseph, and Benjamin. Ny zanakalahin-dRahely, vadin' i Jakoba dia Josefa sy Benjamina. Zana-dRasela vadin' i Jakoba: Josefa sy Benjamina. Ny zanak' i Josefa tany amin' ny tany Ejipta, Les fils de Rachel, femme de Jacob : Joseph et Benjamin.
Gen / Jen 46.20 And unto Joseph in the land of Egypt were born Manasseh and Ephraim, which Asenath the daughter of Potipherah priest of On bare unto him. Ary ny zanakalahin' i Asenata, zanakavavin' i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak' i Josefa tany amin' ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima. izay naterak' i Aseneta zanakavavin' i Potifara, mpisorona ao Ona, dia Manase sy Efraima. Joseph eut pour enfants en Égypte Manassé et Éphraïm, nés d' Asnat, fille de Poti-Phéra, prêtre d' On.
...............
Gen / Jen 46.26 All the souls that came with Jacob into Egypt, which came out of his loins, besides Jacob' s sons' wives, all the souls were threescore and six; Ny isan' izay rehetra nankany Egypta niaraka tamin' i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin' ny zanakalahin' i Jakoba dia enina amby enim-polo. Ny isan' izy rehetra niaraka tamin' i Jakoba nankany Ejipta, afa-tsy ny vadin-janany lahy, fa ny naloaky ny kibony ihany, dia enina amby enim-polo. Toutes les personnes de la famille de Jacob, issues de lui, qui vinrent en Égypte, sans compter les femmes des fils de Jacob, étaient en tout soixante-six.
Gen / Jen 46.27 And the sons of Joseph, which were born him in Egypt, were two souls: all the souls of the house of Jacob, which came into Egypt, were threescore and ten. Ary ny zanakalahin' i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan' ny terak' i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo. Ny zanak' i Josefa izay naterany tany Ejipta dia roa lahy. Ary ny tontalin' ny ankohonan' i Jakoba rehetra tonga tany Ejipta dia fito-polo. Les fils de Joseph qui lui naquirent en Égypte étaient au nombre de deux. Total des personnes de la famille de Jacob qui vinrent en Égypte : soixante-dix.
...............
Gen / Jen 47.5 And Pharaoh spake unto Joseph, saying, Thy father and thy brethren are come unto thee: Ary Farao dia niteny tamin' i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga atý aminao; Dia hoy Faraona tamin' i Josefa: Tonga atý aminao ireto ny rainao sy ny rahalahinao; koa indro eo anoloanao ny tany Ejipta; amponeno amin' izay tany tsara indrindra ny rainao sy ny rahalahinao. Alors Pharaon dit à Joseph : Jacob et ses fils vinrent en Égypte auprès de Joseph. Pharaon, roi d'Égypte, l' apprit et il dit à Joseph : Ton père et tes frères sont arrivés près de toi. Le pays d'Égypte est à ta disposition : établis ton père et tes frères dans la meilleure région.
Gen / Jen 47.6 The land of Egypt is before thee; in the best of the land make thy father and brethren to dwell; in the land of Goshen let them dwell: and if thou knowest any men of activity among them, then make them rulers over my cattle. ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin' izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin' ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben' ny mpiandry ny omby aman' ondriko. Aoka honina amin' ny tany Gesena izy. Ary raha mahita lehilahy mahay amin' izy ireo hianao, tendreo izy ho mpitandrina ny biby fiompiko. Qu' ils habitent la terre de Goshèn et, si tu sais qu' il y a parmi eux des hommes capables, place-les comme régisseurs de mes propres troupeaux.
...............
Gen / Jen 47.11 And Joseph placed his father and his brethren, and gave them a possession in the land of Egypt, in the best of the land, in the land of Rameses, as Pharaoh had commanded. Dia namponenin' i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin' ny tany Egypta, dia tao amin' ny tany tsara indrindra, tao amin' ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian' i Farao. Koa nampiorim-ponenana an-drainy sy ny rahalahiny Josefa ka nanome azy zara tany, eo amin' ny tany Ejipta, dia ny tsara indrindra amin' ny tany, ao amin' ny faritanin' i Ramsesa, araka ny teny nomen' i Faraona azy. Joseph établit son père et ses frères et il leur donna une propriété au pays d'Égypte, dans la meilleure région, la terre de Ramsès, comme l' avait ordonné Pharaon.
...............
Gen / Jen 47.13 And there was no bread in all the land; for the famine was very sore, so that the land of Egypt and all the land of Canaan fainted by reason of the famine. Ary tsy nisy hanina teo amin' ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary. Dia tsy nisy hanina intsony tamin' ny tany rehetra, fa mafy dia mafy ny mosary, ka najifa ny tany Ejipta sy ny tany Kanaana, azon' ny mosary. Il n' y avait pas de pain sur toute la terre, car la famine était devenue très dure et le pays d'Égypte et le pays de Canaan languissaient de faim.
Gen / Jen 47.14 And Joseph gathered up all the money that was found in the land of Egypt, and in the land of Canaan, for the corn which they bought: and Joseph brought the money into Pharaoh' s house. Dia nangonin' i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin' ny tany Egypta sy tany amin' ny tany Kanana, dia izay vidin' ny vary novidin' ny olona, ka nampidirin' i Josefa tao an-tranon' i Farao ny vola. Lasan' i Josefa tamin' ny vidim-bary novidin' ny olona avokoa ny vola tany amin' ny tany Ejipta sy tany amin' ny tany Kanaana, ka nampidiriny tao an-tranon' i Faraona izany vola izany. Joseph ramassa tout l' argent qui se trouvait au pays d'Égypte et au pays de Canaan en échange du grain qu' on achetait et il livra cet argent au palais de Pharaon.
Gen / Jen 47.15 And when money failed in the land of Egypt, and in the land of Canaan, all the Egyptians came unto Joseph, and said, Give us bread: for why should we die in thy presence? for the money faileth. Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin' ny tany Egypta sy tany amin' ny tany Kanana, dia nankeo amin' i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola. Nony lany avokoa ny vola tany amin' ny tany Ejipta sy tany amin' ny tany Kanaana, dia nankany amin' i Josefa ny Ejipsiana rehetra nanao hoe: Omeo hanina izahay. Aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay, fa tapitra ny volanay! Lorsque fut épuisé l' argent du pays d'Égypte et du pays de Canaan, tous les Égyptiens vinrent à Joseph en disant : Donne-nous du pain ! Pourquoi devrions-nous mourir sous tes yeux ? car il n' y a plus d' argent.
...............
Gen / Jen 47.20 And Joseph bought all the land of Egypt for Pharaoh; for the Egyptians sold every man his field, because the famine prevailed over them: so the land became Pharaoh' s. Dia notakalozan' i Josefa ho an' i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan' i Farao ny tany. Dia lasan' i Josefa ho an' i Faraona ny tany Ejipta manontolo; fa ny Ejipsiana samy nanakalo ny sahany avy, fa resi-mosary, any ka tonga fananan' i Faraona ny tany. Ainsi Joseph acquit pour Pharaon tout le terroir d'Égypte, car les Égyptiens vendirent chacun son champ, tant les pressait la famine, et le pays passa aux mains de Pharaon.
Gen / Jen 47.21 And as for the people, he removed them to cities from one end of the borders of Egypt even to the other end thereof. Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin' ny tanàna hatramin' ny faran' ny faritr' i Egypta rehetra. Dia nafindrany ny vahoaka ho any amin' ny tanàna eran' ny tany Ejipta rehetra. Quant aux gens, il les réduisit en servage, d' un bout à l' autre du territoire égyptien.
...............
Gen / Jen 47.26 And Joseph made it a law over the land of Egypt unto this day, that Pharaoh should have the fifth part, except the land of the priests only, which became not Pharaoh' s. Dia nataon' i Josefa ho lalana tany amin' ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an' i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin' ny mpisorona ihany no tsy mba lasan' i Farao. Dia nataon' i Josefa lalàna izany amin' ny tany Ejipta, ka mbola velona mandrak' androany, ka araka izany lalàna izany dia an' i Faraona ny ampahadimin' ny vokatry ny tany any Ejipta, fa ny tanin' ny mpisorona ihany no hàny tsy azy. De cela, Joseph fit une règle, qui vaut encore aujourd' hui pour le terroir d'Égypte : on verse le cinquième à Pharaon. Seul le terroir des prêtres ne fut pas à Pharaon.
Gen / Jen 47.27 And Israel dwelt in the land of Egypt, in the country of Goshen; and they had possessions therein, and grew, and multiplied exceedingly. Ary nonina tao amin' ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin' ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra. Nonina tany Ejipta amin' ny tany Gesena Israely ka nahazo fananana tany izy ireo, ary nihamaro anaka sy nihabetsaka indrindra. Ainsi Israël s'établit au pays d'Égypte dans la terre de Goshèn. Ils y acquirent des propriétés, furent féconds et devinrent très nombreux.
Gen / Jen 47.28 And Jacob lived in the land of Egypt seventeen years: so the whole age of Jacob was an hundred forty and seven years. Ary ny andro niainan' i Jakoba tao amin' ny tany Egypta dia fito ambin' ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan' i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona. Fito ambin' ny folo taona no andro niainan' i Jakoba tany amin' ny tany Ejipta. Ary fito amby efa-polo amby zato taona ny andro niainany rehetra. Jacob vécut dix-sept ans au pays d'Égypte et la durée de la vie de Jacob fut de cent quarante-sept ans.
Gen / Jen 47.29 And the time drew nigh that Israel must die: and he called his son Joseph, and said unto him, If now I have found grace in thy sight, put, I pray thee, thy hand under my thigh, and deal kindly and truly with me; bury me not, I pray thee, in Egypt: Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan' Isiraely, dia nampaka an' i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin' ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina atý Egypta aho. Nony efa akaiky ny fara andron' Israely dia nampaka an' i Josefa zanany izy, nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia teo imasonao koa aho, masìna hianao, ataovy ato ambany feko ny tànanao, ataovy amiko amin-kazavam-po sy fahamarinana izao: aza alevina atý Ejipta aho, Lorsque approcha pour Israël le temps de sa mort, il appela son fils Joseph et lui dit : Si j' ai ton affection, mets ta main sous ma cuisse, montre-moi bienveillance et bonté : ne m' enterre pas en Égypte !
Gen / Jen 47.30 But I will lie with my fathers, and thou shalt carry me out of Egypt, and bury me in their buryingplace. And he said, I will do as thou hast said. Fa rehefa lasa mody mandry any amin' ny razako aho, dia ho entinao hiala atý Egypta ka halevinao ao amin' ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho. fa raha avy izay hodiako mandry any amin' ny razako, ento miala atý Ejipta aho, ka aleveno any amin' ny fasan' izy ireo. Dia hoy ny navalin' i Josefa: Eny, hotanterahiko ny teninao. Quand je serai couché avec mes pères, tu m' emporteras d'Égypte et tu m' enterreras dans leur tombeau. Il répondit : Je ferai comme tu as dit.
...............
Gen / Jen 48.5 And now thy two sons, Ephraim and Manasseh, which were born unto thee in the land of Egypt before I came unto thee into Egypt, are mine; as Reuben and Simeon, they shall be mine. Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatý amin' ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatý aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an' i Robena sy Simeona. Koa ankehitriny, ny zanakao roa lahy izay naterakao tatý Ejipta, talohan' ny nahatongavako atý aminao teto Ejipta, dia ho ahy, ho ahy, tahaka an-dRobena sy Simeona koa Efraima sy Manase, Maintenant, les deux fils qui te sont nés au pays d'Égypte avant que je ne vienne auprès de toi en Égypte, ils seront miens ! Éphraïm et Manassé seront à moi au même titre que Ruben et Siméon.
...............
Gen / Jen 50.7 And Joseph went up to bury his father: and with him went up all the servants of Pharaoh, the elders of his house, and all the elders of the land of Egypt, Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon' i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin' ny tany Egypta, Dia niakatra handevina an-drainy Josefa. Niara-niakatra taminy koa ny mpanompon' i Faraona rehetra, ny loholona tao an-tranony, ny loholona rehetra tamin' ny tany Ejipta, Joseph monta enterrer son père, et montèrent avec lui tous les officiers de Pharaon, les dignitaires de son palais et tous les dignitaires du pays d'Égypte,
...............
Gen / Jen 50.14 And Joseph returned into Egypt, he, and his brethren, and all that went up with him to bury his father, after he had buried his father. Ary rehefa voalevin' i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin' izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy. Nony vita levenana rainy dia niverina ho any Ejipta Josefa mbamin' ny rahalahiny, sy izay rehetra niara-niakatra taminy handevina an-drainy. Joseph revint alors en Égypte, ainsi que ses frères et tous ceux qui étaient montés avec lui pour enterrer son père.
...............
Gen / Jen 50.22 And Joseph dwelt in Egypt, he, and his father' s house: and Joseph lived an hundred and ten years. Ary Josefa sy ny ankohonan' ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan' i Josefa dia folo amby zato taona. Ka dia nonina tany Ejipta Josefa, izy sy ny ankohonan-drainy. Folo amby zato taona no andro niainany. Ainsi Joseph et la famille de son père demeurèrent en Égypte, et Joseph vécut cent dix ans.
...............
Gen / Jen 50.26 So Joseph died, being an hundred and ten years old: and they embalmed him, and he was put in a coffin in Egypt. Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin' ny vata tany Egypta. Dia maty Josefa rahefa folo amby zato taona. Nohosorana zava-manitra izy, dia napetraka anaty vatam-paty tany Ejipta. Joseph mourut à l'âge de cent dix ans, on l' embauma et on le mit dans un cercueil en Égypte.

