Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache Josefa Patriarka - Zanak' i Jakoba tamin-dRahely izy, ary teraka tao Harana tokony ho tamin'ny 1873 B. C. (Gen. 30.24). Tsy dia ela loatra taorian'ny nahaterahany no nialan' i Jakoba tao Harana, hiverina ho any Kanana, fa raha tonga tao akaikin' i Efrata izy, dia maty Rahely (Gen. 35.18, 19). Tokony ho zazalahy tsara fanahy Josefa ka nanoa tsara ny rainy ; ary noho izany, sady satria zana-dRahely, ilay vady tiany indrindra izy, dia fatratra ny fitiavan'i Jakoba azy. Fantatry ny rahalahiny izany, ka izany no nankahalany an' i Josefa. Angamba koa fanaon' i Josefa ny nilaza tamin' i Jakoba ny zava-dratsy nataon' ny rahalahiny, «fa Josefa nitati-bolana tamin-drainy » (Gen. 37. 2). Kanefa izay nahalotika ny fon'izy ireo indrindra dia ny nofin' i Josefa, izay nolazainy koa tamin' ny rahalahiny (Gen. 37. 5-11). Mora hitan' i Jakoba sy ny zanany rehetra ny hevitr' izany nofy izany, dia ny hanompoan' izy rehetra an' i Josefa, ka na dia Jakoba aza dia toa sosotra kely tamin' i Josefa ihany, vao mainka fa ny rahalahiny, izay efa nankahala azy rahateo. Nohajain' ny olona indrindra ny nofy tamin' izany andro izany, ary saiky mandrakariva dia ninoana ho fanambaràna zavatra ho avy izany. Noheverin' i Jakoba sy ny zanany fa tsy ho tanteraka izany nofy izany ; kanefa dia tanteraka tokoa izany tamin' ny fotoana mety. ... [1.38]
Explications en anglais Joseph, the elder of the two sons of Jacob by Rachel [1.114]
Explications en français Joseph, fils de Rachel, femme de Jacob [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache  [1.38]
Explications en anglais Joseph, father of Igal [1.114]
Explications en français Joseph, père d'Yigéal [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache  [1.38]
Explications en anglais Joseph, a lay Israelite of the family of Bani [1.114]
Explications en français Yoseph, des fils de Bani [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache  [1.38]
Explications en anglais Representative of the priestly family of Shebaniah [1.114]
Explications en français Yoseph de Shebanya [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache  [1.38]
Explications en anglais Joseph, son of'Asaph [1.114]
Explications en français Yoseph, fils d'Asaph [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache  [1.38]
Explications en anglais Joseph [1.114]
Explications en français Joseph, fils de Zacharie [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache  [1.38]
Explications en anglais A Jewish officer defeated by Gorgias about 164 BC. [1.114]
Explications en français Joseph, fils de Zacharie [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache  [1.38]
Explications en anglais Joseph, named among the brethen of Judas Maccabeus apparently in place of John [1.114]
Explications en français Joseph, frère de Judas Maccabée [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache  [1.38]
Explications en anglais Joseph, an ancestor of Judith [1.114]
Explications en français Joseph, arrière-grand-père de Judith [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache  [1.38]
Explications en anglais Joseph [1.114]
Explications en français Joseph, ancêtre de Jésus, fils de Jonan [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache  [1.38]
Explications en anglais Joseph [1.114]
Explications en français Joseph, ancêtre de Jésus, fils de Judah [2.996]
Vocabulaire 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache  [1.38]
Explications en anglais Joseph [1.114]
Explications en français Joseph, ancêtre de Jésus, fils de Mattathias [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache Zanak' i Oziasa, rain' i Merarì [2.996]
Explications en anglais Joseph, son of Oziel, father of Merari [2.996]
Explications en français Joseph, fils d'Oziel, père de Merari [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache Anankiray tamin' ny rahalahin' ny Tompo (Mat. 13.55) [1.38]
Explications en anglais Joseph [1.114]
