| Explications en malgache | 4   Mandrirotra, misarika: Mitari-bato ~ Soavaly mainty sy fotsy no nitarika ny kalesy Misintona, manintona: Nody nandositra izy mba hitarika ny fahavalo any amin' ny toerana misa velapandrika
 Mitondra: Ianao no aoka hitarika ireto vahiny ireto any amin' ny tranom-bahiny? ~ Iza no mitarika ireto mpianatra ireto?
 Mitaona: Ikoto no mitarika azy hiloka
 Manomboka sady mitantana, manainga, manentana: Mitarika fivavahana, mitari-kira
 Mibaiko, mandeha eny anoloana mba hibaiko sy harahin' ny sasany: Mitari-tafika
 Mampahazo, mampahita: Mitarika voninahitra ny fahaizana matetika
 Mirefarefa: Mitarika ny ziponao fa akaro [1.1]
 
 |