  Exodus Fanafahana na Eksodosy Fanafahana na Eksaody L'Exode
Eks 1.1 Now these are the names of the children of Israel, which came into Egypt; every man and his household came with Jacob. Ary izao no anaran' ny zanak' Isiraely izay niaraka tamin' i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin' ny ankohonany avy izy rehetra: Izao no anaran' ny zanak' Israely tonga tany Ejipta; tonga niaraka tamin' i Jakoba izy ireo samy nombam-pianakaviany avy. Voici les noms des Israélites qui entrèrent en Égypte avec Jacob ; ils y vinrent chacun avec sa famille :
...............
Eks 1.5 And all the souls that came out of the loins of Jacob were seventy souls: for Joseph was in Egypt already. Ary ny isan' ny olona rehetra naterak' i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo. Fito-polo izy rehetra terak' i Jakoba; ary Josefa efa tany Ejipta. Les descendants de Jacob étaient, en tout, soixante-dix personnes. Joseph, lui, était déjà en Égypte.
...............
Eks 1.8 Now there arose up a new king over Egypt, which knew not Joseph. Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an' i Josefa. Fa nisy kosa mpanjaka vaovao, tsy nahalala an' i Josefa, nanjaka tamin' i Ejipta. Un nouveau roi vint au pouvoir en Égypte, qui n' avait pas connu Joseph.
...............
Eks 1.15 And the king of Egypt spake to the Hebrew midwives, of which the name of the one was Shiphrah, and the name of the other Puah: Ary ny mpanjakan' i Egypta niteny tamin' ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran' ny anankiray, ary Poa no anaran' ny anankiray) Ary ny mpanjakan' i Ejipta niteny tamin' ireo mpampivelona ny Hebrio, atao hoe Seforà ny iray, ary Foà ny iray, Le roi d'Égypte dit aux accoucheuses des femmes des Hébreux, dont l' une s' appelait Shiphra et l' autre Pua :
...............
Eks 1.17 But the midwives feared God, and did not as the king of Egypt commanded them, but saved the men children alive. Nefa natahotra an' Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain' ny mpanjakan' i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy. Natahotra an' Andriamanitra anefa ireo mpampivelona, ka tsy narahiny ny tenin' ny mpanjakan' i Ejipta, fa navelany ho velona ihany ny zazalahy. Mais les accoucheuses craignirent Dieu, elles ne firent pas ce que leur avait dit le roi d'Égypte et laissèrent vivre les garçons.
Eks 1.18 And the king of Egypt called for the midwives, and said unto them, Why have ye done this thing, and have saved the men children alive? Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan' i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy? Dia nampiantsoin' ny mpanjakan' i Ejipta ny mpampivelona ka nataony hoe: Nahoana hianareo no nanao toy izany ka navelanareo ho velona ny zazalahy? Le roi d'Égypte les appela et leur dit : " Pourquoi avez-vous agi de la sorte et laissé vivre les garçons ? "
...............
Eks 2.23 And it came to pass in process of time, that the king of Egypt died: and the children of Israel sighed by reason of the bondage, and they cried, and their cry came up unto God by reason of the bondage. Ary tao anatin' izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan' i Egypta; ary ny Zanak' Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin' Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany. Maty tanatin' izany andro maro izany ilay mpanjakan' i Ejipta. Ny zanak' Israely mbola niferinaina tamin' ny fanandevozana, ka velon-taraina mafy, ka tafasondrotra hatrany amin' Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanandevozana. Au cours de cette longue période, le roi d'Égypte mourut. Les Israélites, gémissant de leur servitude, crièrent, et leur appel à l' aide monta vers Dieu, du fond de leur servitude.
...............
Eks 3.7 And the Lord said, I have surely seen the affliction of my people which are in Egypt, and have heard their cry by reason of their taskmasters; for I know their sorrows; Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian' ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon' ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; Ary hoy Iaveh hoe: Efa hitako ny fahorian' ny vahoakako izay any Ejipta ary henoko ny fitarainany noho ny afitsok' ireo mpamoritra azy: fa fantatro ny fijaliany. Yahvé dit : " J' ai vu, j' ai vu la misère de mon peuple qui est en Égypte. J' ai entendu son cri devant ses oppresseurs ; oui, je connais ses angoisses.
...............
Eks 3.10 Come now therefore, and I will send thee unto Pharaoh, that thou mayest bring forth my people the children of Israel out of Egypt. Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin' i Farao hitondra ny Zanak' Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta. Koa handeha hianao amin' izao, irahiko ho any amin' i Faraona, hitondranao mivoaka ny zanak' Israely vahoakako. Maintenant va, je t' envoie auprès de Pharaon, fais sortir d'Égypte mon peuple, les Israélites. "
Eks 3.11 And Moses said unto God, Who am I, that I should go unto Pharaoh, and that I should bring forth the children of Israel out of Egypt? Fa hoy Mosesy tamin' Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin' i Farao sy hitondra ny Zanak' Isiraely hivoaka avy any Egypta? Fa hoy Moizy tamin' Andriamanitra: Zinona moa aho no hankany amin' i Faraona sy hitondra ny zanak' Israely hivoaka avy any Ejipta? Moïse dit à Dieu : " Qui suis-je pour aller trouver Pharaon et faire sortir d'Égypte les Israélites ? "
Eks 3.12 And he said, Certainly I will be with thee; and this shall be a token unto thee, that I have sent thee: When thou hast brought forth the people out of Egypt, ye shall serve God upon this mountain. Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an' Andriamanitra eto amin' ity tendrombohitra ity ianareo. Dia hoy Andriamanitra: Homba anao aho; ary izao no famantarana fa izaho no naniraka anao: Rahefa tafavoakanao an' i Ejipta ny vahoaka, dia hanompo an' Andriamanitra eto amin' ity tendrombohitra ity hianareo. Dieu dit : " Je serai avec toi, et voici le signe qui te montrera que c' est moi qui t' ai envoyé. Quand tu feras sortir le peuple d'Égypte, vous servirez Dieu sur cette montagne.
...............
Eks 3.16 Go, and gather the elders of Israel together, and say unto them, The Lord God of your fathers, the God of Abraham, of Isaac, and of Jacob, appeared unto me, saying, I have surely visited you, and seen that which is done to you in Egypt: Mandehana, dia angòny ny loholon' ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atý Egypta; Mandehana, vorio ny loholon' Israely, ka lazao aminy hoe: Niseho tamiko Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, nanao hoe: Namangy anareo aho, ary nahita ny anaovan' ny olona anareo any Ejipta. " Va, réunis les anciens d' Israël et dis-leur : "Yahvé, le Dieu de vos pères, m' est apparu - le Dieu d' Abraham, d' Isaac et de Jacob - et il m' a dit : Je vous ai visités et j' ai vu ce qu' on vous fait en Égypte,
Eks 3.17 And I have said, I will bring you up out of the affliction of Egypt unto the land of the Canaanites, and the Hittites, and the Amorites, and the Perizzites, and the Hivites, and the Jebusites, unto a land flowing with milk and honey. ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin' ny fahoriana atý Egypta ho any amin' ny tanin' ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin' izay tany tondra-dronono sy tantely. Ka hoy aho: Hoentiko hianareo hiakatra avy any Ejipta, izay hamoretana anareo, ho any amin' ny tanin' ny Kananeana, ny Heteana, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Heveana ary ny Jeboseana, any amin' ny tany tondra-dronono aman-tantely. alors j' ai dit : Je vous ferai monter de l' affliction d'Égypte vers la terre des Cananéens, des Hittites, des Amorites, des Perizzites, des Hivvites et des Jébuséens, vers une terre qui ruisselle de lait et de miel. "
Eks 3.18 And they shall hearken to thy voice: and thou shalt come, thou and the elders of Israel, unto the king of Egypt, and ye shall say unto him, The Lord God of the Hebrews hath met with us: and now let us go, we beseech thee, three days' journey into the wilderness, that we may sacrifice to the Lord our God. Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin' ny mpanjakan' i Egypta ianao sy ny loholon' ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an' i Jehovah Andriamanitray. Fa hihaino ny teninao izy ireo; dia handeha hianao sy ny loholon' Israely ho any amin' ny mpanjakan' i Ejipta, ka hanao aminy hoe: Niseho taminay Iaveh ilay Andriamanitry ny Hebrio. Koa amin' izao avelao izahay handeha lalan-kateloana any an' efitra, hanolotra sorona amin' ny Tompo, Andriamanitray. Ils écouteront ta voix et vous irez, toi et les anciens d' Israël, trouver le roi d'Égypte et vous lui direz : "Yahvé, le Dieu des Hébreux, est venu à notre rencontre. Toi, permets-nous d' aller à trois jours de marche dans le désert pour sacrifier à Yahvé notre Dieu. "
Eks 3.19 And I am sure that the king of Egypt will not let you go, no, not by a mighty hand. Kanefa Izaho mahalala fa tsy havelan' ny mpanjakan' i Egypta handeha ianareo, tsia, na dia amin' ny tanana mahery aza. Fantatro ihany fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan' i Ejipta, raha tsy amin' ny tànana mahery; Je sais bien que le roi d'Égypte ne vous laissera aller que s' il y est contraint par une main forte.
Eks 3.20 And I will stretch out my hand, and smite Egypt with all my wonders which I will do in the midst thereof: and after that he will let you go. Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an' i Egypta amin' ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy. nefa haninjitra ny tànako aho hamely an' i Ejipta, amin' ny fahagagana isan-karazany hataoko eo aminy, ka havelany handeha hianareo rahefa afaka izany. Aussi j'étendrai la main et je frapperai l'Égypte par les merveilles de toute sorte que j' accomplirai au milieu d' elle ; après quoi, il vous laissera partir.
...............
Eks 3.22 But every woman shall borrow of her neighbour, and of her that sojourneth in her house, jewels of silver, and jewels of gold, and raiment: and ye shall put them upon your sons, and upon your daughters; and ye shall spoil the Egyptians. fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin' ny miray monina aminy sy amin' izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin' ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana. Samy hangataka fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fitafiana, amin' izay mifanolo-body rindrina aminy sy amin' izay miray trano aminy avy, ny vehivavy, hataonareo amin' ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy; ka dia hambabo an' i Ejipta hianareo. La femme demandera à sa voisine et à celle qui séjourne dans sa maison des objets d' argent, des objets d' or et des vêtements. Vous les ferez porter à vos fils et à vos filles et vous en dépouillerez les Égyptiens.
...............
Eks 4.18 And Moses went and returned to Jethro his father in law, and said unto him, Let me go, I pray thee, and return unto my brethren which are in Egypt, and see whether they be yet alive. And Jethro said to Moses, Go in peace. Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin' i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin' ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin' i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara. Dia lasa Moizy. Nony tafaverina tany amin' i Jetrao rafozany izy, dia hoy izy taminy: Masìna hianao, avelao kely aho hiverina ho any amin' ireo rahalahiko any Ejipta, mba hizaha raha mbola velona ihany izy. Ary hoy Jetrao tamin' i Moizy: Mandehana amim-piadanana. Moïse s' en alla et retourna vers Jéthro, son beau-père. Il lui dit : " Permets que je m' en aille et que je retourne vers mes frères qui sont en Égypte pour voir s' ils sont encore en vie. " Jéthro lui répondit : " Va en paix. "
Eks 4.19 And the Lord said unto Moses in Midian, Go, return into Egypt: for all the men are dead which sought thy life. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao. Hoy Iaveh tamin' i Moizy, tany amin' ny tany Madiana: Mandehana miverina any Ejipta fa efa maty avokoa ireo nitady hamono aina anao. Yahvé dit à Moïse en Madiân : " Va, retourne en Égypte, car ils sont morts, tous ceux qui cherchaient à te faire périr. "
Eks 4.20 And Moses took his wife and his sons, and set them upon an ass, and he returned to the land of Egypt: and Moses took the rod of God in his hand. Dia nalain' i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin' ny tany Egypta izy; ary nentin' i Mosesy teny an-tànany ilay tehin' Andriamanitra. Dia nalain' i Moizy ny vady aman-janany, nampitaingeniny ampondra, ka niverina ho any an-tany Ejipta izy. Nataon' i Moizy an-tanany ny tehin' Andriamanitra. Moïse prit sa femme et son fils, les fit monter sur un âne et s' en retourna au pays d'Égypte. Moïse prit en main le bâton de Dieu.
Eks 4.21 And the Lord said unto Moses, When thou goest to return into Egypt, see that thou do all those wonders before Pharaoh, which I have put in thine hand: but I will harden his heart, that he shall not let the people go. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan' i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Eny am-pandehanana hiverina ho any Ejipta, diniho an-tsaina ireo fahagagana rehetra napetrako eo am-pelatànanao ireo; hataonao eo anatrehan' i Faraona ireo. Fa izaho kosa hanamafy ny fony, ka tsy havelany handeha ny vahoaka. Yahvé dit à Moïse : " Tandis que tu retourneras en Égypte, vois les prodiges que j' ai mis en ton pouvoir : tu les accompliras devant Pharaon, mais moi, j' endurcirai son coeur et il ne laissera pas partir le peuple.
...............
Eks 5.4 And the king of Egypt said unto them, Wherefore do ye, Moses and Aaron, let the people from their works? get you unto your burdens. Ary hoy ny mpanjakan' i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin' ny asany? mandehana any amin' ny fanompoanareo mafy. Fa hoy ny mpanjakan' i Ejipta tamin' izy ireo: Nahoana hianareo, ry Moizy sy Aarona, no dia mandrebireby ny vahoaka tsy hanao ny asany? Mandehana mankany amin' ny fanompoanareo. Le roi d'Égypte leur dit : " Pourquoi, Moïse et Aaron, voulez-vous débaucher le peuple de ses travaux ? Retournez à vos corvées. "
...............
Eks 5.12 So the people were scattered abroad throughout all the land of Egypt to gather stubble instead of straw. Dia niely eran' ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon' ny mololo. Dia niely eran' ny tany Ejipta ny vahoaka, hifako bozaka hatao solo-mololo. Alors le peuple se dispersa dans tout le pays d'Égypte pour ramasser du chaume pour en faire de la paille hachée.
...............
Eks 6.11 Go in, speak unto Pharaoh king of Egypt, that he let the children of Israel go out of his land. Mankanesa ao amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak' Isiraely hiala amin' ny taniny. Mandehana hianao miteny amin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta, mba handefany ny zanak' Israely ho any ivelan' ny taniny. " Va dire à Pharaon, le roi d'Égypte, qu' il laisse partir les Israélites de son pays. "
...............
Eks 6.13 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron, and gave them a charge unto the children of Israel, and unto Pharaoh king of Egypt, to bring the children of Israel out of the land of Egypt. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin' ny Zanak' Isiraely sy ho amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, mba hitondra ny Zanak' Isiraely hivoaka avy amin' ny tany Egypta. Dia niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh ary nanafatra azy ny amin' ny zanak' Israely, sy ny amin' i Faraona, mpanjakan' i Ejipta, momba ny famoahana ny zanak' Israely, hiala amin' ny tany Ejipta. Yahvé parla à Moïse et à Aaron et les envoya auprès de Pharaon, le roi d'Égypte, pour faire sortir les Israélites du pays d'Égypte.
...............
Eks 6.26 These are that Aaron and Moses, to whom the Lord said, Bring out the children of Israel from the land of Egypt according to their armies. Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan' i Jehovah hoe: Ento ny Zanak' Isiraely hivoaka avy any amin' ny tany Egypta araka ny antokony. Ireo no ilay Aarona sy ilay Moizy, izay nilazan' ny Tompo hoe: Ento mivoaka hiala amin' ny tany Ejipta ny zanak' Isarely, araka ny antokony avy. Ce sont eux, Aaron et Moïse, à qui Yahvé avait dit : " Faites sortir les Israélites du pays d'Égypte, selon leurs armées. "
Eks 6.27 These are they which spake to Pharaoh king of Egypt, to bring out the children of Israel from Egypt: these are that Moses and Aaron. Ireo no niteny tamin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, mba hitondra ny Zanak' Isiraely hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona. Ireo no niteny tamin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta, mba hitondra ny zanak' Israely hivoaka avy any Ejipta; dia io Moizy io sy io Aarona io. Ce sont eux qui parlèrent à Pharaon, le roi d'Égypte, pour faire sortir d'Égypte les Israélites, - Moïse et Aaron.
Eks 6.28 And it came to pass on the day when the Lord spake unto Moses in the land of Egypt, Ary tamin' ny andro izay nitenenan' i Jehovah tamin' i Mosesy teo amin' ny tany Egypta, Raha niteny tamin' i Moizy Iaveh any amin' ny tany Ejipta, Or le jour où Yahvé parla à Moïse en terre d'Égypte,
Eks 6.29 That the Lord spake unto Moses, saying, I am the Lord: speak thou unto Pharaoh king of Egypt all that I say unto thee. dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao. dia izao no nolazain' ny Tompo tamin' i Moizy: Izaho no Iaveh: Lazao amin' i Faraona, mpanjakan' i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao. Yahvé dit à Moïse : " Je suis Yahvé. Dis à Pharaon, le roi d'Égypte, tout ce que moi je vais te dire. "
...............
Eks 7.3 And I will harden Pharaoh' s heart, and multiply my signs and my wonders in the land of Egypt. Ary Izaho hanamafy ny fon' i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin' ny tany Egypta. Ary izaho hanamafy ny fon' i Faraona, sy hampitombo ny famantarako amam-pahagagako amin' ny tany Ejipta. Pour moi, j' endurcirai le coeur de Pharaon et je multiplierai mes signes et mes prodiges dans le pays d'Égypte.
Eks 7.4 But Pharaoh shall not hearken unto you, that I may lay my hand upon Egypt, and bring forth mine armies, and my people the children of Israel, out of the land of Egypt by great judgments. Fa tsy hihaino anareo Farao, ka dia hamely an' i Egypta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon' ny Zanak' Isiraely oloko hiala amin' ny tany Egypta. Tsy hihaino anareo Faraona, ary haninjitra ny tànako amin' i Ejipta aho, ary fitsarana lehibe no hamoahako avy amin' ny tany Ejipta, ny tafiko, ny oloko, ny zanak' Israely. Pharaon ne vous écoutera pas, alors je porterai la main sur l'Égypte et je ferai sortir mes armées, mon peuple, les Israélites, du pays d'Égypte, avec de grands jugements.
Eks 7.5 And the Egyptians shall know that I am the Lord, when I stretch forth mine hand upon Egypt, and bring out the children of Israel from among them. Dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa maninjitra ny tanako amin' i Egypta Aho ka mitondra ny Zanak' Isiraely hivoaka avy any. Ho fantatry ny Ejipsiana fa izaho no Iaveh, rahefa haninjitra ny tànako amin' i Ejipta aho sy hamoaka ny zanak' Israely avy ao afovoan' izy ireo. Ils sauront, les Égyptiens, que suis Yahvé, quand j'étendrai ma main contre les Égyptiens et que je ferai sortir de chez eux les Israélites. "
...............
Eks 7.11 Then Pharaoh also called the wise men and the sorcerers: now the magicians of Egypt, they also did in like manner with their enchantments. Dia nampanalain' i Farao ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo Egypta ireo dia nanao toy izany tamin' ny fankatovany. Fa mba nantsoin' i Faraona koa ny mpanao ody any Ejipta, dia mba nahavita torak' izany koa, tamin' ny fankatoavany. Pharaon à son tour convoqua les sages et les enchanteurs, et, avec leurs sortilèges, les magiciens d'Égypte en firent autant.
...............
Eks 7.19 And the Lord spake unto Moses, Say unto Aaron, Take thy rod, and stretch out thine hand upon the waters of Egypt, upon their streams, upon their rivers, and upon their ponds, and upon all their pools of water, that they may become blood; and that there may be blood throughout all the land of Egypt, both in vessels of wood, and in vessels of stone. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Lazao amin' i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin' ny ranon' i Egypta ny tananao, dia ambonin' ny sampan-dranony sy ambonin' ny lahin-dranony, sy ambonin' ny heniheniny, ary ambonin' ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà eran' ny tany Egypta rehetra, na amin' ny fitoeran-drano hazo na amin' ny fitoeran-drano vato. Hoy Iaveh tamin' i Moizy: Lazao amin' i Aarona hoe: Raiso ny tehinao ary ahinjiro eo ambonin' ny ranon' i Ejipta ny tànanao, dia amin' ny reniranony, amin' ny lakan-dranony, amin' ny dobo aman-kamoriny rehetra. Hanjary rà ireny ka hisy rà amin' ny tany Ejipta manontolo, na amin' ny fasian-drano hazo, na amin' ny fasian-drano vato. Yahvé dit à Moïse : " Dis à Aaron : Prends ton bâton et étends la main sur les eaux d'Égypte - sur ses fleuves et sur ses canaux, sur ses marais et sur tous ses réservoirs d' eau - et elles se changeront en sang, et tout le pays d'Égypte sera plein de sang, même les arbres et les pierres. "
...............
Eks 7.21 And the fish that was in the river died; and the river stank, and the Egyptians could not drink of the water of the river; and there was blood throughout all the land of Egypt. koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon' ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia nanerana ny tany Egypta rehetra. Maty ny hazandrano tamin' ny ony, nanjary maimbo ny ony, tsy azon' ny Ejipsiana nosotroina ny rano tamin' ny ony ary heni-dra ny tany Ejipta tontolo. Les poissons du Fleuve crevèrent et le Fleuve s' empuantit ; et les Égyptiens ne purent plus boire l' eau du Fleuve ; il y eut du sang dans tout le pays d'Égypte.
Eks 7.22 And the magicians of Egypt did so with their enchantments: and Pharaoh' s heart was hardened, neither did he hearken unto them; as the Lord had said. Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin' ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon' i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain' i Jehovah. Nahavita torak' izany tamin' ny fankatoavany ihany koa anefa ny mpanao odin' i Ejipta, ka nihamafy ny fon' i Faraona, fa tsy nihaino an' i Moizy sy Aarona izy, araka ny voalazan' ny Tompo rahateo. Mais les magiciens d'Égypte avec leurs sortilèges en firent autant ; le coeur de Pharaon s' endurcit et il ne les écouta pas, comme l' avait prédit Yahvé.
Eks 8.1 And the Lord spake unto Moses, Go unto Pharaoh, and say unto him, Thus saith the Lord, Let my people go, that they may serve me. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Lazao amin' i Arona hoe: Ahinjiro ny tananao mitana ny tehinao eny ambonin' ny sampan-drano ary eny ambonin ny lahin-drano sy ny heniheny, ka mampiakara ny sahona ho eny amin' ny tany Egypta. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Lazao amin' i Aarona hoe: Ahinjiro eo ambonin' ny renirano sy ny lakan-drano ary ny farihy ny tànanao mitana ny tehinao, ka ampiakaro ho eo amin' ny tany Ejipta ny sahona. Yahvé dit à Moïse : " Dis à Aaron : Étends ta main avec ton bâton sur les fleuves, les canaux et les marais, et fais monter les grenouilles sur la terre d'Égypte. "
Eks 8.2 And if thou refuse to let them go, behold, I will smite all thy borders with frogs: Ary nahinjitr' i Arona tambonin' ny rano tany Egypta ny tànany; dia niakatra ny sahona ka nandrakotra ny tany Egypta. Dia nahinjitr' i Aarona tambonin' ny rano any Ejipta, ny tànany, ka niakatra nanenika ny tany Ejipta ny sahona. Aaron étendit la main sur les eaux d'Égypte, les grenouilles montèrent et recouvrirent la terre d'Égypte.
Eks 8.3 And the river shall bring forth frogs abundantly, which shall go up and come into thine house, and into thy bedchamber, and upon thy bed, and into the house of thy servants, and upon thy people, and into thine ovens, and into thy kneadingtroughs: Ary ny ombiasy mba nanao toy izany koa tamin' ny fankatovany ka nampiakatra ny sahona ho eny amin' ny tany Egypta. Nanao torak' izany koa anefa ny mpanao ody tamin' ny fankatoavany, ka nampiakatra ny sahona ho eo amin' ny tany Ejipta izy ireo. Mais les magiciens avec leurs sortilèges en firent autant, et firent monter les grenouilles sur la terre d'Égypte.
...............
Eks 8.12 And Moses and Aaron went out from Pharaoh: and Moses cried unto the Lord because of the frogs which he had brought against Pharaoh. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Lazao amin' i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho tonga moka eran' ny tany Egypta rehetra izany. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Lazao an' i Aarona hoe: Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, fa hanjary moka eran' ny tany Ejipta ireny. Yahvé dit à Moïse : " Dis à Aaron : Étends ton bâton et frappe la poussière du sol, et elle se changera en moustiques dans tout le pays d'Égypte. "
Eks 8.13 And the Lord did according to the word of Moses; and the frogs died out of the houses, out of the villages, and out of the fields. Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr' i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin' ny olona sy teny amin' ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran' ny tany Egypta rehetra. Dia nataon' izy ireo izany. Nahinjitr' i Aarona ny tànany mbamin' ny tehiny, ka nokapohiny ny vovo-tany, dia mby eny amin' ny olona sy ny biby ny moka. Nanjary moka avokoa ny vovo-tany eran' ny tany Ejipta. Aaron étendit la main avec son bâton et frappa la poussière du sol, et il y eut des moustiques sur les gens et les bêtes, toute la poussière du sol se changea en moustiques dans tout le pays d'Égypte. "
...............
Eks 8.20 And the Lord said unto Moses, Rise up early in the morning, and stand before Pharaoh; lo, he cometh forth to the water; and say unto him, Thus saith the Lord, Let my people go, that they may serve me. Ary nataon' i Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin' ny tranon' i Farao sy tao amin' ny tranon' ny mpanompony ary teny amin' ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny lalitra. Dia nataon' ny Tompo izany ka tongan' ny lalibe zavon-tany ny tranon' i Faraona sy ny an' ny mpanompony, ary simban' ny lalibe daholo ny tany Ejipta manontolo. Yahvé fit ainsi, et des taons en grand nombre entrèrent dans la maison de Pharaon, dans les maisons de ses serviteurs et dans tout le pays d'Égypte ; le pays fut ruiné à cause des taons.
...............
Eks 9.9 And it shall become small dust in all the land of Egypt, and shall be a boil breaking forth with blains upon man, and upon beast, throughout all the land of Egypt. Dia hitora-jofo eran' ny tany Egypta rehetra izany ka ho tonga vay mipoipoitra amin' ny olona sy amin' ny biby fiompy eran' ny tany Egypta rehetra. fa hitora-jofo eran' ny Ejipta izany, ka ho tonga boiboika mipoipoitra ho vay amin' ny olona sy ny biby eran' ny tany Ejipta. Elle se changera en fine poussière sur tout le pays d'Égypte et provoquera, sur les gens et sur les bêtes, des ulcères bourgeonnant en pustules, dans toute l'Égypte. "
...............
Eks 9.18 Behold, to morrow about this time I will cause it to rain a very grievous hail, such as hath not been in Egypt since the foundation thereof even until now. Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin' ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny. Ary indro rahampitso toy izao dia handatsaka havandra be dia be aho, ka tsy mbola nisy toy izany teto Ejipta hatrizay naha-Ejipta an' i Ejipta, ka mandrak' ankehitriny. Eh bien demain, à pareille heure, je ferai tomber une grêle très forte, comme il n' y en a jamais eu en Égypte depuis le jour de sa fondation jusqu'à maintenant.
...............
Eks 9.22 And the Lord said unto Moses, Stretch forth thine hand toward heaven, that there may be hail in all the land of Egypt, upon man, and upon beast, and upon every herb of the field, throughout the land of Egypt. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, dia hisy havandra hilatsaka amin' ny tany Egypta rehetra, dia amin' ny olona sy amin' ny biby fiompy ary amin' ny anana rehetra any an-tsaha eran' ny tany Egypta. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tànanao, hilatsahan' ny havandra eran' ny tany Ejipta rehetra, amin' ny olona sy ny biby ary ny ahitra rehetra any an-tsaha. Yahvé dit à Moïse : " Étends ta main vers le ciel et qu' il grêle dans tout le pays d'Égypte, sur les hommes et sur les bêtes, sur toute l' herbe des champs au pays d'Égypte. "
Eks 9.23 And Moses stretched forth his rod toward heaven: and the Lord sent thunder and hail, and the fire ran along upon the ground; and the Lord rained hail upon the land of Egypt. Dia nahinjitr' i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary Jehovah nanisy kotrokorana sy havandra, ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin' ny tany; ary Jehovah nandatsaka havandra tamin' ny tany Egypta. Dia nahinjitr' i Moizy nanandrify ny lanitra ny tehiny, ka nalefan' ny Tompo ny kotro-baratra sy ny havandra, ary nivarina tamin' ny tany ny afo. Ary Iaveh nandatsaka havandra tamin' ny tany Ejipta. Moïse étendit son bâton vers le ciel, et Yahvé tonna et fit tomber la grêle. La foudre frappa le sol, et Yahvé fit tomber la grêle sur le pays d'Égypte.
Eks 9.24 So there was hail, and fire mingled with the hail, very grievous, such as there was none like it in all the land of Egypt since it became a nation. Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan' ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin' ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena azy. Havandra no nilatsaka ary afo miharo amin' ny havandra, sady loza ny heriny, fa tsy mbola nisy toy izany tany Ejipta, hatrizay naha-firenena azy. Il y eut de la grêle et le feu jaillissait au milieu de la grêle, une grêle très forte, comme il n' y en avait jamais eu au pays des Égyptiens depuis qu' ils formaient une nation.
Eks 9.25 And the hail smote throughout all the land of Egypt all that was in the field, both man and beast; and the hail smote every herb of the field, and brake every tree of the field. Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran' ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian' ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny. Nasian' ny havandra avokoa izay rehetra tany an-tsaha tamin' i Ejipta manontolo na olona na biby. Nasian' ny havandra koa ny ahitra rehetra tany an-tsaha, ary nopotehiny ny hazo rehetra tany an-tsaha. La grêle frappa, dans tout le pays d'Égypte, tout ce qui était dans les champs, hommes et bêtes. La grêle frappa toutes les herbes des champs et brisa tous les arbres des champs.
...............
Eks 10.2 And that thou mayest tell in the ears of thy son, and of thy son' s son, what things I have wrought in Egypt, and my signs which I have done among them; that ye may know how that I am the Lord. ary mba holazainao ho ren' ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. mba hotantarainao amin' ny zanakao aman-jafinao ny zava-dehibe nataoko tany Ejipta, sy ny famantarana vitako teo amin' izy ireo, ka ho fantatrareo fa Iaveh aho. pour que tu puisses raconter à ton fils et au fils de ton fils comment je me suis joué des Égyptiens et quels signes j' ai opérés parmi eux, et que vous sachiez que je suis Yahvé. "
...............
Eks 10.7 And Pharaoh' s servants said unto him, How long shall this man be a snare unto us? let the men go, that they may serve the Lord their God: knowest thou not yet that Egypt is destroyed? Ary hoy ny mpanompon' i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an' i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta? Ka hoy ny mpanompon' i Faraona taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika ho antsika ralehilahy iny? Alefaso handeha ireo olona ireo, hanompoany an' ny Tompo Andriamaniny. Tsy mbola hitanao ve fa efa ho levona ity Ejipta? Les serviteurs de Pharaon lui dirent : " Jusqu'à quand celui-ci nous sera-t-il un piège ? Laisse partir ces gens, qu' ils servent Yahvé leur Dieu. Ne sais-tu pas encore que l'Égypte va à sa ruine ? "
...............
Eks 10.12 And the Lord said unto Moses, Stretch out thine hand over the land of Egypt for the locusts, that they may come up upon the land of Egypt, and eat every herb of the land, even all that the hail hath left. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Ahinjiro ambonin' ny tany Egypta ny tananao hihavian' ny valala, dia hiakatra ho eto amin' ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin' ny tany, dia izay rehetra sisan' ny havandra. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Ahinjiro eo ambonin' ny tany Ejipta ny tànanao ny amin' ny valala; aoka hiakarany ny tany Ejipta; aoka handevona ny ahitra rehetra amin' ny tany izy, izay sisan-kavandra rehetra. Yahvé dit à Moïse : " Étends ta main sur le pays d'Égypte pour que viennent les sauterelles ; qu' elles montent sur le pays d'Égypte et qu' elles dévorent toute l' herbe du pays, tout ce qu' a épargné la grêle. "
Eks 10.13 And Moses stretched forth his rod over the land of Egypt, and the Lord brought an east wind upon the land all that day, and all that night; and when it was morning, the east wind brought the locusts. Dia nahinjitr' i Mosesy tambonin' ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin' ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana. Dia nahinjitr' i Moizy teo ambonin' ny tany Ejipta ny tehiny, ka nandefa rivotra avy any atsinanana Iaveh hifofofofo amin' ny tany iny tontolo andro iny, sy iny tontolo alina iny. Nony maraina, indro tongan' ny rivotra avy any atsinanana ny valala. Moïse étendit son bâton sur le pays d'Égypte, et Yahvé fit lever sur le pays un vent d' est qui souffla tout ce jour-là et toute la nuit. Le matin venu, le vent d' est avait apporté les sauterelles.
Eks 10.14 And the locust went up over all the land of Egypt, and rested in all the coasts of Egypt: very grievous were they; before them there were no such locusts as they, neither after them shall be such. Ary ny valala niakatra ho amin' ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany. Niakatra amin' ny tany Ejipta manontolo. Loza ny habetsahany, fa tsy mbola nisy izay toy izany, ary tsy hisy intsony koa ny toy izany. Les sauterelles montèrent sur tout le pays d'Égypte en très grand nombre. Auparavant il n' y avait jamais eu autant de sauterelles, et par la suite il ne devait plus y en avoir autant.
Eks 10.15 For they covered the face of the whole earth, so that the land was darkened; and they did eat every herb of the land, and all the fruit of the trees which the hail had left: and there remained not any green thing in the trees, or in the herbs of the field, through all the land of Egypt. Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin' ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan' ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran' ny tany Egypta rehetra, na tamin' ny hazo, na tamin' ny anana tany an-tsaha. Rakotra azy ny tany rehetra, maizina ny tany azon' ireny. Levona avokoa ny ahitra tamin' ny tany, mbamin' ny voan' ny hazo, izay sisan-kavandra rehetra; tsy nisy niangana ny zava-maitso tamin' ny hazo sy tamin' ny ahitra any an-tsaha eran' ny tany Ejipta tontolo. Elles couvrirent toute la surface du pays et le pays fut dévasté. Elles dévorèrent toute l' herbe du pays et tous les fruits des arbres qu' avait laissés la grêle ; rien de vert ne resta sur les arbres ou sur l' herbe des champs, dans tout le pays d'Égypte.
...............
Eks 10.19 And the Lord turned a mighty strong west wind, which took away the locusts, and cast them into the Red sea; there remained not one locust in all the coasts of Egypt. Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin' ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran' ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza. ka rivotra avy any andrefana kosa indray no nampifofofofoin' ny Tompo mafy ka nipaoka ny valala, sy namarina azy amin' ny ranomasina Mena; ary tsy nisy tafajanona ny valala, na dia tapikany iray aza, tany Ejipta tontolo. Yahvé changea le vent en un vent d' ouest très fort qui emporta les sauterelles et les entraîna vers la mer des Roseaux. Il ne resta plus une seule sauterelle dans tout le territoire d'Égypte.
...............
Eks 10.21 And the Lord said unto Moses, Stretch out thine hand toward heaven, that there may be darkness over the land of Egypt, even darkness which may be felt. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin' ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tànanao, hisian' ny aizim-pito amin' ny tany Ejipta, sady aizina azo tsapain-tànana. Yahvé dit à Moïse : " Étends ta main vers le ciel et que des ténèbres palpables recouvrent le pays d'Égypte. "
Eks 10.22 And Moses stretched forth his hand toward heaven; and there was a thick darkness in all the land of Egypt three days: Dia nahinjitr' i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran' ny tany Egypta rehetra hateloana, Dia nahinjitr' i Moizy nanandrify ny lanitra ny tànany, ka nisy aizim-pito ny tany Ejipta tontolo, nandritra ny hateloana. Moïse étendit la main vers le ciel et il y eut d'épaisses ténèbres sur tout le pays d'Égypte pendant trois jours.
Eks 11.1 And the Lord said unto Moses, Yet will I bring one plague more upon Pharaoh, and upon Egypt; afterwards he will let you go hence: when he shall let you go, he shall surely thrust you out hence altogether. Fa Jehovah nilaza tamin' i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin' i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atý izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala atý. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Loza iray sisa hameliko an' i Faraona sy Ejipta, fa rahefa afaka izany, dia halefany hiala aty hianareo; ary rahefa handefa anareo tokoa izy, dia horoahiny aza hianareo hiala aty. Yahvé dit à Moïse : " Je vais encore envoyer une plaie à Pharaon et à l'Égypte, après quoi il vous renverra d' ici. Quand il vous renverra, ce sera fini, et même, il vous expulsera d' ici.
...............
Eks 11.3 And the Lord gave the people favour in the sight of the Egyptians. Moreover the man Moses was very great in the land of Egypt, in the sight of Pharaoh' s servants, and in the sight of the people. Dia nataon' i Jehovah nahita fitia teo imason' ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin' ny tany Egypta, dia teo imason' ny mpanompon' i Farao sy teo imason' ny vahoaka. Dia nataon' ny Tompo nahita fitia teo imason' ny Ejipsiana ny vahoaka; ary Moizy aza dia tonga nanan-kaja indrindra tany an-tany Ejipta, na tamin' ny mpanompon' i Faraona na tamin' ny vahoaka. Yahvé fit que le peuple trouvât grâce aux yeux des Égyptiens. Moïse lui-même était un très grand personnage au pays d'Égypte, aux yeux des serviteurs de Pharaon et aux yeux du peuple.
Eks 11.4 And Moses said, Thus saith the Lord, About midnight will I go out into the midst of Egypt: Ary hoy Mosesy: Izao no lazain' i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan' i Egypta, Hoy Moizy: Izao no lazain' ny Tompo: Rahefa misasaka ny alina dia handalo hamaky an' i Ejipta aho, Alors Moïse dit : " Ainsi parle Yahvé : Vers le milieu de la nuit je parcourrai l'Égypte,
Eks 11.5 And all the firstborn in the land of Egypt shall die, from the first born of Pharaoh that sitteth upon his throne, even unto the firstborn of the maidservant that is behind the mill; and all the firstborn of beasts. dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin' ny tany Egypta, hatramin' ny matoan' i Farao izay mipetraka eo ambonin' ny seza fiandrianany ka hatramin' ny matoan' ny ankizivaviny izay eo anilan' ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. ka ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin' ny tany Ejipta, hatramin' ny lahimatoan' i Faraona mipetraka eo amin' ny seza fiandrianany, ka hatramin' ny lahimatoan' ny andevovaviny eo am-pototry ny vato fitotoam-bary, mbamin' ny lahy voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. et tous les premiers-nés mourront dans le pays d'Égypte, aussi bien le premier-né de Pharaon qui doit s' asseoir sur son trône, que le premier-né de la servante qui est derrière la meule, ainsi que tous les premiers-nés du bétail.
Eks 11.6 And there shall be a great cry throughout all the land of Egypt, such as there was none like it, nor shall be like it any more. Ary hisy fidradradradrana mafy eran' ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony. Hisy fidradradradrana mafy eran' ny tany Ejipta rehetra, izay tsy mbola nisy toa azy ary tsy hisy toa azy intsony. Ce sera alors, dans tout le pays d'Égypte, une grande clameur, telle qu' il n' y en eut jamais et qu' il n' y en aura jamais plus.
Eks 11.7 But against any of the children of Israel shall not a dog move his tongue, against man or beast: that ye may know how that the Lord doth put a difference between the Egyptians and Israel. Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin' ny Zanak' Isiraely rehetra, na amin' ny olona, na amin' ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian' i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely. Fa eo amin' ny zanak' Israely rehetra kosa, tsy mba hisy hanetsika ny lelany, na olona na biby, na dia alika iray aza, mba hahafantaranao izay mahasamihafa ny iheveran' ny Tompo an' i Ejipta sy an' Israely. Mais chez tous les Israélites, pas un chien ne jappera contre qui que ce soit, homme ou bête, afin que tu saches que Yahvé discerne Israël de l'Égypte.
...............
Eks 11.9 And the Lord said unto Moses, Pharaoh shall not hearken unto you; that my wonders may be multiplied in the land of Egypt. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan' ny fahagagana izay hataoko eto amin' ny tany Egypta. Hoy Iaveh tamin' i Moizy nanao hoe: Tsy hihaino anareo Faraona mba hahamaro ny fahagagana hataoko amin' ny tany Ejipta. Yahvé dit à Moïse : " Pharaon ne vous écoutera pas, afin que se multiplient mes prodiges au pays d'Égypte. "
Eks 12.1 And the Lord spake unto Moses and Aaron in the land of Egypt saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona teo amin' ny tany Egypta ka nanao hoe: Izao no nolazain' ny Tompo tamin' i Moizy sy Aarona any amin' ny tany Ejipta: Yahvé dit à Moïse et à Aaron au pays d'Égypte :
...............
Eks 12.12 For I will pass through the land of Egypt this night, and will smite all the firstborn in the land of Egypt, both man and beast; and against all the gods of Egypt I will execute judgment: I am the Lord. Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin' izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin' ny tany Egypta hatramin' ny olona ka hatramin' ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah. Handalo mamaky ny tany Ejipta aho amin' io alina io, ka ny lahimatoa rehetra amin' ny tany Ejipta hovonoiko, hatramin' ny olona ka hatramin' ny biby, ary hisy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr' i Ejipta rehetra: fa izaho no Iaveh. Cette nuit-là je parcourrai l'Égypte et je frapperai tous les premiers-nés dans le pays d'Égypte, tant hommes que bêtes, et de tous les dieux d'Égypte, je ferai justice, moi Yahvé.
Eks 12.13 And the blood shall be to you for a token upon the houses where ye are: and when I see the blood, I will pass over you, and the plague shall not be upon you to destroy you, when I smite the land of Egypt. Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin' ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho. Ny rà dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin' ny trano misy anareo; ho hitako ny rà dia holalovako fotsiny hianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rahefa hamely ny tany Ejipta aho. Le sang sera pour vous un signe sur les maisons où vous vous tenez. En voyant ce signe, je passerai outre et vous échapperez au fléau destructeur lorsque je frapperai le pays d'Égypte.
...............
Eks 12.17 And ye shall observe the feast of unleavened bread; for in this selfsame day have I brought your armies out of the land of Egypt: therefore shall ye observe this day in your generations by an ordinance for ever. Ary hitandrina ny andron' ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin' ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay. Hotandremanareo ny azima, fa izany no andro namoahako ny ankohonanareo, tamin' ny tany Ejipta. Ka hotandremanareo hatrany amin' ny taranaka mifandimby izany andro izany, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay. Vous observerez la fête des Azymes, car c' est en ce jour-là que j' ai fait sortir vos armées du pays d'Égypte. Vous observerez ce jour-là dans vos générations, c' est un décret perpétuel.
...............
Eks 12.23 For the Lord will pass through to smite the Egyptians; and when he seeth the blood upon the lintel, and on the two side posts, the Lord will pass over the door, and will not suffer the destroyer to come in unto your houses to smite you. Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin' ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana. fa hitety an' i Ejipta Iaveh hamely azy, ary rahefa mahita ny rà eo amin' ny tatao aman-tolam-baravarana roa, dia handalo fotsiny ny varavaranareo Iaveh, ary tsy hamela ny mpandringana hiditra hamely ao an-tranonareo. Lorsque Yahvé traversera l'Égypte pour la frapper, il verra le sang sur le linteau et sur les deux montants, il passera au-delà de cette porte et ne laissera pas l' Exterminateur pénétrer dans vos maisons pour frapper.
...............
Eks 12.27 That ye shall say, It is the sacrifice of the Lord' s passover, who passed over the houses of the children of Israel in Egypt, when he smote the Egyptians, and delivered our houses. And the people bowed the head and worshipped. dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan' i Jehovah, Izay nandalo ny tranon' ny Zanak' Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka. Dia hovalianareo hoe: Izao no soron' ny Paka, fankalazana an' ny Tompo, fa nolalovany fotsiny ny tranon' ny zanak' Israely tany Ejipta, fony namely an' i Ejipta, fa namonjy ny tranontsika kosa. Dia niondrika ny vahoaka ary niankohoka. vous leur direz : "C' est le sacrifice de la Pâque pour Yahvé qui a passé au-delà des maisons des Israélites en Égypte, lorsqu' il frappait l'Égypte, mais épargnait nos maisons. " Le peuple alors s' agenouilla et se prosterna.
...............
Eks 12.29 And it came to pass, that at midnight the Lord smote all the firstborn in the land of Egypt, from the firstborn of Pharaoh that sat on his throne unto the firstborn of the captive that was in the dungeon; and all the firstborn of cattle. Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin' ny tany Egypta, hatramin' ny lahimatoan' i Farao izay nipetraka teo ambonin' ny seza fiandrianany ka hatramin' ny lahimatoan' ny babo izay tao amin' ny trano-maizina, mbamin' izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. Nony nisasaka ny alina dia novonoin' ny Tompo avokoa ny lahimatoa tany amin' ny tany Ejipta, hatramin' ny lahimatoan' i Faraona mipetraka eo ambonin' ny seza fiandrianany, ka hatramin' ny lahimatoan' ny babo izay tao amin' ny tranomaizina, ary ny lahy voalohan-teraky ny biby rehetra. Au milieu de la nuit, Yahvé frappa tous les premiers-nés dans le pays d'Égypte, aussi bien le premier-né de Pharaon qui devait s' asseoir sur son trône, que le premier-né du captif dans la prison et tous les premiers-nés du bétail.
Eks 12.30 And Pharaoh rose up in the night, he, and all his servants, and all the Egyptians; and there was a great cry in Egypt; for there was not a house where there was not one dead. Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana. Nifoha iny alina iny ihany Faraona sy ny mpanompony mbamin' ny Ejipsiana rehetra, ka fidradradradrana lozan-tany no re eran' i Ejipta, fa tsy nisy trano tsy nisy maty. Pharaon se leva pendant la nuit, ainsi que tous ses serviteurs et tous les Égyptiens, et ce fut en Égypte une grande clameur car il n' y avait pas de maison où il n' y eût un mort.
...............
Eks 12.39 And they baked unleavened cakes of the dough which they brought forth out of Egypt, for it was not leavened; because they were thrust out of Egypt, and could not tarry, neither had they prepared for themselves any victual. Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin' ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy. Nohandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta, fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory. Ils firent cuire la pâte qu' ils avaient emportée d'Égypte en galettes non levées, car la pâte n'était pas levée : chassés d'Égypte, ils n' avaient pu s' attarder ni se préparer des provisions de route.
Eks 12.40 Now the sojourning of the children of Israel, who dwelt in Egypt, was four hundred and thirty years. Ary ny andro nitoeran' ny Zanak' Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona. Telo-polo sy efa-jato taona no nitoeran' ny zanak' Israely tany Ejipta; Le séjour des Israélites en Égypte avait duré quatre cent trente ans.
Eks 12.41 And it came to pass at the end of the four hundred and thirty years, even the selfsame day it came to pass, that all the hosts of the Lord went out from the land of Egypt. Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin' izany andro izany indrindra no nivoahan' ny antokony rehetra izay an' i Jehovah tamin' ny tany Egypta. ary rahefa afaka ny telo-polo sy efa-jato taona, iny andro iny indrindra, dia nivoaka niala tamin' ny tany Ejipta ny tafik' Iaveh rehetra. Le jour même où prenaient fin les quatre cent trente ans, toutes les armées de Yahvé sortirent du pays d'Égypte.
Eks 12.42 It is a night to be much observed unto the Lord for bringing them out from the land of Egypt: this is that night of the Lord to be observed of all the children of Israel in their generations. Alina notandreman' i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin' ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an' i Jehovah ka hotandreman' ny Zanak' Isiraely rehetra hatramin' ny taranany fara mandimby. Alina niaretan-tory ho an' ny Tompo ilay alina namoahany azy tamin' ny tany Ejipta, ka izany alina izany dia ho alina fiaretan-tory hankalazana an' ny Tompo, ho an' ny zanak' Israely rehetra isan-taranany. Cette nuit durant laquelle Yahvé a veillé pour les faire sortir d'Égypte doit être pour tous les Israélites une veille pour Yahvé, pour leurs générations.
...............
Eks 12.51 And it came to pass the selfsame day, that the Lord did bring the children of Israel out of the land of Egypt by their armies. Ary tamin' izany andro izany indrindra no nitondran' i Jehovah ny Zanak' Isiraely nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta araka ny antokony. Ary tamin' izany andro izany indrindra no namoahan' ny Tompo tamin' ny tany Ejipta ny zanak' Israely voalamina isan-tokony. Ce jour-là même, Yahvé fit sortir les Israélites du pays d'Égypte, selon leurs armées.
...............
Eks 13.3 And Moses said unto the people, Remember this day, in which ye came out from Egypt, out of the house of bondage; for by strength of hand the Lord brought you out from this place: there shall no leavened bread be eaten. Dia hoy Mosesy tamin' ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin' ny trano nahandevozana, fa tamin' ny tanana mahery no nitondran' i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira. Dia hoy Moizy tamin' ny vahoaka: Tsarovinareo ny andro nivoahanareo tany Ejipta, tamin' ny trano fanandevozana, fa tamin' ny herin' ny tànany no namoahan' ny Tompo anareo tany. Tsy hatao mihina-mofo misy lalivay. Moïse dit au peuple : " Souvenez-vous de ce jour, celui où vous êtes sortis d'Égypte, de la maison de servitude, car c' est par la force de sa main que Yahvé vous en a fait sortir, et l' on ne mangera pas de pain levé.
...............
Eks 13.8 And thou shalt shew thy son in that day, saying, This is done because of that which the Lord did unto me when I came forth out of Egypt. Dia hambaranao amin' ny zanakao amin' izany andro izany hoe: Noho ny nataon' i Jehovah tamiko tamin' ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao. Ary amin' izay hianao hilaza amin' ny zanakao lahy hoe: Fahatsiarovana ny nataon' ny Tompo tamiko, fony aho nivoaka tany Ejipta, izany. Ce jour-là, tu parleras ainsi à ton fils : "C' est à cause de ce que Yahvé a fait pour moi lors de ma sortie d'Égypte. "
Eks 13.9 And it shall be for a sign unto thee upon thine hand, and for a memorial between thine eyes, that the Lord' s law may be in thy mouth: for with a strong hand hath the Lord brought thee out of Egypt. Dia ho famantarana ho anao eo amin' ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin' ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn' i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran' i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta. Ary ho anao dia ho toy ny famantarana mipetaka amin' ny tànanao izany sy ho toy ny fahatsiarovana tsy hiala eo anelanelan' ny masonao, mba ho eo am-bavanao ny lalàn' ny Tompo; satria tamin' ny tànany mahery no namoahan' ny Tompo anao tany Ejipta. Ce sera pour toi un signe sur ta main, un mémorial sur ton front, afin que la loi de Yahvé soit toujours dans ta bouche, car c' est à main forte que Yahvé t' a fait sortir d'Égypte.
...............
Eks 13.14 And it shall be when thy son asketh thee in time to come, saying, What is this? that thou shalt say unto him, By strength of hand the Lord brought us out from Egypt, from the house of bondage: Ary raha hanontany anao ny zanakao amin' ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton' izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran' i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin' ny trano nahandevozana; Ary indray andro raha avy izay hanontanian' ny zanakao anao hilaza hoe: Inona no hevitr' izao? Dia hovalianao hoe: Tamin' ny tànany mahery no namoahan' ny Tompo anay tany Ejipta, tamin' ny trano fanandevozana. Lorsque ton fils te demandera demain : "Que signifie ceci ?" tu lui diras : "C' est par la force de sa main que Yahvé nous a fait sortir d'Égypte, de la maison de servitude.
Eks 13.15 And it came to pass, when Pharaoh would hardly let us go, that the Lord slew all the firstborn in the land of Egypt, both the firstborn of man, and the firstborn of beast: therefore I sacrifice to the Lord all that openeth the matrix, being males; but all the firstborn of my children I redeem. ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin' i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin' ny tany Egypta, hatramin' ny lahimatoan' ny olona ka hatramin' ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an' i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin' ny zanako dia soloako. Fa rahefa nikiry tsy nety nandefa anay Faraona dia novonoin' ny Tompo ny lahimatoa rehetra tamin' ny tany Ejipta, hatramin' ny lahimatoan' ny olona, ka hatramin' ny lahy voalohan-teraky ny biby. Izany no anolorako ny lahy voalohan-teraka rehetra ho sorona amin' ny Tompo sy hanavotako ny lahimatoa rehetra amin' ny zanako lahy. Comme Pharaon s' entêtait à ne pas nous laisser partir, Yahvé fit périr tous les premiers-nés au pays d'Égypte, aussi bien les premiers-nés des hommes que les premiers-nés du bétail. C' est pourquoi je sacrifie à Yahvé tout mâle sorti le premier du sein maternel et je rachète tout premier-né de mes fils. "
Eks 13.16 And it shall be for a token upon thine hand, and for frontlets between thine eyes: for by strength of hand the Lord brought us forth out of Egypt. Ary ho famantarana eo amin' ny tananao sy ho fehy eo ambonin' ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran' i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta. Ho toy ny famantarana mipetaka amin' ny tànanao izany sy ho toy ny fehin-kandrina eo anelanelan' ny masonao, fa tamin' ny herin' ny tànany no namoahan' ny Tompo antsika tany Ejipta. Ce sera pour toi un signe sur ta main, un bandeau sur ton front, car c' est par la force de sa main que Yahvé nous a fait sortir d'Égypte.
Eks 13.17 And it came to pass, when Pharaoh had let the people go, that God led them not through the way of the land of the Philistines, although that was near; for God said, Lest peradventure the people repent when they see war, and they return to Egypt: Ary rehefa nalefan' i Farao ny olona, dia tsy mba nentin' Andriamanitra tamin' ny lalana nankany amin' ny tanin' ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any Egypta. Nony nalefan' i Faraona handeha ny vahoaka, dia tsy nentin' Andriamanitra hihazo ny làlana amin' ny tanin' ny Filistìna, na iny aza no akaiky, satria hoy Andriamanitra: Sao dia manenina ny vahoaka raha mahita ny ady, ka hiverina any Ejipta. Lorsque Pharaon eut laissé partir le peuple, Dieu ne lui fit pas prendre la route du pays des Philistins, bien qu' elle fût plus proche, car Dieu s'était dit qu'à la vue des combats le peuple pourrait se repentir et retourner en Égypte.
Eks 13.18 But God led the people about, through the way of the wilderness of the Red sea: and the children of Israel went up harnessed out of the land of Egypt. Fa nentin' Andriamanitra nivily ho amin' ny lalana mahazo any an-efitra amoron' ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak' Isiraely avy tany amin' ny tany Egypta. Fa nentin' Andriamanitra niolaka ny vahoaka nanaraka ny làlan' ny efitra mankany amin' ny ranomasina Mena. Tamim-pilaminana tsara no niakaran' ny zanak' Israely avy tany Ejipta. Dieu fit donc faire au peuple un détour par la route du désert de la mer des Roseaux. C' est bien armés que les Israélites montèrent du pays d'Égypte.
...............
Eks 14.5 And it was told the king of Egypt that the people fled: and the heart of Pharaoh and of his servants was turned against the people, and they said, Why have we done this, that we have let Israel go from serving us? Ary nisy nanambara tamin' ny mpanjakan' i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon' i Farao sy ny mpanompony ny amin' ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin' ny fanompoany antsika isika? Nilazana ny mpanjakan' i Ejipta fa hoe: lasa nandositra ny vahoaka. Tamin' izay dia voaova ny fon' i Faraona sy ny mpanompony, ny amin' ny vahoaka, fa hoy izy ireo: Naninona ity isika no nandefa an' Israely handeha, ka namoy ny fanompoany antsika? Lorsqu' on annonça au roi d'Égypte que le peuple avait fui, le coeur de Pharaon et de ses serviteurs changea à l'égard du peuple. Ils dirent : " Qu' avons-nous fait là, de laisser Israël quitter notre service !"
...............
Eks 14.7 And he took six hundred chosen chariots, and all the chariots of Egypt, and captains over every one of them. Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin' ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra. Ny nentiny dia kalesy voafantina enin-jato, sy ny kalesy tao Ejipta rehetra, samy nisy mpifehy avy. Il prit six cents des meilleurs chars et tous les chars d'Égypte, chacun d' eux monté par des officiers.
Eks 14.8 And the Lord hardened the heart of Pharaoh king of Egypt, and he pursued after the children of Israel: and the children of Israel went out with an high hand. Ary Jehovah nanamafy ny fon' i Farao, mpanjakan' i Egypta, dia nanenjika ny Zanak' Isiraely izy, na dia tamin' ny tanana avo aza no nivoahany. Nohamafisin' ny Tompo ny fon' i Faraona, mpanjakan' i Ejipta, ka nanenjika ny zanak' Israely Faraona, ary tamin' ny tànana voasandratra no nivoahan' ny zanak' Israely. Yahvé endurcit le coeur de Pharaon, le roi d'Égypte, qui se lança à la poursuite des Israélites sortant la main haute.
...............
Eks 14.11 And they said unto Moses, Because there were no graves in Egypt, hast thou taken us away to die in the wilderness? wherefore hast thou dealt thus with us, to carry us forth out of Egypt? Ary hoy koa izy tamin' i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atý an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta? Ary nanao tamin' i Moizy hoe: Tsy misy fasana va tany Ejipta, no dia nentinao ho faty aty an' efitra izahay? Ahoana izao nataonao taminay izao ka navoakanao tany Ejipta? Ils dirent à Moïse : " Manquait-il de tombeaux en Égypte, que tu nous aies menés mourir dans le désert ? Que nous as-tu fait en nous faisant sortir d'Égypte ?
Eks 14.12 Is not this the word that we did tell thee in Egypt, saying, Let us alone, that we may serve the Egyptians? For it had been better for us to serve the Egyptians, than that we should die in the wilderness. Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra. Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe: Avelao ihany izahay hanompo ny Ejipsiana fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy, toy izay ho faty any an' efitra. Ne te disions-nous pas en Égypte : Laisse-nous servir les Égyptiens, car mieux vaut pour nous servir les Égyptiens que de mourir dans le désert ? "
Eks 16.1 And they took their journey from Elim, and all the congregation of the children of Israel came unto the wilderness of Sin, which is between Elim and Sinai, on the fifteenth day of the second month after their departing out of the land of Egypt. Ary tamin' ny andro fahadimy ambin' ny folo tamin' ny volana faharoa taorian' ny nialany tany amin' ny tany Egypta dia nifindra niala tao Elima ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, ka nankany amin' ny efitra Sina, izay eo anelanelan' i Elima sy Sinay. Niala tao Elima izy ireo ary ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra dia tonga tany an' efitra Sina, anelanelan' i Elima sy Sinaia tamin' ny andro fahadimy ambin' ny folon' ny volana faharoa, taorian' ny nialany tany amin' ny tany Ejipta. Ils partirent d'Élim, et toute la communauté des Israélites arriva au désert de Sîn, situé entre Élim et le Sinaï, le quinzième jour du second mois qui suivit leur sortie d'Égypte.
...............
Eks 16.3 And the children of Israel said unto them, Would to God we had died by the hand of the Lord in the land of Egypt, when we sat by the flesh pots, and when we did eat bread to the full; for ye have brought us forth into this wilderness, to kill this whole assembly with hunger. ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba matin' ny tànan' i Jehovah tany amin' ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan' ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho atý an-efitra ianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao. Hoy ny zanak' Israely tamin' izy ireo hoe: Inay anie izahay mba matin' ny tànan' ny Tompo tany an-tany Ejipta, raha ilay nipetraka teo anelanelan' ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandra-pahavoky iny izahay; fa izao kosa nentinareo aty an' efitra izahay mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao. Les Israélites leur dirent : " Que ne sommes-nous morts de la main de Yahvé au pays d'Égypte, quand nous étions assis auprès de la marmite de viande et mangions du pain à satiété !A coup sûr, vous nous avez amenés dans ce désert pour faire mourir de faim toute cette multitude. "
...............
Eks 16.6 And Moses and Aaron said unto all the children of Israel, At even, then ye shall know that the Lord hath brought you out from the land of Egypt: Ary hoy Mosesy sy Arona tamin' ny Zanak' Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta; Koa hoy Moizy sy Aarona tamin' ny zanak' Israely rehetra: Ho fantatrareo anio hariva, fa Iaveh no namoaka anareo tany Ejipta, Moïse et Aaron dirent à toute la communauté des Israélites : " Ce soir vous saurez que c' est Yahvé qui vous a fait sortir du pays d'Égypte
...............
Eks 16.32 And Moses said, This is the thing which the Lord commandeth, Fill an omer of it to be kept for your generations; that they may see the bread wherewith I have fed you in the wilderness, when I brought you forth from the land of Egypt. Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian' i Jehovah: Analao eran' ny vata omera izy hotehirizina hatramin' ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta Aho. Hoy Moizy: Izao no didin' ny Tompo: Fenoy izany ny gomora iray, ka tehirizo ho an' ny taranakareo, mba hahitany ny mofo namelomako anareo taty an' efitra raha namoaka anareo avy any amin' ny tany Ejipta aho. Moïse dit : " Voici ce qu' a ordonné Yahvé : Remplissez-en un gomor et préservez-le pour vos descendants, afin qu' ils voient le pain dont je vous ai nourris dans le désert, quand je vous ai fait sortir du pays d'Égypte. "
...............
Eks 17.3 And the people thirsted there for water; and the people murmured against Moses, and said, Wherefore is this that thou hast brought us up out of Egypt, to kill us and our children and our cattle with thirst? Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin' i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay? Teo ihany anefa ny vahoaka main' ny hetaheta, ka nimonomonona tamin' i Moizy nanao hoe: Ahoana no nampiakaranao anay hiala tany Ejipta, hahafatin' ny hetaheta anay sy ny zanakay mbamin' ny bibinay? Le peuple y souffrit de la soif, le peuple murmura contre Moïse et dit : " Pourquoi nous as-tu fait monter d'Égypte ? Est-ce pour me faire mourir de soif, moi, mes enfants et mes bêtes ? "
Eks 18.1 When Jethro, the priest of Midian, Moses' father in law, heard of all that God had done for Moses, and for Israel his people, and that the Lord had brought Israel out of Egypt; Ary efa ren' i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan' i Mosesy, izay rehetra nataon' Andriamanitra ho an' i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran' i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta. Ren' i Jetrao, mpisorona ao Madiana, rafozan' i Moizy, ny soa rehetra nataon' Andriamanitra tamin' i Moizy sy Israely vahoakany, ny namoahan' ny Tompo an' Israely tany Ejipta. Jéthro, prêtre de Madiân, beau-père de Moïse, entendit raconter tout ce que Dieu avait fait pour Moïse et pour Israël son peuple : comment Yahvé avait fait sortir Israël d'Égypte.
Eks 19.1 In the third month, when the children of Israel were gone forth out of the land of Egypt, the same day came they into the wilderness of Sinai. TAMIN' ny volana fahatelo taorian' ny nialan' ny Zanak' Isiraely tamin' ny tany Egypta, dia tamin' izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr' i Sinay. Tamin' ny volana fahatelo aorian' ny nivoahany tany Ejipta, tamin' izany andro izany, no nahatongavan' ny zanak' Israely tany an' efitr' i Sinaia. Le troisième mois après leur sortie du pays d'Égypte, ce jour-là, les Israélites atteignirent le désert du Sinaï.
...............
Eks 19.4 Ye have seen what I did unto the Egyptians, and how I bare you on eagles' wings, and brought you unto myself. Hianareo efa nahita izay nataoko tamin' ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin' ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atý amiko. Hitanareo ny nataoko tamin' i Ejipta, sy ny nitondrako anareo tamin' ny ela-boromahery, ary ny nitarihako anareo ho aty amiko. "Vous avez vu vous-mêmes ce que j' ai fait aux Égyptiens, et comment je vous ai emportés sur des ailes d' aigles et amenés vers moi.
...............
Eks 20.2 I am the Lord thy God, which have brought thee out of the land of Egypt, out of the house of bondage. Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, tamin' ny trano nahandevozana. Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin' ny tany Ejipta, tany amin' ny trano fanandevozana. " Je suis Yahvé, ton Dieu, qui t' ai fait sortir du pays d'Égypte, de la maison de servitude.
...............
Eks 22.20 He that sacrificeth unto any god, save unto the Lord only, he shall be utterly destroyed. Ary aza manao izay sarotra amin' ny vahiny, na mampahory azy; fa ela mba vahiny tany amin' ny tany Egypta ihany ianareo. Ataovy anatema izay manolotra sorona amin' ny andriamanitra, fa tsy amin' ny Tompo irery. Tu ne molesteras pas l'étranger ni ne l' opprimeras, car vous-mêmes avez été étrangers dans le pays d'Égypte.
Eks 22.21 Thou shalt neither vex a stranger, nor oppress him: for ye were strangers in the land of Egypt. Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo. Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy, fa efa mba vahiny tany amin' ny tany Ejipta koa hianao. Vous ne maltraiterez pas une veuve ni un orphelin.
...............
Eks 23.9 Also thou shalt not oppress a stranger: for ye know the heart of a stranger, seeing ye were strangers in the land of Egypt. Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon' ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin' ny tany Egypta ihany ianareo. Aza mampahory vahiny fa fantatrao ny fon' ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin' ny tany Ejipta koa hianareo. Tu n' opprimeras pas l'étranger. Vous savez ce qu'éprouve l'étranger, car vous-mêmes avez été étrangers au pays d'Égypte.
...............
Eks 23.15 Thou shalt keep the feast of unleavened bread: (thou shalt eat unleavened bread seven days, as I commanded thee, in the time appointed of the month Abib; for in it thou camest out from Egypt: and none shall appear before me empty:) Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin' ny fotoan' andro amin' ny volana Abiba, fa tamin' izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako. Hitandrina ny fetin' ny Azima hianao: mandritra ny hafitoana dia hihinana mofo tsy misy lalivay hianao araka ny nandidiako anao, amin' ny fotoam-boafetra amin' ny volana abiba, fa tamin' io volana io no nivoahanao tany Ejipta; ka aza miseho eo anatrehako tsy mitondra fanatitra. Tu observeras la fêtes des Azymes. Pendant sept jours tu mangeras des azymes, comme je te l' ai ordonné, au temps fixé du mois d' Abib, car c' est en ce mois que tu es sorti d'Égypte. On ne se présentera pas devant moi les mains vides.
...............
Eks 29.46 And they shall know that I am the Lord their God, that brought them forth out of the land of Egypt, that I may dwell among them: I am the Lord their God. Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny. Ho tantany fa izaho Iaveh no Andriamanitr' izy ireo, izay namoaka azy tany amin' ny tany Ejipta, mba honenako eo afovoan' izy ireo, dia izaho Iaveh Andriamaniny. et ils sauront que je suis Yahvé, leur Dieu, qui les a fait sortir du pays d'Égypte pour demeurer parmi eux, moi Yahvé, leur Dieu.
Eks 32.1 And when the people saw that Moses delayed to come down out of the mount, the people gathered themselves together unto Aaron, and said unto him, Up, make us gods, which shall go before us; for as for this Moses, the man that brought us up out of the land of Egypt, we wot not what is become of him. Ary rehefa hitan' ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin' i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin' ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy, Nony hitan' ny vahoaka fa efa naharitra ela Moizy nefa tsy mbola nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nivory teo amin' i Aarona izy, ka nanao taminy hoe: Ndeha anaovy andriamanitra hialoha làlana anay izahay. Fa raha ny amin' iny Moizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin' ny tany Ejipta, tsy fantatray na naninona izy na naninona. Quand le peuple vit que Moïse tardait à descendre de la montagne, le peuple s' assembla auprès d' Aaron et lui dit : " Allons, fais-nous un dieu qui aille devant nous, car ce Moïse, l' homme qui nous a fait monter du pays d'Égypte, nous ne savons pas ce qui lui est arrivé. "
...............
Eks 32.4 And he received them at their hand, and fashioned it with a graving tool, after he had made it a molten calf: and they said, These be thy gods, O Israel, which brought thee up out of the land of Egypt. Ary izy nandray azy tamin' ny tanan' ny olona, dia namboatra azy tamin' ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely anidina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin' ny tany Egypta. Noraisiny tamin' ny tànan' izy ireo izany, dia namboariny tamin' ny fandraka ny volamena ka namoronany zanak' omby anidina. Ary hoy izy ireo: Ry Israely, io no andriamanitra izay nitondra anao niakatra avy tany amin' ny tany Ejipta. Il reçut l' or de leurs mains, le fit fondre dans un moule et en fit une statue de veau ; alors ils dirent : " Voici ton Dieu, Israël, celui qui t' a fait monter du pays d'Égypte. "
...............
Eks 32.7 And the Lord said unto Moses, Go, get thee down; for thy people, which thou broughtest out of the land of Egypt, have corrupted themselves: Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mandehana midina ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin' ny tany Egypta. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mandehana midina hianao fa nanao ratsy be vava ilay vahoakanao nentinao niakatra avy any amin' ny tany Ejipta. Yahvé dit alors à Moïse : " Allons !descends, car ton peuple que tu as fait monter du pays d'Égypte s' est perverti.
Eks 32.8 They have turned aside quickly out of the way which I commanded them: they have made them a molten calf, and have worshipped it, and have sacrificed thereunto, and said, These be thy gods, O Israel, which have brought thee up out of the land of Egypt. Nalaky nivily niala tamin' ny lalàna izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely anidina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin' ny tany Egypta. Nalaky nivily niala tamin' ny làlana nasaiko hombany; nanao zanak' omby anidina ho azy izy ireo, dia niankohoka teo anoloan' io sy nanolotra sorona taminy, ary nanao hoe: Ry Israely, io no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy any amin' ny tany Ejipta. Ils n' ont pas tardé à s'écarter de la voie que je leur avais prescrite. Ils se sont fabriqué un veau en métal fondu, et se sont prosternés devant lui. Ils lui ont offert des sacrifices et ils ont dit : Voici ton Dieu, Israël, qui t' a fait monter du pays d'Égypte. "
...............
Eks 32.11 And Moses besought the Lord his God, and said, Lord, why doth thy wrath wax hot against thy people, which thou hast brought forth out of the land of Egypt with great power, and with a mighty hand? Fa Mosesy nifona tamin' i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin' ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta tamin' ny hery lehibe sy ny tanana mahery? Nifona tamin' ny Tompo Andriamaniny anefa Moizy ka nanao hoe: Nahoana ny fahatezeranao, Iaveh ô, no dia hirehitra amin' ny vahoakanao, izay navoakanao avy any amin' ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe aman-tànana mahery? Moïse s' efforça d' apaiser Yahvé son Dieu et dit : " Pourquoi, Yahvé, ta colère s' enflammerait-elle contre ton peuple que tu as fait sortir d'Égypte par ta grande force et ta main puissante ?
...............
Eks 32.23 For they said unto me, Make us gods, which shall go before us: for as for this Moses, the man that brought us up out of the land of Egypt, we wot not what is become of him. ary hoy izy tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin' ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy. Izao no nolazain' izy ireo tamiko: Anaovy andriamanitra izahay hialoha làlana anay, fa raha ny amin' iny Moizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin' ny tany Ejipta, tsy fantatray na naninona izy na naninona. Ils m' ont dit : "Fais-nous un dieu qui aille devant nous, car ce Moïse, l' homme qui nous a fait monter du pays d'Égypte, nous ne savons pas ce qui lui est arrivé. "
Eks 33.1 And the Lord said unto Moses, Depart, and go up hence, thou and the people which thou hast brought up out of the land of Egypt, unto the land which I sware unto Abraham, to Isaac, and to Jacob, saying, Unto thy seed will I give it: Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atý ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin' ny tany Egypta, ho amin' ny tany izay nianianako tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mandehana, miaingà avy eto, hianao sy ny vahoaka nentinao niakatra avy any amin' ny tany Ejipta, ho any amin' ny tany efa nampanantenaiko tamim-pianianana an' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba nataoko hoe: Homeko ny taranakao io. Yahvé dit à Moïse : " Va, monte d' ici, toi et le peuple que tu as fait monter du pays d'Égypte, vers la terre dont j' ai dit par serment à Abraham, Isaac et Jacob que je la donnerais à leur descendance.
...............
Eks 34.18 The feast of unleavened bread shalt thou keep. Seven days thou shalt eat unleavened bread, as I commanded thee, in the time of the month Abib: for in the month Abib thou camest out from Egypt. Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin' ny fotoan' andro amin' ny volana Abiba, fa tamin' ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta. Tandremo ny fetin' ny Azima. Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy lalivay, araka ny nandidiako anao, amin' ny fotoana voafetra amin' ny volana abiba, satria tamin' ny volana abiba no nivoahanao tany Ejipta. Tu observeras la fête des Azymes. Pendant sept jours tu mangeras des azymes, comme je te l' ai ordonné, au temps fixé du mois d' Abib, car c' est au mois d' Abib que tu es sorti d'Égypte.

  Leviticus Fisoronana na Levitikosy Fisoronana na Levitika Le Lévitique
...............
Lev 11.45 For I am the Lord that bringeth you up out of the land of Egypt, to be your God: ye shall therefore be holy, for I am holy. Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin' ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho. Fa izaho no Iaveh nampiakatra anareo avy any amin' ny tany Ejipta, mba ho Andriamanitrareo. Aoka ho masina hianareo, satria masina aho. Oui, c' est moi Yahvé qui vous ai fait monter du pays d'Égypte pour être votre Dieu : vous serez donc saints parce que je suis saint.
...............
Lev 18.3 After the doings of the land of Egypt, wherein ye dwelt, shall ye not do: and after the doings of the land of Canaan, whither I bring you, shall ye not do: neither shall ye walk in their ordinances. Aza manao araka ny fanaon' ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon' ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany. Aza manao toy ny ataon' ny any amin' ny tany Ejipta izay nonenanareo, ary aza manao toy ny ataon' ny any amin' ny tany Kanaana, izay hitondrako anareo; aza manaraka ny lalàn' ireny hianareo. Vous n' agirez point comme on fait au pays d'Égypte où vous avez habité ; vous n' agirez point comme on fait au pays de Canaan où moi je vous mène. Vous ne suivrez point leurs lois,
...............
Lev 19.34 But the stranger that dwelleth with you shall be unto you as one born among you, and thou shalt love him as thyself; for ye were strangers in the land of Egypt: I am the Lord your God. Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanano; fa efa mba vahiny tany amin' ny tany Egypta ianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Fa ataovy toy ny tompon-tany ihany no fitondra ny vahiny mitoetra eo afovoanareo, tiavo toy ny tànanao izy; fa efa mba vahiny tany amin' ny tany Ejipta koa hianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. L'étranger qui réside avec vous sera pour vous comme un compatriote et tu l' aimeras comme toi-même, car vous avez été étrangers au pays d'Égypte. Je suis Yahvé votre Dieu.
...............
Lev 19.36 Just balances, just weights, a just ephah, and a just hin, shall ye have: I am the Lord your God, which brought you out of the land of Egypt. Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta. Fa mizàna marina, vato-mizàna marina, efah marina, ary hina marina no tano. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, izay namoaka anareo tany amin' ny tany Ejipta. Vous aurez des balances justes, des poids justes, une mesure juste, un setier juste. Je suis Yahvé votre Dieu qui vous ai fait sortir du pays d'Égypte.
...............
Lev 22.33 That brought you out of the land of Egypt, to be your God: I am the Lord. Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo, no manamasina anareo; Izaho no Jehovah. sy namoaka anareo avy any amin' ny tany Ejipta, mba ho Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh. Moi qui vous ai fait sortir du pays d'Égypte afin d'être votre Dieu, je suis Yahvé.
...............
Lev 23.43 That your generations may know that I made the children of Israel to dwell in booths, when I brought them out of the land of Egypt: I am the Lord your God. mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak' Isiraely tao amin' ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. mba hahafantaran' ny taranakareo fa trano rantsan-kazo no nampitoerako ny zanak' Israely, fony aho namoaka azy avy any tamin' ny tany Ejipta. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. afin que vos descendants sachent que j' ai fait habiter sous des huttes les Israélites quand je les ai fait sortir du pays d'Égypte. Je suis Yahvé votre Dieu.
...............
Lev 25.38 I am the Lord your God, which brought you forth out of the land of Egypt, to give you the land of Canaan, and to be your God. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anareo tany amin' ny tany Ejipta, hanomezako anareo ny tany Kanaana, mba ho Andriamanitrareo. je suis Yahvé votre Dieu qui vous ai fait sortir du pays d'Égypte pour vous donner le pays de Canaan, pour être votre Dieu.
...............
Lev 25.42 For they are my servants, which I brought forth out of the land of Egypt: they shall not be sold as bondmen. Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta izy ka tsy hamidy tahaka ny andevo. Fa mpanompoko nentiko nivoaka avy any amin' ny tany Ejipta izy ireo ka tsy hamidy toy ny fivarotra andevo. Ils sont en effet mes serviteurs, eux que j' ai fait sortir du pays d'Égypte, et ils ne doivent pas se vendre comme un esclave se vend.
...............
Lev 25.55 For unto me the children of Israel are servants; they are my servants whom I brought forth out of the land of Egypt: I am the Lord your God. Fa mpanompoko ny Zanak' Isiraely, dia mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Satria amiko ny zanak' Israely no mpanompo; mpanompoko nentiko nivoaka avy any amin' ny tany Ejipta izy. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. Car c' est de moi que les Israélites sont les serviteurs ; ce sont mes serviteurs que j' ai fait sortir du pays d'Égypte. Je suis Yahvé votre Dieu.
...............
Lev 26.13 I am the Lord your God, which brought you forth out of the land of Egypt, that ye should not be their bondmen; and I have broken the bands of your yoke, and made you go upright. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro, Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay namoaka anareo hiala any amin' ny tany Ejipta, mba tsy ho andevo any intsony; nanapaka ny baran' ny jioganareo aho, dia nandefa anareo handeha misolanandrana. C' est moi Yahvé votre Dieu qui vous ai fait sortir du pays d'Égypte pour que vous n' en fussiez plus les serviteurs ; j' ai brisé les barres de votre joug et je vous ai fait marcher la tête haute.
...............
Lev 26.45 But I will for their sakes remember the covenant of their ancestors, whom I brought forth out of the land of Egypt in the sight of the heathen, that I might be their God: I am the Lord. Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin' ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta teo Imason' ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho: Izaho no Jehovah. Hotsarovako hanasoavako azy ny fanekena nataoko tamin' ny razany, izay navoakako tany amin' ny tany Ejipta, teo imason' ny firenen-kafa, mba ho Andriamaniny aho. Izaho no Iaveh. Je me souviendrai en leur faveur de l' alliance conclue avec les premières générations que j' ai fait sortir du pays d'Égypte, sous les yeux des nations, afin d'être leur Dieu, moi, Yahvé.

