|
|
|
|

Teny iditra (1/7)1  saka
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Enti-milaza fihalorana foza na orana amin' ny tanana ao anaty lavany.
4 ilazana ny vehivavy maridray ny ankasarotana eo am-piadiana amin' ny lehilahy. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  5 produits de cueillette, aussi bien animaux que végétaux, récoltés à la main, sans outillage particulier. [1.196]
Sampanteny 
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Kamban-teny rehetra  15  Fikambanana 19 amin' io teny io
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/7)17  saka
Sokajin-teny  18  anarana
Fanazavàna teny malagasy  19 Karazam-biby mampinono, tia nofom-biby, mitovitovy habe amin' ny bitro ary misy karazany roa lehibe: ny saka dia, atao koa hoe kary, ary ny saka fiompy, izay mihaza voalavo ao an-trano.. [1.1]
20 kary na saka dia. [Masikoro] [2.606#153]
Fanazavàna teny anglisy  21 a cat; cf. piso, kary. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  22 chat. [1.54, 1.13]
23 chat; cf. piso, kary. [1.8]
Voambolana  24  Haibiby: mampinono
Tovy hevitra  25 piso
Kamban-teny rehetra  26  Fikambanana 9 amin' io teny io
Ohabolana  27  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (3/7)28  saka
Sokajin-teny  29  anarana
Fanazavàna teny malagasy  30 anarana iantsoana ny biby mbola tanora: sakaomby, sakandahy, sakambositra, ets. [Taisaka] [1.78]
Voambolana  31  Haibiby: (amin' ny ankapobeny)
Kamban-teny rehetra  32  Fikambanana 2 amin' io teny io
Ohabolana  33  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (4/7)34  saka
Sokajin-teny  35  anarana
Fanazavàna teny malagasy  36 sakelidrano, lemaka anelanelanny havoana roa, lohasaha. [Bara] [1.78]
Voambolana  37  Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)

Teny iditra (5/7)38  saka
Sokajin-teny  39  anarana
Fanazavàna teny malagasy  40 sakana, fisakanana. [Taisaka] [1.78]

Teny iditra (6/7)41  saka
Sokajin-teny  42  anarana
Fanazavàna teny malagasy  43 Habe mifanohitra amin' ny lavany: Ohatrinona no haben' ity efitrano ity? -- Fito metatra ny lavany ary dimy metatra ny sakany.
44 Habe salasalany, antonintoniny.
45 Lehibe, vantotra, tsy mbola tena lehibe nefa tsy kely intsony koa: Sakan-jaza, sakan' ombivavy.
46 Salasalany, atriatry: Sakan-karona. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  47 largeur. [1.13]
Voambolana  48  Toerana
Tovy hevitra  49 ampohy
Kamban-teny rehetra  50  Fikambanana 9 amin' io teny io

Teny iditra (7/7)51  saka
Sokajin-teny  52  anarana
Fanazavàna teny frantsay  53 (de saka : produits de cueillette, aussi bien animaux que végétaux, récoltés à la main, sans outillage particulier. ) C'est de cette vieille racine que viennent les noms de ethnies taisaka et sakalava, ainsi que le mot sakafo : le repas, littéralement : le produit de l'omni cueillette soumis au feu (afo). Apollonias madagascariensis (Baill.) Kosterm. (Lauraceae) Les fruits étaient considérés autrefois comme l'un des meilleurs condiments. D'où l'importance qu'on attachait à leur cueillette.. [Taisaka] [1.196]
Voambolana  54  Haizavamaniry
Anarana ara-tsiansa 

Fivaditsoratra  55 Aksa, 56 kasa, 57 saka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09