|
|
|
|

Teny iditra1  zahatra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 vatan-kazo na volotsangana lehibe maromaro akambana ka atao solon-dakana fitana rano: Nita tamin'ny zahatra ny mpianatra ka horakoraka moa izao! [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 a raft [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 radeau [1.3, 1.8]
Ohatra  6  Koa dia ny tafontrano no niendahany natao zahatra. [2.508]
7  Tapatapa-karefo momba zahatra tapatapa-jozoro momba lakana sarony aho fa kely angalaro fitia aho fa an'olona [2.131]
8  Foana ny fiainana tsy misy azy, ary toy ny zahatra avalan' ny rano ny olombelona tsy voizin' izany fitiavana izany. [2.529]
Voambolana  9  Fifamoivoizan-tsambo
Tsipelina hafa  10 zahitra
Ohabolana  11  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08