  Numbers Fanisana na Nomery Fanisana Les Nombres
Nom / Fan 1.1 And the Lord spake unto Moses in the wilderness of Sinai, in the tabernacle of the congregation, on the first day of the second month, in the second year after they were come out of the land of Egypt, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy tany an-efitr' i Sinay, tao amin' ny trano-lay fihaonana tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana faharoa, tamin' ny taona faharoa taorian' ny nivoahany avy tany amin' ny tany Egypta, ka nanao hoe: Tany an' efitra Sinaia, tao amin' ny trano lay fihaonana, tamin' ny andro voalohan' ny volana faharoa, taona faharoa taorian' ny nivoahana tany amin' ny tany Ejipta, dia niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse, au désert du Sinaï, dans la Tente du Rendez-vous, le premier jour du second mois, la deuxième année après la sortie du pays d'Égypte. Il dit :
...............
Nom / Fan 3.13 Because all the firstborn are mine; for on the day that I smote all the firstborn in the land of Egypt I hallowed unto me all the firstborn in Israel, both man and beast: mine shall they be: I am the Lord. satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin' ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin' ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin' ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah. satria ahy ny lahimatoa rehetra. Tamin' ilay andro namelezako ny lahimatoa rehetra tany amin' ny tany Ejipta no nanokanako ho ahy ny voalohan-teraka rehetra amin' Israely, na olona na biby fiompy; ka dia ahy ireo, fa izaho no Iaveh. Car tout premier-né m' appartient. Le jour où j' ai frappé tous les premiers-nés en terre d'Égypte, je me suis consacré tous les premiers-nés en Israël, aussi bien ceux des hommes que ceux du bétail. Ils sont à moi ; je suis Yahvé. "
...............
Nom / Fan 8.17 For all the firstborn of the children of Israel are mine, both man and beast: on the day that I smote every firstborn in the land of Egypt I sanctified them for myself. Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin' ny Zanak' Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin' ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin' ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy. dia ny lahimatoan' ny zanak' Israely rehetra, na amin' ny olona na amin' ny biby; tamin' ilay andro namelezako ny lahy voalohan-teraka rehetra tany amin' ny tany Ejipta, no nanokanako azy ho ahy. Oui, c' est à moi que revient tout premier-né chez les Israélites, homme ou animal : le jour où j' ai frappé tous les premiers-nés en terre d'Égypte, je me les suis consacrés,
Nom / Fan 9.1 And the Lord spake unto Moses in the wilderness of Sinai, in the first month of the second year after they were come out of the land of Egypt, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy tany an-efitr' i Sinay tamin' ny volana voalohany tamin' ny taona faharoa taorian' ny nivoahany avy tany amin' ny tany Egypta ka nanao hoe: Tamin' ny volana voalohany amin' ny taona faharoa taorian' ny nivoahany tany amin' ny tany Ejipta, dia niteny tamin' i Moizy Iaveh tany an' efitra Sinaia, ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse, dans le désert du Sinaï, la seconde année après la sortie d'Égypte, au premier mois, et il dit :
...............
Nom / Fan 11.5 We remember the fish, which we did eat in Egypt freely; the cucumbers, and the melons, and the leeks, and the onions, and the garlick: Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay, maimaim-poana tany Egypta mbamin' ny voatango sy tongolo samy hafa karazana. Tsaroanay izany hazandrano, nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe, ny tongolo sy ny tongolon-kova. Ah ! quel souvenir ! le poisson que nous mangions pour rien en Égypte, les concombres, les melons, les laitues, les oignons et l' ail !
...............
Nom / Fan 11.18 And say thou unto the people, Sanctify yourselves against to morrow, and ye shall eat flesh: for ye have wept in the ears of the Lord, saying, Who shall give us flesh to eat? for it was well with us in Egypt: therefore the Lord will give you flesh, and ye shall eat. Koa lazao amin' ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin' ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo anatrehan' i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen' i Jehovah hena ianareo, ka hohaninareo. Izao no lazao amin' ny vahoaka: Mankamasìna ny tenanareo ho amin' ny rahampitso, dia hahazo hena hohanina hianareo, fa nitomany ka ren' ny sofin' ny Tompo hianareo nanao hoe: Iza no mba hanome hena hohaninay? Fa finaritra izahay tany Ejipta! koa homen' ny Tompo hena hianareo, dia hihinananareo izany. A ce peuple du diras : Sanctifiez-vous pour demain, et vous mangerez de la viande, puisque vous avez pleuré aux oreilles de Yahvé, en disant : "Qui nous donnera de la viande à manger ? Nous étions heureux en Égypte ! " Eh bien ! Yahvé vous donnera de la viande à manger.
...............
Nom / Fan 11.20 But even a whole month, until it come out at your nostrils, and it be loathsome unto you: because that ye have despised the Lord which is among you, and have wept before him, saying, Why came we forth out of Egypt? fa hatramin' ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin' ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany ianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay? fa hatramin' ny iray volana maninjitra, dia mandra-pivoakany amin' ny vavoronareo, sy hampaharikoriko anareo; satria hianareo efa nitsipaka an' ny Tompo izay eo afovoanareo, sy nitomany teo anatrehany nanao hoe: Naninona re no nivoaka tany Ejipta foana izahay? mais bien tout un mois, jusqu'à ce qu' elle vous sorte par les narines et vous soit en dégoût, puisque vous avez rejeté Yahvé qui est au milieu de vous et que vous avez pleuré devant lui en disant : Pourquoi donc être sortis d'Égypte ? "
...............
Nom / Fan 13.22 And they ascended by the south, and came unto Hebron; where Ahiman, Sheshai, and Talmai, the children of Anak, were. (Now Hebron was built seven years before Zoan in Egypt.) Dia niakatra tao amin' ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan' i Zoana any Egypta.) Niakatra an' i Negeba izy ireo, ka nandroso hatrany Hebrona, izay nisy an' i Akimàna sy Sizaia ary Tolmaia, taranak' i Enàka. Hebrona dia naorina fito taona talohan' i Tanisa any Ejipta. Ils montèrent par le Négeb et parvinrent à Hébron, où se trouvaient Ahimân, Sheshaï et Talmaï, les Anaqim. Hébron avait été fondée sept ans avant Tanis d'Égypte.
...............
Nom / Fan 14.2 And all the children of Israel murmured against Moses and against Aaron: and the whole congregation said unto them, Would God that we had died in the land of Egypt! or would God we had died in this wilderness! Dia nimonomonona tamin' i Mosesy sy Arona ny Zanak' Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin' ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatý amin' ity efitra ity! Nimonomonona tamin' i Moizy sy Aarona ny zanak' Israely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra tamin' izy ireo: Inay anie izahay maty tany an-tany Ejipta, na inay anie izahay maty aty amin' ity efitra ity. Tous les Israélites murmurèrent contre Moïse et Aaron, et la communauté tout entière leur dit : " Que ne sommes-nous morts au pays d'Égypte ! Que ne sommes-nous morts du moins en ce désert !
Nom / Fan 14.3 And wherefore hath the Lord brought us unto this land, to fall by the sword, that our wives and our children should be a prey? were it not better for us to return into Egypt? Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin' ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va? Nahoana no dia nentin' ny Tompo amin' ity tany ity isika, ka ho lavon-tsabatra? Ary ny vady aman-janatsika holasan-ko babo. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta? Pourquoi Yahvé nous mène-t-il en ce pays pour nous faire tomber sous l'épée, pour livrer en butin nos femmes et nos enfants ? Ne vaudrait-il pas mieux retourner en Égypte ? "
Nom / Fan 14.4 And they said one to another, Let us make a captain, and let us return into Egypt. Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta. Dia nifampilaza hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika, ka hiverina any Ejipta. Et ils se disaient l' un à l' autre : " Donnons-nous un chef et retournons en Égypte. "
...............
Nom / Fan 14.19 Pardon, I beseech thee, the iniquity of this people according unto the greatness of thy mercy, and as thou hast forgiven this people, from Egypt even until now. Mifona aminao aho, mamelà ny helok' ity firenena ity araka ny halehiben' ny famindram-ponao, sy araka ny namelanao ny helok' ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny. Avelao ny helok' ity vahoaka ity, araka ny halehiben' ny famindramponao toy ny efa namelanao an' ity vahoaka ity, hatrany Ejipta ka hatr' eto! Pardonne donc la faute de ce peuple selon la grandeur de ta bonté, tout comme tu l' as traité depuis l'Égypte jusqu' ici.
...............
Nom / Fan 14.22 Because all those men which have seen my glory, and my miracles, which I did in Egypt and in the wilderness, and have tempted me now these ten times, and have not hearkened to my voice; ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko, Ka ireo olona rehetra nahita ny voninahitro amam-pahagagana nataoko tany Ejipta sy tany an' efitra; ireo izay efa naka fanahy ahy impolo sahady, sady tsy nihaino ny feoko, tous ces hommes qui ont vu ma gloire et les signes que j' ai produits en Égypte et au désert, ces hommes qui m' ont déjà dix fois mis à l'épreuve sans obéir à ma voix,
...............
Nom / Fan 15.40 That ye may remember, and do all my commandments, and be holy unto your God. mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an' Andriamanitrareo ianareo. Hahatsiaro ny didiko rehetra hianareo amin' izany, ary hanaraka azy, ka ho masina ho an' Andriamanitrareo izay namoaka anareo tany amin' ny tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. Ainsi vous vous rappellerez tous mes commandements, vous les mettrez en pratique, et vous serez des consacrés pour votre Dieu.
Nom / Fan 15.41 I am the Lord your God, which brought you out of the land of Egypt, to be your God: I am the Lord your God. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. ka ho masina ho an' Andriamanitrareo izay namoaka anareo tany amin' ny tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. C' est moi Yahvé, votre Dieu, qui vous ai fait sortir du pays d'Égypte, afin d'être Dieu pour vous, moi Yahvé votre Dieu.
...............
Nom / Fan 20.5 And wherefore have ye made us to come up out of Egypt, to bring us in unto this evil place? it is no place of seed, or of figs, or of vines, or of pomegranates; neither is there any water to drink. Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin' ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongaben-danitra akory, sady tsy misy rano hosotroina? Ahoana no dia nitondranareo anay niakatra avy tany Ejipta hankaty amin' itony fitoerana ratsy itony? Tsy mba tany azo hamafazana, tsy misy aviavy, na voaloboka, na ampongabendanitra, na rano hosotroina akory. Pourquoi nous avoir fait monter d'Égypte pour nous conduire en ce sinistre lieu ? C' est un lieu impropre aux semailles, sans figuiers, ni vignes, ni grenadiers, sans même d' eau à boire ! "
...............
Nom / Fan 20.15 How our fathers went down into Egypt, and we have dwelt in Egypt a long time; and the Egyptians vexed us, and our fathers: dia ny nidinan' ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana; Nidina tany Ejipta ny razanay, ary nitoetra tany ela izahay, fa samy nampahorin' ny Ejipsiana, na izahay na ny razanay. Nos pères sont descendus en Égypte, où nous sommes restés bien des jours. Mais les Égyptiens nous ont maltraités, ainsi que nos pères.
Nom / Fan 20.16 And when we cried unto the Lord, he heard our voice, and sent an angel, and hath brought us forth out of Egypt: and, behold, we are in Kadesh, a city in the uttermost of thy border: ary raha nitaraina tamin' i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin' ny faritry ny taninao, izahay; Dia nitaraina tamin' ny Tompo izahay, ary nihaino ny feonay izy; naniraka anjely izy ary nitondra anay nivoaka tany Ejipta. Ary indreto izahay izao dia eto Kadesy, tanàna amin' ny faritry ny taninao. Nous en avons appelé à Yahvé. Il a entendu notre voix et il a envoyé l' ange qui nous a fait sortir d'Égypte. Nous voici maintenant à Cadès, ville qui est aux confins de ton territoire.
...............
Nom / Fan 21.5 And the people spake against God, and against Moses, Wherefore have ye brought us up out of Egypt to die in the wilderness? for there is no bread, neither is there any water; and our soul loatheth this light bread. Ary niteny nanome tsiny an' Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin' ny lalan' ny mpisafo-tany izahay ho faty atý an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atý ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony. ka niteny nanome tsiny an' Andriamanitra sy Moizy hoe: Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty aty an' efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan' itony hanina tsinontsinona itony. Il parla contre Dieu et contre Moïse : " Pourquoi nous avez-vous fait monter d'Égypte pour mourir en ce désert ? Car il n' y a ni pain ni eau ; nous sommes excédés de cette nourriture de famine. "
...............
Nom / Fan 22.5 He sent messengers therefore unto Balaam the son of Beor to Pethor, which is by the river of the land of the children of his people, to call him, saying, Behold, there is a people come out from Egypt: behold, they cover the face of the earth, and they abide over against me: Dia naniraka olona izy ho any amin' i Balama, zanak' i Beora, any Petora, izay eo amoron' ny Ony, dia eo amin' ny tanin' ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko; Ka naniraka olona izy ho any amin' i Balaama, zanak' i Beora, any Petora, izay eo amoron' ny ony, eo amin' ny tanin' ny zanaky ny vahoakany, mba hiantso azy sy hanao aminy hoe: Indro misy vahoaka nivoaka avy any Ejipta, rakotra azy ny tany, ary tandrify ahy no itobiany. Il envoya des messagers mander Balaam, fils de Béor, à Pétor, sur le Fleuve, au pays des fils d' Ammav. Il lui disait : " Voici que le peuple qui est sorti d'Égypte a couvert tout le pays ; il s' est établi en face de moi.
...............
Nom / Fan 22.11 Behold, there is a people come out of Egypt, which covereth the face of the earth: come now, curse me them; peradventure I shall be able to overcome them, and drive them out. Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atý ankehitriny, ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy. Indro ilay firenena nivoaka avy tany Ejipta fa mandrakotra ny tany, tongàva aty amiko àry ka hanozona azy hianao; izany angamba no hahazoako mandresy azy sy mandroaka azy. Voici que le peuple qui est sorti d'Égypte a couvert tout le pays. Viens donc, maudis-le-moi ; ainsi pourrai-je le combattre et le chasser. "
...............
Nom / Fan 23.22 God brought them out of Egypt; he hath as it were the strength of an unicorn. Nentin' Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga, Andriamanitra no mamoaka azy avy tany Ejipta, Ary manan-kery toy ny ombimanga izy. Dieu le fait sortir d'Égypte, Il est pour lui comme des cornes de buffle.
...............
Nom / Fan 24.8 God brought him forth out of Egypt; he hath as it were the strength of an unicorn: he shall eat up the nations his enemies, and shall break their bones, and pierce them through with his arrows. Nentin' Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin' ny zana-tsipìkany. Nentin' Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta izy, Ary nomeny azy ny herin' ny ombimanga. Mandevona ny firenena miady aminy izy, Manapaka ny taolany Sy mandripaka azy amin' ny zana-tsipìkany. Dieu le fait sortir d'Égypte, il est pour lui comme des cornes de buffle. Il dévore le cadavre de ses adversaires, il leur brise les os.
...............
Nom / Fan 26.4 Take the sum of the people, from twenty years old and upward; as the Lord commanded Moses and the children of Israel, which went forth out of the land of Egypt. Ny hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy sy ny Zanak' Isiraely izay nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta. Hisaina ny hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy sy ny zanak' Israely, raha nivoaka avy tany amin' ny tany Ejipta izy ireo. Comme Yahvé l' a ordonné à Moïse et aux Israélites à leur sortie du pays d'Égypte. Hommes de vingt ans et au-dessus :
...............
Nom / Fan 26.59 And the name of Amram' s wife was Jochebed, the daughter of Levi, whom her mother bare to Levi in Egypt: and she bare unto Amram Aaron and Moses, and Miriam their sister. Ary ny anaran' ny vadin' i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin' i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an' i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin' i Amrama izy. Kaata niteraka an' i Amrama, ary ny anaran' ny vadin' i Amrama dia Jokabeda, zanakavavin' i Levì, izay nateraky ny reniny tamin' i Levì tany Ejipta, ary izy niteraka an' i Aarona sy Moizy ary Maria anabavin' ireo, tamin' i Amrama. La femme d' Amram se nommait Yokébed, fille de Lévi, qui lui était née en Égypte. Elle donna à Amram Aaron, Moïse et Miryam leur soeur.
...............
Nom / Fan 32.11 Surely none of the men that came up out of Egypt, from twenty years old and upward, shall see the land which I sware unto Abraham, unto Isaac, and unto Jacob; because they have not wholly followed me: Ny olona izay niakatra avy tany Egypta, hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin' ny fanarahana Ahy izy; Tsy hisy hahita ny tany efa nianianako tamin' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba homena azy, ireo olona niakatra avy tany Ejipta, hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, satria tsy nanaraka ahy tsara izy ireo, "Si jamais ces hommes, qui sont sortis d'Égypte et qui ont l'âge de vingt ans au moins, voient le pays que j' ai promis par serment à Abraham, à Isaac et à Jacob..., car ils ne m' ont pas suivi sans défaillance,
Nom / Fan 33.1 These are the journeys of the children of Israel, which went forth out of the land of Egypt with their armies under the hand of Moses and Aaron. Ary izao no nandehan' ny Zanak' Isiraely, izay nentin' i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta araka ny antokony. Izao no nitobian' ny zanak' Israely nony nivoaka avy tany amin' ny tany Ejipta, araka ny antokony avy, ambanin' ny fitondran' i Moizy sy Aarona. Voici les étapes que parcoururent les Israélites lorsqu' ils furent sortis du pays d'Égypte selon leurs unités, sous la conduite de Moïse et d' Aaron.
...............
Nom / Fan 33.38 And Aaron the priest went up into mount Hor at the commandment of the Lord, and died there, in the fortieth year after the children of Israel were come out of the land of Egypt, in the first day of the fifth month. Ary Arona mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin' i Jehovah, dia maty tao izy tamin' ny fahefa-polo taona taorian' ny nivoahan' ny Zanak' Isiraely avy tany amin' ny tany Egypta, tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana fahadimy. Niakatra tao an-tendrombohitra Hora Aarona mpisorona araka ny didin' ny Tompo, dia maty tao izy tamin' ny taona fahefapolo taorian' ny nivoahan' ny zanak' Israely tany amin' ny tany Ejipta, volana fahadimy, andro voalohan' ny volana. Aaron, le prêtre, monta à Hor-la-Montagne sur l' ordre de Yahvé et c' est là qu' il mourut, dans la quarantième année de l' exode des Israélites hors du pays d'Égypte, au cinquième mois, le premier du mois.
...............
Nom / Fan 34.5 And the border shall fetch a compass from Azmon unto the river of Egypt, and the goings out of it shall be at the sea. ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin' ny lohasahan-driak' i Egypta, ka dia mihatra amin' ny ranomasina. ary hatreo Asemona, dia mipaka hatrany amin' ny riakan' i Ejipta, sy mihatra amin' ny ranomasina. D' Açmôn, la frontière obliquera ensuite vers le Torrent d'Égypte et aboutira à la Mer.

  Deuteronomy Fifanekena na Detoronomia Fifanekena na Detoronomy Le Deutéronome
...............
Deo / Dt 1.27 And ye murmured in your tents, and said, Because the Lord hated us, he hath brought us forth out of the land of Egypt, to deliver us into the hand of the Amorites, to destroy us. Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: Halan' i Jehovah isika, no nitondrany antsika nivoaka avy tany Egypta hanolorany antsika eo an-tànan' ny Amorita handringanana antsika. Nimonomonona tany an-dainareo hianareo, nanao hoe: Ny fankahalan' ny Tompo antsika no nitondrany antsika nivoaka tany amin' ny tany Ejipta mba hanolorany antsika ho eo an-tànana' ny Amoreana, sy handrigananany antsika. et vous avez déblatéré dans vos tentes en disant : " C' est en haine de nous que Yahvé nous a fait sortir du pays d'Égypte, pour nous livrer au pouvoir des Amorites et pour nous détruire.
...............
Deo / Dt 1.30 The Lord your God which goeth before you, he shall fight for you, according to all that he did for you in Egypt before your eyes; Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo, fa Iaveh Andriamanitrareo izay mandeha eo alohanareo, dia izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra efa nataony ho anareo tany Ejipta teo imasonareo, Yahvé votre Dieu qui marche à votre tête combattra pour vous, tout comme vous l' avez vu faire en Égypte.
...............
Deo / Dt 4.20 But the Lord hath taken you, and brought you forth out of the iron furnace, even out of Egypt, to be unto him a people of inheritance, as ye are this day. Fa ianareo no nalain' i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin' ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin' izao anio izao. fa hianareo, dia nalain' ny Tompo ka nentiny nivoaka avy tao amin' ny memy fandrendreham-by, dia tany Ejipta, mba ho tonga ilay vahoaka voatokana ho lovany tahaka izao ankehitriny izao. mais vous, Yahvé vous a pris et vous a fait sortir de cette fournaise pour le fer, l'Égypte, pour que vous deveniez le peuple de son héritage, comme vous l'êtes encore aujourd' hui.
...............
Deo / Dt 4.34 Or hath God assayed to go and take him a nation from the midst of another nation, by temptations, by signs, and by wonders, and by war, and by a mighty hand, and by a stretched out arm, and by great terrors, according to all that the Lord your God did for you in Egypt before your eyes? Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin' ny firenena hafa va Andriamanitra amin' ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon' i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao? Oviana no mba nisy Andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy tao afovoan' ny firenena iray hafa, tamin' ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady, tànana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe, toraky ny nataon' ny Tompo Andriamanitrareo ho anareo, teo imasonareo, tany Ejipta? Est-il un dieu qui soit venu se chercher une nation au milieu d' une autre, par des épreuves, des signes, des prodiges et des combats, à main forte et à bras étendu, et par de grandes terreurs - toutes choses que pour vous, sous tes yeux, Yahvé votre Dieu a faites en Égypte ?
...............
Deo / Dt 4.37 And because he loved thy fathers, therefore he chose their seed after them, and brought thee out in his sight with his mighty power out of Egypt; Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin' ny heriny lehibe, Noho ny fitiavany ny razanao, dia nifidy ny fara mandimby azy ireo izy, ka nampivoaka anao avy tany Ejipta, tamin' ny nitoerany tao aminao sy ny heriny lehibe, Parce qu' il a aimé tes pères et qu' après eux il a élu leur postérité, il t' a fait sortir d'Égypte en manifestant sa présence et sa grande force,
...............
Deo / Dt 4.45 These are the testimonies, and the statutes, and the judgments, which Moses spake unto the children of Israel, after they came forth out of Egypt. Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran' i Mosesy tamin' ny Zanak' Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy, dia didy aman-dalàna sy fitsìpika nomen' i Moizy ny zanak' Israely tamin' ny nivoahany tany Ejipta, Voici les stipulations, les lois et les coutumes que Moïse donna aux Israélites à leur sortie d'Égypte,
Deo / Dt 4.46 On this side Jordan, in the valley over against Bethpeor, in the land of Sihon king of the Amorites, who dwelt at Heshbon, whom Moses and the children of Israel smote, after they were come forth out of Egypt: tany an-dafin' i Jordana, tao an-dohasaha tandrifin' i Beti-peora, tao amin' ny tanin' i Sihona, ilay mpanjakan' ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen' i Mosesy sy ny Zanak' Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy, tany an-dafin' i Jordany tao an-dohasaha tandrifin' i Bet-Fogora, amin' ny tanin' i Sehona, mpanjakan' ny Amoreana, nonina tao Hesebona, izay noresen' i Moizy sy ny zanak' Israely tamin' ny nivoahany tany Ejipta. au-delà du Jourdain, dans la vallée proche de Bet-Péor, au pays de Sihôn, roi amorite résidant à Heshbôn. Moïse et les Israélites l' avaient battu à leur sortie d'Égypte
...............
Deo / Dt 5.6 I am the Lord thy God, which brought thee out of the land of Egypt, from the house of bondage. Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, tamin' ny trano nahandevozana. Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao avy any amin' ny tany Ejipta tamin' ny trano fanandevozana. " Je suis Yahvé ton Dieu, qui t' ai fait sortir du pays d'Égypte, de la maison de servitude.
...............
Deo / Dt 5.15 And remember that thou wast a servant in the land of Egypt, and that the Lord thy God brought thee out thence through a mighty hand and by a stretched out arm: therefore the Lord thy God commanded thee to keep the sabbath day. Ary tsarovy fa andevo tany amin' ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran' i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian' i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata. Tsarovy fa efa andevo tany amin' ny tany Ejipta hianao, ary tànana mahery sy sandry ahinjitra no nitondran' ny Tompo Andriamanitrao anao nivoaka avy tany: koa izany no nandidian' ny Tompo Andriamanitrao anao hitandrina ny andro sabata. Tu te souviendras que tu as été en servitude au pays d'Égypte et que Yahvé ton Dieu t' en a fait sortir d' une main forte et d' un bras étendu ; c' est pourquoi Yahvé ton Dieu t' a commandé de garder le jour du sabbat.
...............
Deo / Dt 6.12 Then beware lest thou forget the Lord, which brought thee forth out of the land of Egypt, from the house of bondage. dia mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, tamin' ny trano nahandevozana. ka tandremo fandrao manadino an' ny Tompo izay nampivoaka anao avy tany amin' ny tany Ejipta, tany amin' ny trano fanandevozana. garde-toi d' oublier Yahvé qui t' a fait sortir du pays d'Égypte, de la maison de servitude.
...............
Deo / Dt 6.21 Then thou shalt say unto thy son, We were Pharaoh' s bondmen in Egypt; and the Lord brought us out of Egypt with a mighty hand: Dia holazainao aminy hoe: Andevon' i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran' i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta. dia lazao amin' ny zanakao hoe: Andevon' i Faraona tany Ejipta izahay; ary tànana mahery no nitondran' ny Tompo anay nivoaka avy tany Ejipta; tu diras à ton fils : " Nous étions esclaves de Pharaon, en Égypte, et Yahvé nous a fait sortir d'Égypte par sa main puissante.
Deo / Dt 6.22 And the Lord shewed signs and wonders, great and sore, upon Egypt, upon Pharaoh, and upon all his household, before our eyes: Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin' ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika. fahagagana amam-pamantarana lehibe sy mandoza no nataon' ny Tompo, namelezany an' i Ejipta sy Faraona mbamin' ny ankohonany rehetra teo imasonay; Yahvé a accompli sous nos yeux des signes et des prodiges grands et terribles contre l'Égypte, Pharaon et toute sa maison.
...............
Deo / Dt 7.8 But because the Lord loved you, and because he would keep the oath which he had sworn unto your fathers, hath the Lord brought you out with a mighty hand, and redeemed you out of the house of bondmen, from the hand of Pharaoh king of Egypt. fa ny nitiavan' i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin' ny razanareo no nitondran' i Jehovah anareo tamin' ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin' ny trano nahandevozana dia tamin' ny tànan' i Farao, mpanjakan' i Egypta. fa noho ny fitiavany anareo, sy noho ny fankatoavany ny fianianana nataony tamin' ny razanareo, dia nentin' ny Tompo nivoaka, tamin' ny tànana mahery, sy navotany tamin' ny trano fanandevozana hianareo, dia tamin' ny tànan' i Faraona mpanjakan' i Ejipta. Mais c' est par amour pour vous et pour garder le serment juré à vos pères, que Yahvé vous a fait sortir à main forte et t' a délivré de la maison de servitude, du pouvoir de Pharaon, roi d'Égypte.
...............
Deo / Dt 7.15 And the Lord will take away from thee all sickness, and will put none of the evil diseases of Egypt, which thou knowest, upon thee; but will lay them upon all them that hate thee. Ary harovan' i Jehovah tsy ho azon' aretina ianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin' i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin' izay rehetra mankahala anao kosa ireny. Hampanalavirin' ny Tompo anao ny aretina rehetra, ary tsy hisy halefany aminao akory ny areti-mandoza nanjo an' i Ejipta izay fantatrao; fa izay rehetra mankahala anao no hampahoriny amin' ireny. Yahvé détournera de toi toute maladie ; il ne t' infligera pas ces méchants maux d'Égypte que tu as connus, mais il les enverra à tous ceux qui te haïssent.
...............
Deo / Dt 7.18 Thou shalt not be afraid of them: but shalt well remember what the Lord thy God did unto Pharaoh, and unto all Egypt; dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon' i Jehovah Andriamanitrao tamin' i Farao sy ny Egyptiana rehetra, dia aza matahotra azy, fa tsarovy ao an-tsainao ny nataon' ny Tompo Andriamanitrao, tamin' i Faraona sy Ejipta rehetra. Ne les crains pas : rappelle-toi donc ce que Yahvé ton Dieu a fait à Pharaon et à toute l'Égypte,
...............
Deo / Dt 8.14 Then thine heart be lifted up, and thou forget the Lord thy God, which brought thee forth out of the land of Egypt, from the house of bondage; dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, tamin' ny trano nahandevozana, dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao avy tany amin' ny tany Ejipta, tamin' ny trano fanandevozana, que tout cela n'élève pas ton coeur ! N' oublie pas alors Yahvé ton Dieu qui t' a fait sortir du pays d'Égypte, de la maison de servitude ;
...............
Deo / Dt 9.7 Remember, and forget not, how thou provokedst the Lord thy God to wrath in the wilderness: from the day that thou didst depart out of the land of Egypt, until ye came unto this place, ye have been rebellious against the Lord. Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an' i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin' ny andro nialanao tany amin' ny tany Egypta ka hatramin' ny nahatongavanareo teto amin' ity tany ity dia mbola niodina tamin' i Jehovah ihany ianareo. Tsarovy ka aza hadinoinao, fa nanao ahoana moa no nampahatezeranao an' ny Tompo Andriamanitrao tany an' efitra. Hatramin' ny andro nivoahanao tany amin' ny tany Ejipta, ka hatramin' ny nahatongavanao teto amin' ity fitoerana ity, dia niodina tamin' ny Tompo ihany hianareo. Souviens-toi. N' oublie pas que tu as irrité Yahvé ton Dieu dans le désert. Depuis le jour de ta sortie du pays d'Égypte jusqu'à votre arrivée en ce lieu, vous avez été rebelles à Yahvé.
...............
Deo / Dt 9.12 And the Lord said unto me, Arise, get thee down quickly from hence; for thy people which thou hast brought forth out of Egypt have corrupted themselves; they are quickly turned aside out of the way which I commanded them; they have made them a molten image. Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midina faingana hiala etý ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin' ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy. Tamin' izay dia hoy Iaveh tamiko: Mitsangàna ka midìna faingana miala eto, fa nihasimba ny vahoakanao nentinao nivoaka avy tany Ejipta: vetivety foana dia niviliany ny làlana nasaiko nalehan' izy ireo; fa nanao sarin-javatra anidina ho azy izy. Yahvé me dit : " Lève-toi d' ici, descends en toute hâte, car ton peuple s' est perverti, lui que tu as fait sortir d'Égypte. Ils n' ont pas tardé à s'écarter de la voie que je leur avais prescrite : ils se sont fait une idole de métal fondu. "
...............
Deo / Dt 9.26 I prayed therefore unto the Lord, and said, O Lord GOD, destroy not thy people and thine inheritance, which thou hast redeemed through thy greatness, which thou hast brought forth out of Egypt with a mighty hand. Dia nifona tamin' i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin' ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin' ny tananao mahery. Nifona tamin' ny Tompoy aho, ka nanao hoe: Ry Iaveh Tompo ô, aza mandringana ny vahoakanao, ny lovanao, izay navotanao tamin' ny fahalehibeazanao sy navoakanao avy tany Ejipta tamin' ny tànanao mahery. J' intercédai près de Yahvé et je lui dis : " Mon Seigneur Yahvé, ne détruis pas ton peuple et ton héritage, lui que tu as délivré par ta grandeur et que tu as fait sortir d'Égypte à main forte.
...............
Deo / Dt 9.29 Yet they are thy people and thine inheritance, which thou broughtest out by thy mighty power and by thy stretched out arm. Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin' ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra. Kanefa ireo no vahoakanao sy lovanao izay navoakanao avy tany Ejipta, tamin' ny herinao lehibe sy tamin' ny sandrinao nahinjitra. Mais ils sont ton peuple, ton héritage, ceux que tu as fait sortir par ta grande force et ton bras étendu. "
...............
Deo / Dt 10.19 Love ye therefore the stranger: for ye were strangers in the land of Egypt. Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin' ny tany Egypta ianareo. Tiavo ny vahiny, fa efa mba vahiny tany amin' ny tany Ejipta koa hianareo. Aimez l'étranger car au pays d'Égypte vous fûtes des étrangers.
...............
Deo / Dt 10.22 Thy fathers went down into Egypt with threescore and ten persons; and now the Lord thy God hath made thee as the stars of heaven for multitude. Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon' i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin' ny lanitra ianao. Ny isan' ny razanao nidina nankany Ejipta dia olona fitopolo, fa hianao kosa ankehitriny dia efa nataon' ny Tompo Andriamanitrao maro toy ny kintana eny an-danitra. et, alors que tes pères n'étaient que soixante-dix quand ils sont descendus en Égypte, Yahvé ton Dieu t' a rendu aussi nombreux à présent que les étoiles des cieux.
...............
Deo / Dt 11.3 And his miracles, and his acts, which he did in the midst of Egypt unto Pharaoh the king of Egypt, and unto all his land; sy ny famantarany sy ny asany, izay nataony tany Egypta tamin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, sy ny taniny rehetra, ny fahagagana aman' asa nataony teo afovoan' i Ejipta, tamin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta sy tamin' ny taniny rehetra; les signes et les oeuvres qu' il a accomplis au coeur de l'Égypte, contre Pharaon, roi d'Égypte, et tout son pays,
Deo / Dt 11.4 And what he did unto the army of Egypt, unto their horses, and to their chariots; how he made the water of the Red sea to overflow them as they pursued after you, and how the Lord hath destroyed them unto this day; sy izay nataony tamin' ny miaramilan' ny Egyptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin' ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo Izy, dia voaringan' i Jehovah mandraka androany, ny nafitsony tamin' ny tafik' i Ejipta, ny soavaly aman-kalesiny; akory izany namarinany ny ranon' ny ranomasina Mena, hanafotra an' ireny, fony izy nanenjika anareo! Akory izany nandringan' ny Tompo azy ho levona mandraka androany! ce qu' il a fait aux armées de l'Égypte, à ses chevaux et à ses chars, en ramenant sur eux les eaux de la mer des Roseaux lorsqu' ils vous poursuivaient et comme il les a anéantis jusqu' aujourd' hui ;
...............
Deo / Dt 11.10 For the land, whither thou goest in to possess it, is not as the land of Egypt, from whence ye came out, where thou sowedst thy seed, and wateredst it with thy foot, as a garden of herbs: Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman' ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen' anana. Fa ny tany izay efa hidiranao hanananao azy, dia tsy mba tahaka ny tany Ejipta nialanareo, izay namafazanao sy nampidiranao rano amin' ny tongotrao, toy ny saha fambolena anana. Car le pays où tu entres pour en prendre possession n' est pas comme le pays d'Égypte d' où vous êtes sortis, où, après avoir semé, il fallait arroser avec le pied, comme on arrose un jardin potager.
...............
Deo / Dt 13.5 And that prophet, or that dreamer of dreams, shall be put to death; because he hath spoken to turn you away from the Lord your God, which brought you out of the land of Egypt, and redeemed you out of the house of bondage, to thrust thee out of the way which the Lord thy God commanded thee to walk in. So shalt thou put the evil away from the midst of thee. Manaraha an' i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo. Fa izany mpaminany na mpanonofy izany kosa dia ataovy maty, satria fikomiana amin' ny Tompo Andriamanitrareo, izay nampivoaka anareo tany amin' ny tany Ejipta, sy nanafaka anareo tamin' ny trano fanandevozana, no efa notorìna mba hampivily anao hiala amin' ny làlana nasain' ny Tompo Andriamanitrao halehanao. Dia izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao. C' est Yahvé votre Dieu que vous suivrez et c' est lui que vous craindrez, ce sont ses commandements que vous garderez, c' est à sa voix que vous obéirez, c' est lui que vous servirez, c' est à lui que vous vous attacherez.
Deo / Dt 13.6 If thy brother, the son of thy mother, or thy son, or thy daughter, or the wife of thy bosom, or thy friend, which is as thine own soul, entice thee secretly, saying, Let us go and serve other gods, which thou hast not known, thou, nor thy fathers; Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin' i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin' ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin' ny lalana izay nasain' i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny vehivavy izay ampofoanao, na ny sakaiza toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, dia andriamanitra tsy fantatrao na ny razanao akory, Ce prophète ou ce faiseur de songes devra mourir, car il a prêché l' apostasie envers Yahvé ton Dieu, qui vous a fait sortir du pays d'Égypte et t' a racheté de la maison de servitude, et il t' aurait égaré loin de la voie où Yahvé ton Dieu t' a ordonné de marcher. Tu feras disparaître le mal du milieu de toi.
...............
Deo / Dt 13.10 And thou shalt stone him with stones, that he die; because he hath sought to thrust thee away from the Lord thy God, which brought thee out of the land of Egypt, from the house of bondage. fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan' ny vahoaka rehetra. Tonafy vato izy mandra-pahafaty azy, fa efa nitady hampiala anao amin' ny Tompo Andriamanitrao, izay nampivoaka anao tany amin' ny tany Ejipta, tamin' ny trano fanandevozana. Oui, tu devras le tuer, ta main sera la première contre lui pour le mettre à mort, et la main de tout le peuple continuera l' exécution.
Deo / Dt 13.11 And all Israel shall hear, and fear, and shall do no more any such wickedness as this is among you. Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin' i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, tamin' ny trano nahandevozana. Ary handre izany Israely rehetra, dia ho raiki-tahotra ka tsy hanao izany heloka bevava izany eo aminao intsony. Tu le lapideras jusqu'à ce que mort s' ensuive, car il a cherché à t'égarer loin de Yahvé ton Dieu, qui t' a fait sortir du pays d'Égypte, de la maison de servitude.
...............
Deo / Dt 15.15 And thou shalt remember that thou wast a bondman in the land of Egypt, and the Lord thy God redeemed thee: therefore I command thee this thing to day. Ary tsarovy fa andevo tany amin' ny tany Egypta ianao, nefa Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio. Tsarovy fa efa mba andevo tany amin' ny tany Ejipta hianao, saingy nanafaka anao Iaveh Andriamanitrao, ka izany no anomezako anao anio izao didy izao. Tu te souviendras que tu as été en servitude au pays d'Égypte et que Yahvé ton Dieu t' a racheté : voilà pourquoi je te donne aujourd' hui cet ordre.
Deo / Dt 16.1 Observe the month of Abib, and keep the passover unto the Lord thy God: for in the month of Abib the Lord thy God brought thee forth out of Egypt by night. Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan' i Jehovah Andriamanitrao fa tamin' ny volana Abiba no nitondran' i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin' ny alina. Tandremo ny volana Abiba, ka ankalazao ny Paka, fanomezam-boninahitra an' ny Tompo Andriamanitrao, fa tamin' ny volana Abiba, raha alina, no nitondran' ny Tompo Andriamanitrao anao nivoaka tany Ejipta. Observe le mois d' Abib et célèbre une Pâque pour Yahvé ton Dieu, car c' est au mois d' Abib que Yahvé ton Dieu, la nuit, t' a fait sortir d'Égypte.
...............
Deo / Dt 16.3 Thou shalt eat no leavened bread with it; seven days shalt thou eat unleavened bread therewith, even the bread of affliction; for thou camest forth out of the land of Egypt in haste: that thou mayest remember the day when thou camest forth out of the land of Egypt all the days of thy life. Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin' ny tany Egypta, mba hotsarovanao amin' ny andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin' ny tany Egypta. Aza mihinana mofo misy lalivay miaraka amin' ireo sorona ireo fa mofo tsy misy lalivay no hano mandritra ny hafitoana, dia mofom-pahoriana, satria tamim-pahamaikana no nivoahanao tany amin' ny tany Ejipta mba hahatsiarovanao ny andro nivoahanao tany Ejipta, amin' ny andro rehetra iainanao. Tu ne mangeras pas, avec la victime, de pain fermenté ; pendant sept jours tu mangeras avec elle des azymes - un pain de misère - car c' est en toute hâte que tu es sorti du pays d'Égypte : ainsi tu te souviendras, tous les jours de ta vie, du jour où tu sortis du pays d'Égypte.
...............
Deo / Dt 16.6 But at the place which the Lord thy God shall choose to place his name in, there thou shalt sacrifice the passover at even, at the going down of the sun, at the season that thou camest forth out of Egypt. fa eo amin' ny fitoerana izay hofidin' i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka izay nivoahanao avy tany Egypta. fa amin' ny fitoerana izay hofidin' ny Tompo Andriamanitrao hamponenany ny anarany ihany no hamonoanao ny soron' ny Paka, amin' ilay hariva maty masoandro iny, izay fotoana nivoahanao tany Ejipta. mais c' est au lieu choisi par Yahvé ton Dieu pour y faire habiter son nom que tu immoleras la pâque, le soir au coucher du soleil, à l' heure de ta sortie d'Égypte.
...............
Deo / Dt 16.12 And thou shalt remember that thou wast a bondman in Egypt: and thou shalt observe and do these statutes. Ary tsarovy fa andevo tany Egypta ianao; koa tandremo sy araho ireo didy ireo. Tsarovy fa efa mba andevo tany Ejipta koa hianao, ka tandremo ny hanatanteraka ireo didy ireo. Tu te souviendras que tu as été en servitude au pays d'Égypte, et tu garderas ces lois pour les mettre en pratique.
...............
Deo / Dt 17.16 But he shall not multiply horses to himself, nor cause the people to return to Egypt, to the end that he should multiply horses: forasmuch as the Lord hath said unto you, Ye shall henceforth return no more that way. Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin' izany lalana izany intsony. Aoka anefa izy tsy hanan-tsoavaly betsaka na hitondra ny vahoaka hiverina any Ejipta mba hahazoany soavaly betsaka, fa hoy Iaveh taminareo: Aza miverina amin' izany làlana izany intsony amin' ny sisa. Mais qu' il n' aille pas multiplier ses chevaux, et qu' il ne ramène pas le peuple en Égypte pour accroître sa cavalerie, car Yahvé vous a dit : " Vous ne retournerez jamais par ce chemin. "
Deo / Dt 20.1 When thou goest out to battle against thine enemies, and seest horses, and chariots, and a people more than thou, be not afraid of them: for the Lord thy God is with thee, which brought thee up out of the land of Egypt. Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin' ny tany Egypta, no momba anao. Raha mivoaka hiady amin' ny fahavalonao hianao, ka mahita soavaly aman-kalesy sy vahoaka maro noho hianao, dia aza matahotra azy fa momba anao Iaveh Andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin' ny tany Ejipta. Lorsque tu partiras en guerre contre tes ennemis et que tu verras des chevaux, des chars et un peuple plus nombreux que toi, tu n' en auras pas peur ; car Yahvé ton Dieu est avec toi, lui qui t' a fait monter du pays d'Égypte.
...............
Deo / Dt 23.4 Because they met you not with bread and with water in the way, when ye came forth out of Egypt; and because they hired against thee Balaam the son of Beor of Pethor of Mesopotamia, to curse thee. Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin' ny fiangonan' i Jehovah: na dia hatramin' ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin' ny fiangonan' i Jehovah hatramin' ny mandrakizay ireny, Ny Amonita sy ny Moabita dia tsy hiditra amin' ny fiangonan' ny Tompo, na dia hatramin' ny taranany fahafolo aza, dia tsy hiditra amin' ny fiangonan' ny Tompo na oviana na oviana; satria tsy tonga nitsena hanina sy rano anareo izy teny an-dàlana, fony hianareo nivoaka avy tany Ejipta: sady nampaka sy nanamby vola an' i Balaama, zanak' i Beora avy any Petora, any Mesopotamia, hanozona anao. L' Ammonite et le Moabite ne seront pas admis à l' assemblée de Yahvé ; même leurs descendants à la dixième génération ne seront pas admis à l' assemblée de Yahvé, et cela pour toujours ;
Deo / Dt 23.5 Nevertheless the Lord thy God would not hearken unto Balaam; but the Lord thy God turned the curse into a blessing unto thee, because the Lord thy God loved thee. satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an' i Balama, zanak' i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy. Saingy tsy nihaino an' i Balaama Iaveh Andriamanitrao, fa nampody ny fanozonana ho tso-drano ho anao Iaveh Andriamanitrao, noho ny fitiavan' ny Tompo Andriamanitrao anao. parce qu' ils ne sont pas venus à votre rencontre avec le pain et l' eau quand vous étiez en route à la sortie d'Égypte, et parce qu' il a soudoyé Balaam fils de Béor pour te maudire, de Pétor en Aram Naharayim.
...............
Deo / Dt 24.9 Remember what the Lord thy God did unto Miriam by the way, after that ye were come forth out of Egypt. Tsarovy izay nataon' i Jehovah Andriamanitrao tamin' i Miriama teny an-dalana tamin' ny nandehananareo avy tany Egypta. Tsarovy ny nataon' ny Tompo Andriamanitrao tamin' i Maria teny an-dàlana, tamin' ny nivoahanareo tany Ejipta. Rappelle-toi ce que Yahvé ton Dieu a fait à Miryam, quand vous étiez en chemin au sortir d'Égypte.
...............
Deo / Dt 24.18 But thou shalt remember that thou wast a bondman in Egypt, and the Lord thy God redeemed thee thence: therefore I command thee to do this thing. Fa tsarovy fa andevo tany Egypta ianao, ary Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany. Tsarovy fa efa mba andevo tany Ejipta koa hianao, saingy navotan' ny Tompo Andriamanitrao, ka izany no andidiako anao hanao toy izany. Souviens-toi que tu as été en servitude au pays d'Égypte et que Yahvé ton Dieu t' en a racheté ; aussi je t' ordonne de mettre cette parole en pratique.
...............
Deo / Dt 24.22 And thou shalt remember that thou wast a bondman in the land of Egypt: therefore I command thee to do this thing. Ary tsarovy fa andevo tany amin' ny tany Egypta ianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany. Tsarovy fa efa mba andevo tany amin' ny tany Ejipta koa hianao, ka izany no andidiako anao hanao toy izany. Et tu te souviendras que tu as été en servitude au pays d'Égypte ; aussi je t' ordonne de mettre cette parole en pratique.
...............
Deo / Dt 25.17 Remember what Amalek did unto thee by the way, when ye were come forth out of Egypt; Tsarovy izay nataon' ny Amalekita taminao teny an-dalana tamin' ny nandehananareo avy tany Egypta, Tsarovy ny nafitsok' i Amaleka anao teny an-dàlana, tamin' ny nivoahanao avy tany Ejipta, Rappelle-toi ce que t' a fait Amaleq quand vous étiez en chemin à votre sortie d'Égypte.
...............
Deo / Dt 26.5 And thou shalt speak and say before the Lord thy God, A Syrian ready to perish was my father, and he went down into Egypt, and sojourned there with a few, and became there a nation, great, mighty, and populous: Dia hiteny eo anatrehan' i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin' ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa. Ary hiteny eo anatrehan' ny Tompo Andriamanitrao hianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameana efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban' olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro. Tu prononceras ces paroles devant Yahvé ton Dieu : " Mon père était un Araméen errant qui descendit en Égypte, et c' est en petit nombre qu' il y séjourna, avant d' y devenir une nation grande, puissante et nombreuse.
...............
Deo / Dt 26.8 And the Lord brought us forth out of Egypt with a mighty hand, and with an outstretched arm, and with great terribleness, and with signs, and with wonders: ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran' i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, ka tànana mahery, sandry ahinjitra, fangorohoroana lehibe ary famantarana amam-pahagagana, no namoahan' ny Tompo antsika avy tany Ejipta. et Yahvé nous fit sortir d'Égypte à main forte et à bras étendu, par une grande terreur, des signes et des prodiges.
...............
Deo / Dt 28.27 The Lord will smite thee with the botch of Egypt, and with the emerods, and with the scab, and with the itch, whereof thou canst not be healed. Hamelin' i Jehovah anao ny vain' i Egypta sy ny tomboka sy ny hatina ary ny hazaka (izay tsy azom-panafody); Iaveh hikapoka anao amin' ny dridran' i Ejipta, fivontosam-body, anakandro, ary hatina tsy laitram-panafody. Yahvé te frappera d' ulcères d'Égypte, de bubons, de croûtes, de plaques rouges dont tu ne pourras guérir.
...............
Deo / Dt 28.60 Moreover he will bring upon thee all the diseases of Egypt, which thou wast afraid of; and they shall cleave unto thee. Dia haveriny aminao indray ny aretin' i Egypta rehetra, izay natahoranao ka hiraikitra aminao ireny. Hataony hihatra aminao indray ny aretina rehetra tany Ejipta izay nampangovitra anao, ka hiraikitra aminao izany. Il fera revenir chez toi ces maux d'Égypte qui furent ta terreur, et ils s' attacheront à toi.
...............
Deo / Dt 28.68 And the Lord shall bring thee into Egypt again with ships, by the way whereof I spake unto thee, Thou shalt see it no more again: and there ye shall be sold unto your enemies for bondmen and bondwomen, and no man shall buy you. Ary ianao ho entin' i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin' izay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin' ny fahavalonareo ianareo, nefa tsy hisy mpividy. IZAO no tenin' ny fanekena izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy hatao amin' ny Zanak' Isiraely tany amin' ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba. Haverin' ny Tompo an-tsambo ho any Ejipta hianao, hihazo ny làlana voalazako taminao hoe: Tsy ho hitanao intsony izany, ary any hianareo hivaro-tena ho andevolahy sy andevovavy amin' ny fahavalonareo nefa tsy hisy mpividy. Yahvé te renverra en Égypte dans des vaisseaux ou par un chemin dont je t' avais dit : " Tu ne le verras plus ! " Et là vous irez vous vendre à tes ennemis comme serviteurs et servantes, sans trouver d' acheteur.
Deo / Dt 29.1 These are the words of the covenant, which the Lord commanded Moses to make with the children of Israel in the land of Moab, beside the covenant which he made with them in Horeb. Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon' i Jehovah teo imasonareo tany amin' ny tany Egypta tamin' i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra, Niantso an' Israely rehetra Moizy, dia nilaza taminy hoe: Efa hitanareo izay nataon' ny Tompo teo imasonareo, tany amin' ny tany Ejipta, tamin' i Faraona sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra, Moïse convoqua tout Israël et leur dit : Vous avez vu tout ce que Yahvé a fait sous vos yeux au pays d'Égypte, tant à Pharaon et à tous ses serviteurs qu'à tout son pays :
...............
Deo / Dt 29.15 But with him that standeth here with us this day before the Lord our God, and also with him that is not here with us this day: fa fantatrareo izay nitoerantsika tany amin' ny tany Egypta sy izay nandehanantsika namaky ny tanin' ny jentilisa; Fantatrareo izay nitoerantsika tany Ejipta sy izay namakiantsika ny tanin' ny firenena izay nandalovanareo; Oui, vous savez avec qui nous demeurions en Égypte, au milieu de qui nous avons passé, ces nations que vous avez traversées.
...............
Deo / Dt 29.24 Even all nations shall say, Wherefore hath the Lord done thus unto this land? what meaneth the heat of this great anger? Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken' i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta. Noho izy ireo nahafoy ny fanekena tamin' ny Tompo Andriamanitry ny razany, izay nataony tamin' izy ireo, fony izy nampivoaka azy avy tany amin' ny tany Ejipta, Et l' on dira : " Parce qu' ils ont abandonné l' alliance de Yahvé, Dieu de leurs pères, qu' il avait conclue avec eux en les faisant sortir du pays d'Égypte ;
...............
Deo / Dt 34.11 In all the signs and the wonders, which the Lord sent him to do in the land of Egypt to Pharaoh, and to all his servants, and to all his land, tamin' ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan' i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin' i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra na ny amin' ny famantarana amam-pahagagana nanirahan' ny Tompo azy tany Ejipta, hanaovany izany tamin' i Faraona sy ny mpanompony mbamin' ny taniny rehetra, Que de signes et de prodiges Yahvé lui fit accomplir au pays d'Égypte, contre Pharaon, tous ses serviteurs et tout son pays !

