|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mandrorona
Fototeny  2 rorona
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 [mandroroña] [Tanala] midina, manaraka fidinana, mitsiroroka [1.78]
9 Mietry laharana; mitambotsotra: Olona manam-pahaizana toy ireny ka nandrorona mampalahelo
10 (lehilahy) Misakaiza amin' ny vehivavy ambany firazanana noho izy
11 Mihena (hery, saina): Efa mandrorona ny sain' io antidahy io
12 Mihilana, mirona miankandrefana fa efa ho hariva: Efa mandrorona ny masoandro [1.1]
13 miletsy laharana
14 manalefaka ny halaky [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  15 déroger, régresser, déchoir
16 rétrograder [1.13]
Fikambanana  17  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 5 misy ny teny how mandrorona

Teny iditra (2/2) 18  mandroròna
Fototeny  19 rorona
Sokajin-teny  20  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandrorona [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  mandrorona, mandroròna, 21 maroñandro

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/15