|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  mipaka
Fototeny  2 paka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mikambana, mitambatra, mikaona: Tsy mipaka tsara ny hazo amin' ity farafara ity.
5 Tonga hatramy..., mikasika ny...: Aza atao mipaka amin' ny valindrihana ny boky fa ratsy endrika.
6 Midona: Nipaka tamin' ny zoron-databatra ny vilia ka vaky.
7 Miady: Nipaka Isambilo sy Ibalita ka nitangoronan' ny mpianatra.
8 Mandritra ny... manontolo: Telo taona mipaka izy no tany Nosibe. [1.1]
Ohatra  9  Hatr' amy ny lapa-bolana mipaka dia naneky izy. [2.48]
Haiendriteny 
10  Ny ankehitriny :
11  Ny lasa :
12  Ny hoavy :
13  Filaza mandidy :
Mpanahaka  14  maninjihinjy, 15  maninjitra, 16  manontolo, 17  mikatroka, 18  mipaika, 19  mipoka, 20  ngarangidina
Kamban-teny rehetra  21 lamako tsy mipaka
Ohabolana  22  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)23  mipakà
Fototeny  24 paka
Sokajin-teny  25  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mipaka [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  26 akimpa, 27 mikapa, mikapà, 28 mipaka, mipakà, 29 mpiakà

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/10