  Joshua Josoa Josoe Livre de Josué
...............
Jos 2.10 For we have heard how the Lord dried up the water of the Red sea for you, when ye came out of Egypt; and what ye did unto the two kings of the Amorites, that were on the other side Jordan, Sihon and Og, whom ye utterly destroyed. Fa efa renay ny nanamainan' i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin' ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin' ny mpanjaka roa tamin' ny Amorita, izay tany an-dafin' i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo. Renay ny nanamainan' ny Tompo ny ranomasina Mena teo anoloanareo, fony hianareo nivoaka avy tany Ejipta; sy ny nanaovanareo ny mpanjakan' ny Amoreana roa lahy, tany an-dafin' i Jordany, dia Sehona sy Oga, izay nataonareo anatema. Car nous avons appris que Yahvé avait mis à sec devant vous les eaux de la mer des Roseaux, à votre sortie d'Égypte, et ce que vous avez fait aux deux rois amorites, de l' autre côté du Jourdain, à Sihôn et à Og que vous avez voués à l' anathème.
...............
Jos 5.4 And this is the cause why Joshua did circumcise: All the people that came out of Egypt, that were males, even all the men of war, died in the wilderness by the way, after they came out of Egypt. Ary izao no anton' ny namoran' i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin' izy efa nivoaka avy tany Egypta. Izao no antony namoran' i Josoe azy: Ny vahoaka rehetra nivoaka avy tany Ejipta, ny lehilahy, ny mpiantafika rehetra dia efa maty tany an' efitra avokoa, teny an-dàlana, taorian' ny nivoahany avy tany Ejipta. Voici la raison pour laquelle Josué fit cette circoncision : toute la population mâle, sortie d'Égypte en âge de porter les armes, était morte dans le désert, en chemin, après leur sortie d'Égypte.
Jos 5.5 Now all the people that came out were circumcised: but all the people that were born in the wilderness by the way as they came forth out of Egypt, them they had not circumcised. Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin' izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa. Fa efa voafora daholo ny vahoaka rehetra nivoaka, fa ny vahoaka rehetra teraka tany an' efitra, teny an-dàlana kosa, hatramin' izay nivoahana tany Ejipta dia tsy voafora. Or, tout ce peuple émigré avait été circoncis; mais tout le peuple né dans le désert, en chemin, après leur sortie d'Égypte, on ne l' avait pas circoncis;
Jos 5.6 For the children of Israel walked forty years in the wilderness, till all the people that were men of war, which came out of Egypt, were consumed, because they obeyed not the voice of the Lord: unto whom the Lord sware that he would not shew them the land, which the Lord sware unto their fathers that he would give us, a land that floweth with milk and honey. Fa efa-polo taona no nandehanan' ny Zanak' Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran' ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon' i Jehovah izy; dia ireo no nianianan' i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan' i Jehovah tamin' ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely. Satria efapolo taona no nandehanan' ny zanak' Israely tany an' efitra, mandra-pahalany ritra ny firenena rehetra, dia ny mpiantafika rehetra nivoaka avy tany Ejipta, fa tsy nihaino ny feon' ny Tompo, ka efa nianianan' ny Tompo taminy fa izy ireo tsy havelany hahita ny tany izay nianianany tamin' ny razany homena antsika, tany tondra-dronono sy tantely. car pendant quarante ans les Israélites marchèrent dans le désert, jusqu'à ce que toute la nation eût péri, à savoir les hommes sortis d'Égypte en âge de porter les armes; ils n' avaient pas obéi à la voix de Yahvé, et Yahvé leur avait juré de ne pas leur laisser voir la terre qu' il avait juré à leurs pères de nous donner, terre qui ruisselle de lait et de miel.
...............
Jos 5.9 And the Lord said unto Joshua, This day have I rolled away the reproach of Egypt from off you. Wherefore the name of the place is called Gilgal unto this day. Dia hoy Jehovah tamin' i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan' i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran' izany tany izany dia nataony hoe Gilgala mandraka androany. Ary hoy Iaveh tamin' i Josoe: Nesoriko ho afaka taminareo androany ny fahafaham-baraka tany Ejipta. Dia natao hoe Galgalà mandraka androany izany toerana izany. Alors Yahvé dit à Josué : " Aujourd' hui j' ai ôté de dessus vous le déshonneur de l'Égypte. " Aussi a-t-on appelé ce lieu du nom de Gilgal jusqu' aujourd' hui.
...............
Jos 9.9 And they said unto him, From a very far country thy servants are come because of the name of the Lord thy God: for we have heard the fame of him, and all that he did in Egypt, Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran' i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta Dia hoy izy ireo: Tonga avy any an-tany lavitra indrindra ny mpanomponao noh ony anaran' ny Tompo Andriamanitrao, fa nandre ny lazany izahay sy izay rehetra nataony tany Ejipta, Ils répondirent : " C' est d' un pays très éloigné que viennent tes serviteurs, à cause du renom de Yahvé ton Dieu, car nous avons entendu parler de lui, de tout ce qu' il a fait en Égypte
...............
Jos 13.3 From Sihor, which is before Egypt, even unto the borders of Ekron northward, which is counted to the Canaanite: five lords of the Philistines; the Gazathites, and the Ashdothites, the Eshkalonites, the Gittites, and the Ekronites; also the Avites: hatrany Sihora, izay atsinanan' i Egypta, ka hatramin' ny fari-tanin' i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an' ny Kananita, ireo andriana dimy amin' ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita hatramin' i Sikora, izay eo atsinanan' i Ejipta ka hatrany amin' ny faritanin' i Akarona eo avaratra, izay tokony hatao ho tany Kananeana; ny andrianan' ny Filistina dimy, ny an' i Gazà, ny an' i Azota, ny an' i Askalona, ny an' i Geta, ny an' i Akarona; depuis le Shihor qui fait face à l'Égypte jusqu'à la frontière d'Éqrôn au nord, c' est compté comme cananéen. Les cinq princes des Philistins sont celui de Gaza, celui d' Ashdod, celui d' Ashqelon, celui de Gat et celui d'Éqrôn; les Avvites sont
...............
Jos 15.4 From thence it passed toward Azmon, and went out unto the river of Egypt; and the goings out of that coast were at the sea: this shall be your south coast. dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak' i Egypta, ary dia nihatra tamin' ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo. avy eo dia nahazo an' i Asmona, nitohy hatramin' ny ranon-driakan' i Ejipta, dia nihatra hatrany amin' ny ranomasina ny faritry ny taniny. Izany no ho faritry ny taninareo any atsimo. puis la frontière passait par Açmôn et débouchait au Torrent d'Égypte pour aboutir à la mer. Telle sera votre frontière méridionale.
...............
Jos 15.47 Ashdod with her towns and her villages, Gaza with her towns and her villages, unto the river of Egypt, and the great sea, and the border thereof: Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin' ny lohasahan-driak' i Egypta sy ny amoron' ny Ranomasina Lehibe. Azota sy ny tanàna momba azy ary ny zanabohiny; Gazà sy ny tanàna momba azy, mbamin' ny zanabohiny, hatramin' ny ranondriakan' i Ejipta, sy hatramin' ny ranomasina Lehibe izay fariny. Ashdod avec ses dépendances et ses villages, Gaza avec ses dépendances et ses villages jusqu' au Torrent d'Égypte, la Grande mer formant la frontière.
...............
Jos 24.4 And I gave unto Isaac Jacob and Esau: and I gave unto Esau mount Seir, to possess it; but Jacob and his children went down into Egypt. Ary Isaka koa dia nomeko an' i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan' i Esao ny tendrombohitra Seira; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta. Isaaka dia nomeko an' i Jakoba sy Esao; ary Esao nomeko ny tendrombohitra Seïra ho fananany, ary Jakoba sy ny zanany nidina nankany Ejipta. A Isaac, je donnai Jacob et Ésaü. A Ésaü, je donnai en possession la montagne de Séïr. Jacob et ses fils descendirent en Égypte.
Jos 24.5 I sent Moses also and Aaron, and I plagued Egypt, according to that which I did among them: and afterward I brought you out. Dia naniraka an' i Mosesy sy Arona Aho ka namely an' i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho. Taorian' izany dia nirahiko Moizy sy Aarona ary nasiko Ejipta araka izay nataoko teo afovoany; ary rahefa izany dia nentiko nivoaka hianareo. J' envoyai ensuite Moïse et Aaron et frappai l'Égypte par les prodiges que j' opérai au milieu d' elle; ensuite je vous en fis sortir.
Jos 24.6 And I brought your fathers out of Egypt: and ye came unto the sea; and the Egyptians pursued after your fathers with chariots and horsemen unto the Red sea. Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin' ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin' ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly. Nentiko nivoaka avy tany Ejipta ny razanareo, ka tonga teo amin' ny ranomasina hianareo. Ny Ejipsiana an-kalesy sy an-tsoavaly nanenjika ny razanareo, hatreo amin' ny ranomasina Mena. Je fis donc sortir vos pères de l'Égypte et vous arrivâtes à la mer; les Égyptiens poursuivirent vos pères avec des chars et des cavaliers, à la mer des Roseaux.
Jos 24.7 And when they cried unto the Lord, he put darkness between you and the Egyptians, and brought the sea upon them, and covered them; and your eyes have seen what I have done in Egypt: and ye dwelt in the wilderness a long season. Dia nitaraina tamin' i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana,sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo. Velon-taraina tamin' ny Tompo izy ireo, ka nasian' ny Tompo aizina teo anelanelanareo sy ny Ejipsiana, nakatony tamin' izy ireo ny ranomasina ka nanafotra azy, ary masonareo no nahita izay nataoko tany Ejipta; dia nitoetra ela tany an' efitra hianareo. Ils crièrent alors vers Yahvé qui étendit un brouillard épais entre vous et les Égyptiens, et fit revenir sur eux la mer qui les recouvrit. Vous avez vu de vos propres yeux ce que j' ai fait en Égypte, puis vous avez séjourné de longs jours dans le désert.
...............
Jos 24.14 Now therefore fear the Lord, and serve him in sincerity and in truth: and put away the gods which your fathers served on the other side of the flood, and in Egypt; and serve ye the Lord. Koa ankehitriny, matahora an' i Jehovah, ka manompoa Azy amin' ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin' ny razanareo tany an-dafin' ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an' i Jehovah. Koa matahora an' ny Tompo ary manompoa azy amim-pahitsiana sy fahamarinana; ario ny andriamantra notompoin' ny razanareo tany an-dafin' ny ony sy tany Ejipta, ka manompoa an' ny Tompo. " Et maintenant, craignez Yahvé et servez-le dans la perfection en toute sincérité; éloignez les dieux que servirent vos pères au-delà du Fleuve et en Égypte, et servez Yahvé.
...............
Jos 24.17 For the Lord our God, he it is that brought us up and our fathers out of the land of Egypt, from the house of bondage, and which did those great signs in our sight, and preserved us in all the way wherein we went, and among all the people through whom we passed: Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, tany amin' ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin' ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin' ny firenena rehetra izay notetezintsika. Fa Iaveh Andriamanitsika no nampiakatra antsika mbamin' ny razantsika avy tany amin' ny tany Ejipta, amin' ny trano fanandevozana ary nanao ireo fahagagana lehite be eto imasontsika ary niaro antsika tamin' ny làlana nalehantsika sy tamin' ny firenena rehetra nandalovantsika. Yahvé notre Dieu est celui qui nous a fait monter, nous et nos pères, du pays d'Égypte, de la maison de servitude, qui devant nos yeux a opéré ces grands signes et nous a gardés tout le long du chemin que nous avons parcouru et parmi toutes les populations à travers lesquelles nous avons passé.
...............
Jos 24.32 And the bones of Joseph, which the children of Israel brought up out of Egypt, buried they in Shechem, in a parcel of ground which Jacob bought of the sons of Hamor the father of Shechem for an hundred pieces of silver: and it became the inheritance of the children of Joseph. Ary ny taolan' i Josefa, izay efa nentin' ny Zanak' Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin' ny tany izay novidin' i Jakoba volafotsy zato tamin' ny zanak' i Hamora, rain' i Sekema; dia tonga lovan' ny taranak' i Josefa izany. Ary ny taolan' i Josefa, izay nentin' ny zanak' Israely avy tany Ejipta, dia nalevina tao Sikema, amin' ilay saha novidin' i Jakoba, nomeny zato kesitasy, tamin' ny taranak' i Hemora, rain' i Sikema, ary tonga fananan' ny taranak' i Josefa ny taolany. Quant aux ossements de Joseph que les Israélites avaient apportés d'Égypte, on les ensevelit à Sichem, dans la parcelle de champ que Jacob avait achetée aux fils de Hamor, père de Sichem, pour cent pièces d' argent, et qui était devenue héritage des fils de Joseph.

  Judges Mpitsara Mpitsara Livre des Juges
Mts / Mpits 2.1 And an angel of the Lord came up from Gilgal to Bochim, and said, I made you to go up out of Egypt, and have brought you unto the land which I sware unto your fathers; and I said, I will never break my covenant with you. Ary Ilay Anjelin' i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin' ny tany izay nianianako tamin' ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay; Ary niakatra avy any Galgalà ny anjelin' ny Tompo nankany Bokima, ka nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta aho; dia nampiditra anareo amin' ny tany izay nianianako tamin' ny razanareo homena anareo. Hoy aho hoe: Tsy hanatsoaka ny fanekeko aminareo mandrakizay aho, L' Ange de Yahvé monta de Gilgal à Béthel et il dit : " Je vous ai fait monter d'Égypte et je vous ai amenés dans ce pays que j' avais promis par serment à vos pères. J' avais dit : "Je ne romprai jamais mon alliance avec vous.
...............
Mts / Mpits 2.12 And they forsook the Lord God of their fathers, which brought them out of the land of Egypt, and followed other gods, of the gods of the people that were round about them, and bowed themselves unto them, and provoked the Lord to anger. ka nahafoy an' i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin' ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an' i Jehovah. Nafoiny Iaveh Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Ejipta; fa andriamani-kafa, tamin' ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy no narahiny, sy niankohofany teo anatrehany, ka nampahatezitra an' ny Tompo izy ireo. Ils délaissèrent Yahvé, le Dieu de leurs pères, qui les avait fait sortir du pays d'Égypte, et ils suivirent d' autres dieux parmi ceux des peuples d' alentour. Ils se prosternèrent devant eux, ils irritèrent Yahvé,
...............
Mts / Mpits 6.8 That the Lord sent a prophet unto the children of Israel, which said unto them, Thus saith the Lord God of Israel, I brought you up from Egypt, and brought you forth out of the house of bondage; Jehovah dia naniraka mpaminany anankiray ho any amin' ny zanak' Isiraely, izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Egypta sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny trano nahandevozana dia naniraka mpaminany anankiray tamin' ny zanak' Israely Iaveh. Hoy izy taminy hoe: Izao no tenin' ny Tompo Andriamanitr' Israely. Nitondra anareo niakatra avy tany amin' ny tany Ejipta aho; ary namoaka anareo tamin' ny trano fanandevozana. Yahvé envoya aux Israélites un prophète qui leur dit : " Ainsi parle Yahvé, Dieu d' Israël. C' est moi qui vous ai fait monter d'Égypte, et qui vous ai fait sortir d' une maison de servitude.
...............
Mts / Mpits 6.13 And Gideon said unto him, Oh my Lord, if the Lord be with us, why then is all this befallen us? and where be all his miracles which our fathers told us of, saying, Did not the Lord bring us up from Egypt? but now the Lord hath forsaken us, and delivered us into the hands of the Midianites. Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin' izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain' ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan' ny Midiana. Indrisy Tompoko, raha momba anay Iaveh, ahoana no dia ianjeran' izao zavatra rehetra izao aminay? Ary aiza ny fahagagany rehetra izay tantarain' ny razanay aminay ataony hoe: Moa tsy nitondra anay niakatra avy tany Ejipta va Iaveh? Fa efa nafoin' ny Tompo mihitsy izahay ankehitriny; ary efa natolony eo an-tànan' i Madiana. Gédéon lui répondit : " Je t' en prie mon Seigneur! Si Yahvé est avec nous, d' où vient tout ce qui nous arrive ? Où sont tous ces prodiges que nous racontent nos pères quand ils disent : "Yahvé ne nous a-t-il pas fait monter d'Égypte ?" Et maintenant Yahvé nous a abandonnés, il nous a livrés au pouvoir de Madiân... "
...............
Mts / Mpits 11.13 And the king of the children of Ammon answered unto the messengers of Jephthah, Because Israel took away my land, when they came up out of Egypt, from Arnon even unto Jabbok, and unto Jordan: now therefore restore those lands again peaceably. Dia hoy ny mpanjakan' ny taranak' i Amona tamin' ny irak' i Jefta: Satria nalain' ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin' ny fihavanana ary izany ankehitriny. Ary hoy ny mpanjakan' ny taranak' i Amona, namaly ny irak' i Jefte: Satria, raha niakatra avy any Ejipta Israely, dia nalainy ny taniko, hatrany Arnona ka hatrany Jabaoka sy Jordany. Koa avereno amim-pihavanana izany ankehitriny. Le roi des Ammonites répondit aux messagers de Jephté : " C' est parce qu' Israël, au temps où il montait d'Égypte, s' est emparé de mon pays, depuis l' Arnon jusqu' au Yabboq et au Jourdain. Rends-le maintenant de bon gré! "
...............
Mts / Mpits 11.16 But when Israel came up from Egypt, and walked through the wilderness unto the Red sea, and came to Kadesh; Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin' ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy. Fa fony niakatra avy tany Ejipta Israely, dia nandeha tany an' efitra, hatreo amin' ny ranomasina Mena, ka tonga tany Kadesy. Quand il est monté d'Égypte, Israël a marché dans le désert jusqu'à la mer des Roseaux et il est parvenu à Cadès.
...............
Mts / Mpits 19.30 And it was so, that all that saw it said, There was no such deed done nor seen from the day that the children of Israel came up out of the land of Egypt unto this day: consider of it, take advice, and speak your minds. Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin' ny andro niakaran' ny Zanak' Isiraely avy tany amin' ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao. Dia hoy izay nahita rehetra: Ny zavatra toy izany dia tsy mbola tonga na hita na oviana na oviana hatrizay niakaran' ny zanak' Israely avy any amin' ny tany Ejipta ka mandrak' androany. Koa diniho izany, mifampilà hevitra, dia tapaho. Il donna des ordres à ses émissaires : " Voici ce que vous direz à tous les Israélites : A-t-on jamais vu pareille chose depuis le jour où les Israélites sont montés du pays d'Égypte jusqu' aujourd' hui ? Réfléchissez-y, consultez-vous et prononcez. " Et tous ceux qui voyaient, disaient : " Jamais chose pareille n' est arrivée et ne s' est vue depuis que les Israélites sont montés du pays d'Égypte jusqu' aujourd' hui. "

  1st Samuel 1 Samoela Samoela I 1er Livre de Samuel
...............
1Sm / 1Sam 2.27 And there came a man of God unto Eli, and said unto him, Thus saith the Lord, Did I plainly appear unto the house of thy father, when they were in Egypt in Pharaoh' s house? Ary nisy lehilahin' Andriamanitra nankany amin' i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin' ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon' i Farao izy? Ary nisy olon' Andriamanitra anankiray tonga tao amin' i Helì ary nilaza taminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo: Tsy efa niseho mazava tamin' ny ankohonan-drainao va aho, fony izy mbola tany Ejipta tao an-tranon' i Faraona? Un homme de Dieu vint chez Éli et lui dit : " Ainsi parle Yahvé. Voilà donc que je me suis révélé à la maison de ton père quand ils étaient en Égypte, esclaves de la maison de Pharaon.
...............
1Sm / 1Sam 6.6 Wherefore then do ye harden your hearts, as the Egyptians and Pharaoh hardened their hearts? when he had wrought wonderfully among them, did they not let the people go, and they departed? Fa nahoana no manamafy ny fonareo ianareo, toy ny nanamafian' ny Egyptiana sy Farao ny fony? Raha nanao fahagagana namelezany azy Izy, moa tsy nalefany handeha va ny olona, ka dia lasa? Nahoana hianareo no dia hanamafy ny fonareo, toy ny nanamafisan' i Ejipta sy Faraona ny fony? Tsy nalefan' ireo handeha va ny zanak' Israely, nony efa nasiany tamin' ny saziny izy ireo? Pourquoi endurciriez-vous votre coeur comme l' ont endurci les Égyptiens et Pharaon ? Lorsque Dieu les eut malmenés, ne les ont-ils pas laissés partir ?
...............
1Sm / 1Sam 8.8 According to all the works which they have done since the day that I brought them up out of Egypt even unto this day, wherewith they have forsaken me, and served other gods, so do they also unto thee. Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin' ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony aminao. toy ny efa nataony mandrakariva hatramin' ny andro nitondrako azy niakatra avy tany Ejipta ka mandrak' izao, fa nilaozany nanompo andriamani-kafa aho, toy izany koa no anaovany anao. Tout ce qu' ils m' ont fait depuis le jour où je les ai fait monter d'Égypte jusqu'à maintenant - ils m' ont abandonné et ont servi des dieux étrangers -ils te le font aussi.
...............
1Sm / 1Sam 10.18 And said unto the children of Israel, Thus saith the Lord God of Israel, I brought up Israel out of Egypt, and delivered you out of the hand of the Egyptians, and out of the hand of all kingdoms, and of them that oppressed you: ka nanao tamin' ny Zanak' Isiraely hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin' ny tanan' ny Egyptiana sy tamin' ny tanan' ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo. dia hoy izy tamin' ny zanak' Israely: Izao no lazain' ny Tompo Andriamanitr' Israely: Izaho no nampiakatra an' Israely avy any Ejipta; izaho no nanafaka anareo tamin' ny tànan' ny Ejipsiana, sy tamin' ny tànan' ireo fanjakana nampahory anareo. et il dit aux Israélites : " Ainsi parle Yahvé, le Dieu d' Israël : Moi, j' ai fait monter Israël d'Égypte et vous ai délivrés de l' emprise de l'Égypte et de tous les royaumes qui vous opprimaient.
...............
1Sm / 1Sam 12.6 And Samuel said unto the people, It is the Lord that advanced Moses and Aaron, and that brought your fathers up out of the land of Egypt. Ary hoy Samoela tamin' ny olona: Jehovah no nanendry an' i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany amin' ny tany Egypta. Dia hoy Samoela tamin' ny vahoaka: Eny, vavolombelona Iaveh izay nanangana an' i Moizy sy Aarona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany an-tany Ejipta. Alors Samuel dit au peuple : " Il est témoin, Yahvé qui a suscité Moïse et Aaron et qui a fait monter vos pères du pays d'Égypte.
...............
1Sm / 1Sam 12.8 When Jacob was come into Egypt, and your fathers cried unto the Lord, then the Lord sent Moses and Aaron, which brought forth your fathers out of Egypt, and made them dwell in this place. Rehefa tonga tany Egypta Jakoba, ka nitaraina tamin' i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka an' i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta ary namponina azy teto amin' ity tany ity. Taorian' ny nahatongavan' i Jakoba tany Ejipta, dia nitaraina tamin' ny Tompo ny razanareo, ka naniraka an' i Moizy sy Aarona Iaveh, ary izy ireo nitondra ny razanareo hivoaka avy tany Ejipta, sy namponina azy amin' ity tany ity. quand Jacob fut venu en Égypte, les Égyptiens les opprimèrent et vos pères crièrent vers Yahvé. Celui-ci envoya Moïse et Aaron qui firent sortir vos pères d'Égypte, et il les installa en ce lieu.
...............
1Sm / 1Sam 15.2 Thus saith the Lord of hosts, I remember that which Amalek did to Israel, how he laid wait for him in the way, when he came up from Egypt. Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Hovaliako izay nataon' ny Amalekita tamin' ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta. Izao no lazain' ny Tompon' ny tafika: Nodinihiko ny nataon' i Amaleka tamin' Israely dia ny nitsnaganany nisakana azy teny an-dàlana fony izy niakatra avy tany Ejipta. Ainsi parle Yahvé Sabaot : J' ai résolu de punir ce qu' Amaleq a fait à Israël, en lui coupant la route quand il montait d'Égypte.
...............
1Sm / 1Sam 15.6 And Saul said unto the Kenites, Go, depart, get you down from among the Amalekites, lest I destroy you with them: for ye shewed kindness to all the children of Israel, when they came up out of Egypt. So the Kenites departed from among the Amalekites. Ary hoy Saoly tamin' ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin' ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak' Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin' ny Amalekita ny Kenita. Hoy Saola tamin' ny Kineana: Mandehana mihataka hianareo, midina avy eo afovoan' i Amaleka, fandrao voasaroko miarak' aminy koa hianareo, fa soa no nataonareo tamin' ny zanak' Israely rehetra fony izy nivoaka avy tany Ejipta. Dia nihataka niala teo afovoan' i Amaleka ny Kineana. Saül dit aux Qénites : " Partez, séparez-vous des Amalécites, de peur que je ne vous fasse disparaître avec eux, car vous avez été bienveillants à tous les Israélites quand ils montaient d'Égypte. " Et les Qénites se séparèrent des Amalécites.
1Sm / 1Sam 15.7 And Saul smote the Amalekites from Havilah until thou comest to Shur, that is over against Egypt. Ary Saoly namely ny Amalekita hatrany Havila amin' ny lalana mankany Sora izay tandrifin' i Egypta. Noresen' i Saola Amaleka, hatrany Hevilà ka hatrany Sora eo atsinanan' i Ejipta. Saül battit les Amalécites à partir de Havila en direction de Shur, qui est à l' orient de l'Égypte.
...............
1Sm / 1Sam 27.8 And David and his men went up, and invaded the Geshurites, and the Gezrites, and the Amalekites: for those nations were of old the inhabitants of the land, as thou goest to Shur, even unto the land of Egypt. Ary Davida sy ny olony niakatra ka nanafika ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita; fa ireo nonina tamin' ny tany hatrizay ela izay, dia hatrany akaikin' i Sora, hatramin' ny tany Egypta. Niakatra Davida sy ny olony ary nanafika ny Gesoriana sy ny gerziana ary ny Amalesita, fa olona nonina any an-kilan' i Sora ka hatrany amin' ny tany Ejipta izy ireo izany ela izany. David et ses gens partirent en razzia contre les Geshurites, les Girzites et les Amalécites, car telles sont les tribus habitant la région qui va de Télam en direction de Shur et jusqu'à la terre d'Égypte.

  2nd Samuel 2 Samoela Samoela II 2ème Livre de Samuel
...............
2Sm / 2Sam 7.6 Whereas I have not dwelt in any house since the time that I brought up the children of Israel out of Egypt, even to this day, but have walked in a tent and in a tabernacle. Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin' ny nitondrako ny Zanak' Isiraely niakatra avy tany Egypta ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana. Fa mbola tsy nitoetra an-trano aho, hatramin' ny nitondrako ny zanak' Israely nivoaka avy tany Ejipta ka mandrak' androany, fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao. Je n' ai jamais habité de maison depuis le jour où j' ai fait monter d'Égypte les Israélites jusqu' aujourd' hui, mais j'étais en camp volant sous une tente et un abri.
...............
2Sm / 2Sam 7.23 And what one nation in the earth is like thy people, even like Israel, whom God went to redeem for a people to himself, and to make him a name, and to do for you great things and terrible, for thy land, before thy people, which thou redeemedst to thee from Egypt, from the nations and their gods? Ary aiza moa no misy firenena etý an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan' Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an' ny taninao teo anatrehan' ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin' ny firenen' i Egypta sy ny andriamaniny? Aiza izay firenena eto ambonin' ny tany tahaka ny vahoakanao, tahaka an' Israely, fa Andriamanitra no tonga nanavotra azy, mba ho vahoakany, hahalaza ny anarany, hanao zava-dehibe ho anao, ary hanao ireo famantarana ho an' ny taninao, tamin' ny nandroahanao ireo firenena mbamin' ny andriamaniny teo anoloan' ny vahoakanao izay navotanao tamin' i Ejipta. Y a-t-il, comme ton peuple Israël, un autre peuple sur la terre qu' un dieu soit allé racheter pour en faire son peuple, pour le rendre fameux et opérer en sa faveur de grandes et terribles choses en chassant devant son peuple des nations et des dieux ?

  1st Book of Kings 1 Mpanjaka Mpanjaka I 1er Livre des Rois
1Mp 3.1 And Solomon made affinity with Pharaoh king of Egypt, and took Pharaoh' s daughter, and brought her into the city of David, until he had made an end of building his own house, and the house of the Lord, and the wall of Jerusalem round about. Ary Solomona tonga vinanton' i Farao, mpanjakan' i Egypta, fa nanambady ny zanakavavin' i Farao izy ka nitondra azy ho any an-Tanànan' i Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon' i Jehovah ary ny màndan' i Jerosalema manodidina. Nisy fihavanam-panambadiana nampiray an' i Salomona tamin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta, fa nanambady ny zanakavavin' i Faraona izy, dia nitondra azy ho ao an-tanànan' i Davida, mandra-pahatapitra ny fanorenana ny tranony sy ny tranon' ny Tompo ary ny manda manodidina an' i Jerosalema. Salomon devint le gendre de Pharaon, le roi d'Égypte ; il prit pour femme la fille de Pharaon et l' introduisit dans la cité de David, en attendant d' avoir achevé de construire son palais, le Temple de Yahvé et le rempart de Jérusalem.
1Mp 5.1 And Hiram king of Tyre sent his servants unto Solomon; for he had heard that they had anointed him king in the room of his father: for Hiram was ever a lover of David. Ary Solomona nanjaka tamin' ny fanjakana rehetra hatramin' ny Ony sy ny tanin' ny Filistina ka hatramin' ny sisin' i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an' i Solomona tamin' ny andro rehetra niainany. Nanjaka tamin' ny fanjakana rehetra, hatramin' ny ony ka hatramin' ny tanin' ny Filistina sy ny sisin-tanin' i Ejipta Salomona, ary nitondra fanatitra sy nanoa an' i Salomona nandritra ny andro niainany izy ireo. Salomon étendit son pouvoir sur tous les royaumes depuis le Fleuve jusqu' au pays des Philistins et jusqu'à la frontière d' Egypte. Ils apportèrent leur tribut et servirent Salomon toute sa vie.
...............
1Mp 5.10 So Hiram gave Solomon cedar trees and fir trees according to all his desire. Ary ny fahendren' i Solomona nihoatra noho ny fahendren' ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren' ny Egyptiana rehetra. ka nihoatra noho ny fahendren' ny zanaky ny Tatsinanana rehetra sy ny fahendren' i Ejipta rehetra, ny fahendren' i Salomona. La sagesse de Salomon fut plus grande que la sagesse de tous les fils de l' Orient et que toute la sagesse de l'Égypte.
1Mp 6.1 And it came to pass in the four hundred and eightieth year after the children of Israel were come out of the land of Egypt, in the fourth year of Solomon' s reign over Israel, in the month Zif, which is the second month, that he began to build the house of the Lord. Ary tamin' ny taona fahavalo-polo amby efa-jato taorian' ny nialan' ny Zanak' Isiraely tamin' ny tany Egypta tamin' ny volana Ziva (volana faharoa izany), tamin' ny taona fahefatra nanjakan' i Solomona tamin' ny Isiraely, dia nanorina ny tranon' i Jehovah izy. Tamin' ny taona fahavalo-polo amby efa-jato, taorian' ny nivoahan' ny zanak' Israely tany amin' ny tany Ejipta, tamin' ny taona fahefatra nanjakan' i Salomona tamin' Israely, tamin' ny volana ziva, izay volana faharoa, no nanorina ny tranon' ny Tompo izy. En la quatre cent quatre-vingtième année après la sortie des Israélites du pays d'Égypte, en la quatrième année du règne de Salomon sur Israël, au mois de Ziv qui est le second mois, il bâtit le Temple de Yahvé.
...............
1Mp 8.9 There was nothing in the ark save the two tables of stone, which Moses put there at Horeb, when the Lord made a covenant with the children of Israel, when they came out of the land of Egypt. Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin' ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa, izay nataon' i Mosesy tao anatiny tany Horeba, fony Jehovah nanao fanekena tamin' ny Zanak' Isiraely tamin' ny nivoahany avy tany amin' ny tany Egypta. Tao anatin' ny fiara tsy nisy afa-tsy ny takela-bato roa, napetrak' i Moizy tao, tany an-tendrombohitra Horeba, fony Iaveh nanao fanekena tamin' ny zanak' Israely, tamin' ny nivoahany avy tany amin' ny tany Ejipta. Il n' y avait rien dans l' arche, sauf les deux tables de pierre que Moïse y déposa à l' Horeb, les tables de l' alliance que Yahvé avait conclue avec les Israélites à leur sortie de la terre d'Égypte ;
...............
1Mp 8.16 Since the day that I brought forth my people Israel out of Egypt, I chose no city out of all the tribes of Israel to build an house, that my name might be therein; but I chose David to be over my people Israel. Hatramin' ny andro nitondrako ny Isiraely oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin' ny firenen' Isiraely rehetra hanaovana trano hitoeran' ny anarako; fa nifidy an' i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko. Hatramin' ny andro nitondrako an' Israely vahoakako nivoaka avy tany Ejipta dia tsy nifidy tan1ana teo amin' ny fokon' Israely rehetra aho, hanaovan-trano hitoeran' ny anarako, fa efa nifidy an' i Davida hanjaka amin' Israely vahoakako aho. "Depuis le jour où j' ai fait sortir d'Égypte mon peuple Israël, je n' ai pas choisi de ville, dans toutes les tribus d' Israël, pour qu' on y bâtit une maison où serait mon Nom, mais j' ai choisi David pour qu' il commandât à mon peuple Israël. "
...............
1Mp 8.21 And I have set there a place for the ark, wherein is the covenant of the Lord, which he made with our fathers, when he brought them out of the land of Egypt. Ary nasiako fitoerana teo ho an' ny fiara izay itoeran' ny faneken' i Jehovah, ilay nataony tamin' ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Egypta. Nasiako fitoerana teo, ho an' ny fiara misy ny faneken' ny Tompo izay nataony tamin' ny razantsika, fony izy nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Ejipta. et j' y ai fixé un emplacement pour l' arche, où est l' alliance que Yahvé a conclue avec nos pères lorsqu' il les fit sortir du pays d'Égypte. "
...............
1Mp 8.51 For they be thy people, and thine inheritance, which thou broughtest forth out of Egypt, from the midst of the furnace of iron: fa olonao sy lovanao izy, izay nentinao nivoaka avy tany Egypta, dia avy tao amin' ny memy fandrendreham-by, fa vahoakanao sy lovanao izy ireo izay nentinao nivoaka avy tany Ejipta tany amin' ny memy vy, car ils sont ton peuple et ton héritage, ceux que tu as fait sortir d'Égypte, cette fournaise pour le fer.
...............
1Mp 8.53 For thou didst separate them from among all the people of the earth, to be thine inheritance, as thou spakest by the hand of Moses thy servant, when thou broughtest our fathers out of Egypt, O Lord God. Fa Hianao, Jehovah, Tompo ô no nanavaka azy tamin' ny firenena rehetra ambonin' ny tany ho lovanao, araka izay nampilazainao an' i Mosesy mpanomponao tamin' ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Egypta. Fa navahanao tamin' ny vahoaka rehetra eto an-tany izy mba ho anao, mba ho lovanao, araka ny voalazanao tamin' i Moizy mpanomponao, fony hianao nitondra ny razanay nivoaka avy tany Ejipta, ry Iaveh Tompo ô! Car c' est toi qui les as mis à part comme ton héritage, parmi tous les peuples de la terre, ainsi que tu l' as déclaré par le ministère de ton serviteur Moïse, quand tu as fait sortir nos pères d'Égypte, Seigneur Yahvé ! "
...............
1Mp 8.65 And at that time Solomon held a feast, and all Israel with him, a great congregation, from the entering in of Hamath unto the river of Egypt, before the Lord our God, seven days and seven days, even fourteen days. Ary tamin' izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin' i Hamata ka hatramin' ny lohasahan-driak' i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan' i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin' ny folo andro. Tamin' izany andro izany, Salomona sy Israely rehetra niaraka taminy, dia olona zavon-tany avy hatrany amin' ny vava lalan' i Emata, ka hatrany amin' ny ranon-driakan' i Ejipta, dia nankalaza ny fety teo anatrehan' ny Tompo Andriamanitsika nandritra ny fito andro, ary fito andro koa indray, dia efatra ambin' ny folo andro. En ce temps-là, Salomon célébra la fête, et tous les Israélites avec lui, un grand rassemblement depuis l' Entrée de Hamat jusqu' au Torrent d'Égypte, devant Yahvé notre Dieu, pendant sept jours.
...............
1Mp 9.9 And they shall answer, Because they forsook the Lord their God, who brought forth their fathers out of the land of Egypt, and have taken hold upon other gods, and have worshipped them, and served them: therefore hath the Lord brought upon them all this evil. Ary hisy hamaly hoe: Satria ny olona nahafoy an' i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra ny razany nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, ary nikikitra tamin' andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehany ka nanompo azy, dia izany no nampidiran' i Jehovah izao loza rehetra izao taminy. Ary ny olona hamaly hanao hoe: Satria izy ireo nandao an' ny Tompo Andriamaniny, izay namoaka ny razany avy tany amin' ny tany Ejipta, ka andriamani-kafa no nifikirany sy niankohofany teo anatrehany ary notompoiny, ka izany no nampidiran' ny Tompo izao loza rehetra izao tamin' izy ireo. et l' on répondra : "Parce qu' ils ont abandonné Yahvé leur Dieu qui avait fait sortir leurs pères du pays d'Égypte, qu' ils se sont attachés à d' autres dieux et qu' ils leur ont rendu hommage et culte, voilà pourquoi Yahvé leur a envoyé tous ces maux". "
...............
1Mp 9.16 For Pharaoh king of Egypt had gone up, and taken Gezer, and burnt it with fire, and slain the Canaanites that dwelt in the city, and given it for a present unto his daughter, Solomon' s wife. (fa Farao, mpanjakan' i Egypta, efa niakatra, dia nahafaka an' i Gazera ka nandoro azy tamin' ny afo; ary ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny, ary ny tanàna dia nomeny ho haren-jazavavy ho an' ny zananivavy, vadin' i Solomona), Faraona mpanjakan' i Ejipta, dia efa niakatra ka nahafaka an' i Gazera, dia nodorany ny tanàna, novonoiny ny Kananeana nonina tao an-tanàna, dia nomeny ho haren-jazavavy izy, ho an' ilay zanany vadin' i Salomona. Pharaon, le roi d'Égypte, fit une expédition, prit Gézèr, l' incendia et massacra les Cananéens qui y habitaient, puis il donna la ville en cadeau de noces à sa fille, la femme de Salomon,
...............
1Mp 10.28 And Solomon had horses brought out of Egypt, and linen yarn: the king' s merchants received the linen yarn at a price. Ary avy any Egypta no nahazoan' i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin' ny mpandranton' ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry. Avy tany Ejipta no nihavian' ny soavalin' i Salomona: antokony iray tamin' ny mpandranton' ny mpanjaka no nandeha naka azy amin' ny andiany, araka ny vidiny efa nifanekena. Les chevaux de Salomon venaient de Muçur et de Cilicie ; les courtiers du roi les importaient de Cilicie à prix d' argent.
1Mp 10.29 And a chariot came up and went out of Egypt for six hundred shekels of silver, and an horse for an hundred and fifty: and so for all the kings of the Hittites, and for the kings of Syria, did they bring them out by their means. Ary ny vidin' ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an' ny mpanjakan' ny Hetita sy ny mpanjakan' ny Syriana. Ka volafotsy enin-jato sikla no vidin' ny kalesy iray nenti-niakatra avy any Ejipta; ary dimam-polo amby zato avy kosa ny soavaly. Ary nisy nentiny nivoaka avy ao tahaka izany koa amin' ny anaran' ny tenany, ho an' ny mpanjakan' ny Heteana rehetra, sy ho an' ny mpanjakan' i Siria. Un char était livré d'Égypte pour six cents sicles d' argent ; un cheval en valait cent cinquante. Il en était de même pour les rois des Hittites et les rois d' Aram qui les importaient par leur entremise.
...............
1Mp 11.17 That Hadad fled, he and certain Edomites of his father' s servants with him, to go into Egypt; Hadad being yet a little child. dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin' izay. Tamin' izany Adada niara-nandositra tamin' ny Edomita sasany, izay isan' ny mpanompon-drainy, mba ho any Ejipta. Mbola zazalahy tanora Adada fahizay. Hadad s'était enfui en Égypte avec des Édomites au service de son père. Hadad était alors un jeune garçon.
1Mp 11.18 And they arose out of Midian, and came to Paran: and they took men with them out of Paran, and they came to Egypt, unto Pharaoh king of Egypt; which gave him an house, and appointed him victuals, and gave him land. Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa. Nony niala tany Madiana izy, dia nankany Farana, ary naka olona avy tao Farana hiaraka aminy izy ireo, dia tonga tany Ejipta ao amin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta, ka nomen' izy io trano Adada, namononany fivelomana, sady notolorany tany. Ils partirent de Madiân et arrivèrent à Parân ; ils prirent avec eux des hommes de Parân et allèrent en Égypte auprès de Pharaon, roi d'Égypte, qui lui donna une maison, assura son entretien et lui assigna une terre.
...............
1Mp 11.21 And when Hadad heard in Egypt that David slept with his fathers, and that Joab the captain of the host was dead, Hadad said to Pharaoh, Let me depart, that I may go to mine own country. Ary rehefa ren' i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin' ny razany, sady maty koa Joaba, komandin' ny miaramila, dia hoy izy tamin' i Farao: Alefaso aho hody any amin' ny tanin-drazako. Nony ren' i Adada, tany Ejipta, fa hoe nodimandry any amin' ny razany Davida, ary maty koa Joaba filohan' ny tafika, dia hoy izy tamin' i Faraona: Avelao aho hody any amin' ny taniko. Quand Hadad apprit, en Égypte, que David s'était couché avec ses pères et que Joab, chef de l' armée, était mort, il dit à Pharaon : " Laisse-moi partir, que j' aille dans mon pays. "
...............
1Mp 11.40 Solomon sought therefore to kill Jeroboam. And Jeroboam arose, and fled into Egypt, unto Shishak king of Egypt, and was in Egypt until the death of Solomon. Ary Solomona nitady hamono an' i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin' i Sisaka, mpanjakan' i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin' i Solomona. Notadiavin' i Salomona hovonoina Jeroboama; fa nitsoaka nandositra nankany Ejipta amin' i Sesaka, mpanjakan' i Ejipta, Jeroboama ka nonina tany Ejipta mandra-pahafatin' i Salomona. Salomon chercha à faire mourir Jéroboam ; celui-ci partit et s' enfuit en Égypte auprès de Sheshonq, roi d'Égypte, et il demeura en Égypte jusqu'à la mort de Salomon.
...............
1Mp 12.2 And it came to pass, when Jeroboam the son of Nebat, who was yet in Egypt, heard of it, (for he was fled from the presence of king Solomon, and Jeroboam dwelt in Egypt;) Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak' i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, izay nalehany tamin' izy nandositra niala teo anatrehan' i Solomona mpanjaka; Nony nandre izany Jeroboama zanak' i Nabata, izay mbola tany Ejipta, fa tany no nandosirany lavitra an' i Salomona mpanjaka, ka nitoetra tany Ejipta Jeroboama, Dès que Jéroboam, fils de Nebat, fut informé - il était encore en Égypte, où il avait fui le roi Salomon -, il revint d'Égypte.
...............
1Mp 12.20 And it came to pass, when all Israel heard that Jeroboam was come again, that they sent and called him unto the congregation, and made him king over all Israel: there was none that followed the house of David, but the tribe of Judah only. Ary rehefa ren' ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin' ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin' ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak' i Davida afa-tsy ny firenen' i Joda ihany. Nony ren' Israely rehetra fa hoe tafaverina avy any Ejipta Jeroboama, dia naniraka olona hiantso azy ho eo amin' ny fivoriana izy, ka nampanjakainy tamin' Israely rehetra, ka tsy nisy nanaraka ny tranon' i Davida afatsy ny fokon' i Jodà irery ihany. Lorsque tout Israël apprit que Jéroboam était revenu, ils l' appelèrent à l' assemblée et ils le firent roi sur tout Israël ; il n' y eut pour se rallier à la maison de David que la seule tribu de Juda.
...............
1Mp 12.28 Whereupon the king took counsel, and made two calves of gold, and said unto them, It is too much for you to go up to Jerusalem: behold thy gods, O Israel, which brought thee up out of the land of Egypt. Dia nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin' ny olona: "Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô" indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta. Dia nandinidinika ny mpanjaka, ka nanao zanak' omby volamena roa ary nilaza tamin' ny vahoaka hoe: Efa ela niakarana tany Jerosalema hianareo, ry Israely, ity no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin' ny tany Ejipta. Après avoir délibéré, il fit deux veaux d' or et dit au peuple : " Assez longtemps vous êtes montés à Jérusalem ! Israël, voici ton Dieu qui t' a fait monter du pays d'Égypte. "
...............
1Mp 14.25 And it came to pass in the fifth year of king Rehoboam, that Shishak king of Egypt came up against Jerusalem: Ary tamin' ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan' i Egypta, hamely an' i Jerosalema; Tamin' ny taona fahadimin' ny nanjakan-dRoboama, dia niakatra namely an' i Jerosalema Sesaka, mpanjakan' i Ejipta. La cinquième année du roi Roboam, le roi d'Égypte, Sheshonq, marcha contre Jérusalem.