Explications en français Joseph, un des frères de Jésus [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache Josefa, vadin' i Maria, ary noheverina ho rain' i Jesosy. Ny Jiosy rehetra dia samy nitahiry ny tetiarana momba ny razany, ka faly tokoa izy raha azony atao ny manaporofo fa taranaky ny mpanjaka na ny mpisorona izy. Josefa dia nahazo nirehareha fa taranak'i Davida izy (Mat. 1. 20). Betlehema tanànan' i Davida no tanindrazany, saingy nifindra monina tany Nazareta izy (Lio. 2. 4) ; ary ny raharaha nahazoany fivelomana dia ny rafitra (Mat. 13. 55). Nalainy ho fofombadiny i Maria, izay nonina tany Nazareta koa. Josefa angamba dia zokin' i Maria lavitra tamin' ny taona niainany. Kely foana no hita ao amin' ny Filazantsara ny amin' i Josefa ; nefa izay voalaza dia mampiharihary ny fahatsaran-toetrany. (a) Tena Israelita marina tokoa izy, ka nanaja tsara ny fomba amam-panaon' ny Jiosy (Lio. 2. 21-24), mbamin'ny fitandremana ny Andro Firavoravoana (Lio. 2. 41, 42). (b) Lehilahy nalemy fanahy sy antra olona izy. Rehefa hitany ny toetran' ny fofombadiny dia velona eritreritra mafy izy, ka nanapa-kevitra hametraka azy ; nefa nokasainy hatao mangina izany mba tsy ho afa-baraka eo imason' ny olona ilay fofombadiny. Rehefa nilazana ny marina anefa izy dia tsara mihitsy ny fitòndrany an' i Maria. Koa nony niakatra ho any Betlehema izy mba hisoratra, araka ny didin' ny mpanjaka, dia tsy nilaozany irery tao Nazareta i Maria, fa nentiny niaraka taminy kosa mba tsy ho tanisain' ny manta vava amin' ny endrikendrika manorisory (Lio. 2. 1-7). (d) Izany toetra mahate-hidera izany dia nasehony koa tamin' ny fitaizana ny Zaza, izay napetrak' Andriamanitra ho adidiny. Noraisiny tamin' ny fitiavana tanteraka ity Zaza ity ka mendrika tokoa ny iantsoana azy ho « rainy » (Lio. 2. 33, 41, 48 ; Mat. 13. 55 ; Jao. 1. 45 ; 6. 42). Koanefa dia tsy miseho intsony ao amin' ny Filazantsara ny tantaran' i Josefa taorian' ny niverenany avy tany Jerosalema, rehefa tonga taona ho « Zanaky ny Lalàna » Jesosy (Lio. 2.41-51). Ary satria ny anaran' i Maria ihany no hita ao amin' ny tantara momba ny nanaovan' i Jesosy ny raharahany, dia azo heverina fa maty teo anelanelan' ireo fotoana ireo Josefa. [1.38]
Explications en anglais Joseph, son of Eli, and reputed father of Jesus Christ [1.114]
Explications en français Joseph, l'époux de Marie [2.996]
Vocabulaire 
Anthroponymes 
Citations bibliques 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache Josefa avy any Arimatia. "Lehilahy manankarena" (Mat. 27. 57), sady tsara fanahy, ary isan' izay nandevina an' i Jesosy izy. Marka dia milaza azy ho "lehilahy manan-kaja, izay isan' ny Synedriona, sady niandry ny fanjakan' Andriamanitra koa " (Mar. 15.43) ; ary Lioka kosa milaza azy ho "lehilahy tsara fanahy sady marina" (Lio. 23.50). Tsy nankasitraka ny hevitry ny namany tao amin' ny fivorian' ny Synedriona izy ny amin' ny hamonoana an' i Jesosy; kanefa kosa toa tsy dia niseho ho nisakana izany loatra ; angamba aza tsy nitranga tamin' ny fivoriana niheverana izany izy. Nolazain' i Jaona mazava fa na dia mpianatr' i Jesosy eza izy, " dia tamin' ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy " (Jao. 19.38). Kanefa rehefa maty ny Tompo dia tsy nahalala tahotra intsony izy. Marka milaza fa " saby niditra tao amin' i Pilato izy, ka nangataka ny fatin' i Jesosy (Mar. 15.43). Araka ny fomba mandrakariva, ny havana aman-tsakaizan' ny olona novonoina tamin' ny hazofijaliana dia nividy ny fatiny mba ho azo alevina, satria mazàna no ariana hohanin' ny vorona sy ny bibidia ireny faty ireny ; ary Josefa dia tsy maintsy nanaiky hanome an' i Pilato izay vola nilainy tamin' izany, ka dia nomena azy ny faty (Mar. 15.45). Josefa dia nanana tanimboly teo akaikin' i Golgota, izay efa nahavitany fasana nokasainy hilevenan'ny tenany : tao no nandevenan' izy ty Nikodemosy ny fatin' i Jesosy, rehefa avy nohosorany zava-manitra sy nofonosiny "hariry madinika madio " (Mat. 27.57-61; Mar. 15. 42-47 ; Lio.23. 50-56 ; Jao. 19. 38-42). [1.38]
Explications en anglais Joseph of Arimathea, a rich and pious Israelite who had the privilège of performing the last offices of duty and affection to the body of our Lord [1.114]
Explications en français Joseph d'Arimathie [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Entrée Josefa
Partie du discours nom propre (biblique) [liste complète]
Explications en malgache Josefa Barsabasy. - Natao hoe Josto koa izy; ary anankiray tamin' ireo roa lahy nanaovan'ny Apostoly filokana hahafantarany izay tokony ho dimbin' i Jodasy Iskariota (Asa 1.23-25). Izany no ahafantarantsika fa mpianatr' i Jesosy izy hatramin' ny nanaovan' i Jaona batisa Azy ka hatramin' ny niakarany ho any an-danitra, (and. 21, 22). Misy milaza fa isan'ny mpianatra fito-polo lahy izy ; ary misy koa mihevitra fa izy sy Jodasy Barsabasy dia mpirahalahy. [1.38]
Explications en anglais Joseph called Barsabas, and surnamed Justus [1.114]
Explications en français Joseph dit Barsabbas [2.996]
Vocabulaire 
Citations bibliques 

Mis à jour le 2022/11/22