  2nd Book of Kings 2 Mpanjaka Mpanjaka II 2ème Livre des Rois
...............
2Mp 17.4 And the king of Assyria found conspiracy in Hoshea: for he had sent messengers to So king of Egypt, and brought no present to the king of Assyria, as he had done year by year: therefore the king of Assyria shut him up, and bound him in prison. Ary ny mpanjakan' i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin' i So, mpanjakan' i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an' ny mpanjakan' i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan' i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina. Vaky tamin' ny mpanjakan' i Asiria ho nanao teti-dratsy anefa Osea fa naniraka olona tany amin' i Soa, mpanjakan' i Ejipta, sady tsy nandoa hetra intsony ho an' ny mpanjakan' i Asiria, isan-taona, ka nasain' ny mpanjakan' i Asiria nosamborina sy nogadraina, dia nalatsaka an-tranomaizina. Mais le roi d' Assyrie découvrit qu' Osée le trahissait celui-ci avait envoyé des messagers à Saïs, vers le roi d' Egypte, et il n' avait pas livré le tribut au roi d' Assyrie, comme chaque année. Alors le roi d' Assyrie le fit mettre en prison, chargé de chaînes.
...............
2Mp 17.7 For so it was, that the children of Israel had sinned against the Lord their God, which had brought them up out of the land of Egypt, from under the hand of Pharaoh king of Egypt, and had feared other gods, Ary ny nahatongavan' izany dia noho ny nanotan' ny Zanak' Isiraely tamin' i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta ho afaka tamin' ny tànan' i Farao, mpanjakan' i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy Izany no tonga, dia noho ny zanak' Israely nanota tamin' ny Tompo Andriamaniny, izay nitondra azy niakatra avy tany amin' ny tany Ejipta, avy teo ambanin' ny fahefan' i Faraona, mpanjakan' i Ejipta, sy noho izy ireo natahotra andriamani-kafa. Cela arriva parce que les Israélites avaient péché contre Yahvé leur Dieu, qui les avait fait monter du pays d' Egypte, les soustrayant à l' emprise de Pharaon, roi d' Egypte. Ils adorèrent d' autres dieux,
...............
2Mp 17.36 But the Lord, who brought you up out of the land of Egypt with great power and a stretched out arm, him shall ye fear, and him shall ye worship, and to him shall ye do sacrifice. Fa Jehovah, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta tamin' ny hery lehibe sy ny sandry nahinjitra, dia aoka Izy ihany no hatahoranareo, ary ho eo anatrehany no hiankohofanareo, ary ho Azy no hamonoanareo zavatra hatao fanatitra; Fa Iaveh Andriamanitrareo izay nitondra anareo niakatra avy any amin' ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe sy tamin-tsandry nahinjitra, izy no atahory, eo anatrehany no iankohofy, ary izy no anatero sorona. C' est seulement à Yahvé, qui vous a fait monter du pays d' Egypte par la grande puissance de son bras étendu, qu' iront votre révérence, votre adoration et vos sacrifices.
...............
2Mp 18.21 Now, behold, thou trustest upon the staff of this bruised reed, even upon Egypt, on which if a man lean, it will go into his hand, and pierce it: so is Pharaoh king of Egypt unto all that trust on him. Fa, indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan' olona iny, dia manindrona ny tànany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan' i Egypta, amin' izay rehetra matoky azy. Indro fa volotara vaky no itokianao ankehitriny, dia i Ejipta, ka izay mitehina aminy voatsindrony sy voatrobany avokoa, fa izany tokoa Faraona mpanjakan' i Ejipta ho an' izay rehetra matoky azy. Voici que tu te fies au soutien de ce roseau brisé, l' Egypte, qui pénètre et perce la main de qui s' appuie sur lui. Tel est Pharaon, roi d' Egypte, pour tous ceux qui se fient en lui.
...............
2Mp 18.24 How then wilt thou turn away the face of one captain of the least of my master' s servants, and put thy trust on Egypt for chariots and for horsemen? Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin' ny mpanompon' ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an' i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly. Fa noho ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaly no itokianao an' i Ejipta. Comment ferais-tu reculer un seul des moindres serviteurs de mon maître? Mais tu t' es fié à l' Egypte pour avoir chars et cavaliers!
...............
2Mp 19.24 I have digged and drunk strange waters, and with the sole of my feet have I dried up all the rivers of besieged places. Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho, ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin' ny lahin-drano rehetra any Egypta. Nihady aho, dia nisotro ranom-pirenena hafa; ary ny faladiako dia handritako ny onin' i Ejipta rehetra. Moi, j' ai creusé et j' ai bu des eaux étrangères, j' ai asséché sous la plante de mes pieds tous les fleuves d' Egypte.
...............
2Mp 21.15 Because they have done that which was evil in my sight, and have provoked me to anger, since the day their fathers came forth out of Egypt, even unto this day. satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin' ny andro nivoahan' ny razany avy any Egypta ka mandraka androany. satria nanao izay ratsy eo imasoko izy, ka nampahatezitra ahy, hatramin' ny andro nivoahan' ny razany tany Ejipta ka mandrak' ankehitriny. parce qu' ils ont fait ce qui me déplaît et qu' ils ont provoqué ma colère, depuis le jour où leurs pères sont sortis d' Egypte jusqu'à ce jour-ci."
...............
2Mp 23.29 In his days Pharaohnechoh king of Egypt went up against the king of Assyria to the river Euphrates: and king Josiah went against him; and he slew him at Megiddo, when he had seen him. Tamin' ny andro nanjakan' i Josia no niakaran' i Farao-neko, mpanjakan' i Egypta, hankany amoron' ny ony Eofrata hiady amin' ny mpanjakan' i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin' i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy. Tamin' ny androny, niakatra hamely ny mpanjakan' i Asiria any amin' ny ony Elfrata, Faraona-Nekao mpanjakan' i Ejipta, ary nandeha hanehatra azy Josiasa mpanjaka. Kanjo vao hitan' i Faraona izy dia matiny tao Magedao. De son temps, le Pharaon Neko, roi d' Egypte, monta vers le roi d' Assyrie, sur le fleuve de l' Euphrate. Le roi Josias se porta au-devant de lui mais Neko le fit périr à Megiddo, à la première rencontre.
...............
2Mp 23.34 And Pharaohnechoh made Eliakim the son of Josiah king in the room of Josiah his father, and turned his name to Jehoiakim, and took Jehoahaz away: and he came to Egypt, and died there. Ary Farao-neko nanendry an' i Eliakima, zanak' i Josia, ho mpanjaka hisolo an' i Josia rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany. Eliasima zanak' i Josiasa no natsangan' i Faraona Nekao ho mpanjaka, hisolo an' i Josiasa rainy, ary novany hoe Joakima ny anarany. Fa Joakaza izay nosamboriny kosa dia nankany Ejipta ka maty tany. Le Pharaon Neko établit comme roi Elyaqim, fils de Josias, à la place de son père Josias, et il changea son nom en celui de Joiaqim. Quant à Joachaz, il le prit et l' emmena en Egypte, où il mourut.
...............
2Mp 24.7 And the king of Egypt came not again any more out of his land: for the king of Babylon had taken from the river of Egypt unto the river Euphrates all that pertained to the king of Egypt. Ary ny mpanjakan' i Egypta tsy nivoaka avy tany amin' ny taniny intsony; fa lasan' ny mpanjakan' i Babylona izay rehetra an' ny mpanjakan' i Egypta hatramin' ny lohasahan-driak' i Egypta ka hatramin' ny ony Eofrata. Tsy nivoaka avy tany amin' ny taniny intsony ny mpanjakan' i Ejipta, fa lasan' ny mpanjakan' i Babilona avokoa izay an' ny mpanjakan' i Ejipta, hatramin' ny ranon-driakan' i Ejipta, ka hatramin' ny ony Eofrata. Le roi d' Egypte ne sortit plus de son pays, car le roi de Babylone avait conquis, depuis le Torrent d' Egypte jusqu' au fleuve de l' Euphrate, tout ce qui appartenait au roi d' Egypte.
...............
2Mp 25.26 And all the people, both small and great, and the captains of the armies, arose, and came to Egypt: for they were afraid of the Chaldees. Ary niainga ny olona rehetra, na kely na lehibe, mbamin' ny komandin' ny miaramila, nankany Egypta, fa natahotra ny Kaldeana izy. Ka ny vahoaka rehetra, hatramin' ny kely indrindra ka hatramin' ny lehibe indrindra, mbamin' ireo lehiben' ny isan-toko-miaramila, dia niainga ka lasa nitsoaka nankany Ejipta fa natahotra ny Kaldeana. Alors tout le peuple, du plus petit au plus grand, et les chefs des troupes partirent et allèrent en Egypte, parce qu' ils eurent peur des Chaldéens.

  1st Book of Chronicles 1 Tantara Tantara I 1er Livre des Chroniques
...............
1Tt / 1Tan 13.5 So David gathered all Israel together, from Shihor of Egypt even unto the entering of Hemath, to bring the ark of God from Kirjathjearim. Dia novorin' i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin' i Hamata haka ny fiaran' Andriamanitra avy any Kiriata-jearima. Koa novorin' i Davida Israely rehetra, hatramin' ny Sihora any Ejipta, ka hatrany amin' ny hadilàlan' i Emata, haka ny fiaran' Andriamanitra avy any Kariatiarima. David rassembla tout Israël, depuis le Shihor d'Égypte jusqu'à l' Entrée de Hamat, pour ramener de Qiryat-Yéarim l' arche de Dieu.
...............
1Tt / 1Tan 17.5 For I have not dwelt in an house since the day that I brought up Israel unto this day; but have gone from tent to tent, and from one tabernacle to another. fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin' ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana. Fa tsy mbola nitoetra an-trano aho, hatramin' ny andro nampiakarako an' Israely avy any Ejipta, ka mandraka androany, fa lay sy fonenana no nifindrafindrako. Non, je n' ai jamais habité de maison depuis le jour où j' ai fait monter Israël jusqu' aujourd' hui, mais j' allais de tente en tente et d' abri en abri.
...............
1Tt / 1Tan 17.21 And what one nation in the earth is like thy people Israel, whom God went to redeem to be his own people, to make thee a name of greatness and terribleness, by driving out nations from before thy people whom thou hast redeemed out of Egypt? Ary aiza moa no misy firenena etý an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan' Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin' ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan' ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta? Aiza eto ambonin' ny tany izay firenena hafa, manahaka an' Israely vahoakanao, izay nahatongavan' Andriamanitra hanavotany azy, mba ho vahoakany, hahazoanao anarana amin' ny fahagagana aman' asa lehibe, dia ny nandroahanao firenena teo anoloan' ny vahoakanao, izay navotanao tamin' i Ejipta. Y a-t-il, comme ton peuple Israël, un autre peuple sur la terre qu' un Dieu soit allé racheter pour en faire son peuple, pour le rendre fameux et opérer en sa faveur de grandes et terribles choses, en chassant des nations devant ton peuple que tu as racheté d'Égypte ?

  2nd Book of Chronicles 2 Tantara Tantara II 2ème Livre des Chroniques
...............
2Tt / 2Tan 1.16 And Solomon had horses brought out of Egypt, and linen yarn: the king' s merchants received the linen yarn at a price. Avy tany Egypta no nahazoan' i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin' ny mpandranton' ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry. Avy any Ejipta no nihavian' ny soavalin' i Salomona, antokony iray tamin' ny mpandranton' ny mpanjaka no nandeha naka azy amin' andiany, araka ny vidiny efa nifanekena: Les chevaux de Salomon étaient importés de Muçur et de Cilicie; les courtiers du roi en prenaient livraison en Cilicie à prix d' argent.
2Tt / 2Tan 1.17 And they fetched up, and brought forth out of Egypt a chariot for six hundred shekels of silver, and an horse for an hundred and fifty: and so brought they out horses for all the kings of the Hittites, and for the kings of Syria, by their means. Ary ny vidin' ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an' ny mpanjakan' ny Hetita sy ny mpanjakan' ny Syriana. Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an' ny anaran' i Jehovah sy lapa ho an' ny tenany. volafotsy enin-jato sikla no fahazoana mampakatra sy mamoaka kalesy iray avy tany Ejipta, ary dimampolo amby zato sikla no fahazoana soavaly iray. Fa torak' izany ihany koa no nitondran' izy ireo ho an' ny mpanjakan' ny Heteana rehetra sy ny mpanjakan' i Siria. Ils s' en allaient aussi importer d'Égypte des chars à six cents sicles l' unité; un cheval en valait cent cinquante; il en était de même pour tous les rois des Hittites et les rois d' Aram qui les importaient par leur entremise.
...............
2Tt / 2Tan 5.10 There was nothing in the ark save the two tables which Moses put therein at Horeb, when the Lord made a covenant with the children of Israel, when they came out of Egypt. Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin' ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon' i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin' i Jehovah nanao fanekena tamin' ny Zanak' isiraely, tamin' ny nivoahany avy tany Egypta. Tao anatin' ny fiara, dia tsy nisy afatsy ny takelaka roa napetrak' i Moizy tao, tany Horeba, fony Iaveh nanao fanekena tamin' ny Zanak' Israely, tamin' ny nivoahany avy tany Ejipta. Il n' y avait rien dans l' arche, sauf les deux tables que Moïse y déposa à l' Horeb, lorsque Yahvé avait conclu une alliance avec les Israélites à leur sortie d'Égypte.
...............
2Tt / 2Tan 6.5 Since the day that I brought forth my people out of the land of Egypt I chose no city among all the tribes of Israel to build an house in, that my name might be there; neither chose I any man to be a ruler over my people Israel: Hatramin' ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin' ny firenen' isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran' ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin' ny firenen' isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran' ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; Hatramin' ny andro namoahako ny vahoakako tany amin' ny tany Ejipta, tsy nisy tanàna nofidiko, teo amin' ny fokon' Israely rehetra, hanaovan-trano hitoeran' ny anarako, ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka an' Israely vahoakako; "Depuis le jour où j' ai fait sortir mon peuple du pays d'Égypte, je n' ai pas choisi de ville, dans toutes les tribus d' Israël, pour qu' on y bâtit une maison où serait mon Nom, ni choisi d' homme pour qu' il fût chef de mon peuple Israël.
...............
2Tt / 2Tan 7.8 Also at the same time Solomon kept the feast seven days, and all Israel with him, a very great congregation, from the entering in of Hamath unto the river of Egypt. Ary tamin' izany andro izany Solomona ny Isiraely rehetra izay teo aminy, dia nangonana lehibe hatrany akaikin' i Hamata ka hatramin' ny lohasahan-driak' i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana. Hafitoana no nankalazan' i Salomona ny fety tamin' izany, dia izy mbamin' Israely rehetra, vahoaka zavon-tany hatrany amin' ny hadilàlan' i Emata ka hatrany amin' ny ranon-driakan' i Ejipta. En ce temps-là, Salomon célébra la fête pendant sept jours et tous les Israélites avec lui, un très grand rassemblement depuis l' Entrée de Hamat jusqu' au Torrent d'Égypte.
...............
2Tt / 2Tan 7.22 And it shall be answered, Because they forsook the Lord God of their fathers, which brought them forth out of the land of Egypt, and laid hold on other gods, and worshipped them, and served them: therefore hath he brought all this evil upon them. Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an' i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta izy ka nikikitra tamin' andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy. Dia hamaly ny olona hanao hoe: Satria izy ireo nahafoy an' ny Tompo Andriamanitry ny razany izay namoaka azy tany amin' ny tany Ejipta, ary nifikitra tamin' andriamani-kafa, niankohoka teo anatrehan' ireny, ary nanompo ireny, ka izany no nampianjerany an' izao loza rehetra izao taminy. Et l' on répondra : "Parce qu' ils ont abandonné Yahvé, le Dieu de leurs pères, qui les avait fait sortir du pays d'Égypte, qu' ils se sont attachés à d' autres dieux et qu' ils leur ont rendu hommage et culte, voilà pourquoi il leur a envoyé tous ces maux". "
...............
2Tt / 2Tan 9.26 And he reigned over all the kings from the river even unto the land of the Philistines, and to the border of Egypt. Ary nanjaka tamin' ny mpanjaka rehetra hatramin' ny Ony ka hatramin' ny tanin' ny Filistina ary hatramin' ny sisin' i Egypta izy. Nanjaka tamin' ny mpanjaka rehetra izy, hatramin' ny Ony ka hatramin' ny Filistina ary hatrany amin' ny sisin-tanin' i Ejipta. Il étendit son pouvoir sur tous les rois depuis le Fleuve jusqu' au pays des Philistins et jusqu'à la frontière d'Égypte.
...............
2Tt / 2Tan 9.28 And they brought unto Solomon horses out of Egypt, and out of all lands. Ary nangalana soavaly avy tany Egypta sy tany amin' ny tany rehetra koa Solomona. Ny tany Ejipta sy ny tany rehetra, dia samy nangalan-tsoavaly ho an' i Salomona avokoa. On importait pour Salomon des chevaux de Muçur et de tous les pays.
...............
2Tt / 2Tan 10.2 And it came to pass, when Jeroboam the son of Nebat, who was in Egypt, whither he fled from the presence of Solomon the king, heard it, that Jeroboam returned out of Egypt. Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak' i Nebata, izay efa nandositra nankany Egypta niala teo anatrehan' i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Egypta izy. Nony nandre izany Jeroboama zanak' i Nabata, izay mbola tany Ejipta, fa tany no nandosirany an' i Salomona mpanjaka, Dès que Jéroboam fils de Nebat en fut informé - il était en Égypte, où il avait fui le roi Salomon - il revint d'Égypte.
2Tt / 2Tan 10.3 And they sent and called him. So Jeroboam and all Israel came and spake to Rehoboam, saying, Ary naniraka naka azy ny olona. Dia tonga Jeroboama sy ny Isiraely rehetra ka niteny tamin-dRehoboama hoe: dia niverina avy any Ejipta izy ka nampanalain' ny olona. Tamin' izay, dia nanatona Jeroboama sy Israely rehetra ka niteny tamin-dRoboama nanao hoe: On le fit appeler et il vint avec tout Israël. Ils parlèrent ainsi à Roboam :
...............
2Tt / 2Tan 12.2 And it came to pass, that in the fifth year of king Rehoboam Shishak king of Egypt came up against Jerusalem, because they had transgressed against the Lord, Ary tamin' ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan' i Egypta, hamely an' i Jerosalema, fa nivadika tamin' i Jehovah ny mponina tany, Tamin' ny taona fahadimy nanjakan-dRoboama, dia niakatra Sesàka mpanjakan' i Ejipta hamely an' i Jerosalema noho izy ireo nanota tamin' ny Tompo. La cinquième année du règne de Roboam, le roi d'Égypte, Sheshonq, marcha contre Jérusalem, car elle avait été infidèle à Yahvé.
2Tt / 2Tan 12.3 With twelve hundred chariots, and threescore thousand horsemen: and the people were without number that came with him out of Egypt; the Lubims, the Sukkiims, and the Ethiopians. ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana. Nitondra kalesy roan-jato amby arivo, mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy tambo isaina ny vahoaka momba azy avy any Ejipta, dia ny Libiana, ny Sokiana, ny Etiopiana. Avec mille deux cents chars, soixante mille chevaux et une innombrable armée de Libyens, de Sukkiens et de Kushites, qui vint avec lui d'Égypte,
...............
2Tt / 2Tan 12.9 So Shishak king of Egypt came up against Jerusalem, and took away the treasures of the house of the Lord, and the treasures of the king' s house; he took all: he carried away also the shields of gold which Solomon had made. Dia niakatra Sisaka, mpanjakan' i Egypta, hamely an' i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny tranon' i Jehovah sy ny rakitry ny tranon' ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon' i Solomona. Dia niakatra namely an' i Jerosalema Sesàka mpanjakan' i Ejipta, ka namabo ny rakitry ny tranon' ny Tompo sy ny rakitry ny tranon' ny mpanjaka, nataony mafafa. Nobaboiny ireo ampinga volamena nataon' i Salomona. Le roi d'Égypte Sheshonq marcha contre Jérusalem. Il se fit livrer les trésors du Temple de Yahvé et ceux du palais royal, absolument tout, jusqu' aux boucliers d' or qu' avait faits Salomon;
...............
2Tt / 2Tan 20.10 And now, behold, the children of Ammon and Moab and mount Seir, whom thou wouldest not let Israel invade, when they came out of the land of Egypt, but they turned from them, and destroyed them not; Koa indreo ny taranak' i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra, Seira, dia ilay tsy navelanao hotafihin' ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy; Ankehitriny, indreo ny taranak' i Amòna sy Moaba mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tsy navelanao hidiran' Israely fony izy avy any amin' ny tany Ejipta, ka nivily izy, fa tsy nandrava azy. Vois à cette heure les Ammonites, Moab et les montagnards de Séïr; tu n' as pas laissé Israël les envahir lorsqu' il venait du pays d'Égypte, il s' est au contraire écarté d' eux sans les détruire;
...............
2Tt / 2Tan 26.8 And the Ammonites gave gifts to Uzziah: and his name spread abroad even to the entering in of Egypt; for he strengthened himself exceedingly. Ary ny Amonita nandoa hetra ho an' i Ozia; dia niely ny lazany hatrany akaikin' i Egypta, fa tonga mahery indrindra izy. Nitondra fanatitra ho an' i Oziasa ny Amonita, ary niely hatrany akaikin' i Ejipta ny lazany, fa tonga nahery indrindra izy. Les Ammonites payèrent tribut à Ozias. Sa renommée s'étendit jusqu' au seuil de l'Égypte, car il était devenu extrêmement puissant.
...............
2Tt / 2Tan 35.20 After all this, when Josiah had prepared the temple, Necho king of Egypt came up to fight against Charchemish by Euphrates: and Josiah went out against him. Ary rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin' i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko, mpanjakan' i Egypta, hiady tany Karkemisy eo amoron' i Eofrata; ary Josia nivoaka hiady aminy. Tatý aorian' izany rehetra izany, rahefa voamboatran' i Josiasa ny tranon' ny Tompo, dia niakatra hiady ao Karikamisa amoron' i Eofrata, Nekao mpanjakan' i Ejipta: Ka dia nivoaka hitsena azy Josiasa. Après tout ce que fit Josias pour remettre en ordre le Temple, Neko, roi d'Égypte, monta combattre à Karkémish sur l' Euphrate. Josias s'étant porté à sa rencontre,
...............
2Tt / 2Tan 36.3 And the king of Egypt put him down at Jerusalem, and condemned the land in an hundred talents of silver and a talent of gold. Ary nesorin' ny mpanjakan' i Egypta tany Jerosalema izy, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana. Naongan' ny mpanjakan' i Ejipta tao Jerosalema izy, sady nampandoaviny vola talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny tany. Le roi d'Égypte l' enleva de Jérusalem et imposa au pays une contribution de cent talents d' argent et d' un talent d' or.
2Tt / 2Tan 36.4 And the king of Egypt made Eliakim his brother king over Judah and Jerusalem, and turned his name to Jehoiakim. And Necho took Jehoahaz his brother, and carried him to Egypt. Ary ny mpanjakan' i Egypta nampanjaka an' i Eliakima, rahalahin' i Joahaza, tamin' ny Joda sy Jerosalema, ary ny anarany dia novany hoe Joiakima; ary Joahaza rahalahiny kosa dia nalainy ka nentiny ho any Egypta. Fa Eliasima, rahalahin' i Joakaza no nampanjakany tamin' i Jodà sy Jerosalema sy novany anarana hoe: Joakima. Ary Joakaza rahalahiny, nalainy dia nentiny nankany Ejipta. Puis le roi d'Égypte établit son frère Élyaqim comme roi sur Juda et Jérusalem, et il changea son nom en celui de Joiaqim. Quant à Joachaz, son frère, Neko le prit et l' emmena en Égypte.

  Book of Nehemiah Nehemia Nehemia Livre de Néhémie
...............
Neh / Ne 9.9 And didst see the affliction of our fathers in Egypt, and heardest their cry by the Red sea; Ary nahita ny fahorian' ny razanay tany Egypta koa Hianao sady nandre ny fitarainany teo amoron' ny Ranomasina Mena, Nitsinjo ny fahorian' ny razanay tany Ejipta hianao, ary nihaino ny fitarainany teo amoron' ny ranomasina Mena. Tu vis la détresse de nos pères en Egypte, tu entendis leur cri près la mer des Roseaux.
...............
Neh / Ne 9.18 Yea, when they had made them a molten calf, and said, This is thy God that brought thee up out of Egypt, and had wrought great provocations; Eny, nanao ilay ombilahy kely an-idina izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao hiakatra avy tany Egypta, dia nampahasosotra indrindra izy; Na dia tamin' izy nanao zanak' omby anidina aza, sy nilaza hoe: Ity no andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta ka rafitra nanevateva anao izaitsizy, Même quand ils se fabriquèrent un veau de métal fondu, déclarèrent : "C' est là ton Dieu qui t' a fait monter d' Egypte!" et commirent de grands blasphèmes,

      Tobia Livre de Tobie
...............
Tb 8.3 Tamin' izay dia nosamborin' ny anjely Rafaela ilay demony ka nafatony tany an-efitr' i Ejipta ambony. L' odeur du poisson incommoda le démon, qui s' enfuit par les airs jusqu' en Egypte. Raphaèl l' y poursuivit, l' entrava et le garrotta sur-le-champ.

      Jodita Livre de Judith
...............
Jdt 5.9 dia ny Andriamanitry ny lanitra tokana izay nandidy azy hiala amin' ny taniny sy handeha honina any Kanaana, no nivavahan' izy ireo. Fa tamin' ilay mosary namely ny tany rehetra dia nidina tany Ejipta izy, ary nitombo fatratra izy tany, ka nandritra ny efa-jato taona dia tonga vahoaka tsy tambo isaina. Leur Dieu leur ayant signifié de sortir de leur résidence et de s' en aller au pays de Canaan, ils s' y installèrent et y furent surabondamment comblés d' or, d' argent et de nombreux troupeaux.
Jdt 5.10 Nony mafy ny nitondran' ny mpanjakan' i Ejipta azy, fa notereny hanorina ny tanànany tamin-drihitra amam-biriky izy, dia niantso ny Tompo Andriamaniny, izay namely ny tany Ejipta manontolo tamin' ny loza samihafa. Ils descendirent ensuite en Egypte, car une famine s'était abattue sur la terre de Canaan, et ils y demeurèrent tant qu' ils y trouvèrent de la nourriture. Là ils devinrent une grande multitude et une race innombrable.

  Book of Esther Estera Estera Livre d'Esther
...............
Est 13.16 Aza atao tsinontsinona ny anjaranao, navotanao avy any amin' ny tany Ejipta.

      Makabeo I 1er Livre des Maccabées
...............
1M 1.17 Nony efa nataon' i Antiokosa, fa tafaorina tsara ny fanapahany, dia izay hanjakany amin' i Ejipta no noheveriny, mba hahatonga azy ho mpanjaka amin' ny fanjakana roa. Entré en Egypte avec une armée imposante, des chars, des éléphants et des cavaliers et une grande flotte,
1M 1.18 Ka dia niditra tany Ejipta izy nitondra tafika lehibe, nomban-kalesy aman' elefanta sy mpitaingin-tsoavaly, mbamin' ny sambo maro be. il attaqua le roi d' Egypte, Ptolémée, qui recula devant lui et s' enfuit; beaucoup d' hommes restèrent sur le terrain.
1M 1.19 Namely an' i Ptolemea mpanjakan' i Ejipta izy, nefa raiki-tahotra teo anoloany io ka nitsoaka nandositra, ary vahoaka be no niampatrampatra maty. Les villes fortes égyptiennes furent prises et Antiochus s' empara des dépouilles du pays.
1M 1.20 Nalain' ny Siriana ny tanàna mimanda, teo amin' ny tany Ejipta; ary nofaohin' i Antiokosa ny babo eran' i Ejipta. Ayant ainsi vaincu l' Egypte et pris le chemin du retour en l' année 143, il marcha contre Israël et sur Jérusalem avec une armée imposante.
1M 1.21 Rahefa avy nandresy an' i Ejipta Antiokosa, tamin' ny taona fahatelo amby efapolo amby zato, dia niverina, ka Israely indray no nalehany hasiana. Entré dans le sanctuaire avec arrogance, Antiochus enleva l' autel d' or, le candélabre de lumière avec tous ses accessoires,
...............
1M 2.53 Nitandrina ny didy Josefa tamin' ny andron' ny fahoriany, ka tonga tompon' i Ejipta izy. Joseph, au temps de sa détresse, observa la Loi, aussi est-il devenu Seigneur de l' Egypte.
...............
1M 3.32 Ka dia Lisiasa lehilahy ambony sy anisan' ny finakavian' ny mpanjaka, no napetrany ho lohan' ny raharaha teo amin' ny fanjakana hatramin' ny ony Eofrata ka hatramin' ny sisin-tanin' i Ejipta, Il laissa Lysias, homme de la noblesse et de la famille royale, à la tête de ses affaires depuis l' Euphrate jusqu'à la frontière de l' Egypte,
...............
1M 10.51 Nandefa ambasadaoro ho any amin' i Ptolemea mpanjakan' i Ejipta Aleksandra, nohafarany hilaza aminy hoe: Alexandre envoya à Ptolémée, roi d' Egypte, des ambassadeurs, avec ce message
...............
1M 10.57 Koa niala tany Ejipta Ptolemea sy Kleopatra zanany vavy, dia nankany Ptolemaisa tamin' ny taona faharoa amby enimpolo amby zato. Ptolémée partit d' Egypte, lui et Cléopâtre, sa fille, et vint à Ptolémaïs en l' an 162.
1M 11.1 Namory miaramila tsy tambo isaina hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina sy sambo maro koa ny mpanjakan' i Ejipta, ka nitady hahazo an-kafetsena ny fanjakan' i Aleksandra, hakambana amin' ny fanjakany. Le roi d' Egypte rassembla des forces nombreuses comme le sable qui est sur le bord de la mer, ainsi que beaucoup de vaisseaux, et il chercha à s' emparer par ruse du royaume d' Alexandre pour l' ajouter à son propre royaume.
...............
1M 11.13 Niditra ny tanàna Antiokia Ptolemea, ka nanao ny satro-panjakan' i Asia, ka satro-panjakana roa no indray nataony tamin' ny lohany, dia ny an' i Ejipta sy ny an' i Asia. Ptolémée fit son entrée à Antioche et ceignit le diadème de l' Asie, de sorte qu' il mit à son front deux diadèmes, celui d' Egypte et celui d' Asie.
...............
1M 11.59 Simona rahalahiny kosa notendreny ho governora amin' ny tany hatreo amin' ny farafaran-tanin' i Tira ka hatrany amin' ny sisin-tanin' i Ejipta. Il institua Simon, son frère, stratège depuis l' Echelle de Tyr jusqu' aux frontières d' Egypte.

      Makabeo II 2ème Livre des Maccabées
2M 1.1 (Taratasy voalohany) Ho an' ireo Jody rahalahiny any Ejipta: Arahaba! Ny Jody rahalahiny ao Jerosalema sy ny amin' ny tanin' i Joda maniry fiadanana tsara! A leurs frères, aux Juifs qui sont en Egypte, salut; les Juifs, leurs frères, qui sont à Jérusalem et ceux du pays de Judée leur souhaitent une paix excellente.
...............
2M 1.10 Amin' ny taona fahavalo amby valopolo amby zato. (Taratasy faharoa) Ny aty Jerosalema sy Jodea, ny parlamenta sy Jodasa manoratra ho an' i Aristobola, mpanolo-tsain' i Ptolemea mpanjaka, isan' ny fianakavian' ny mpisorona voahasina, sy ho an' ny Jody any Ejipta : Arahaba ! Fiadanana ! En l' année 188. Ceux qui sont à Jérusalem et ceux qui sont en Judée, le sénat et Judas, à Aristobule, conseiller du roi Ptolémée et issu de la race des prêtres consacrés, aux Juifs qui sont en Egypte, salut et bonne santé.
...............
2M 4.21 Nony nirahina ho any Ejipta Apolloniosa zanak' i Menestea, tamin' ny nisehoan' i Ptolemea Filometora mpanjaka, dia ren' i Antiokosa fa tsy tia azy, io mpanjaka io; koa nitady hiaro tena aminy mialoha izy, ka nankany Jope, dia tany Jerosalema indray nony avy ao. Apollonius, fils de Ménesthée, avait été envoyé en Egypte pour assister aux noces du roi Philométor. Antiochus apprit que ce dernier était devenu hostile à ses affaires et se préoccupa de sa propre sécurité : c' est ce qui l' amena à Joppé, d' où il se rendit à Jérusalem.
2M 5.1 Takaikin' izany andro izany, nandamina fanafihana an' i Ejipta fanindroany indray Antiokosa. Vers ce temps-là Antiochus préparait sa seconde attaque contre l' Egypte.
...............
2M 5.8 Izao no niafaran' ny fiainany mahameloka: voaporitra tao amin' i Aretasa mpanjakan' ny Arabo izy, nandositra nifindrafindra tanàna, nenjehin' ny olon-drehetra, nankahalaina ho mpandika lalàna, fanozona ho mpamono tanindrazana amam-piray tanindrazana, noroahina tamim-pahafaham-baraka hatrany Ejipta. Sa conduite perverse trouva donc un terme : enfermé chez Arétas, tyran des Arabes, puis s' enfuyant de sa ville, poursuivi par tous, détesté parce qu' il reniait les lois, exécré comme le bourreau de sa patrie et de ses concitoyens, il échoua en Egypte.
...............
2M 5.11 Nony avy izay nahalalan' ny mpanjaka izany zava-niseho izany, dia nataony fa efa niendaka Jodea. Ka niala tany Ejipta izy, nisafoaka toa biby masiaka, naka ny tanàna tamim-piadiana. Lorsque ces faits furent arrivés à la connaissance du roi, celui-ci en conclut que la Judée faisait défection. Il quitta donc l' Egypte, furieux comme une bête sauvage, et prit la ville à main armée.
...............
2M 9.29 Filipo namany fahazaza, no nampitondra ny vatany, saingy natahotra an' i Antiokosa tanora ka nihataka nankany Ejipta, amin' i Ptolemea Filometora. Philippe, son familier, ramena son corps, mais, craignant le fils d' Antiochus, il se retira en Egypte auprès de Ptolémée Philométor.

  The Psalms Salamo Salamo Les Psaumes
...............
Sal 68.31 Princes shall come out of Egypt; Ethiopia shall soon stretch out her hands unto God. Ho avy ny tremalahin' i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin' Andriamanitra. Rahony ny biby any anaty bararata, ny andian' ombalahy aman-janak' ombin' ny vahoaka, mba hiankohoka mitondra anja-bolafotsy. Aparitaho ireo firenena tia ady! Menace la bête des roseaux, la bande de taureaux avec les peuples de veaux, qui s' humilie, avec des lingots d' argent! Disperse les peuples qui aiment la guerre.
Sal 68.32 Sing unto God, ye kingdoms of the earth; O sing praises unto the Lord; Selah: Ry fanjakana ambonin' ny tany, mihirà ho an' Andriamanitra; mankalazà ny Tompo, Aoka ho tonga avy any Ejipta ny tremalahy, aoka hidodododo hanandra-tànana amin' Andriamanitra Etiopia. Depuis l' Egypte, des grands viendront, l' Ethiopie tendra les mains vers Dieu.
...............
Sal 78.12 Marvellous things did he in the sight of their fathers, in the land of Egypt, in the field of Zoan. Teo anatrehan' ny razany no nanaovany fahagagana tany amin' ny tany Egypta, dia tany amin' ny tany lemak' i Zoana. Dia nanao fahagagana teo anatrehan' ny razany izy, tany amin' ny tany Ejipta, tao an-tsahan' i Tanisa, devant leurs pères il fit merveille en terre d' Egypte, aux champs de Tanis.
...............
Sal 78.43 How he had wrought his signs in Egypt, and his wonders in the field of Zoan. Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak' i Zoana: izay nanehoany ny fahagagany tany Ejipta, ny asany mahagaga tany an-tsahan' i Tanisa. Lui qui en Egypte mit ses signes, ses miracles aux champs de Tanis,
...............
Sal 78.51 And smote all the firstborn in Egypt; the chief of their strength in the tabernacles of Ham: Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan' ainy tany an-dain' i Hama; Namely ny lahimatoa rehetra tany Ejipta izy, dia ny santatry ny fahatanjahana tao an-dain' i Kama. il frappa tout premier-né en Egypte, la fleur de la race aux tentes de Cham.
...............
Sal 80.8 Thou hast brought a vine out of Egypt: thou hast cast out the heathen, and planted it. Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa. Ry Andriamanitry ny tafika o, ampodio amin' ny toetra taloha izahay, ampamirapirato ny tavanao, dia ho voavonjy izahay. Dieu Sabaot, fais-nous revenir, fais luire ta face et nous serons sauvés.
Sal 80.9 Thou preparedst room before it, and didst cause it to take deep root, and it filled the land. Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany. Misy voaloboka nongotanao tany Ejipta; nandroaka ny firenena hianao, hambolenao azy. Il était une vigne : tu l' arraches d' Egypte, tu chasses des nations pour la planter;
...............
Sal 81.5 This he ordained in Joseph for a testimony, when he went out through the land of Egypt: where I heard a language that I understood not. Notendreny ho vavolombelona eo amin' i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho. Fa didy ho an' Israely izany; fitsipika avy amin' Andriamanitr' i Jakoba. Car Israël a une loi, un jugement du Dieu de Jacob,
Sal 81.6 I removed his shoulder from the burden: his hands were delivered from the pots. Nampiala ny sorony tamin' ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany. Nataony lalàna ho an' i Josefa fony izy nandeha namely ny tany Ejipta. Mandre feo tsy fantatra aho: un témoignage qu' il mit en Joseph quand il sortit contre la terre d' Egypte. Un langage inconnu se fait entendre
...............
Sal 81.10 I am the Lord thy God, which brought thee out of the land of Egypt: open thy mouth wide, and I will fill it. Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin' ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko. Aza misy andriamani-kafa eo aminao, aza mivavaka amin' ny andriamanitry ny vahoaka hafa. Qu' il n' y ait point chez toi un dieu d' emprunt, n' adore pas un dieu étranger;
Sal 81.11 But my people would not hearken to my voice; and Israel would none of me. Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy; Izaho, Iaveh, Andriamanitrao, no nitondra anao niakatra avy any an-tany Ejipta. Sokafy ny vavanao dia hofenoiko. c' est moi, Yahvé, ton Dieu, qui t' ai fait monter de la terre d' Egypte, ouvre large ta bouche, et je l' emplirai.
...............
Sal 105.23 Israel also came into Egypt; and Jacob sojourned in the land of Ham. Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin' ny tanin' i Hama. Izay vao nankany Ejipta Israely, ka nitoetra teo amin' ny tanin' i Kama Jakoba. Israël passa en Egypte, Jacob séjourna au pays de Cham.
...............
Sal 105.38 Egypt was glad when they departed: for the fear of them fell upon them. Faly Egypta tamin' ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo. Nifaly tamin' ny nahalasanany ny Ejipsiana, satria nahazo an' ireo ny fahatahorana an' Israely. L' Egypte se réjouit de leur sortie, elle en était saisie de terreur;
...............
Sal 106.7 Our fathers understood not thy wonders in Egypt; they remembered not the multitude of thy mercies; but provoked him at the sea, even at the Red sea. Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan' ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron' ny Ranomasina Mena Ny razanay tany Ejipta tsy nihevitra ny fahagagana nataonao, tsy nahatsiaro ny hamaroan' ny fahasoavanao; niodina teo amoron-dranomasina, dia ny ranomasina Mena. nos pères en Egypte n' ont pas compris tes merveilles. Ils n' eurent pas souvenir de ton grand amour, ils bravèrent le Très-Haut à la mer des Joncs.
...............
Sal 106.21 They forgat God their saviour, which had done great things in Egypt; Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta, Nohadinoiny Andriamanitra Mpamonjy azy, izay nanao zava-dehibe tany Ejipta, Ils oubliaient Dieu qui les sauvait, l' auteur de grandes choses en Egypte,
Sal 114.1 When Israel went out of Egypt, the house of Jacob from a people of strange language; Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak' i Jakoba avy tany amin' ny firenena hafa fiteny, Raha nivoaka tany Ejipta Israely ka niala tamin' ny firenena barbariana ny fianakavian' i Jakoba, Alleluia! Quand Israël sortit d' Egypte, la maison de Jacob, de chez un peuple barbare,
...............
Sal 135.8 Who smote the firstborn of Egypt, both of man and beast. Dia Ilay namely ny voalohan-terak' i Egypta, Na olona, na biby. Namono ny voalohan-terak' i Ejipta izy fahiny, hatramin' ny olona ka hatramin' ny biby. Il frappa les premiers-nés d' Egypte depuis l' homme jusqu' au bétail;
Sal 135.9 Who sent tokens and wonders into the midst of thee, O Egypt, upon Pharaoh, and upon all his servants. Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin' i Farao sy ny mpanompony rehetra, Naneho famantarana amam-pahagagana izy, teo afovoanao, ry Ejipta, namelezany an' i Faraona sy ny mpanompony rehetra. il envoya signes et prodiges au milieu de toi, Egypte, sur Pharaon et tous ses serviteurs.
...............
Sal 136.10 To him that smote Egypt in their firstborn: for his mercy endureth for ever: Izay namely ny voalohan-terak' i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony) Izay namely ny Ejipsiana tamin' ny voalohan-terany, fa mandrakizay ny famindram-pony. Il frappa l' Egypte en ses premiers-nés, car éternel est son amour!

  The Proverbs Ohabolana Ohabolana Les Proverbes
...............
Oha / Oh 7.16 I have decked my bed with coverings of tapestry, with carved works, with fine linen of Egypt. Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta. Ny farafarako efa nasiako rako-pandriana, dia lamba fandrakofana folin' i Ejipta; J' ai recouvert mon divan de couvertures, de tissus brodés, d'étoffe d'Égypte,

  Book of Isaiah Isaia Izaia Livre d'Isaïe
...............
Isa / Iz 7.18 And it shall come to pass in that day, that the Lord shall hiss for the fly that is in the uttermost part of the rivers of Egypt, and for the bee that is in the land of Assyria. Ary amin' izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin' ny faran' ny onin' i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin' ny tany Asyria; Amin' izany andro izany, Iaveh hisiaka ny lalitra any amin' ny fara lafin' ny onin' i Ejipta, sy ny renitantely, any amin' ny tanin' i Asiria. Il arrivera, en ce jour-là, que Yahvé sifflera les mouches qui sont à l' extrémité des fleuves d'Égypte et les abeilles qui sont au pays d' Assur.
...............
Isa / Iz 10.24 Therefore thus saith the Lord GOD of hosts, O my people that dwellest in Zion, be not afraid of the Assyrian: he shall smite thee with a rod, and shall lift up his staff against thee, after the manner of Egypt. Koa izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin' ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta; Izany no hilazan' ny Tompo, Iavehn' ny tafika hoe: Aza matahotra na inona na inona avy amin' i Asora, ry vahoakako monina any Siona, raha mamely anao amin' ny tsorakazo izy, ka manainga ny tehina aminao, toy i Ejipta taloha. C' est pourquoi, ainsi parle le Seigneur Yahvé Sabaot : O mon peuple qui habites en Sion, n' aie pas peur d' Assur! Il te frappe du bâton, il lève le gourdin contre toi sur le chemin d'Égypte ;
...............
Isa / Iz 10.26 And the Lord of hosts shall stir up a scourge for him according to the slaughter of Midian at the rock of Oreb: and as his rod was upon the sea, so shall he lift it up after the manner of Egypt. Eny, Jehovah, Tompon' ny maro, hamely azy amin' ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin' ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta. Hanainga kotopia hamelezana azy Iavehn' ny tafika, toy ny namelezany an' i Madiana, teo amin' ny vatolampin' i Oreba, ary toy ny tehiny teny ambony ranomasina; ary hoaingainy izany toy ny taloha tany Ejipta. Yahvé Sabaot va brandir contre lui un fouet, comme il frappa Madiân au rocher d' Oreb; il va brandir son bâton contre la mer, comme il l' a levé sur le chemin d'Égypte.
...............
Isa / Iz 11.11 And it shall come to pass in that day, that the Lord shall set his hand again the second time to recover the remnant of his people, which shall be left, from Assyria, and from Egypt, and from Pathros, and from Cush, and from Elam, and from Shinar, and from Hamath, and from the islands of the sea. Ary amin' izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin' ny moron-dranomasina. Ary izao no hitranga amin' izany andro izany: Ny Tompo haninjitra ny tànany fanindroany, hanavotra ny sisa amin' ny vahoakany, izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta, sy Patraosy, Etiopia, Elama, Senaara, Hamata sy ireo nosy amin' ny ranomasina. Ce jour-là, le Seigneur étendra la main une seconde fois, pour racheter le reste de son peuple, ce qui restera à Assur et en Égypte, à Patros, à Kush et en Élam, à Shinéar, à Hamat et dans les îles de la mer.
...............
Isa / Iz 11.15 And the Lord shall utterly destroy the tongue of the Egyptian sea; and with his mighty wind shall he shake his hand over the river, and shall smite it in the seven streams, and make men go over dryshod. Ary Jehovah handritra ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin' ny ony ka hamely azy amin' ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa. Iaveh hanao anatema ny sakeli-dranomasin' i Ejipta, sy hanainga ny tanany hamely ny Ony amin' ny herin' ny rivony, dia hikapoka azy sy hampisaraka azy hisampana fito, ka ataony azo aleha tsy ialan-kapa eo. Yahvé asséchera la baie de la mer d'Égypte, il agitera la main contre le Fleuve, dans la violence de son souffle. Il le frappera pour en faire sept bras, on y marchera en sandales.
Isa / Iz 11.16 And there shall be an highway for the remnant of his people, which shall be left, from Assyria; like as it was to Israel in the day that he came up out of the land of Egypt. Ary hisy lalana voavoatra halehan' ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an' ny Isiraely tamin' ny andro niakarany avy tany amin' ny tany Egypta. Dia hisy làlana halehan' ny vahoakany sisa, izay sisa mbola ho hita any amin' ny tany Asiriana, toy ny nisy halehan' Israely, tamin' ny andro niakarany avy any amin' ny tany Ejipta. Et il y aura un chemin pour le reste de son peuple, ce qui restera d' Assur, comme il y en eut pour Israël, quand il monta du pays d'Égypte.
Isa / Iz 19.1 The burden of Egypt. Behold, the Lord rideth upon a swift cloud, and shall come into Egypt: and the idols of Egypt shall be moved at his presence, and the heart of Egypt shall melt in the midst of it. Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, ary ny fon' i Egypta dia ketraka ao anatiny. Faminaniana ny amin' i Ejipta. Indro Iaveh, mitaingin-drahona maivana miditra any Ejipta. Ka ny sampin' i Ejipta, mangovitra eo anatrehany, ary ny fon' i Ejipta mihonaka ao anatiny. Oracle sur l'Égypte. Voici que Yahvé, monté sur un nuage léger, vient en Égypte. Les faux dieux d'Égypte chancellent devant lui et le coeur de l'Égypte défaille en elle.
Isa / Iz 19.2 And I will set the Egyptians against the Egyptians: and they shall fight every one against his brother, and every one against his neighbour; city against city, and kingdom against kingdom. Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin' ny rahalahiny avy sy amin' ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin' ny tanàna, ary ny fanjakana amin' ny fanjakana. Hamporisika an' i Ejipta hamely an' i Ejipta aho, ka hiady izy ireo, ny rahalahy amin' ny rahalahy, ary ny sakaiza amin' ny sakaiza, ny tanàna amin' ny tanàna, ary ny fanjakana amin' ny fanjakana. J' exciterai l'Égypte contre l'Égypte, ils se battront, chacun contre son frère, chacun contre son prochain, ville contre ville, royaume contre royaume.
Isa / Iz 19.3 And the spirit of Egypt shall fail in the midst thereof; and I will destroy the counsel thereof: and they shall seek to the idols, and to the charmers, and to them that have familiar spirits, and to the wizards. Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin' ny andriamani-tsi-izy sy amin' ny mpibitsibitsika amin' ny odiny izy sy amin' ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin' ny mpanao sikidy. Ny fanahin' i Ejipta ho foana ao anatiny; ary ny fisainany hataoko very; hanontaniany ny mpimasy amam-panao fankatoavana, mbamin' ny mpamoha angatra amam-pisikidy. L' esprit de l'Égypte s'évanouira en elle, et je confondrai son conseil. On consultera les faux dieux et les enchanteurs, les spectres et les devins.
Isa / Iz 19.4 And the Egyptians will I give over into the hand of a cruel lord; and a fierce king shall rule over them, saith the Lord, the Lord of hosts. Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin' izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon' ny maro. Hatolotro ho an-tanan' ny tompo lozabe i Ejipta ary mpanjaka mahatahotra no hizaka azy, - teny ton' ny Tompo' ny tafika. Je livrerai l'Égypte aux mains d' un maître impitoyable, un roi cruel les dominera. Oracle du Seigneur Yahvé Sabaot.
...............
Isa / Iz 19.6 And they shall turn the rivers far away; and the brooks of defence shall be emptied and dried up: the reeds and flags shall wither. Ho maimbo ny sampantsampan' ny ony; Ary ny lahin-dranon' i Egypta hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo; Ny renirano hanjary maimbo, ny lahin-dranon' i Ejipta hihena dia ho maina; ny zozoro amam-bolotara halazo. les rivières deviendront infectes, les fleuves d'Égypte baisseront et tariront, le roseau et le jonc noirciront.
...............
Isa / Iz 19.10 And they shall be broken in the purposes thereof, all that make sluices and ponds for fish. Ny andrin' ny tany ho torotoro, ary ny mpikarama rehetra halahelo. Ireo andrin' i Ejipta ho torotoro, ary ny manao taozavatra ho rera-po avokoa. ses tisserands seront consternés, tous les salariés seront attristés.
...............
Isa / Iz 19.12 Where are they? where are thy wise men? and let them tell thee now, and let them know what the Lord of hosts hath purposed upon Egypt. Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain' i Jehovah, Tompon' ny maro, hatao amin' i Egypta. Aiza moa izay olon-kendrinao? ka aoka hambarany aminao ary aoka hovinaniny izay nodidian' ny Tompon' ny tafika hanjo an' i Ejipta! Où sont-ils donc, tes sages ? Qu' ils t' annoncent et que l' on sache ce qu' a décidé Yahvé Sabaot contre l'Égypte!
Isa / Iz 19.13 The princes of Zoan are become fools, the princes of Noph are deceived; they have also seduced Egypt, even they that are the stay of the tribes thereof. Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa; Ary efa nampivembena an' i Egypta ireo fehizoron' ny fireneny. Ny mpanapaka an' i Tanisy efa very saina; ny mpanapaka an' i Memfisy efa voafitaka, ny tenan' izy ireo, vato fehizoron' ny karazam-pokon' i Ejipta no nandrebireby azy. Ils déraisonnent, les princes de Çoân, ils s' abusent, les princes de Noph, et l'élite de ses nomes a fait divaguer l'Égypte.
Isa / Iz 19.14 The Lord hath mingled a perverse spirit in the midst thereof: and they have caused Egypt to err in every work thereof, as a drunken man staggereth in his vomit. Jehovah efa nampidina fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin' ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa. Norotsahan' ny Tompo fanahy mampandraingiraingy izy, ka ataony mandraingiraingy i Ejipta amin' ny ataony rehetra, mova tsy ny olona mamo mandraingiraingy eo am-pandoavany! Yahvé a répandu au milieu d' eux un esprit de vertige; ils ont fait divaguer l'Égypte dans toutes ses entreprises, comme divague un ivrogne en vomissant.
Isa / Iz 19.15 Neither shall there be any work for Egypt, which the head or tail, branch or rush, may do. Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia na ny zozoro. Ary tsy misy asa hahasoa an' i Ejipta, amin' izay rehetra mety ho vitan' ny loha na ny rambo, ny antrendry na ny zozoro. On ne fait plus rien pour l'Égypte de ce que faisaient tête et queue, palme et jonc.
Isa / Iz 19.16 In that day shall Egypt be like unto women: and it shall be afraid and fear because of the shaking of the hand of the Lord of hosts, which he shaketh over it. Amin' izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr' i Jehovah, Tompon' ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy. Amin' izany andro izany Ejipta, hanahaka ny vehivavy; ho tora-kovitra sy ho raiki-tahotra, mahita an' ny Tompon' ny tafika manainga tànana, izay aingainy hamelezana azy. Ce jour-là, l'Égypte sera comme les femmes, tremblante et terrorisée devant la menace de la main de Yahvé Sabaot, lorsqu' il la lèvera contre elle.
Isa / Iz 19.17 And the land of Judah shall be a terror unto Egypt, every one that maketh mention thereof shall be afraid in himself, because of the counsel of the Lord of hosts, which he hath determined against it. Ary ny tanin' ny Joda dia ho fahatahoran' i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan' i Jehovah, Tompon' ny maro, izay kasainy ny amin' ny hamelezana azy. Ary ny tanin' i Jodà , hahatahotra mafy an' i Ejipta; hangovitra izy, isaky ny misy olona hampahatsiaro azy izany anarana izany noho ny didin' ny Tompon' ny tafika, izay navoakany hamelezany azy. Le territoire de Juda deviendra la honte de l'Égypte : chaque fois qu' on le lui rappellera, elle sera terrorisée à cause du dessein que Yahvé Sabaot a formé contre elle.
Isa / Iz 19.18 In that day shall five cities in the land of Egypt speak the language of Canaan, and swear to the Lord of hosts; one shall be called, The city of destruction. Amin' izany andro izany dia hisy tanana dimy amin' ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin' i Kanana sy hianiana ho an' i Jehovah, Tompon' ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa. Amin' izany andro izany hisy tanàna dimy, any amin' ny tany Ejipta, izay hiteny amin' ny fiteny Kanaana sy hianiana hanompo an' ny Tompon' ny tafika; ny iray amin' ireo atao hoe Tanàna-Masoandro. Ce jour-là, il y aura cinq villes au pays d'Égypte qui parleront la langue de Canaan et prêteront serment à Yahvé Sabaot; l' une d' elles sera dite " ville du soleil ".
Isa / Iz 19.19 In that day shall there be an altar to the Lord in the midst of the land of Egypt, and a pillar at the border thereof to the Lord. Amin' izany andro izany dia hisy alitara ho an' i Jehovah eo amin' ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an' i Jehovah. Amin' izany andro izany hisy otely ho an' ny Tompo, eo afovoan' ny tany Ejipta. Ary eo amin' ny sisin-taniny, hisy tsangam-bato ho an' ny Tompo. Ce jour-là, il y aura un autel dédié à Yahvé au milieu du pays d'Égypte, et près de la frontière une stèle dédiée à Yahvé.
Isa / Iz 19.20 And it shall be for a sign and for a witness unto the Lord of hosts in the land of Egypt: for they shall cry unto the Lord because of the oppressors, and he shall send them a saviour, and a great one, and he shall deliver them. Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an' i Jehovah, Tompon' ny maro, ao amin' ny tany Egypta izany; Fa hitaraina amin' i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy. Ary ho famantarana ho an' ny Tompon' ny tafika izany, sy ho vavolombelona eo amin' ny tany Ejipta; ka rehefa hitaraina amin' ny Tompo izy ireo, noho ny mpampahory azy, dia haniraka mpamonjy izy, sy mpiaro mahery hanafaka azy. Ce sera un signe et un témoin de Yahvé Sabaot au pays d'Égypte. Quand ils crieront vers Yahvé par crainte des oppresseurs, il leur enverra un sauveur et un défenseur qui les délivrera.
Isa / Iz 19.21 And the Lord shall be known to Egypt, and the Egyptians shall know the Lord in that day, and shall do sacrifice and oblation; yea, they shall vow a vow unto the Lord, and perform it. Ary Jehovah hanao izay hahafantaran' ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an' i Jehovah amin' izany andro izany; Dia hanompo Azy amin' ny fanatitra alatsa-drà sy amin' ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin' i Jehovah sady hanefa ny voadiny. Hanao izay hahafantaran' i Ejipta azy Iaveh, ka hahalala an' ny Tompo i Ejipta amin' izany andro izany, hanao sorona amam-panatitra izy ireo, hivoady amin' ny Tompo sy hanefa izany. Yahvé se fera connaître des Égyptiens, et les Égyptiens connaîtront Yahvé, en ce jour-là. Ils offriront sacrifices et oblations, ils feront des voeux à Yahvé et les accompliront.
Isa / Iz 19.22 And the Lord shall smite Egypt: he shall smite and heal it: and they shall return even to the Lord, and he shall be intreated of them, and shall heal them. Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin' i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy. Hikapoka an' i Ejipta Iaveh, sady hikapoka no hanasitrana! Hibebaka amin' ny Tompo izy ireo, ka hety hionona amin' ny fifonany izy, dia hanasitrana azy. Et si Yahvé frappe les Égyptiens, il frappera et guérira, ils se convertiront à Yahvé qui accueillera leurs demandes et les guérira.
Isa / Iz 19.23 In that day shall there be a highway out of Egypt to Assyria, and the Assyrian shall come into Egypt, and the Egyptian into Assyria, and the Egyptians shall serve with the Assyrians. Amin' izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka. Amin' izany andro izany hisy làlana avy any Ejipta mankany Asiria; ka ny Asiriana ho tonga ao Ejipta, ny Ejipsiana ho any Asiria, dia hanompo an' ny Tompo i Ejipta miaraka amin' i Asora. - Ce jour-là, il y aura un chemin allant d'Égypte à Assur. Assur viendra en Égypte et l'Égypte en Assur. L'Égypte servira avec Assur.
Isa / Iz 19.24 In that day shall Israel be the third with Egypt and with Assyria, even a blessing in the midst of the land: Amin' izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin' i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin' ny tany; Amin' izany andro izany Israely hikambana amin' i Ejipta sy Asiria, izy no ho fahatelony, mba ho fitahiana eo amin' ny tany. Ce jour-là, Israël viendra en troisième avec l'Égypte et Assur, bénédiction au milieu de la terre,
Isa / Iz 19.25 Whom the Lord of hosts shall bless, saying, Blessed be Egypt my people, and Assyria the work of my hands, and Israel mine inheritance. Fa hotahin' i Jehovah, Tompon' ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan' ny tanako, ary Isiraely lovako. Hitahy azy ireo Iavehn' ny tafika hanao hoe: Hotahina anie i Ejipta, vahoakako, sy Asora, asan' ny tànako, ary Israely lovako. bénédiction que prononcera Yahvé Sabaot : " Béni mon peuple l'Égypte, et Assur l' oeuvre de mes mains, et Israël mon héritage. "
...............
Isa / Iz 20.3 And the Lord said, Like as my servant Isaiah hath walked naked and barefoot three years for a sign and wonder upon Egypt and upon Ethiopia; Ary hoy Jehovah: Tahaka ny nandehanan' Isaia mpanompoko telo taona sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana ny amin' i Egypta sy Etiopia, Ary hoy Iaveh: Toy ny nandehanan' Izaia, mpanompoko, tsy nitafy, tsy nikiraro, fa famantarana amam-pambara mandritra ny telo taona, ho an' i Ejipta sy Etiopia izy, Et Yahvé dit : " De même que mon serviteur Isaïe a marché nu et déchaussé pendant trois ans, pour être un signe et un présage contre l'Égypte et contre Kush,
Isa / Iz 20.4 So shall the king of Assyria lead away the Egyptians prisoners, and the Ethiopians captives, young and old, naked and barefoot, even with their buttocks uncovered, to the shame of Egypt. dia ho toy izany no hitondran' ny mpanjakan' i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr' i Egypta. no hitondran' ny mpanjakan' i Asiria ny babo avy any Ejipta; sy ny voasesi-tany avy any Etiopia, na tovolahy, na lahiantitra, tsy mitafy, tsy mikiraro, miseho valahana, ho henatr' i Ejipta. de même le roi d' Assur emmènera les captifs d'Égypte et les déportés de Kush, les jeunes et les vieux, nus, déchaussés et fesses découvertes, à la honte de l'Égypte.
Isa / Iz 20.5 And they shall be afraid and ashamed of Ethiopia their expectation, and of Egypt their glory. Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin' i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany. Ka ho rera-po sy hangaihay izy ireo amin' izay, noho ny amin' i Etiopia, nataony hiankinana, sy noho ny amin' i Ejipta, nataony rehareha. Ils seront pris d'épouvante et de honte à cause de Kush leur espérance et de l'Égypte leur fierté.
...............
Isa / Iz 23.5 As at the report concerning Egypt, so shall they be sorely pained at the report of Tyre. Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an' i Tyro. Rahefa handre izany vaovao izany Ejipta dia ho raiki-tahotra mandre ny naharavan' i Tira. Quand la nouvelle parviendra en Égypte, on tremblera en apprenant le sort de Tyr.
...............
Isa / Iz 27.12 And it shall come to pass in that day, that the Lord shall beat off from the channel of the river unto the stream of Egypt, and ye shall be gathered one by one, O ye children of Israel. Ary amin' izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon' i Jehovah hatramin' ny ony mandriaka ka hatramin' ny lohasahan-driak' i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak' Isiraely. Amin' izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: hahintsan' ny Tompo ny vary hatramin' ny mason-dranon' ny Ony, ka hatramin' ny lohasahan-driak' i Ejipta, dia hotazana tsirairay hianareo, ry zanak' Israely. Et il arrivera qu' en ce jour-là, Yahvé fera le battage, depuis le cours du Fleuve jusqu' au torrent d'Égypte, et vous, vous serez glanés un à un, enfants d' Israël.
Isa / Iz 27.13 And it shall come to pass in that day, that the great trumpet shall be blown, and they shall come which were ready to perish in the land of Assyria, and the outcasts in the land of Egypt, and shall worship the Lord in the holy mount at Jerusalem. Ary amin' izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin' ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin' ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan' i Jehovah ao amin' ny tendrombohitra masina any Jerosalema. Ary hisy zavatra toy izao amin' izany andro izany: haneno ny trompetra lehibe, ka izay very tany amin' ny tanin' i Asora, mbamin' izay voasesi-tany, tany amin' ny tany Ejipta, dia hody ka hiakohoka eo anatrehan' ny Tompo, ao amin' ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema. Et il arrivera qu' en ce jour-là, on sonnera du grand cor, alors viendront ceux qui se meurent au pays d' Assur, et ceux qui sont bannis au pays d'Égypte, ils adoreront Yahvé sur la montagne sainte, à Jérusalem.
...............
Isa / Iz 30.2 That walk to go down into Egypt, and have not asked at my mouth; to strengthen themselves in the strength of Pharaoh, and to trust in the shadow of Egypt! Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin' ny vavako, handositra ho any amin' ny fiarovana mafin' i Farao sy hialokaloka ao amin' ny alokalok' i Egypta. Dia midina eny amin' ny làlana mankany Ejipta izy ireo nefa tsy manontany ny vavako, mba hialoka eo ambany fiarovan' i Faraona sy hialokaloka eo amin' ny alokalok' i Ejipta. Ils partent pour descendre en Égypte, sans m' avoir consulté, pour se mettre sous la protection du Pharaon et s' abriter à l' ombre de l'Égypte.
Isa / Iz 30.3 Therefore shall the strength of Pharaoh be your shame, and the trust in the shadow of Egypt your confusion. Kanjo ho tonga henatra ho azy ny fiarovana mafin' i Farao, ary ho fanalam-baraka azy ny fialokalofany ao amin' ny alokalok' i Egypta. Hody henatra ho anareo, ny fiarovan' i Faraona; ary ho fanalam-baraka ho anareo, ny fialokalofana ao amin' ny alokalok' i Ejipta. Mais la protection du Pharaon tournera à votre honte, l' abri de l' ombre de l'Égypte à votre confusion.
...............
Isa / Iz 30.7 For the Egyptians shall help in vain, and to no purpose: therefore have I cried concerning this, Their strength is to sit still. Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen' ny Egyptiana; Koa izany no nanaovako azy hoe: Ilay be rehaka tsy mety manao na inona na inona! Ho zava-poana sy tsinontsinona ny vonjin' i Ejipta; izany no iantsoako azy hoe: Ilay be rehaka mipetra-poana. l'Égypte dont l' aide est vanité et néant; c' est pourquoi je lui ai donné ce nom : Rahab la déchue.
Isa / Iz 31.1 Woe to them that go down to Egypt for help; and stay on horses, and trust in chariots, because they are many; and in horsemen, because they are very strong; but they look not unto the Holy One of Israel, neither seek the Lord! Loza ho an' ireo izay midina hitady vonjy any Ejipta; miantehitra amin' ny soavaly, ary mitoky amin' ny kalesy, noho ny hamaroan' ireny, sy amin' ny mpitaingin-tsoavaly, noho izy matanjaka; nefa ilay Masin' Israely tsy mba andrandrainy; ary Iaveh tsy tadiaviny. Malheur à ceux qui descendent en Égypte pour y chercher du secours. Ils comptent sur les chevaux, ils mettent leur confiance dans les chars, car ils sont nombreux, et dans les cavaliers, car ils sont très forts. Ils ne se sont pas tournés vers le Saint d' Israël, ils n' ont pas consulté Yahvé.
...............
Isa / Iz 36.6 Lo, thou trustest in the staff of this broken reed, on Egypt; whereon if a man lean, it will go into his hand, and pierce it: so is Pharaoh king of Egypt to all that trust in him. Indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan' olona io, dia manindrona ny tànany miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan' i Egypta, amin' izay rehetra matoky azy. Indro fa ny itokianao hitehenana dia ilay volotara folaka, i Ejipta, izay manindrona sy manaboroaka ny tanan' izay rehetra mitehina aminy; fa izany no afitsok' i Faraona amin' izay rehetra matoky azy. Voici que tu te fies au soutien de ce roseau brisé, l'Égypte, qui pénètre et perce la main de qui s' appuie sur lui. Tel est Pharaon, roi d'Égypte, pour tous ceux qui se fient à lui.
...............
Isa / Iz 36.9 How then wilt thou turn away the face of one captain of the least of my master' s servants, and put thy trust on Egypt for chariots and for horsemen? Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin' ny mpanompon' ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza, nefa matoky an' i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly? Hataonao ahoana no fampiamboho kapiteny iray akory, amin' ny mpanompon' ny tompoko, na dia izay kely indrindra amin' izy ireo aza? Noho izany dia Ejipta no itokianao hahazoana kalesy aman-tsoavaly. Comment ferais-tu reculer un seul des moindres serviteurs de mon maître ? Mais tu t' es fié à l'Égypte pour avoir chars et cavaliers!
...............
Isa / Iz 37.25 I have digged, and drunk water; and with the sole of my feet have I dried up all the rivers of the besieged places. Izaho no nihady ka nisotro rano, Ary ny faladiako no handritako ny lahin-drano rehetra any Egypta. Nihady aho, dia manan-drano hosotoina; homainiko amin' ny faladian-tongotro ny onin' i Ejipta rehetra. Moi, j' ai creusé et j' ai bu des eaux étrangères; j' ai asséché sous la plante de mes pieds tous les fleuves de l'Égypte. "
...............
Isa / Iz 43.3 For I am the Lord thy God, the Holy One of Israel, thy Saviour: I gave Egypt for thy ransom, Ethiopia and Seba for thee. Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin' ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao. Fa izaho Iaveh no Andriamanitrao; ilay Masin' Israely no Mpamonjy anao. Efa nomeko ho avotrao, Ejipta, ary ho solonao Etiopia sy Sabà. Car je suis Yahvé, ton Dieu, le Saint d' Israël, ton sauveur. Pour ta rançon, j' ai donné l'Égypte, Kush et Séba à ta place.
...............
Isa / Iz 45.14 Thus saith the Lord, The labour of Egypt, and merchandise of Ethiopia and of the Sabeans, men of stature, shall come over unto thee, and they shall be thine: they shall come after thee; in chains they shall come over, and they shall fall down unto thee, they shall make supplication unto thee, saying, Surely God is in thee; and there is none else, there is no God. Izao no lazain' i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran' i Egypta sy ny tombom-barotr' i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany. Izao no lazain' ny Tompo: Ny vokatra azon' i Ejipta, ny tombony azon' i Etiopia, sy ny Sabeana olona lava tsanganana, dia samy ho tonga ao aminao sy ho anao, fa izy ireo dia hanaraka anao; ho tonga am-patorana sy hiankohoka eo anatrehanao, ary hifompòna aminao, hanao hoe: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy ato aminao, ka tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra hafa iray akory! Ainsi parle Yahvé : Les productions de l'Égypte, le commerce de Kush et les Sébaïtes, ces gens de haute taille, passeront chez toi et t' appartiendront. Ils marcheront derrière toi, ils iront chargés de chaînes, ils se prosterneront devant toi, ils te prieront : " Il n' y a de Dieu que chez toi! il n' y en a pas d' autres, pas d' autre dieu. "
...............
Isa / Iz 52.4 For thus saith the Lord GOD, My people went down aforetime into Egypt to sojourn there; and the Assyrian oppressed them without cause. Fa izao no lazain' i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan' ny oloko tamin' ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana. Fa izao no lazain' ny Tompo Tompo: Ny honina any no nidinan' ny vahoakako tany Ejipta fahiny; ary tatý aoriana dia nampahorin' i Asora, tsy ahoan-tsy ahoana izy. Car ainsi parle le Seigneur Yahvé : C' est en Égypte qu' autrefois mon peuple est descendu pour y séjourner, c' est Assur qui à la fin l' a opprimé.

  Book of Jeremiah Jeremia Jeremia Livre de Jérémie
...............
Jer / Jr 2.6 Neither said they, Where is the Lord that brought us up out of the land of Egypt, that led us through the wilderness, through a land of deserts and of pits, through a land of drought, and of the shadow of death, through a land that no man passed through, and where no man dwelt? Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin' ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan' olona akory na nonenan' olona? Izy ireny tsy mba nanao hoe: Aiza Iaveh, izay nitondra antsika niakatra avy any amin' ny tany Ejipta, nitari-dàlana antsika tany an' efitra, tany amin' ny tany ngazana sady vaky hentana, tany amin' ny tany karankaina sy aloky ny fahafatesana, tany amin' ny tany tsy falehan' ny olona, tsy onenan' olona? Ils n' ont pas dit : "Où est Yahvé qui nous fit monter du pays d' Egypte et nous fit marcher dans le désert, dans une terre aride et ravinée, dans une terre desséchée et obscure, terre que personne ne parcourt, où nul homme ne se fixe?"
...............
Jer / Jr 2.18 And now what hast thou to do in the way of Egypt, to drink the waters of Sihor? or what hast thou to do in the way of Assyria, to drink the waters of the river? Koa inona no anton' ny ankanesanao amin' ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon' i Sihora? Ary inona no anton' ny ankanesanao amin' ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano amin' ny Ony? Ary ankehitriny, inona no ataonao any amin' ny làlana mankany Ejipta, handeha hisotro ny ranon' i Nila? Ary inona no ataonao eny amin' ny làlana mankany Asiria, handeha hisotro ny rano amin' ny Ony? Et maintenant, à quoi bon partir en Egypte pour boire l' eau du Nil? A quoi bon partir en Assyrie pour boire l' eau du Fleuve?
...............
Jer / Jr 2.36 Why gaddest thou about so much to change thy way? thou also shalt be ashamed of Egypt, as thou wast ashamed of Assyria. Nahoana ianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin' i Egypta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin' i Asyria. Mba maika loatra hianao hanova ny làlanao! Hataon' i Ejipta mahazo henatra hianao, toy ny nahazoanao henatra tamin' i Asiria. Que tu mets de légèreté à changer de voie! Pourtant tu auras honte de l' Egypte comme tu as eu honte de l' Assyrie.
...............
Jer / Jr 7.22 For I spake not unto your fathers, nor commanded them in the day that I brought them out of the land of Egypt, concerning burnt offerings or sacrifices: Fa tsy ny amin' ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa no nitenenako tamin' ny razanareo na nandidiako azy tamin' ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta; fa tsy misy nolazaiko tamin' ny razanareo, na nandidiako azy ireo, tamin' ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin' ny tany Ejipta ny amin' ny sorona dorana sy ny sorona. Car je n' ai rien dit ni prescrit à vos pères, quand je les fis sortir du pays d' Egypte, concernant l' holocauste et le sacrifice.
...............
Jer / Jr 7.25 Since the day that your fathers came forth out of the land of Egypt unto this day I have even sent unto you all my servants the prophets, daily rising up early and sending them: Hatramin' ny andro nivoahan' ny razanareo avy tany amin' ny tany Egypta ka ambaraka androany dia nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa isan' andro Aho ka naniraka azy mandrakariva. Hatramin' ny andro nivoahan' ny razanareo tany Ejipta, ka mandrak' androany, dia naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra ho any aminareo aho, naniraka azy vao maraina isan' andro aho; Depuis le jour où vos pères sont sortis du pays d' Egypte jusqu'à aujourd' hui, je vous ai envoyé tous mes serviteurs, les prophètes; chaque jour je les ai envoyés, sans me lasser.
...............
Jer / Jr 9.25 Behold, the days come, saith the Lord, that I will punish all them which are circumcised with the uncircumcised; Dia Egypta sy Joda sy Edoma sy ny taranak' i Amona ary Moaba mbamin' izay rehetra voahety sisim-bolo, izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak' Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo. dia Ejipta, Jodà, Edoma, ny taranak' i Ammona, Moada, mbamin' izay rehetra miharatra fihirifana, izay monina any an' efitra; satria ny firenena rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak' Israely koa, tsy voafora fo. l' Egypte, Juda, Edom, les fils d' Ammon, Moab et tous les hommes aux tempes rasées qui habitent dans le désert. Car toutes ces nations-là, et aussi toute la maison d' Israël, ont le coeur incirconcis!
...............
Jer / Jr 11.4 Which I commanded your fathers in the day that I brought them forth out of the land of Egypt, from the iron furnace, saying, Obey my voice, and do them, according to all which I command you: so shall ye be my people, and I will be your God: Izay nandidiako ny razanareo tamin' ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, dia avy tao amin' ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo, izay nandidiako ny razanareo, tamin' ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin' ny tany Ejipta, avy any amin' ny memim-by, nanaovako taminy hoe: Henoy ny feoko ary ataovy izany zavatra izany, araka izay rehetra andidiako anareo, dia hianareo ho oloko, ary izaho ho Andriamanitrareo; que j' ai prescrite à vos pères le jour où je les tirai du pays d' Egypte, de cette fournaise pour le fer. Je leur dis : Ecoutez ma voix et conformez-vous à tout ce que je vous ordonne; alors vous serez mon peuple et moi je serai votre Dieu,
...............
Jer / Jr 11.7 For I earnestly protested unto your fathers in the day that I brought them up out of the land of Egypt, even unto this day, rising early and protesting, saying, Obey my voice. Fa nananatra mafy ny razanareo Aho tamin' ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta ka ambaraka androany; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko. Fa ny razanareo efa nanariko mafy; hatramin' ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin' ny tany Ejipta, ka mandraka androany; tsy nitsahatra ny nananatra azy ireo aho nanao hoe: Henoy ny feoko! Car j' ai instamment averti vos pères, quand je les fis monter du pays d' Egypte, et jusqu' aujourd' hui même, sans me lasser je les ai avertis en disant : Ecoutez ma voix!
...............
Jer / Jr 16.14 Therefore, behold, the days come, saith the Lord, that it shall no more be said, The Lord liveth, that brought up the children of Israel out of the land of Egypt; Koa, indro, avy any andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak' Isiraely niakatra avy tany amin' ny tany Egypta; Noho izany indro avy ny andro, - teny marin' ny Tompo, izay tsy hanaovana intsony hoe: Velona Iaveh! izay nitondra ny zanak' Israely niakatra avy any amin' ny tany Ejipta; Aussi, voici venir des jours oracle de Yahvé où l' on ne dira plus : "Yahvé est vivant, qui a fait monter les Israélites du pays d' Egypte" ,
...............
Jer / Jr 23.7 Therefore, behold, the days come, saith the Lord, that they shall no more say, The Lord liveth, which brought up the children of Israel out of the land of Egypt; Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak' Isiraely niakatra avy tany amin' ny tany Egypta; Noho izany, indro avy ny andro, - teny marin' ny Tompo, izay tsy hanaovana intsony hoe: Velona Iaveh, izay nitondra ny zanak' Israely niakatra avy any amin' ny tany Ejipta; Aussi voici venir des jours oracle de Yahvé où l' on ne dira plus : "Yahvé est vivant, qui a fait monter les Israélites du pays d' Egypte",
...............
Jer / Jr 24.8 And as the evil figs, which cannot be eaten, they are so evil; surely thus saith the Lord, So will I give Zedekiah the king of Judah, and his princes, and the residue of Jerusalem, that remain in this land, and them that dwell in the land of Egypt: Ary ny amin' ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain' i Jehovah: Toy izany no hanolorako an' i Zedekia, mpanjakan' ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin' ity tany ity sy izay mitoetra any amin' ny tany Egypta, Ary toy ny ataon' ny olona amin' ireo aviavy ratsy ireo, izay tsy hanina akory, noho ny haratsiany loatra, - izao no tenin' ny Tompo no hataoko amin' i Sedesiasa, mpanjakan' i Jodà, ny mpanapaka mbamin' izay sisa any Jerosalema, ireo izay mitoetra amin' ity tany ity, ary ireo monina any amin' ny tany Ejipta. Mais comme on traite les mauvaises figues, si gâtées qu' elles en sont immangeables oui, ainsi parle Yahvé ainsi traiterai-je Sédécias, roi de Juda, ses princes et le reste de Jérusalem : ceux qui sont restés dans ce pays comme ceux qui habitent au pays d' Egypte.
...............
Jer / Jr 25.19 Pharaoh king of Egypt, and his servants, and his princes, and all his people; ary Farao, mpanjakan' i Egypta, sy ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin' ny vahoakany rehetra, Faraona mpanjakan' i Ejipta, ny mpanompony, ny mpanapaka mbamin' ny vahoakany rehetra, Pharaon, roi d' Egypte, avec ses serviteurs, ses princes et tout son peuple,
...............
Jer / Jr 26.21 And when Jehoiakim the king, with all his mighty men, and all the princes, heard his words, the king sought to put him to death: but when Urijah heard it, he was afraid, and fled, and went into Egypt; Ary nony ren' i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka nandositra, ary tonga tany Egypta; Nandre ny teniny Joakima mpanjaka, mbamin' ny lehilahy maheriny rehetra sy ny mpanapaka rehetra, ka nitady hamono azy ny mpanjaka. Nahare izany Oria, ka natahotra, dia nandositra tany Ejipta. Alors le roi Joiaqim, avec tous ses officiers et ses princes, ayant entendu ses paroles, chercha à le faire mourir. A cette nouvelle Uriyyahu eut peur, il prit la fuite et parvint en Egypte.
Jer / Jr 26.22 And Jehoiakim the king sent men into Egypt, namely, Elnathan the son of Achbor, and certain men with him into Egypt. ary Joiakima mpanjaka naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak' i Akbora, mbamin' ny olona sasany nanaraka ny hankany Egypta. Fa naniraka olona ho any Ejipta, Joakima mpanjaka, dia Elnatana, zanak' i Akobora, ary olon-kafa koa niaraka taminy, ho any Ejipta. Mais le roi Joiaqim envoya en Egypte Elnatân fils de Akbor, accompagné de quelques gens.
Jer / Jr 26.23 And they fetched forth Urijah out of Egypt, and brought him unto Jehoiakim the king; who slew him with the sword, and cast his dead body into the graves of the common people. Ary Oria dia nalain' ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin' i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin' ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin' ny fasam-bahoaka. Ka nalain' ireo hiala tany Ejipta, Oria, dia nentiny teo amin' i Joakima mpanjaka, ary io kosa namono azy tamin' ny sabatra, dia nanipy ny fatiny, teo amin' ny fasan' ny ankapobem-bahoaka. Ils firent sortir Uriyyahu d' Egypte et le conduisirent au roi Joiaqim qui le fit frapper de l'épée et fit jeter son cadavre parmi les sépultures des gens du peuple.
...............
Jer / Jr 31.32 Not according to the covenant that I made with their fathers in the day that I took them by the hand to bring them out of the land of Egypt; which my covenant they brake, although I was an husband unto them, saith the Lord: Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin' ny razany tamin' ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny,hoy Jehovah. ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin' ny razany, tamin' ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin' ny tany Ejipta, fanekena nivadihan' izy ireo, na dia vadiny aza aho. Non pas comme l' alliance que j' ai conclue avec leurs pères, le jour où je les pris par la main pour les faire sortir du pays d' Egypte mon alliance qu' eux-mêmes ont rompue bien que je fusse leur Maître, oracle de Yahvé!
...............
Jer / Jr 32.20 Which hast set signs and wonders in the land of Egypt, even unto this day, and in Israel, and among other men; and hast made thee a name, as at this day; dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin' ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin' ny Isiraely, na ao amin' ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin' izao anio izao. Hianao no nanao famantarana amam-pahagagana tany amin' ny tany Ejipta ka mandrak' androany, eo amin' Israely sy eo amin' ny olona, ka nampahalaza ny anaranao, araka izao hitanay anio izao. Toi qui produisis signes et prodiges au pays d' Egypte, et jusqu' aujourd' hui en Israël et parmi les hommes. Tu t' es fait un nom, comme on le voit aujourd' hui.
Jer / Jr 32.21 And hast brought forth thy people Israel out of the land of Egypt with signs, and with wonders, and with a strong hand, and with a stretched out arm, and with great terror; Ary nitondra ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta Hianao tamin' ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, hianao no nanatsoaka an' Israely olonao, tany amin' ny tany Ejipta, tamin' ny famantarana amam-pahagagana, tamin' ny tànanao mahery aman-tsandry nahinjitra, ary tamin' ny fandatsahana fampahatahorana lehibe; Tu fis sortir ton peuple Israël du pays d' Egypte par signes et prodiges, à main forte et à bras étendu, et par une grande terreur.
...............
Jer / Jr 34.13 Thus saith the Lord, the God of Israel; I made a covenant with your fathers in the day that I brought them forth out of the land of Egypt, out of the house of bondmen, saying, Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho efa nanao fanekena tamin' ny razanareo tamin' ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta hiala tamin' ny trano nahandevozana nanao hoe: Izao no lazain' ny Tompo Andriamanitr' Israely: Nanao fanekena tamin' ny razanareo aho, fony aho nitondra azy ireo, nivoaka avy any amin' ny tany Ejipta, tamin' ny trano nahandevozana, nanao hoe: Ainsi parle Yahvé, le Dieu d' Israël. J' ai conclu avec vos pères, quand je les tirai du pays d' Egypte, de la maison de servitude, une alliance en disant
...............
Jer / Jr 37.5 Then Pharaoh' s army was come forth out of Egypt: and when the Chaldeans that besieged Jerusalem heard tidings of them, they departed from Jerusalem. Ary efa niainga avy tany Egypta ny miaramilan' i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an' i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy. Ny tafik' i Faraona kosa efa nivoaka niala teny Ejipta; ary ny Kaldeana nanao fahirano an' i Jerosalema. Cependant l' armée de Pharaon était sortie d' Egypte; à cette nouvelle, les Chaldéens qui assiégeaient Jérusalem avaient dû lever le siège.
...............
Jer / Jr 37.7 Thus saith the Lord, the God of Israel; Thus shall ye say to the king of Judah, that sent you unto me to enquire of me; Behold, Pharaoh' s army, which is come forth to help you, shall return to Egypt into their own land. Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin' ny mpanjakan' ny Joda, izay naniraka anareo hankatý amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan' i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny; Izao no lazain' ny Tompo Andriamanitr' Israely: Izao no teny hataonareo amin' ny mpanjakan' i Jodà, naniraka anareo hanontany amiko: Ny tafik' i Faraona izay efa nivoaka hamonjy anareo, dia hiverina ho any amin' ny taniny any Ejipta indray; Ainsi parle Yahvé, le Dieu d' Israël. Au roi de Juda qui vous a envoyés vers moi pour me consulter, vous donnerez cette réponse : L' armée de Pharaon est sortie à votre secours? Elle va s' en retourner en son pays d' Egypte!
...............
Jer / Jr 41.17 And they departed, and dwelt in the habitation of Chimham, which is by Bethlehem, to go to enter into Egypt, ary dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama, izay ao akaikin' i Betlehema, mba handehanany hankany Egypta. Dia nandeha izy ireo, ka teo amin' ny tranom-bahiny ao Kanaama, akaikin' i Betleema, no nijanona, vao lasa nankany Ejipta, Ils se mirent en marche et firent étape au Khan de Kimham, près de Bethléem, pour gagner ensuite l' Egypte,
...............
Jer / Jr 42.14 Saying, no; but we will go into the land of Egypt, where we shall see no war, nor hear the sound of the trumpet, nor have hunger of bread; and there will we dwell: fa manao hoe: Tsia; fa hankany amin' ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon' ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay, raha hoy hianareo: Tsia fa any Ejipta no halehanay, izay tsy hahitanay ady, tsy handrenesanay feon' anjomara, tsy hahatsiarovanay noana, ka any no honenanay; si vous dites : Non! C' est au pays d' Egypte que nous irons; là nous ne verrons plus la guerre, nous n' entendrons plus l' appel du cor et ne manquerons plus de pain; c' est là que nous voulons demeurer,
Jer / Jr 42.15 And now therefore hear the word of the Lord, ye remnant of Judah; Thus saith the Lord of hosts, the God of Israel; If ye wholly set your faces to enter into Egypt, and go to sojourn there; dia mihainoa ny tenin' i Jehovah ankehitriny ianareo izay sisa amin' ny Joda: Izao no lazain' i Jehovah. Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha dia mikiry hankany Egypta ihany ianareo ka mandeha hivahiny any, dia henoinareo ny tenin' ny Tompo, ry sisa amin' i Jodà: Izao no lazain' ny Tompo Andriamanitr' Israely: Raha mitodi-maso mankany Ejipta hianareo mba ho any ka miditra hitoetra any hianareo, eh bien! en ce cas, reste de Juda, écoutez la parole de Yahvé Ainsi parle Yahvé Sabaot, le Dieu d' Israël. Si vous êtes résolus à aller en Egypte et que vous y entriez pour y séjourner,
Jer / Jr 42.16 Then it shall come to pass, that the sword, which ye feared, shall overtake you there in the land of Egypt, and the famine, whereof ye were afraid, shall follow close after you there in Egypt; and there ye shall die. dia hahatratra anareo any amin' ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin' ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo. ny sabatra atahoranareo, hahatratra anareo any amin' ny tany Ejipta, ny mosary ahinareo mafy, hanjohy anareo any Ejipta, ary ho faty any hianareo. l'épée que vous redoutez, elle vous atteindra là, en terre d' Egypte; et la famine qui vous inquiète, elle s' attachera à vos pas, là en Egypte : c' est là que vous mourrez!
Jer / Jr 42.17 So shall it be with all the men that set their faces to go into Egypt to sojourn there; they shall die by the sword, by the famine, and by the pestilence: and none of them shall remain or escape from the evil that I will bring upon them. Ary ny olona rehetra izay mikiry hankany Egypta hivahiny any dia ho fatin' ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana any; ary tsy hisy sisa ho afa-mandositra ny loza izay hataoko mihatra aminy. Izay rehetra mitodi-maso mankany Ejipta mba ho any sy honina any, dia ho fatin' ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta avokoa, fa tsy misy ho velona sy afa-mandositra ny loza hahatrako aminy. Et tous les hommes résolus à aller en Egypte pour y séjourner y mourront par l'épée, la famine et la peste : pas un seul survivant ni rescapé n'échappera au malheur que je vais leur amener.
Jer / Jr 42.18 For thus saith the Lord of hosts, the God of Israel; As mine anger and my fury hath been poured forth upon the inhabitants of Jerusalem; so shall my fury be poured forth upon you, when ye shall enter into Egypt: and ye shall be an execration, and an astonishment, and a curse, and a reproach; and ye shall see this place no more. Fa izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Toy ny nanidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin' ny mponina any Jerosalema, dia toy izany no hanidinana ny fahatezerako aminareo, raha mankany Egypta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana sy ho fanozonana ary ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony. Fa izao no lazain' ny Tompon' ny tafika, Andriamanitr' Israely: Toy ny niantefan' ny fahatezerako amam-pahavinirako tamin' ny mponina tao Jerosalema, no hiantefan' ny fahatezerako aminareo, nony tafiditra any Ejipta hianareo, ka dia ho fisahato, fitalanjonana, fanozonana ary fandatsan' ny olona hianareo sady tsy hahita ity tany ity intsony. Oui, ainsi parle Yahvé Sabaot, le Dieu d' Israël. Comme se sont déversées ma colère et ma fureur sur les habitants de Jérusalem, ainsi ma fureur se déversera sur vous, si vous vous rendez en Egypte. Vous serez objet d' exécration, de stupéfaction, de malédiction et de raillerie, et vous ne reverrez plus ces lieux.
Jer / Jr 42.19 The Lord hath said concerning you, O ye remnant of Judah; Go ye not into Egypt: know certainly that I have admonished you this day. Jehovah efa nilaza ny aminareo, ry sisa amin' ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany ianareo. Ry sisa amin' i Jodà ô, izao no lazain' ny Tompo aminareo: Aza miditra any Ejipta hianareo; fantaro tsara fa efa nanariko am-pahibemaso hianareo izao androany. Reste de Juda, Yahvé vous a déclaré : N' allez pas en Egypte! Sachez bien qu' aujourd' hui, je vous ai avertis solennellement.
...............
Jer / Jr 43.2 Then spake Azariah the son of Hoshaiah, and Johanan the son of Kareah, and all the proud men, saying unto Jeremiah, Thou speakest falsely: the Lord our God hath not sent thee to say, Go not into Egypt to sojourn there: dia niteny Azaria, zanak' i Hosaia, sy Johanana, zanak' i Karea, mbamin' ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin' i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta; dia niteny Azariasa zanak' i Osaiasa, sy Johanana, zanak' i Karea, mbamin' ireo lehilahy mpiavonavona rehetra, ka nanao tamin' i Jeremia hoe: Milaza lainga hianao; Iaveh Andriamanitsika tsy naniraka anao hilaza aminay hoe: Aza miditra any Ejipta mba hitoetra ao. Azarya, fils de Hoshaya, Yohanân, fils de Qaréah, et tous ces hommes insolents répondirent à Jérémie : "C' est un mensonge que tu débites. Yahvé notre Dieu ne t' a pas chargé de dire N' allez pas en Egypte pour y séjourner.
...............
Jer / Jr 43.7 So they came into the land of Egypt: for they obeyed not the voice of the Lord: thus came they even to Tahpanhes. ka dia nankany amin' ny tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon' i Jehovah, ary dia tonga hatrany Tapanesa. Niditra tany amin' ny tany Ejipta izy ireo, dia tonga hatrany Tafnesa, fa tsy nihaino ny feon' ny Tompo. Ils se rendirent donc en Egypte, puisqu' ils n' obéirent pas à la voix de Yahvé, et parvinrent à Tahpanhès.
...............
Jer / Jr 43.11 And when he cometh, he shall smite the land of Egypt, and deliver such as are for death to death; and such as are for captivity to captivity; and such as are for the sword to the sword. Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin' ny areti-mandringana dia ho amin' ny areti-mandringana, ary izay ho amin' ny fahababoana dia ho amin' ny fahababoana, ary izay ho amin' ny sabatra dia ho amin' ny sabatra. Ho avy izy, ka hamely ny tany Ejipta; ka izay ho amin' ny fahafatesana, matesa; izay ho amin' ny fahababoana, baboy; izay ho amin' ny sabatra, alavoin-tsabatra. Il viendra et frappera le pays d' Egypte Qui est pour la peste, à la peste! Qui est pour la captivité, en captivité! Qui est pour l'épée, à l'épée!
Jer / Jr 43.12 And I will kindle a fire in the houses of the gods of Egypt; and he shall burn them, and carry them away captives: and he shall array himself with the land of Egypt, as a shepherd putteth on his garment; and he shall go forth from thence in peace. Ary handrehitra afo ao amin' ny tranon' ny andriamanitr' i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin' ny mpiandry ondry ny lambany; ary hiala any amin' ny fiadanana izy. Handrehitra afo ao amin' ny tranon' ireo andriamanitr' i Ejipta aho, ka hodorany izany, ary heontiny babo ireo andriamanitra ireo; ary hihodidinany hoatra ny hihodidinan' ny mpiandry ondry ny lambany ny tany Ejipta, vao hiala eo amim-piadanana izy. Il mettra le feu aux temples des dieux de l' Egypte, il brûlera ces dieux ou les déportera, il s' enveloppera du pays d' Egypte comme le berger s' enveloppe de son manteau, puis il en sortira en paix.
Jer / Jr 43.13 He shall break also the images of Bethshemesh, that is in the land of Egypt; and the houses of the gods of the Egyptians shall he burn with fire. Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin' ny tany Egypta; ary hodorany amin' ny afo ny tranon' ny andriamanitr' i Egypta. Ireo tsangam-bato ao an-tranon' ny Masoandro, eo amin' ny tany Ejipta, hotorotoroiny, ary ireo tranon' ny andriamanitr' i Ejipta hodorany. Il brisera les obélisques du temple du Soleil, qui se trouve en Egypte, et incendiera les temples des dieux de l' Egypte.
Jer / Jr 44.1 The word that came to Jeremiah concerning all the Jews which dwell in the land of Egypt, which dwell at Migdol, and at Tahpanhes, and at Noph, and in the country of Pathros, saying, Ny teny izay tonga tamin' i Jeremia ho amin' ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin' ny tany Egypta, dia izay nonina tao Migdola sy Tapanesa sy Memfisa, ary tany amin' ny tany Patrosa, nanao hoe: Ny teny tonga tamin' i Jeremia, ho an' ny Jodeana rehetra nitoetra tany amin' ny tany Ejipta, dia izay nitoetra tany Migdola, tany Tafnesa, tany Nofa, sy tany amin' ny tany Fatoresa, nanao hoe: Parole qui fut adressée à Jérémie pour tous les Judéens installés au pays d' Egypte, en résidence à Migdol, Tahpanhès, Noph, et au pays de Patros.
...............
Jer / Jr 44.8 In that ye provoke me unto wrath with the works of your hands, burning incense unto other gods in the land of Egypt, whither ye be gone to dwell, that ye might cut yourselves off, and that ye might be a curse and a reproach among all the nations of the earth? noho ny ampahatezeranareo Ahy amin' ny asan' ny tananareo sy amin' ny andoroana ditin-kazo manitra ho an' andriamani-kafa any amin' ny tany Egypta izay alehanareo hivahiniana, mba haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho fandatsa any amin' ny firenena rehetra ambonin' ny tany? dia izay hampahatezitra ahy amin' ny asan-tànanareo, amin' ny anateranareo emboka manitra amin' izay andriamani-kafa, eo amin' ny tany Ejipta, izay nidiranareo hitoerana, mba haharingana anareo, sy hahatonga anareo ho fanozona sy fandatsa amin' ny firenena rehetra ambonin' ny tany? parce que vous m' aurez irrité par l' oeuvre de vos mains, encensant d' autres dieux sur cette terre d' Egypte où vous êtes venus séjourner, travaillant ainsi à votre extermination et devenant pour toutes les nations de la terre un objet de malédiction et de raillerie.
...............
Jer / Jr 44.12 And I will take the remnant of Judah, that have set their faces to go into the land of Egypt to sojourn there, and they shall all be consumed, and fall in the land of Egypt; they shall even be consumed by the sword and by the famine: they shall die, from the least even unto the greatest, by the sword and by the famine: and they shall be an execration, and an astonishment, and a curse, and a reproach. Ary halaiko ny sisa amin' ny Joda, izay nikiry hankany amin' ny tany Egypta hivahiny any, ka ho lany ritra izy rehetra; any amin' ny tany Egypta no hahalavoany, samy ho ringan' ny sabatra sy ny mosary, eny, na ny kely na ny lehibe dia samy ho fatin-tsabatra sy mosary izy rehetra ka ho tonga fianianana sy figagana sy fanozonana ary fandatsa. Halaiko ny sisa amin' i Jodà, izay nitodi-maso mankany Ejipta mba ho tonga hitoetra any: Ho levona any amin' ny tany Ejipta, dia ho lavo izy ireo: ho levon' ny sabatra sy ny mosary; na ny kely na ny lehibe, ho fatin' ny sabatra sy ny mosary izy ireo ary ho tonga fisahato, fitalanjonana, fanozona, ary fandatsa. J' enlèverai le reste de Juda qui s' est tourné vers le pays d' Egypte pour y entrer et y séjourner : ils périront tous en terre d' Egypte, ils tomberont sous l'épée, ils périront de famine, petits et grands; par l'épée et la famine ils mourront, et ils seront objet d' exécration, de stupéfaction, de malédiction et de raillerie.
Jer / Jr 44.13 For I will punish them that dwell in the land of Egypt, as I have punished Jerusalem, by the sword, by the famine, and by the pestilence: Fa hovaliako izay monina any amin' ny tany Egypta, toy ny namaliako an' i Jerosalema, dia amin' ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Toy ny namangiako an' i Jerosalema tamin' ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta no hamangiako an' izay mitoetra eo amin' ny tany Ejipta. Je visiterai ceux qui sont installés au pays d' Egypte, comme j' ai visité Jérusalem : par l'épée, la famine et la peste.
Jer / Jr 44.14 So that none of the remnant of Judah, which are gone into the land of Egypt to sojourn there, shall escape or remain, that they should return into the land of Judah, to the which they have a desire to return to dwell there: for none shall return but such as shall escape. Ary na sisa amin' ny Joda izay lasa nivahiny tany Egypta dia tsy hisy ho afa-mandositra ho tafaverina any amin' ny tanin' ny Joda, izay niriny hiverenana mba honenany, afa-tsy izay vitsy sendra afa-mandositra ihany. Tsy hisy ho afaka handositra na ho velona ny sisa amin' i Jodà, tamin' ireo izay tonga mba honina eto amin' ny tanin' i Ejipta, ka hiverina indray amin' ny tanin' i Jodà, izay irin' ny fony hiverenana mba honenana. Satria tsy hisy hody any izy afa-tsy izay vitsivitsy afa-mandositra ihany. Dans ce reste de Juda venu séjourner au pays d' Egypte, pas un seul rescapé ni survivant n'échappera pour retourner au pays de Juda, où ils désirent ardemment revenir et demeurer. Car ils n' y reviendront pas, sauf quelques rescapés.
Jer / Jr 44.15 Then all the men which knew that their wives had burned incense unto other gods, and all the women that stood by, a great multitude, even all the people that dwelt in the land of Egypt, in Pathros, answered Jeremiah, saying, Ary ny lehilahy rehetra, izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho an' andriamani-kafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin' ny tany Egypta, tao Patrosa, dia namaly an' i Jeremia hoe: Tamin' izay namaly an' i Jeremia ny lehilahy rehetra, nahalala fa efa nanatitra emboka manitra tamin' ireo andriamani-kafa, ny vadiny sy ny vehivavy rehetra tafavory teo amin' ny fivoriam-be ary ny vahoaka rehetra nitoetra tany amin' ny tany Ejipta tao Fatoresa, ka nanao hoe: Alors tous les hommes qui savaient que leurs femmes encensaient des dieux étrangers et toutes les femmes présentes une grande assemblée et tout le peuple établi au pays d' Egypte et à Patros firent cette réponse à Jérémie
...............
Jer / Jr 44.24 Moreover Jeremiah said unto all the people, and to all the women, Hear the word of the Lord, all Judah that are in the land of Egypt: Ary hoy koa Jeremia tamin' ny olona rehetra sy tamin' ny vehivavy rehetra: Mihainoa ny tenin' i Jehovah, ry Joda rehetra, izay atý amin' ny tany Egypta: Ka dia hoy Jeremia tamin' ny vahoaka rehetra, sy tamin' ny vehivavy rehetra nanao hoe: Mihainoa ny tenin' ny Tompo, hianareo Jodà rehetra atý amin' ny tany Ejipta. Puis Jérémie s' adressa à tout le peuple, notamment à toutes les femmes : "Ecoutez la parole de Yahvé, vous tous, Judéens qui êtes au pays d' Egypte
...............
Jer / Jr 44.26 Therefore hear ye the word of the Lord, all Judah that dwell in the land of Egypt; Behold, I have sworn by my great name, saith the Lord, that my name shall no more be named in the mouth of any man of Judah in all the land of Egypt, saying, The Lord GOD liveth. Koa henoinareo ny tenin' i Jehovah, ry Joda rehetra, izay monina atý amin' ny tany Egypta: Indro Aho efa nianiana tamin' ny anarako lehibe, hoy Jehovah, fa tsy hotononin' ny vavan' ny lehilahy amin' ny Joda eran' ny tany Egypta intsony ny anarako hanao hoe: Raha velona koa Jehovah Tompo. Koa mihainoa ny tenin' ny Tompo, ry Jodà rehetra mitoetra atý amin' ny tany Ejipta: Indro aho fa mianiana amin' ny anarako lehibe, hoy Iaveh, fa tsy hotononin' ny vavan' ny lehilahy amin' i Jodà eran' ny tany Ejipta intsony, ny anarako, hatao hoe: Velona Iaveh Tompo. Toutefois, écoutez la parole de Yahvé, vous tous, les Judéens installés au pays d' Egypte : voici, je le jure par mon grand Nom, dit Yahvé. Dans tout le pays d' Egypte, mon Nom ne sera plus prononcé par la bouche d' aucun homme de Juda; aucun ne dira : Par la vie du Seigneur Yahvé!
Jer / Jr 44.27 Behold, I will watch over them for evil, and not for good: and all the men of Judah that are in the land of Egypt shall be consumed by the sword and by the famine, until there be an end of them. Indro, miambina anareo Aho hahatonga loza, fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin' ny Joda, izay atý amin' ny tany Egypta, dia ho ringan' ny sabatra sy ny mosary mandra-pahalany ritrany. Indro aho miambina azy ireo, hampidi-doza fa tsy soa amin' izy ireo, ka dia ho levon' ny sabatra sy ny mosary avokoa, ny lehilahy amin' i Jodà, mandra-paharingany. Voici, je vais veiller sur eux pour leur malheur, et non pour leur bonheur : tous les hommes de Juda qui se trouvent au pays d' Egypte périront par l'épée et la famine, jusqu'à extinction totale.
Jer / Jr 44.28 Yet a small number that escape the sword shall return out of the land of Egypt into the land of Judah, and all the remnant of Judah, that are gone into the land of Egypt to sojourn there, shall know whose words shall stand, mine, or their' s. Ary izay afa-mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atý amin' ny tany Egypta ho any amin' ny tanin' ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin' ny Joda rehetra izay mankany amin' ny tany Egypta hivahiny any dia hahafantatra izay ho tò teny, na ho Izaho, na ho izy. Ary izay vitsy kely ho afa-mandositra ny sabatra, dia ho tafaverina any amin' ny tanin' i Jodà, avy atý amin' ny tany Ejipta. Ka dia ho fantatr' izay sisa amin' i Jodà rehetra, dia izay tonga tany Ejipta, hitoetra tany, izay to teny, na izaho, na izy ireo. Cependant des rescapés de l'épée en petit nombre reviendront du pays d' Egypte au pays de Juda. Alors tout le reste de Juda venu au pays d' Egypte pour y séjourner reconnaîtra quelle parole se réalise : la mienne ou la leur!
...............
Jer / Jr 44.30 Thus saith the Lord; Behold, I will give Pharaohhophra king of Egypt into the hand of his enemies, and into the hand of them that seek his life; as I gave Zedekiah king of Judah into the hand of Nebuchadrezzar king of Babylon, his enemy, and that sought his life. Izao no lazain' i Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan' i Egypta, hatolotro eo an-tànan' ny fahavalony sy eo an-tànan' izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an' i Zedekia, mpanjakan' ny Joda, ho eo an-tànan' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy. Izao no lazain' ny Tompo: Indro aho manolotra an' i Hofra Faraona, mpanjakan' i Ejipta, eo an-tànan' ny fahavalony, sy eo an-tànan' izay mitady ny ainy; toy ny nanolorako an' i Sedesiasa, mpanjakan' i Jodà, tamin' i Nabokodonozora, mpanjakan' i Babilona, fahavalony sy nitady ny ainy. Ainsi parle Yahvé. Voici, je vais livrer le Pharaon Hophra, roi d' Egypte, aux mains de ses ennemis et de ceux qui en veulent à sa vie, de la même façon que j' ai livré Sédécias, roi de Juda, aux mains de Nabuchodonosor, roi de Babylone, son ennemi qui en voulait à sa vie.
...............
Jer / Jr 46.2 Against Egypt, against the army of Pharaohnecho king of Egypt, which was by the river Euphrates in Carchemish, which Nebuchadrezzar king of Babylon smote in the fourth year of Jehoiakim the son of Josiah king of Judah. Ny amin' i Egypta. Ny amin' ny miaramilan' i Farao-neko, mpanjakan' i Egypta, izay teny amoron' ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, tamin' ny taona fahefatra nanjakan' i Joiakima, zanak' i Josia, mpanjakan' ny Joda: Ny amin' i Ejipta. Teny mamely ny tafik' i Nekao Faraona mpanjakan' i Ejipta, teo amoron' ny ony Eofrata, tao Karkemisa, izay resin' i Nabokodonozora, mpanjakan' i Babilona, tamin' ny taona fahefatra nanjakan' i Joakima, zanak' i Josiasa, mpanjakan' i Jodà. Sur l' Egypte. Contre l' armée du Pharaon Neko, roi d' Egypte, qui se trouvait près du fleuve Euphrate, vers Karkémish, quand Nabuchodonosor, roi de Babylone, la battit; c'était la quatrième année de Joiaqim, fils de Josias, roi de Juda.
...............
Jer / Jr 46.8 Egypt riseth up like a flood, and his waters are moved like the rivers; and he saith, I will go up, and will cover the earth; I will destroy the city and the inhabitants thereof. Egypta mizotra tahaka an' i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano, ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; Haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy. Ejipta izao miakatra hoatra an' i Nila izao, ka misamboaravoara ny onjany hoatran' ny ony be, Hoy izy: Hiakatra aho, ka hanapaka ny tany, haringako ny tanàna mbamin' ny mponina ao aminy. C' est l' Egypte qui montait, pareille au Nil, et comme des torrents bouillonnaient ses eaux. Elle disait : "Je monterai submerger la terre, détruire les villes et leurs habitants!
...............
Jer / Jr 46.11 Go up into Gilead, and take balm, O virgin, the daughter of Egypt: in vain shalt thou use many medicines; for thou shalt not be cured. Miakara any Gileada, ka makà balsama, ry Egypta zanakavavy virijina; Foana ny nanaovanao fanafody maro, fa tsy manana plasitera hapetaka amin' ny ferinao ianao, Miakara any Galaada, ka makà ditin-kazo manitra, Ry virjiny, zanakavavin' i Ejipta. Mampitombo ny fanafody foana hianao; fa tsy hanam-pahasitranana tsy akory. Monte en Galaad et prends du baume, vierge, fille de l' Egypte! En vain tu multiplies les remèdes point de guérison pour toi!
...............
Jer / Jr 46.13 The word that the Lord spake to Jeremiah the prophet, how Nebuchadrezzar king of Babylon should come and smite the land of Egypt. Ny teny izay nolazain' i Jehovah tamin' i Jeremia mpaminany ny amin' ny hihavian' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, hamely ny tany Egypta. Ny teny nataon' ny Tompo tamin' i Jeremia, mpaminany, ny amin' ny hihavian' i Nabokodonozora mpanjakan' i Babilona hamely ny tany Ejipta. Parole que Yahvé adressa au prophète Jérémie quand Nabuchodonosor, roi de Babylone, vint pour frapper le pays d' Egypte.
Jer / Jr 46.14 Declare ye in Egypt, and publish in Migdol, and publish in Noph and in Tahpanhes: say ye, Stand fast, and prepare thee; for the sword shall devour round about thee. Ambaraonareo any Egypta, ary torio any Migdola, eny, torio any Memfisa sy Tapanesa, ka ataovy hoe: Mijoroa tsara ianao, ka miomàna; Fa mandringana manodidina anao ny sabatra. Torionareo any Ejipta, ampandreneso any Migdola, ampandreneso any Nofa sy any Tafnesa; ka lazao hoe: Milahara hianareo, ka miomana; fa efa mandripaka sahady eny amin' ny manodidina anareo ny sabatra! Publiez-le en Egypte, faites-le entendre à Migdol, faites-le entendre à Noph et à Tahpanhès! Dites : Dresse-toi, tiens-toi prête, car l'épée dévore autour de toi.
...............
Jer / Jr 46.17 They did cry there, Pharaoh king of Egypt is but a noise; he hath passed the time appointed. Nitaraina tany izy hoe: Tabataba foana Farao, mpanjakan' i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy. Izao no fiantsoantsony any: Voa Faraona, mpanjakan' i Ejipta: nandiso ny fotoana mety izy! On a donné ce nom à Pharaon, le roi d' Egypte du-"Bruit!-mais-il-manque-l' occasion!"
...............
Jer / Jr 46.19 O thou daughter dwelling in Egypt, furnish thyself to go into captivity: for Noph shall be waste and desolate without an inhabitant. Ry Egypta zanakavavy mponina, Mifeheza entana ho entinao any amin' ny fahababoana; Fa ho tonga tany lao Memfisa, eny, hodorana izy, ka tsy hisy mponina. Fehezo ny entanao, entan-tsambotra, ry mponina zanakavavin' i Ejipta, fa indro Nofa ho zary tany efitra; hodorana izy, ka tsy hisy mponina intsony. Prépare ton paquet d' exilée, habitante, fille de l' Egypte; Noph se changera en désolation, dévastée et vidée d' habitants.
Jer / Jr 46.20 Egypt is like a very fair heifer, but destruction cometh; it cometh out of the north. Egypta dia tahaka ny ombivavy kely tsara tarehy dia tsara tarehy; Fa injay! tamy, eny, tamy ny fihitra avy any avaratra! Ejipta dia ombivavy kely tsara tarehy fatratra, fa misy fihitra tonga avy any avaratra. L' Egypte était une génisse magnifique un taon venu du Nord s' est posé sur elle.
...............
Jer / Jr 46.24 The daughter of Egypt shall be confounded; she shall be delivered into the hand of the people of the north. Ho afa-baraka Egypta zanakavavy, Hatolotra eo an-tànan' ny olona any avaratra izy. Mangaihay ny zanakavavin' i Ejipta; natolotra eo an-tanan' ny firenena any avaratra izy! Elle est couverte de honte, la fille de l' Egypte, livrée aux mains d' un peuple du Nord.
Jer / Jr 46.25 The Lord of hosts, the God of Israel, saith; Behold, I will punish the multitude of No, and Pharaoh, and Egypt, with their gods, and their kings; even Pharaoh, and all them that trust in him: Ary hoy Jehovah, Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta mbamin' ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay rehetra matoky azy; Hoy Iavehn' ny tafika, Andriamanitr' Israely: Indro, hovangiako avokoa Amona any No, sy Faraona sy Ejipta, ireo andriamaniny sy ny mpanjakany, ary Faraona mbamin' ireo natoky azy. Yahvé Sabaot, le Dieu d' Israël, a dit : Voici que je vais visiter Amon de No, le Pharaon, l' Egypte, ses dieux et ses rois, Pharaon et ceux qui se fient à lui.

  Lamentations Fitomaniana Fitomaniana Les Lamentations
...............
Fit 5.6 We have given the hand to the Egyptians, and to the Assyrians, to be satisfied with bread. Nanolo-tanana tamin' ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina. Mananty tànana amin' i Ejipta sy amin' i Asiria izahay, hivoky mofo. Nous tendons la main à l'Égypte, à Assur pour nous rassasier de pain.

      Baroka Livre de Baruch
...............
Bar 1.19 Hatramin' ny andro nitondran' ny Tompo ny razantsika hiala tany amin' ny tany Ejipta ka mandrak' ankehitriny, dia tsy nety hoentin' ny Tompo Andriamanitsika isika, sady nivily isika noho ny hadalantsika, mba tsy hihaino ny feony. Dès le jour où le Seigneur tira nos pères du pays d' Egypte jusqu' aujourd' hui, nous avons été indociles au Seigneur notre Dieu et nous nous sommes rebellés en n'écoutant pas sa voix.
Bar 1.20 Koa araka izay hita anio izao, dia zoin-doza lehibe isika sy azon' izay ozona notononin' ny Tompo, tamin' ny alalan' i Moizy mpanompony izay nitondra ny razantsika nivoaka ny tany Ejipta, mba hanomezany antsika tany tondra-dronono aman-tantely. Alors se sont attachés à nous les malheurs et la malédiction que le Seigneur dicta à son serviteur Moïse, le jour où il tira nos pères d' Egypte pour nous donner une terre qui ruisselle de lait et de miel, comme aujourd' hui encore.
...............
Bar 2.11 Ary ankehitriny, ry Tompo, Andriamanitr' Israely, izay nitondra ny vahoakanao niala tany amin' ny tany Ejipta, tamin' ny tànana mahery, sy tamim-pahagagana amam-pamantarana, tamin' ny fahefana lehibe aman-tsandry nahinjitra, sady nampanan-daza ny anaranao, araka izao hita anio izao: Et maintenant, Seigneur, Dieu d' Israël, toi qui tiras ton peuple du pays d' Egypte à main forte, par signes et miracles, par grande puissance et bras étendu, te faisant de la sorte un nom comme il en est aujourd' hui,

  Book of Ezekiel Ezekiela Ezekiela Livre d'Ezéchiel
...............
Eze / Ez 16.26 Thou hast also committed fornication with the Egyptians thy neighbours, great of flesh; and hast increased thy whoredoms, to provoke me to anger. Hianao efa nijangajanga tamin' ny zanak' i Egypta be nofo izay mifanila fonenana aminao; ary nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy. Nivarina tamin' ny zanak' i Ejipta, nifanila fonenana taminao, dia tamin-dry zareo matanja-batana hianao, ary nampitoboinao ny fijangajanganao, hampahatezitra ahy. Tu t' es prostituée chez les Égyptiens, tes voisins au corps puissant, tu as multiplié tes prostitutions pour m' irriter.
...............
Eze / Ez 17.15 But he rebelled against him in sending his ambassadors into Egypt, that they might give him horses and much people. Shall he prosper? shall he escape that doeth such things? or shall he break the covenant, and be delivered? Fa niodina taminy izy ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va? Niodina tamin' io anefa izy, fa nandefa iraka tany Ejipta mba hanome soavaly sy olona maro azy. Ka hahomby va izy? Ho afa-mandositra va, izay nanao izany? Nivadi-panekena izy, ka ho afa-mandositra ve! Mais ce prince s' est révolté contre lui, en envoyant des messagers en Égypte pour se faire donner des chevaux et des gens en grand nombre. Réussira-t-il ? S' en tirera-t-il, celui a fait cela ? Il a rompu l' alliance et il s' en tirerait ?
...............
Eze / Ez 19.4 The nations also heard of him; he was taken in their pit, and they brought him with chains unto the land of Egypt. Nahare ny lazany ny firenena, dia namandrika azy tamin' ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia nentiny ho any amin' ny tany Egypta izy. Nandre ny lazany ireo firenena, ka voasambotra tao an-davany izy. Nitondra azy rahefa nasiany faraingo ny vavany, ho any amin' ny tany Ejipta. Les nations en entendirent parler, il fut pris dans leur fosse; on l' emmena avec des crocs au pays d'Égypte.
...............
Eze / Ez 20.5 And say unto them, Thus saith the Lord GOD; In the day when I chose Israel, and lifted up mine hand unto the seed of the house of Jacob, and made myself known unto them in the land of Egypt, when I lifted up mine hand unto them, saying, I am the Lord your God; Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Tamin' ny andro nifidianako ny Isiraely sy ny ananganako tanana tamin' ny taranak' i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin' ny tany Egypta raha nanangan-tanana taminy Aho ka nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Tamin' ny andro nifidianako an' Israely sy nananganako tanana homba ny taranak' i Jakoba, sy nanaovako izay hahalalany ahy tany amin' ny tany Ejipta, ary nananganako tànana homba azy ireo, nanao hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo; Tu leur diras : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Le jour où j' ai choisi Israël, où j' ai levé la main vers la race de la maison de Jacob, je me suis fait connaître à eux au pays d'Égypte, et j' ai levé la main vers eux en disant : " Je suis Yahvé votre Dieu ".
Eze / Ez 20.6 In the day that I lifted up mine hand unto them, to bring them forth of the land of Egypt into a land that I had espied for them, flowing with milk and honey, which is the glory of all lands: tamin' izany andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin' ny tany Egypta ho any amin' ny tany notadiaviko ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra, tamin' izany andro izany, nanangan-tànana homba azy ireo aho, nianiana fa hitondra azy mivoaka avy any amin' ny tany Ejipta, ho any amin' ny tany tondra-dronono aman-tantely izay tsara indrindra amin' ny tany rehetra sady efa nozahako ho azy ireo. Ce jour-là, j' ai levé la main vers eux en jurant de les faire sortir du pays d'Égypte vers un pays que j' avais exploré pour eux et qui ruisselle de lait et de miel : c' est le plus beau de tous les pays.
Eze / Ez 20.7 Then said I unto them, Cast ye away every man the abominations of his eyes, and defile not yourselves with the idols of Egypt: I am the Lord your God. dia hoy Izaho taminy: Samia manary ny fahavetavetan' ny masonareo avy ianareo, ary aza mandoto tena amin' ny sampin' i Egypta; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Ary hoy aho tamin' izy ireo: Samia hianareo manary ny sampin-doza tsy ho eo anatrehany; aza mandoto tena amin' ny fahavetavetan' i Ejipta; Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. Et je leur ai dit : Rejetez chacun les horreurs qui attirent vos yeux, ne vous souillez pas avec les ordures de l'Égypte, je suis Yahvé votre Dieu.
Eze / Ez 20.8 But they rebelled against me, and would not hearken unto me: they did not every man cast away the abominations of their eyes, neither did they forsake the idols of Egypt: then I said, I will pour out my fury upon them, to accomplish my anger against them in the midst of the land of Egypt. Nefa niodina tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan' ny masony na nahafoy ny sampin' i Egypta, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy eo amin' ny tany Egypta ny fahatezerako. Niodina tamiko anefa izy ireo, fa tsy nety nihaino ahy. Izy ireo tsy mba samy nanary ny sampiny tsy ho eo anatrehany, na niala tamin' ny fahavetavetan' i Ejipta. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin' izy ireo aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany amin' ny tany Ejipta. Mais ils se rebellèrent contre moi et ne voulurent pas m'écouter. Aucun ne rejeta les horreurs qui attiraient ses yeux; ils n' abandonnèrent pas les ordures de l'Égypte. J' eus la pensée de déverser ma fureur sur eux et d' assouvir sur eux ma colère, au milieu du pays d'Égypte.
Eze / Ez 20.9 But I wrought for my name' s sake, that it should not be polluted before the heathen, among whom they were, in whose sight I made myself known unto them, in bringing them forth out of the land of Egypt. Kanefa niasa noho ny amin' ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason' ny jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin' ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta. Nefa nanao ny ataoko aho, noho ny anarako, mba tsy ho voavetaveta izany eo imason' ireo firenena nitoerany; sady teo imason' ireo koa no nanaovako izay hahafantarany ahy, hitondrako azy hivoaka ny tany Ejipta. Mais j' eus égard à mon nom, et je fis en sorte qu' il ne fût pas profané devant les nations au milieu desquelles ils étaient, et aux yeux desquelles je me suis fait connaître à eux pour les faire sortir du pays d'Égypte.
Eze / Ez 20.10 Wherefore I caused them to go forth out of the land of Egypt, and brought them into the wilderness. Koa dia nentiko nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta izy ka nentiko ho any an-efitra. Nentiko nivoaka ny tany Ejipta izy, ary notarihiko ho any an' efitra. Aussi je les fis sortir du pays d'Égypte et je les menai au désert.
...............
Eze / Ez 20.14 But I wrought for my name' s sake, that it should not be polluted before the heathen, in whose sight I brought them out. Kanefa niasa noho ny amin' ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo anatrehan' ny jentilisa izay nahita ay nitondrako azy nivoaka. Nefa nanao ny ataoko aho noho ny anarako mba tsy ho voavetaveta izany eo imason' ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka ny tany Ejipta. Mais j' eus égard à mon nom et je fis en sorte qu' il ne fût pas profané devant les nations, aux yeux desquelles je les avais fait sortir.
...............
Eze / Ez 20.36 Like as I pleaded with your fathers in the wilderness of the land of Egypt, so will I plead with you, saith the Lord GOD. Tahaka ny nifandaharako tamin' ny razanareo tany an-efitry ny tany Egypta, dia toy izany koa no hifandaharako aminareo, hoy Jehovah Tompo. Tahaka ny nifandaharako tamin' ny razanareo tany an' efitry ny tany Ejipta, no hifandaharako aminareo, - teny marin' ny Tompo Iaveh. Comme j' ai jugé vos pères au désert du pays d'Égypte, ainsi je vous jugerai, oracle de Yahvé.
...............
Eze / Ez 23.3 And they committed whoredoms in Egypt; they committed whoredoms in their youth: there were their breasts pressed, and there they bruised the teats of their virginity. ary nijangajanga tany Egypta izy; fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon' ny fahavirijinany. Izy ireo dia nijangajanga tany Ejipta, nijangajanga tamin' ny andro fahatanorany; tany no namihinana ny nonony, tany no nanindriana ny tratran' ny fahavirijiniany. Elles se prostituèrent en Égypte; dès leur jeunesse, elles se prostituèrent. C' est là qu' on a porté la main sur leur poitrine, là qu' on a caressé leur sein virginal.
...............
Eze / Ez 23.8 Neither left she her whoredoms brought from Egypt: for in her youth they lay with her, and they bruised the breasts of her virginity, and poured their whoredom upon her. Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian' ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran' ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy. Tsy nahafoy ny fijangajangany tany Ejipta izy; fa efa nanalabaraka azy tamin' ny andro fahatanorany izy ireo; nanindry ny tratran' ny fahavirijiniany, ary nandefa taminy ny fahalotoany; Elle n' a pas renié ses prostitutions commencées en Égypte, quand ils avaient couché avec elle dès sa jeunesse, caressé son sein virginal en lui prodiguant leurs débauches.
...............
Eze / Ez 23.19 Yet she multiplied her whoredoms, in calling to remembrance the days of her youth, wherein she had played the harlot in the land of Egypt. Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy, ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany, izay nijangajangany tany amin' ny tany Egypta. Nampitomboiny ny fijangajangany; nahatsiahy ny andron' ny fahatanorany, fony izy nijangajanga tany amin' ny tany Ejipta izy. Elle a multiplié ses prostitutions en souvenir de sa jeunesse, lorsqu' elle se prostituait au pays d'Égypte,
...............
Eze / Ez 23.27 Thus will I make thy lewdness to cease from thee, and thy whoredom brought from the land of Egypt: so that thou shalt not lift up thine eyes unto them, nor remember Egypt any more. Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin' ny tany Egypta, fa tsy ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy; hotsarovanao intsony Egypta. Hatsahatro hatreo ny helokao amam-pijangajanganao any amin' ny tany Ejipta; tsy hanopy maso any aminy intsony hianao, na hahatsiaro an' i Ejipta intsony. Je mettrai fin à ton inconduite et à tes prostitutions commencées en Égypte; tu ne lèveras plus les yeux vers eux et tu ne te souviendras plus de l'Égypte.
...............
Eze / Ez 27.7 Fine linen with broidered work from Egypt was that which thou spreadest forth to be thy sail; blue and purple from the isles of Elishah was that which covered thee. Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin' ny moron-dranomasin' i Elisa no eloelonao. Rongony fotsy madinika avy any Ejipta, mbamin' ny amborodaony no natao lain-tsambo ho anao, sady natao faneva ho anao; ny hiasinta sy ny lamba mena mangatrakatraka avy any amin' ny nosy Elisa no lamba temitra ho anao. Le lin brodé d'Égypte fut ta voilure pour te servir de pavillon. La pourpre et l'écarlate des îles d'Élisha te recouvraient.
...............
Eze / Ez 29.2 Son of man, set thy face against Pharaoh king of Egypt, and prophesy against him, and against all Egypt: Ry zanak' olona, manandrifia an' i Farao, mpanjakan' i Egypta, ka maminania ny hamelezana azy mbamin' i Egypta rehetra. Ry zanak' olona, atodiho mankany amin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta ny tavanao, ka maminania ny aminy sy ny amin' i Ejipta manontolo. Fils d' homme, tourne-toi vers Pharaon, roi d'Égypte, et prophétise contre lui et contre l'Égypte tout entière.
Eze / Ez 29.3 Speak, and say, Thus saith the Lord GOD; Behold, I am against thee, Pharaoh king of Egypt, the great dragon that lieth in the midst of his rivers, which hath said, My river is mine own, and I have made it for myself. Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan' i Egypta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin' ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an' ny tenako. Mitenena ka ataovy hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Indro ho avy ao aminao aho, ry Faraona, mpanjakan' i Ejipta, hianao ilay mamba makadiry, mandry eo afovoan' ireo oninao, sy nanao hoe: Ahy ny oniko, fa izaho no nanao azy ho an' ny tenako. Parle et dis-lui : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Je me déclare contre toi, Pharaon, roi d'Égypte, grand crocodile étendu au milieu de ses Nils, qui as dit : " Mon Nil est à moi, c' est moi qui l' ai fait. "
...............
Eze / Ez 29.6 And all the inhabitants of Egypt shall know that I am the Lord, because they have been a staff of reed to the house of Israel. dia ho fantatry ny mponina rehetra any Egypta fa Izaho no Jehovah, satria efa tehina volotara ho an' ny taranak' Isiraely izy. Dia ho fantatry ny mponina rehetra any Ejipta fa Iaveh aho: - satria efa tehina volotara ho an' ny taranak' Israely izy ireo. et tous les habitants de l'Égypte sauront que je suis Yahvé. Car ils ont été un appui de roseau pour la maison d' Israël.
...............
Eze / Ez 29.9 And the land of Egypt shall be desolate and waste; and they shall know that I am the Lord: because he hath said, The river is mine, and I have made it. Ary ny tany Egypta ho rava sy lao; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily, ary izaho no nanao azy, ka ho zary tany lao sy efitra ny tany Ejipta. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh aho. Noho i Faraona nanao hoe: Ahy ny ony, ary izaho no nanao azy; Le pays d'Égypte deviendra désolation et ruine, et l' on saura que je suis Yahvé. Car il a dit : " Le Nil est à moi, c' est moi qui l' ai fait. "
Eze / Ez 29.10 Behold, therefore I am against thee, and against thy rivers, and I will make the land of Egypt utterly waste and desolate, from the tower of Syene even unto the border of Ethiopia. Dia, indro, avy hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Egypta hataoko lao tokoa, eny, sady ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Syena, dia hatramin' ny sisin' i Etiopia. noho izany dia indro aho ho avy ao aminao sy ny oninao; ka ataoko zary zavatra rava sady foana no nidiran-doza ny tany Ejipta, hatrany Migdola ka hatrany Siena, ary hatrany amin' ny sisin' ny tanin' i Etiopia. Eh bien! je me déclare contre toi et contre tes Nils. Je ferai du pays d'Égypte une ruine et une désolation, de Migdol à Syène et jusqu'à la frontière de Kush.
...............
Eze / Ez 29.12 And I will make the land of Egypt desolate in the midst of the countries that are desolate, and her cities among the cities that are laid waste shall be desolate forty years: and I will scatter the Egyptians among the nations, and will disperse them through the countries. Ary hataoko tany rava dia rava ny tany Egypta, ary ho lao dia ho lao efa-polo taona ny tanànany; Eny, haeliko ho any amin' ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ary hahahako any amin' ny tany samy hafa. Ejipta, hataoko tany foana eo amin' ny tany lao rehetra; ary ny tanànany, eo afovoan' ny tanàna rava, dia ho tany lao foana mandritra ny efapolo taona; haeliko any amin' ny firenena ny Ejipsiana, ary hahahako any amin' ny tany samihafa izy. Je ferai du pays d'Égypte une désolation au milieu de pays dévastés; ses villes seront une désolation au milieu de villes détruites, pendant quarante ans. Et je disséminerai les Égyptiens parmi les nations, je les disperserai parmi les pays.
...............
Eze / Ez 29.14 And I will bring again the captivity of Egypt, and will cause them to return into the land of Pathros, into the land of their habitation; and they shall be there a base kingdom. Ary haveriko avy amin' ny fahababoany izy, ka hampodiko any amin' ny tany Patrosa, tany nihaviany, izy; Ary ho fanjakana ambany Egypta; haveriko indray ireo voababo avy any Ejipta, ka hampodiko amin' ny tany Patrosa, any amin' ny nihaviany, ary ao izy dia ho fanjakana ambanimbany. Je ramènerai les captifs égyptiens et je les réinstallerai au pays de Patros, dans leur pays d' origine. Ils y formeront un modeste royaume.
Eze / Ez 29.15 It shall be the basest of the kingdoms; neither shall it exalt itself any more above the nations: for I will diminish them, that they shall no more rule over the nations. Eny, ho ambany noho ny fanjakana hafa izy ka tsy hisandratra ambonin' ny firenena hafa intsony; Fa hohakeleziko izy ka tsy hampanompo ny firenena intsony. Ho fanjakana ambany Ejipta, raha samy fanjakana, ary tsy hisandratra ho ambonin' ny firenena, hohavitsiko ny isany, mba tsy hanapahany ny firenena. L'Égypte sera le plus modeste des royaumes et elle ne s'élèvera plus sur les nations; je la diminuerai pour qu' elle ne s' impose plus aux nations.
...............
Eze / Ez 29.19 Therefore thus saith the Lord GOD; Behold, I will give the land of Egypt unto Nebuchadrezzar king of Babylon; and he shall take her multitude, and take her spoil, and take her prey; and it shall be the wages for his army. Koa izao no lazain' i Jehovah Tompo: Indro, homeko an' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, ny tany Egypta, dia halainy ny hareny, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman' ny miaramilany. Koa izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Indro omeko an' i Nabokodonozora mpanjakan' i Babilona, ny tany Ejipta, ka halainy ny hareny ao; hobaboiny izay azo baboina ao; horobainy izay babo ao, ary hoentiny izay remby azo aminy, dia ho karama izany ho an' ny tafiny. C' est pourquoi, ainsi parle le Seigneur Yahvé : Voici que je livre à Nabuchodonosor, roi de Babylone, le pays d'Égypte. Il en emportera les richesses, il s' emparera de ses dépouilles, il la mettra au pillage, tel sera le salaire de son armée.
Eze / Ez 29.20 I have given him the land of Egypt for his labour wherewith he served against it, because they wrought for me, saith the Lord GOD. Ho valin' ny fanompoana nataony tany Tyro no nanomezako azy ny tany Egypta, satria nataony ho Ahy izany, hoy Jehovah Tompo. Ho valin' ny asa nataony namelezany an' i Tira, omeko azy ny tany Ejipta; satria niasa ho ahy izy ireo - teny marin' ny Tompo Iaveh. Comme salaire pour la peine qu' il a prise, je lui livre le pays d'Égypte car ils ont travaillé pour moi , oracle du Seigneur Yahvé.
...............
Eze / Ez 30.4 And the sword shall come upon Egypt, and great pain shall be in Ethiopia, when the slain shall fall in Egypt, and they shall take away her multitude, and her foundations shall be broken down. Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany. Hisy sabatra ho tonga hamely an' i Ejipta; ary hisy fitebitebena mafy any Etiopia, rahefa hiampatrampatra any Ejipta ny maratra ho faty, rahefa halaina ny hareny, sy horavana ny fanorenany. L'épée viendra en Égypte, l' angoisse au pays de Kush, quand les morts tomberont en Égypte, quand on emportera ses richesses et que ses fondements seront renversés.
...............
Eze / Ez 30.6 Thus saith the Lord; They also that uphold Egypt shall fall; and the pride of her power shall come down: from the tower of Syene shall they fall in it by the sword, saith the Lord GOD. Izao no lazain' i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an' i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan' ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo. Izao no lazain' ny Tompo: Ho lavo ry zareo niankinan' i Ejipta, ary haetry ny fiavonavonan' ny heriny: Hatrany Migdola ka hatrany Siena, dia ho lavon-tsabatra ny olona, - teny marin' ny Tompo Iaveh. Ainsi parle Yahvé. Ils tomberont, les appuis de l'Égypte; il croulera, l' orgueil de sa force : de Migdol à Syène, on y tombera par l'épée, oracle du Seigneur Yahvé.
...............
Eze / Ez 30.8 And they shall know that I am the Lord, when I have set a fire in Egypt, and when all her helpers shall be destroyed. Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay rehetra manampy azy. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh aho, raha avy izay handoroako an' i Ejipta sy hahatorotoro an' izay rehetra manampy azy. Et ils sauront que je suis Yahvé, quand je mettrai le feu à l'Égypte et que se briseront tous ses soutiens.
Eze / Ez 30.9 In that day shall messengers go forth from me in ships to make the careless Ethiopians afraid, and great pain shall come upon them, as in the day of Egypt: for, lo, it cometh. Amin' izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin' ny andro namelezana an' i Egypta izy; Fa, indro, avy izany. Amin' izany andro izany, hisy iraka avy amin' ny anarako handeha an-dakana hampitebiteby an' i Etiopia izay mitoetra tsy amin' ny ahiahy, ka hisy fanahiana lehibe any aminy, toy ny tamin' ny andron' i Ejipta, fa indro tonga izy io. Ce jour-là, les messagers que j' enverrai partiront sur des bateaux pour troubler Kush dans sa sécurité. L' angoisse se répandra chez ses habitants, au jour de l'Égypte - oui! la voici qui vient!
Eze / Ez 30.10 Thus saith the Lord GOD; I will also make the multitude of Egypt to cease by the hand of Nebuchadrezzar king of Babylon. Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Ny tànan' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak' i Egypta. Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Hampitsahatra ny tabataba ben' i Ejipta aho, amin' ny tànan' i Nabokodonozora, mpanjakan' i Babilona. Ainsi parle le Seigneur Yahvé : J' anéantirai la multitude de l'Égypte, par la main de Nabuchodonosor, roi de Babylone.
Eze / Ez 30.11 He and his people with him, the terrible of the nations, shall be brought to destroy the land: and they shall draw their swords against Egypt, and fill the land with the slain. Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin' ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an' i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany. Izy mbamin' ny vahoakany miaraka aminy, firenena masiaka noho ny hafa rehetra, no ho enti-mandrava an' i Ejipta; hanatsoaka sabatra hamelezana an' i Ejipta izy, ka hameno faty ny tany. Lui et son peuple avec lui, la plus barbare des nations, seront amenés pour ravager le pays. Ils tireront l'épée contre l'Égypte et rempliront le pays de cadavres.
...............
Eze / Ez 30.13 Thus saith the Lord GOD; I will also destroy the idols, and I will cause their images to cease out of Noph; and there shall be no more a prince of the land of Egypt: and I will put a fear in the land of Egypt. Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao Memfisa; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin' ny tany Egypta; Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Hofoanako ny sampim-betaveta, holevoniko ny andriamanitra tsy izy ao Nofa, tsy hisy mpanapaka intsony, avy amin' ny tany Ejipta, ary hanidinako tahotra ny tany Ejipta. Ainsi parle le Seigneur Yahvé : J' anéantirai les ordures, j'ôterai de Noph les faux dieux. Il n' y aura plus de prince au pays d'Égypte. Je répandrai la crainte au pays d'Égypte.
...............
Eze / Ez 30.15 And I will pour my fury upon Sin, the strength of Egypt; and I will cut off the multitude of No. Hampidina ny fahatezerako amin' i Sina, fiarovana mafy any Egypta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No. hampidina ny hatezerako amin' i Sina, trano mimandan' i Ejipta; ary hofongorako ny vahoaka be any No. Je déverserai ma fureur sur Sîn, la forteresse de l'Égypte; j' exterminerai la multitude de No.
Eze / Ez 30.16 And I will set fire in Egypt: Sin shall have great pain, and No shall be rent asunder, and Noph shall have distresses daily. Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa dia hasian' ny fahavalo antoandro. Ejipta hodorako, Sina, hiolanolana mijaly; No, halana an-keriny; ary Nofa, hanihim-pahavalo antoandrobe. Je mettrai le feu à l'Égypte, Sîn sera pris de convulsions, à No, on ouvrira une brèche et les eaux se répandront.
...............
Eze / Ez 30.18 At Tehaphnehes also the day shall be darkened, when I shall break there the yokes of Egypt: and the pomp of her strength shall cease in her: as for her, a cloud shall cover her, and her daughters shall go into captivity. Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan' i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan' ny heriny; Ho voasaron' ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy. Ao Tafnesa ho maizina ny andro, raha avy izay hanapahako ao ny jiogan' i Ejipta, sy hitsaharan' ny fiavonavonan' ny heriny; ho voasaron-drahona izy, ary ho lasan-ko babo ny zanany vavy. A Tahpanhès, le jour deviendra ténèbres quand j' y briserai les sceptres de l'Égypte et que l' orgueil de sa force prendra fin. Quant à elle, un nuage la couvrira et ses filles iront en captivité.
Eze / Ez 30.19 Thus will I execute judgments in Egypt: and they shall know that I am the Lord. Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an' i Egypta; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Hanao fitsarana an' i Ejipta aho, ka ho fantatry ny olona fa Iaveh aho. C' est ainsi que je ferai justice de l'Égypte, et l' on saura que je suis Yahvé.
...............
Eze / Ez 30.21 Son of man, I have broken the arm of Pharaoh king of Egypt; and, lo, it shall not be bound up to be healed, to put a roller to bind it, to make it strong to hold the sword. Ry zanak' olona, ny sandrin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra. Ry zanak' olona, ny sandrin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta, dia notapahako, ka indro tsy notsaboina, tsy nasiam-panafody na nopetahana bandy, hitsaboana azy mba hahatanjaka azy, hahatan-tsabatra. Fils d' homme, j' ai brisé le bras de Pharaon, roi d'Égypte, et voici que nul n' a pansé sa blessure en y appliquant des remèdes, en y mettant un bandage et en le pansant pour qu' il retrouve la force de manier l'épée.
Eze / Ez 30.22 Therefore thus saith the Lord GOD; Behold, I am against Pharaoh king of Egypt, and will break his arms, the strong, and that which was broken; and I will cause the sword to fall out of his hand. Koa izany no nanaovan' i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an' i Farao, mpanjakan' i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho. Ka izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Indro aho ho avy amin' ny Faraona mpanjakan' i Ejipta; hotapahako ny sandriny roa, na ny mbola matanjaka na ilay efa tapaka, ary hataoko latsaka ny sabatra eny an-tànany. C' est pourquoi, ainsi parle le Seigneur Yahvé. Voici que je me déclare contre Pharaon, roi d'Égypte; je lui briserai les bras, celui qui est valide et celui qui est brisé, et je ferai tomber l'épée de sa main.
...............
Eze / Ez 30.25 But I will strengthen the arms of the king of Babylon, and the arms of Pharaoh shall fall down; and they shall know that I am the Lord, when I shall put my sword into the hand of the king of Babylon, and he shall stretch it out upon the land of Egypt. Eny, hampahatanjahiko ny sandrin' ny mpanjakan' i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin' i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tànan' ny mpanjakan' i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany Egypta. Ny sandrin' ny mpanjakan' i Babilona, hohatanjahako; ny sandrin' i Faraona kosa hianjera; ary ho fantatry ny olona fa Iaveh aho, rahefa ataoko eo an-tanan' ny mpanjakan' i Babilona ny sabatro; ka hoentiny mamely ny tany Ejipta. Je fortifierai les bras du roi de Babylone, mais les bras de Pharaon tomberont. Et l' on saura que je suis Yahvé, quand je mettrai mon épée dans les mains du roi de Babylone et qu' il la brandira contre le pays d'Égypte.
...............
Eze / Ez 31.2 Son of man, speak unto Pharaoh king of Egypt, and to his multitude; Whom art thou like in thy greatness? Ry zanak' olona, ataovy amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, sy amin' ny vahoakany maro be hoe: Tahaka an' iza moa ianao amin' ny fahalehibiazanao ? Ry zanak' olona, lazao amin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta sy amin' ny vahoakany maro hoe: Tahaka an' iza moa hianao, amin' ny fahalehibeazanao? Fils d' homme, dis à Pharaon, roi d'Égypte, et à la multitude de ses sujets : A quoi te comparer dans ta grandeur ?
...............
Eze / Ez 32.2 Son of man, take up a lamentation for Pharaoh king of Egypt, and say unto him, Thou art like a young lion of the nations, and thou art as a whale in the seas: and thou camest forth with thy rivers, and troubledst the waters with thy feet, and fouledst their rivers. Ry zanak' olona, manaova hira fahalahelovana ny amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin' ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin' ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin' ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin' ny tongotrao ka nahaloto ny ony. Ry zanak' olona, manaova hira fitomaniana an' i Faraona, mpanjakan' i Ejipta, ka lazao aminy hoe: Ry lionan' ny firenena ocirc;, levona hianao! Tahaka ny mamba teo anatin' ny ranomasina hianao, niezaka tany amin' ny oninao hianao, ary nanakobana ny ranony tamin' ny tongotrao, ary nandoto ny lakan-dranony. Fils d' homme, prononce une complainte sur Pharaon, roi d'Égypte. Tu lui diras : Lionceau des nations, te voilà anéanti! Tu étais comme un crocodile dans les mers, tu bondissais dans tes fleuves, tu troublais l' eau avec tes pattes, tu en agitais les flots.
...............
Eze / Ez 32.12 By the swords of the mighty will I cause thy multitude to fall, the terrible of the nations, all of them: and they shall spoil the pomp of Egypt, and all the multitude thereof shall be destroyed. Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra amin' ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao maro be, dia horavany ny reharehan' i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro be rehetra. Ny ankabeazam-bahoaka, hataoko lavo, amin' ny sabatry ny mahery, izay masiaka eo amin' ny firenena rehetra; haongany ny reharehan' i Ejipta, ary ny vahoaka rehetra ao aminy ho voafongotra. Par l'épée des guerriers, je ferai tomber la multitude de tes sujets. Ce sont les plus barbares des nations; elles anéantiront l' orgueil de l'Égypte, et toute sa multitude sera détruite.
...............
Eze / Ez 32.15 When I shall make the land of Egypt desolate, and the country shall be destitute of that whereof it was full, when I shall smite all them that dwell therein, then shall they know that I am the Lord. Raha hataoko lao ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo; Ary haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Rahefa avy izay hampanjariako ho tany lao ny tany Ejipta, sy izay hahafoana ny tany amin' ny zavatra ao aminy, ary hamelezako ny mponina rehetra ao aminy, dia ho fantatr' izy ireo fa Iaveh aho. Quand je ferai du pays d'Égypte une désolation, et que le pays sera dépouillé de ce qu' il contient, quand je frapperai tous ceux qui l' habitent, ils sauront que je suis Yahvé.
Eze / Ez 32.16 This is the lamentation wherewith they shall lament her: the daughters of the nations shall lament her: they shall lament for her, even for Egypt, and for all her multitude, saith the Lord GOD. Izany no hira fahalahelovana hataon' ny olona; Ny zanakavavin' ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an' i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo. Izany no hira fitomaniana, ka hotononin' ny olona io, hotononin' ny zanakavavin' ny firenena; hotononiny momba an' i Ejipta sy ny vahoakany be rehetra; - teny marin' ny Tompo Iaveh. Telle est la complainte que crieront les filles des nations. Elles la crieront sur l'Égypte et sur toute multitude. Elles crieront cette complainte, oracle du Seigneur Yahvé.
...............
Eze / Ez 32.18 Son of man, wail for the multitude of Egypt, and cast them down, even her, and the daughters of the famous nations, unto the nether parts of the earth, with them that go down into the pit. Ry zanak' olona, isaony ny vahoaka maroben' i Egypta, ary ampidino izy mbamin' ny zanakavavin' ny firenena malaza ho any ambanin' ny tany, miaraka amin' izay midina any an-davaka. Ry zanak' olona, midridridridria momba ny vahoakaben' i Ejipta; ampidino izy, mbamin' ny zanakavavin' ireo firenena malaza, ho any ambanin' ny tany, miaraka amin' izay midina any an-davaka. Fils d' homme, lamente-toi sur la multitude de l'Égypte et fais-la descendre avec les filles des nations, majestueuses, vers le pays souterrain, avec ceux qui descendent dans la fosse.
...............
Eze / Ez 32.20 They shall fall in the midst of them that are slain by the sword: she is delivered to the sword: draw her and all her multitudes. Any amin' ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; Ny sabatra dia efa voatolotra; Tariho izy mbamin' ny vahoakany maro be rehetra. Hiampatrampatra eo afovoan' ny voatrobaky ny sabatra izy ireo! Efa voatolotra ny sabatra; tariho Ejipta, mbamin' ny vahoakany maro be rehetra. Au milieu des victimes de l'épée, ils sont tombés l'épée a été donnée, on l' a tirée , lui et toutes ses multitudes.

  Book of Daniel Daniela Daniely Livre de Daniel
...............
Dan / Da 9.15 And now, O Lord our God, that hast brought thy people forth out of the land of Egypt with a mighty hand, and hast gotten thee renown, as at this day; we have sinned, we have done wickedly. Koa ankehitriny, Tompo Andriamanitray ô, Izay nitondra ny olonao nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta tamin' ny tanana mahery ka nanao anarana ho Anao tahaka ny amin' izao anio izao, efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay. Koa ankehitriny, ry Tompo, Andriamanitray ô, izay nanala ny vahoakanao avy any amin' ny tany Ejipta tamin' ny tànanao mahery, sy nanao anarana ho anao, tahaka ny amin' izao anio izao, efa nanota izahay, efa ratsy izahay. Et maintenant, Seigneur notre Dieu, qui par ta main puissante as fait sortir ton peuple du pays d' Egypte, et ton renom en perdure jusqu'à ce jour , nous avons péché, nous avons commis le mal.
...............
Dan / Da 11.8 And shall also carry captives into Egypt their gods, with their princes, and with their precious vessels of silver and of gold; and he shall continue more years than the king of the north. Ary ny andriamaniny koa mbamin' ny sarin-javatra an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny volafotsy na ny volamena, dia hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely ny mpanjakan' ny avaratra izy. Hoentiny ho babo any Ejipta hatramin' ny andriamaniny, ny sarin-javatra anidiny, ny fanaka sarobidiny, na ny volamena na ny volafotsy; ary hahombiazany ny mpanjakan' ny Avaratra mandritra ny taona maro, Leurs dieux mêmes, leurs statues et leurs vases précieux d' argent et d' or seront le butin qu' il emportera en Egypte. Pendant quelques années il se tiendra à distance du roi du Nord.
...............
Dan / Da 11.42 He shall stretch forth his hand also upon the countries: and the land of Egypt shall not escape. Haninjitra ny tànany amin' ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra. Haninjitra ny tànany amin' ny tany sasany izy, ka tsy ho afa-mandositra ny tany Ejipta. Il étendra sa main sur les pays : le pays d' Egypte n' y échappera point.
Dan / Da 11.43 But he shall have power over the treasures of gold and of silver, and over all the precious things of Egypt: and the Libyans and the Ethiopians shall be at his steps. Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan' i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy. Ho lasany avokoa ny rakitra volamena sy volafotsy mbamin' ny zava-tsoan' i Ejipta rehetra; handeha hanaraka azy ny Libiana sy ny Etiopiana. Il aura en son pouvoir les trésors d' or et d' argent et toutes les choses précieuses d' Egypte. Libyens et Kushites seront à ses pieds.

  Book of Hosea Hosea Osea Livre d'Osée
...............
Hos / Os 2.17 For I will take away the names of Baalim out of her mouth, and they shall no more be remembered by their name. Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin' ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin' ny andro niakarany avy tany amin' ny tany Egypta. ary avy ao homeko azy ny tanim-boalobony, mbamin' ny lohasaha Akhora ho varavaram-panantenana; ka any izy hamaly toy ny tamin' ny andro fahatanorany, sy toy ny tamin' ny andro niakarany avy any amin' ny tany Ejipta. Là, je lui rendrai ses vignobles, et je ferai du val d' Akor une porte d' espérance. Là, elle répondra comme aux jours de sa jeunesse, comme au jour où elle montait du pays d'Égypte.
...............
Hos / Os 7.11 Ephraim also is like a silly dove without heart: they call to Egypt, they go to Assyria. Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an' i Egypta izy ary efa mankany Asyria. Efraima tonga hoatra ny domoina, adaladala tsy misy saina; miantso an' i Ejipta, mankany Asiria. Éphraïm est une colombe naïve, sans cervelle; ils appellent l'Égypte, ils vont en Assur,
...............
Hos / Os 7.16 They return, but not to the most High: they are like a deceitful bow: their princes shall fall by the sword for the rage of their tongue: this shall be their derision in the land of Egypt. Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin' ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin' ny tany Egypta. Mitodika izy, fa tsy ho any amin' ny ambony; manahaka ny tsipìka mivaona: ho lavon' ny sabatra ny mpanapaka azy, noho ny fisafoaky ny lelany; ary handatsana azy izany any amin' ny tany Ejipta. Ils se tournent vers ce qui n' est rien, ils sont comme un arc trompeur. Leurs chefs tomberont sous l'épée à cause de la fureur de leur langue, et l' on se moquera bien d' eux au pays d'Égypte...
...............
Hos / Os 8.13 They sacrifice flesh for the sacrifices of mine offerings, and eat it; but the Lord accepteth them not; now will he remember their iniquity, and visit their sins: they shall return to Egypt. Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan' izany, nefa tsy sitrak' i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta. Ny sorona aterin' izy ireo ho ahy, dia ny henan' ny zavatra vonoiny sy haniny; tsy ankasitrahan' ny Tompo izany. Hahatsiaro ny helok' izy ireo izy ankehitriny, ka hanasazy ny fahotany: hiverina any Ejipta izy ireo. Les sacrifices qu' ils m' offrent, ils les sacrifient, ils en mangent la viande, mais Yahvé ne les agrée pas. Maintenant, il va se souvenir de leur faute et châtier leurs péchés : ils retourneront, eux, en Égypte.
...............
Hos / Os 9.3 They shall not dwell in the Lord' s land; but Ephraim shall return to Egypt, and they shall eat unclean things in Assyria. Tsy honina ao amin' ny tanin' i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria. Tsy honina eo amin' ny tanin' ny Tompo izy ireo; fa hiverina ho any Ejipta Efraima, ary hihinana ny zava-padina any Asiria izy ireo. Ils n' habiteront pas au pays de Yahvé, Éphraïm retournera en Égypte, et en Assur, ils mangeront des mets impurs.
...............
Hos / Os 9.6 For, lo, they are gone because of destruction: Egypt shall gather them up, Memphis shall bury them: the pleasant places for their silver, nettles shall possess them: thorns shall be in their tabernacles. Fa he! lasa izy noho ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan' ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy. Fa indro lasa izy ireo teo anatrehan' ny fandringanana: i Ejipta handray azy, ary Memfisy handevina azy; ny fanaka volafotsiny sarobidy, ho rembin' ny beroberokamboa ny lainy ho tongan' ny tsilo. Car voilà qu' ils sont partis devant la dévastation; l'Égypte les rassemblera, Memphis les ensevelira, leurs objets précieux, l' ortie en héritera, et l'épine envahira leurs tentes.
Hos / Os 11.1 When Israel was a child, then I loved him, and called my son out of Egypt. Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako. Tia an' Israely aho fony mbola zaza izy; ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako. Quand Israël était jeune, je l' aimai, et d'Égypte j' appelai mon fils.
...............
Hos / Os 11.5 He shall not return into the land of Egypt, and the Assyrian shall be his king, because they refused to return. Tsy hiverina ho any amin' ny tany Egypta izy, fa Asyria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy. Tsy hiverina ho any amin' ny tany Ejipta izy; ary Asora no ho mpanjakany, noho izy tsy nety nibebaka. Il ne reviendra pas au pays d'Égypte, mais Assur sera son roi. Puisqu' il a refusé de revenir à moi,
...............
Hos / Os 11.11 They shall tremble as a bird out of Egypt, and as a dove out of the land of Assyria: and I will place them in their houses, saith the Lord. Hanatona amin-kovitra avy any Egypta toy ny voronkely izy, ary avy any amin' ny tany Asyria toy ny voromailala; Ka dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy Jehovah. Hidodododo avy any Ejipta izy ireo, mangovitra toy ny voronkely ary avy any amin' ny tany Asora toy ny domohina; ka hamponeniko ao an-tranony, - teny marin' ny Tompo. comme un passereau ils viendront en tremblant de l'Égypte, comme une colombe, du pays d' Assur, et je les ferai habiter dans leurs maisons, oracle de Yahvé.
...............
Hos / Os 12.2 The Lord hath also a controversy with Judah, and will punish Jacob according to his ways; according to his doings will he recompense him. Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin' ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta. Efraima, mihinan-drivotra, sy manenjika ny rivotra avy atsinanana. Mampiavosa lainga amam-pandozana mandritra ny andro izy; manao fanekena amin' i Asora izy ireo, ka entina ho any Ejipta ny diloilo. Éphraïm se repaît de vent, tout le jour il poursuit le vent d' est; il multiplie mensonge et fausseté : on conclut alliance avec Assur, on porte de l' huile à l'Égypte.
...............
Hos / Os 12.10 I have also spoken by the prophets, and I have multiplied visions, and used similitudes, by the ministry of the prophets. Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin' ny tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin' ny fotoam-pivavahana. Ary izaho no Iaveh Andriamanitrao hatrany amin' ny tany Ejipta; mbola hampitoetra an-day anao aho toy ny amin' ny andro fety. Je suis Yahvé, ton Dieu, depuis le pays d'Égypte. Je te ferai encore habiter sous les tentes comme aux jours du Rendez-vous.
...............
Hos / Os 12.14 Ephraim provoked him to anger most bitterly: therefore shall he leave his blood upon him, and his reproach shall his Lord return unto him. Mpaminany no nentin' i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan' ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony. Ary mpaminany no nentin' Andriamanitra nampiakatra an' Israely avy tany Ejipta, mpaminany no nentiny niahy azy. Mais par un prophète, Yahvé fit monter Israël d'Égypte, et par un prophète il fut gardé.
...............
Hos / Os 13.4 Yet I am the Lord thy God from the land of Egypt, and thou shalt know no god but me: for there is no saviour beside me. Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin' ny tany Egypta, ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao, sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho. Ary izaho no Iaveh, Andriamanitrao, hat' rany amin' ny tany Ejipta; tsy hahalala Andriamanitra hafa-tsy izaho hianao; ary eo ivelan' ny tenako tsy misy mpamonjy. Pourtant moi je suis Yahvé, ton Dieu, depuis le pays d'Égypte, de Dieu, excepté moi, tu n' en connais pas, et de sauveur, il n' en est pas en dehors de moi.

  Book of Joel Joela Joely Livre de Joêl
...............
Joe / Jl 3.21 For I will cleanse their blood that I have not cleansed: for the Lord dwelleth in Zion. Fa, indro, amin' ireo andro ireo sy amin' izany fotoana izany, raha hampodiko ny Joda sy Jerosalema avy amin' ny fahababoany, Dia hangoniko ny jentilisa rehetra ka ho entiko midina ao amin' ny Lohasahan' i Josafata, ary ao no hifandaharako aminy noho ny amin' ny Isiraely, oloko sy lovako, izay naeliny tany amin' ny jentilisa; Ary nozarazarainy ny taniko, Sady nanaovany loka ny oloko, dia zazalahy no nataony takalon' ny vehivavy janga, ary zazavavy no namidiny divay ka nosotroiny. Ary ianareo koa, ry Tyro sy Sidona, sy ry tany Filistia rehetra, moa mampaninona Ahy akory ianareo? Hamaly Ahy va ianareo, sa hanahoana Ahy? Faingana dia faingana no hanatsingerenako ny nataonareo ho eo an-dohanareo, Noho ny natanareo ny volafotsiko sy ny volamenako, sy ny nitondranareo ny zava-tsoako mahafinaritra ho ao amin' ny tempolinareo; Ary ny zanak' i Joda sy ny zanak' i Jerosalema dia namidinareo tamin' ny zanaky ny Grika, hamindranareo azy hanalavitra ny taniny. Indro, hofohaziko izy hiala ny amin' ny tany Izay nahaverezany noho ny nahalafosanareo azy, ary hatsingeriko ho eo an-dohanareo ny nataonareo, Ka hamidiko ho lasan' ny zanak' i Joda kosa ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ary hamidiny amin' ny Sabeana kosa ireny, dia ho an' izay firenena lavitra; Fa Jehovah no efa niteny. Antsoy any amin' ny jentilisa izany, miantsoa hanao ady masina, fohazy ny lehilahy mahery, aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra; Tefeo ho sabatra ny fangadinareo, ary ho lefona ny antsinareo fanetezam-boaloboka; Aoka izay kelikely aina hihiaka hoe: Mahery aho! Avia faingana, ianareo jentilisa rehetra avy eny manodidina eny, dia ento midina ao ny maherinao, Jehovah ô. Hifoha ny jentilisa ka hiakatra ho ao amin' ny Lohasahan' i Josafata; Fa ao no hipetrahako hitsara ny jentilisa rehetra avy eny manodidina eny. Arosoy ny fijinjana, fa masaka ny vokatra; Avia ianareo, ka manosihose, fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany. He izany vahoaka mireondreona ao amin' ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron' i Jehovah ao amin' ny lohasaha fitsarana. Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra, Jehovah mierona ao Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro ny tany aman-danitra; Fa Jehovah no fialofan' ny olony sy fiarovana mafy ho an' ny Zanak' Isiraely. Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina; Dia ho masina Jerosalema, ary ny hafa firenena tsy mba handeha hamaky eo intsony. Amin' izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny havoana, ho feno rano ny lohasahan-driak' i Joda rehetra, ary hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon' i Jehovah ka handena ny lohasahan-driak' i Sitima. Egypta kosa ho tonga tany lao, ary Edoma ho efitra foana, noho ny fampahoriana ny taranak' i Joda, dia ny nandatsahany rà marina teo amin' ny taniny. Fa Joda honenana mandrakizay, ary Jerosalema hatramin' ny taranaka fara mandimby. Ary hamaly ny rà marina izay tsy mbola novaliako Aho; Fa Jehovah monina ao Ziona.
...............
Joe / Jl 4.19 Ejipta kosa, hanjary tany lao, Edoma ho efitra faharavana, noho ny fahasiahana namelezany ny taranak' i Jodà, fa nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny teo amin' ny taniny izy ireo. L'Égypte deviendra une désolation, Édom une lande désolée, à cause des violences exercées contre les fils de Juda dont ils ont versé le sang innocent dans leur pays.

  Book of Amos Amosa Amosy Livre d'Amos
...............
Amo / Am 2.10 Also I brought you up from the land of Egypt, and led you forty years through the wilderness, to possess the land of the Amorite. Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin' ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin' ny Amorita, Nitondra anareo niakatra avy any amin' ny tany Ejipta anefa aho, sy nitari-dàlana anareo, efapolo taona, tany an' efitra, mba hametrahako anareo ho tompon' ny tanin' ny Amoreana. Et moi, je vous avais fait monter du pays d'Égypte, et pendant quarante ans, menés dans le désert, pour que vous possédiez le pays de l' Amorite !
Amo / Am 3.1 Hear this word that the Lord hath spoken against you, O children of Israel, against the whole family which I brought up from the land of Egypt, saying, Henoy izao teny izao, izay lazain' i Jehovah ny aminareo, ry Zanak' Isiraely, dia ny amin' io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin' ny tany Egypta io: Henoy izao teny izao notononin' ny Tompo ny aminareo, ry zanak' Israely, ny amin' ny fianakaviana rehetra nentiko niakatra avy any amin' ny tany Ejipta, - dia ireto hoe: Écoutez cette parole que Yahvé prononce contre vous, enfants d' Israël, contre toute la famille que j' ai fait monter du pays d'Égypte :
...............
Amo / Am 3.9 Publish in the palaces at Ashdod, and in the palaces in the land of Egypt, and say, Assemble yourselves upon the mountains of Samaria, and behold the great tumults in the midst thereof, and the oppressed in the midst thereof. Ambarao ao an-tranoben' i Asdoda sy ao an-tranobe any amin' ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr' i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny. Ampandreneso eo ambonin' ny lapan' i Azota izao teny izao, ary eo ambonin' ny lapan' ny mpanjakan' i Ejipta koa, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr' i Samaria hianareo, ka zahao izato fikorontanam-be ao aminy, sy izato fahasiahana ao anatiny. Proclamez-le sur les palais d' Assur et sur les palais du pays d'Égypte; dites : rassemblez-vous sur les monts de Samarie, et voyez, que de désordres au milieu d' elle et que d' oppression en son sein !
...............
Amo / Am 4.10 I have sent among you the pestilence after the manner of Egypt: your young men have I slain with the sword, and have taken away your horses; and I have made the stink of your camps to come up unto your nostrils: yet have ye not returned unto me, saith the Lord. Efa naterako areti-mandringana tahaka ny any Egypta ianareo; Novonoiko sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; Ary nampakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan' ny tobinareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. Hianareo, nanirahako ny pesta; toy ny fisian' izany any Ejipta; novonoiko tamin' ny sabatra ny zatovonareo, ary tamin' izay indrindra no nisamborana ny soavalinareo; nampanetona ny hamaimbon' ny tobinareo aho ka tonga eo am-bavoronareo; nefa tsy niverina tamiko hianareo, - teny marin' ny Tompo. J' ai envoyé parmi vous une peste, comme la peste d'Égypte; j' ai tué vos jeunes gens par l'épée, tandis que vos chevaux étaient capturés; j' ai fait monter à vos narines la puanteur de vos camps; et vous n'êtes pas revenus à moi ! Oracle de Yahvé.
...............
Amo / Am 8.8 Shall not the land tremble for this, and every one mourn that dwelleth therein? and it shall rise up wholly as a flood; and it shall be cast out and drowned, as by the flood of Egypt. Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an' i Neily sy hihena indray toy ny Neilin' i Egypta. Noho izany, tsy hihorohoro va ny tany, ary tsy hisaona va ny mponina rehetra eo aminy? Hisondrotra tahaka an' i Nila ny tany manontolo, hisondrotra sy hietry tahaka an' i Nilan' i Ejipta izy. A cause de cela la terre ne tremble-t-elle pas ? Tous ceux qui l' habitent ne sont-ils pas en deuil ? Elle monte, comme le Nil, tout entière, elle gonfle et puis retombe, comme le Nil d'Égypte.
...............
Amo / Am 9.5 And the Lord GOD of hosts is he that toucheth the land, and it shall melt, and all that dwell therein shall mourn: and it shall rise up wholly like a flood; and shall be drowned, as by the flood of Egypt. Ary Jehovah, Tompon' ny maro, no manendry ny tany, ka dia miempo izany, ka misaona ny mponina rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka tahaka an' i Neily avokoa Izany, ary hihena indray izy toy ny Neilin' i Egypta, Ny Tompo Iavehn' ny tafika mikasika ny tany ka miempo izy, ary misaona avokoa ny mponina eo aminy; misondrotra tahaka an' i Nila izy manontolo, ary mietry tahaka ny onin' i Ejipta, izy. Et le Seigneur Yahvé Sabaot... Il touche la terre et elle se dissout, et tous ses habitants sont en deuil; elle monte comme le Nil, tout entière, et puis retombe comme le Nil d'Égypte.
...............
Amo / Am 9.7 Are ye not as children of the Ethiopians unto me, O children of Israel? saith the Lord. Have not I brought up Israel out of the land of Egypt? and the Philistines from Caphtor, and the Syrians from Kir? Moa tsy toy ny taranaky ny Etiopiana va ianareo raha amiko, ry Zanak' Isiraely? hoy Jehovah. Tsy ny Isiraely va no nentiko nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta. Ary ny Filistina avy tany Kaftora, Ary ny Syriana avy tany Kira? Moa tsy toy ny taranaky ny Kosita va hianareo, raha amiko, ry zanak' Israely, - teny marin' ny Tompo? Moa Israely va, tsy nentiko niakatra avy any amin' ny tany Ejipta, sy ny Filistina avy tany Kafitora, ary ny Siriana avy tany Kira? N'êtes-vous pas pour moi comme des Kushites, enfants d' Israël ? - oracle de Yahvé - N' ai-je pas fait monter Israël du pays d'Égypte, et les Philistins de Kaphtor et les Araméens de Qir ?

  Book of Micah Mika Mikea Livre de Michée
...............
Mik / Mi 6.4 For I brought thee up out of the land of Egypt, and redeemed thee out of the house of servants; and I sent before thee Moses, Aaron, and Miriam. Fa nentiko niakatra avy tany amin' ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin' ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama. Fa nitondra anao niakatra avy any amin' ny tany Ejipta aho, ary nanavotra anao tamin' ny andro nahandevozana; ary naniraka teo anoloanao, an' i Moizy sy Aarona ary Maria. Car je t' ai fait monter du pays d'Égypte, je t' ai racheté de la maison de servitude; j' ai envoyé devant toi Moïse, Aaron et Miryam.
...............
Mik / Mi 7.12 In that day also he shall come even to thee from Assyria, and from the fortified cities, and from the fortress even to the river, and from sea to sea, and from mountain to mountain. Amin' izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin' ny tanànan' i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin' ny Ony, Ary hatramin' ny ranomasina ka hatramin' ny ranomasina, Ary hatramin' ny tendrombohitra ka hatramin' ny tendrombohitra. Amin' izany andro izany, ho tonga hatr' aty aminao ny olona, avy any Asiria sy avy any amin' ireo tanànan' i Ejipta avy any Ejipta, ka hatr' any amin' ny ony, hatramin' ny ranomasina iray ka hatramin' ny ranomasina hafa, ary hatramin' ny tendrombohitra iray, ka hatramin' ny tendrombohitra hafa. ce jour-là, on viendra jusqu'à toi depuis l' Assyrie jusqu'à l'Égypte, depuis Tyr jusqu' au Fleuve, de la mer à la mer, de la montagne à la montagne.
...............
Mik / Mi 7.15 According to the days of thy coming out of the land of Egypt will I shew unto him marvellous things. Toy ny tamin' ny andro nivoahanao avy tany amin' ny tany Egypta no hanehoako azy zava-mahagaga. Toy ny tamin' ny andro nivoahanao avy any amin' ny tany Ejipta, haneho zava-mahagaga aminy aho. Comme aux jours où tu sortis du pays d'Égypte, fais-nous voir des merveilles!

  Book of Nahum Nahoma Nahoma Livre de Nahum
...............
Nah Na 3.9 Ethiopia and Egypt were her strength, and it was infinite; Put and Lubim were thy helpers. Ny Etiopiana sy ny Egyptiana no heriny, Sady tsy hita lany ireny; Ny Lydiana sy ny Libyana no mpanampy azy. Etiopia no heriny, mbamin' ny Ejipta koa, ary be tsy hita isa ireny; Foty sy ny Libiana no mpanampy anao. Sa puissance, c'était Kush et l'Égypte, sans fin. Put et les Libyens étaient ses auxiliaires.

  Book of Haggai Hagay Akjea Livre d'Aggée
...............
Hag 2.5 According to the word that I covenanted with you when ye came out of Egypt, so my spirit remaineth among you: fear ye not. araka ny teny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra ianareo. Mbola eo ihany ny fanekena nataoko taminareo, fony hianareo nivoaka avy tany Ejipta; ary mitoetra eo aminareo ny Fanahiko; koa aza matahotra akory. et mon Esprit demeure au milieu de vous. Ne craignez pas !

  Book of Zechariah Zakaria Zakaria Livre de Zacharie
...............
Zak / Za 10.10 I will bring them again also out of the land of Egypt, and gather them out of Assyria; and I will bring them into the land of Gilead and Lebanon; and place shall not be found for them. Dia hampody azy avy any amin' ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin' ny tany- Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany Hampodiko avy any amin' ny tany Ejipta izy ireo, sy hangoniko avy any Asiria, dia hoentiko ho ao amin' ny tany Galaada sy Libàna ka tsy ho omby azy ny tany. Je les ramènerai de la terre d'Égypte et d' Assur je les rassemblerai; dans la terre de Galaad et du Liban je les ferai entrer et cela ne leur suffira pas.
Zak / Za 10.11 And he shall pass through the sea with affliction, and shall smite the waves in the sea, and all the deeps of the river shall dry up: and the pride of Assyria shall be brought down, and the sceptre of Egypt shall depart away. Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin' i Neily rehetra, Haetry ny avonavon' i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan' i Egypta. Hamaky ny ranomasina, ranomasim-pahoriana izy; sy hikapoka ny onjan-dranomasina ao amin' ny rano, dia ho tonga maina avokoa ny halalinan' ny ony. Haetry ny avonavon' i Asiria, ary halana ny tehim-panjakan' i Ejipta. Ils traverseront la mer d'Égypte et il frappera les flots dans la mer , toutes les profondeurs du Nil seront asséchées, l' orgueil d' Assur sera abattu et enlevé le sceptre de l'Égypte.
...............
Zak / Za 14.18 And if the family of Egypt go not up, and come not, that have no rain; there shall be the plague, wherewith the Lord will smite the heathen that come not up to keep the feast of tabernacles. Ary raha ny firenen' i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan' i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. Ary raha ny fianakavian' i Ejipta no tsy miakatra sy tsy tonga, dia tsy hilatsahan' ny ranonorana koa izy, sady hasian' ny fery hamelezan' ny Tompo an' izay tsy miakatra hankalaza ny fetin' ny Tabernakla. Si la famille d'Égypte ne monte pas et ne vient pas, il y aura sur elle la plaie dont Yahvé frappe les nations qui ne monteront pas célébrer la fête des Tentes.
Zak / Za 14.19 This shall be the punishment of Egypt, and the punishment of all nations that come not up to keep the feast of tabernacles. Izany no fampijaliana an' i Egypta sy fampijaliana ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. Izany no sazy hanjo an' i Ejipta sady sazy hanjo ny firenena rehetra, izay tsy miakatra hankalaza ny fetin' ny Tabernakla. Telle sera la punition de l'Égypte et la punition de toutes les nations qui ne monteront pas célébrer la fête des Tentes.

  The Gospel according to Matthew Matio Matio L'Évangile selon Saint Matthieu
...............
Mat / Mt 2.13 And when they were departed, behold, the angel of the Lord appeareth to Joseph in a dream, saying, Arise, and take the young child and his mother, and flee into Egypt, and be thou there until I bring thee word: for Herod will seek the young child to destroy him. Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin' ny Tompo niseho tamin' i Josefa tamin' ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. Nony lasa izy ireo, indro nisy anjelin' ny Tompo niseho tamin' i Josefa tamin' ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, ary mandosira any Ejipta, dia mitoera any ambara-pilazako aminao indray, fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. Après leur départ, voici que l' Ange du Seigneur apparaît en songe à Joseph et lui dit : " Lève-toi, prends avec toi l' enfant et sa mère, et fuis en Égypte ; et restes-y jusqu'à ce que je te dise. Car Hérode va rechercher l' enfant pour le faire périr. "
Mat / Mt 2.14 When he arose, he took the young child and his mother by night, and departed into Egypt: Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta; Mbola alina dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta. Il se leva, prit avec lui l' enfant et sa mère, de nuit, et se retira en Égypte ;
Mat / Mt 2.15 And was there until the death of Herod: that it might be fulfilled which was spoken of the Lord by the prophet, saying, Out of Egypt have I called my son. ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin' i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain' i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako (Hos. 11. 1). Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin' i Heroda, mba ho tanteraka ny tenin' ny Tompo voalazan' ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako. et il resta là jusqu'à la mort d' Hérode, pour que s' accomplît cet oracle prophétique du Seigneur : D'Égypte j' ai appelé mon fils.
...............
Mat / Mt 2.19 But when Herod was dead, behold, an angel of the Lord appeareth in a dream to Joseph in Egypt, Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin' ny Tompo niseho tamin' i Josefa#11 tany Egypta tamin' ny nofy ka nanao hoe: Ary rahefa maty Heroda, indro nisy anjelin' ny Tompo niseho tamin' i Josefa#11 tany Ejipta tamin' ny nofy Quand Hérode eut cessé de vivre, voici que l' Ange du Seigneur apparaît en songe à Joseph, en Égypte,

  The Acts of the Apostles Asa Asa Les Actes des Apôtres
...............
Asa 2.10 Phrygia, and Pamphylia, in Egypt, and in the parts of Libya about Cyrene, and strangers of Rome, Jews and proselytes, sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an' i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, Frijia, Panfilia, Ejipta, ary ny any Libia akaikin' i Sirena, sy ny vahiny avy any Roma, de Phrygie et de Pamphylie, d'Égypte et de cette partie de la Libye qui est proche de Cyrène, Romains en résidence,
...............
Asa 7.9 And the patriarchs, moved with envy, sold Joseph into Egypt: but God was with him, Ary nialona an' i Josefa ny patriarka ka nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra nomba azy Ary ireo Patriarka nialona an' i Josefa ka namidiny ho any Ejipta izy; nefa nomban' Andriamanitra kosa. " Les patriarches, jaloux de Joseph, le vendirent pour être emmené en Égypte. Mais Dieu était avec lui :
Asa 7.10 And delivered him out of all his afflictions, and gave him favour and wisdom in the sight of Pharaoh king of Egypt; and he made him governor over Egypt and all his house. ka nahafaka azy tamin' ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason' i Farao, mpanjakan' i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any Egypta mbamin' izay rehetra tao an-dapany. Fa nesoriny tamin' ny fahoriany rehetra izy, sady nomeny fahendrena, ka nankasitrahan' i Faraona mpanjakan' i Ejipta, sy natsangany ho mpanapaka an' i Ejipta, mbamin' izay rehetra tao an-dapany. il le tira de toutes ses tribulations et lui donna grâce et sagesse devant Pharaon, roi d'Égypte, qui l'établit gouverneur de l'Égypte et de toute sa maison.
Asa 7.11 Now there came a dearth over all the land of Egypt and Chanaan, and great affliction: and our fathers found no sustenance. Ary nisy mosary eran' i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika. Tamin' izay dia nisy mosary eran' i Ejipta sy Kanaana manontolo ka loza no nanjo, fa tsy nahita hanina ny razantsika. Survinrent alors dans toute l'Égypte et en Canaan famine et grande détresse ; nos pères ne trouvaient rien à manger.
Asa 7.12 But when Jacob heard that there was corn in Egypt, he sent out our fathers first. Fa nony nandre Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia naniraka ny razantsika izy tamin' ny voalohany. Nony ren' i Jakoba fa nisy hanina tany Ejipta, dia naniraka ny razantsika ho any izy, voalohany izay. Apprenant qu' il y avait des vivres en Égypte, Jacob y envoya nos pères une première fois ;
...............
Asa 7.15 So Jacob went down into Egypt, and died, he, and our fathers, Ary Jakoba nidina nankany Egypta, dia maty izy sy ny razantsika; Dia nidina tany Ejipta Jakoba, ka tany no nahafatesan' izy sy ny razantsika. Jacob descendit donc en Égypte, et il y mourut, ainsi que nos pères.
...............
Asa 7.17 But when the time of the promise drew nigh, which God had sworn to Abraham, the people grew and multiplied in Egypt, Fa rehefa ho tonga ny fotoana hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon' Andriamanitra tamin' i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta, Nony efa akaiky ny fotoana hahatanterahan' ny teny napetrak' Andriamanitra tamin' i Abrahama, dia nitombo sy nihabetsaka ny olona tany Ejipta, " Comme approchait le temps où devait s' accomplir la promesse que Dieu avait faite solennellement à Abraham, le peuple s' accrut et se multiplia en Égypte,
Asa 7.18 Till another king arose, which knew not Joseph. mandra-pitsangan' ny mpanjaka hafa tany Egypta, izay tsy nahalala an' i Josefa. mandra-pitsangan' ny mpanjaka hafa tany, izay tsy nahalala an' i Josefa. jusqu'à l' avènement d' un nouveau roi qui ne se souvint pas de Joseph.
...............
Asa 7.22 And Moses was learned in all the wisdom of the Egyptians, and was mighty in words and in deeds. Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan' ny Egyptiana, ary nahery tamin' ny teniny sy ny asany izy. ka nampianarina ny fahendrena rehetra nananan' ny mponina any Ejipta, sy nahery tamin' ny teniny aman' asany. Ainsi Moïse fut-il instruit dans toute la sagesse des Égyptiens, et il était puissant en paroles et en oeuvres.
...............
Asa 7.34 I have seen, I have seen the affliction of my people which is in Egypt, and I have heard their groaning, and am come down to deliver them. And now come, I will send thee into Egypt. Hitako tokoa ny fahorian' ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta ianao (Eks. 3. 5-10). Efa hitako ny fahorian' ny oloko any Ejipta, ary efa reko ny fitarainany, ka nidina hanafaka azy aho. Ary ankehitriny handeha hirahiko ho any Ejipta hianao. Oui, j' ai vu l' affliction de mon peuple en Égypte, j' ai entendu son gémissement et je suis descendu pour le délivrer. Viens donc, que je t' envoie en Égypte. "
...............
Asa 7.36 He brought them out, after that he had shewed wonders and signs in the land of Egypt, and in the Red sea, and in the wilderness forty years. Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin' ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona. Izy ihany no nanafaka azy ireo, tamin' ny fahagagana amam-pamantarana nataony tany Ejipta, sy tao amin' ny ranomasina Mena, ary tany an' efitra efa-polo taona. C' est lui qui les fit sortir, en opérant prodiges et signes au pays d'Égypte, à la mer Rouge et au désert pendant quarante ans.
...............
Asa 7.39 To whom our fathers would not obey, but thrust him from them, and in their hearts turned back again into Egypt, Nefa ny razantsika tsy nety nanaiky azy, fa nandà, dia manina an' i Egypta ny fony, Nefa tsy nety nanaiky azy ny razantsika, fa nanohitra azy, ary vao mainka manina an' i Ejipta aza Voilà celui à qui nos pères refusèrent d' obéir. Bien plus, ils le repoussèrent et, retournant de coeur en Égypte,
Asa 7.40 Saying unto Aaron, Make us gods to go before us: for as for this Moses, which brought us out of the land of Egypt, we wot not what is become of him. ka hoy izy tamin' i Arona: Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy (Eks. 32. 1). ka nanao tamin' i Aarona hoe: Anaovy andriamanitra izahay hitari-dàlana anay, fa tsy fantatray izay nanjò an' ilay Moizy nitondra anay avy tany Ejipta iny. ils dirent à Aaron : "Fais-nous des dieux qui marchent devant nous ; car ce Moïse qui nous a fait sortir du pays d'Égypte, nous ne savons ce qui lui est arrivé. "
...............
Asa 13.17 The God of this people of Israel chose our fathers, and exalted the people when they dwelt as strangers in the land of Egypt, and with an high arm brought he them out of it. Andriamanitr' izao olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin' ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany. Ny Andriamanitr' izao vahoaka Israely izao no efa nifidy ny razantsika, sy nanandratra ny vahoaka fony izy nitoetra tany Ejipta; ary tamin' ny sandry mahery no nanesorany azy tao. Le Dieu de ce peuple, le Dieu d' Israël élut nos pères et fit grandir ce peuple durant son exil en terre d'Égypte. Puis, en déployant la force de son bras, il les en fit sortir

  Letter to the Hebrews Hebreo Hebrio Épître de Saint Paul aux Hébreux
...............
Heb 3.16 For some, when they had heard, did provoke: howbeit not all that came out of Egypt by Moses. Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin' i Mosesy niala tany Egypta va? Fa iza moa ireny nahasosotra azy nony efa nandre ny feony? Moa tsy ireo rehetra nentin' i Moizy niala tany Ejipta va? quels sont donc ceux qui, après avoir entendu, ont querellé ? Mais n'étaient-ce pas tous ceux qui sont sortis d'Égypte grâce à Moïse ?
...............
Heb 8.9 Not according to the covenant that I made with their fathers in the day when I took them by the hand to lead them out of the land of Egypt; because they continued not in my covenant, and I regarded them not, saith the Lord. Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin' ny razany Tamin' ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin' ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah. tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin' ny razan' izy ireo, tamin' ny andro nitantanako sy nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta, izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy, hoy ny Tompo; non pas comme l' alliance que je fis avec leurs pères, au jour où je pris leur main pour les tirer du pays d'Égypte. Puisqu' eux-mêmes ne sont pas demeurés dans mon alliance, moi aussi je les ai négligés, dit le Seigneur.
...............
Heb 11.26 Esteeming the reproach of Christ greater riches than the treasures in Egypt: for he had respect unto the recompence of the reward. nanao ny fanaratsiana an' i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan' i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy. nataony ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan' i Ejipta ny fijalian' ny Kristy, satria nijery ny valisoa izy. estimant comme une richesse supérieure aux trésors de l'Égypte l' opprobre du Christ. Il avait, en effet, les yeux fixés sur la récompense.
Heb 11.27 By faith he forsook Egypt, not fearing the wrath of the king: for he endured, as seeing him who is invisible. Finoana no nandaovany an' i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran' ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy. Ny finoana no nialany tany Ejipta, tsy aman-tahotra ny fahatezeran' ny mpanjaka akory, fa nijoro toy ny mahita ilay tsy fahita izy. Par la foi, il quitta l'Égypte sans craindre la fureur du roi : comme s' il voyait l' Invisible, il tint ferme.

  Letter of Jude Joda Joda Épître de Saint Jude
...............
Jod / Jd 1.5 I will therefore put you in remembrance, though ye once knew this, how that the Lord, having saved the people out of the land of Egypt, afterward destroyed them that believed not. Tiako ny hampahatsiaro anareo ny zavatra efa renareo taloha, fa nony efa novonjen' ny Tompo ho afaka tany Ejipta ny vahoakany, dia naringany indray izay tsy nino taty aoriana. C' est aussi pour eux qu' a prophétisé en ces termes Hénoch, le septième patriarche depuis Adam : " Voici : le Seigneur est venu avec ses saintes myriades,

  The Revelation Apokalypsy Fanambaràna L'Apocalypse
...............
Apo / Ap 11.8 And their dead bodies shall lie in the street of the great city, which spiritually is called Sodom and Egypt, where also our Lord was crucified. Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin' ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin' ny hazo fijaliana. ary ny fatiny dia hiampatra eo an-kianjan' ny tanàna lehibe izay atao amin' ny teny an' ohatra hoe: Sodoma sy Ejipta, eo amin' ilay namantsihana ny Tompony tamin' ny hazo fijaliana. Et leurs cadavres, sur la place de la Grande Cité, Sodome ou Égypte comme on l' appelle symboliquement, là où leur Seigneur aussi fut crucifié,