|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 miditra |
| Fototeny | 2 iditra |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Mandroso avy any ivelany ho ao anatiny: Raha vao niditra tao an-trano izy dia niarahaba
5 Manaiky hiray amin' ny fianakaviana na hikambana amin' ny fikambanana iray: Te hiditra ho zanakareo aho ka mangataka ny zanakareo vavy aivo ho vady ~ Niditra ho miaramila Rakoto 6 Manomboka miasa: Amin' ny valo no miditra ny mpiasa 7 Mikasika zavatra tsy raharahan' ny tena: Aza miditra amin' izany ianao fa zavatra tsy hainao izany 8 Anaovana ka mahatonga: Misy iaro maro samihafa miditra amin' ny savony 9 Tonga betsaka: Miditra ny volan' ny fiarakaretsaka rehefa faran' ny volana [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
10 to enter, to go in.
[1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
11 entrer, pénétrer
[1.13] |
| Ohatra |
12 sakafo mafana miditra an-kibo ihany no odiny.
[2.470#39]
13 Dia vita ny oha-jaza, dia miditra ao an-trano. [2.48#78] |
| Haiendriteny |
|
| Mpanahaka | 18 manao tsobodranon-dRamiangaly, 19 mandroso miroso, 20 maninteraka, 21 miborobaka, 22 miditra maninteraka, 23 mijoloka, 24 mijolonjolona, 25 milatsaka, 26 miroboka, 27 mirotsaka, 28 misoko, 29 misolontsolona, 30 misosososo, 31 misovoka, 32 Mitsabaka, 33 mitsabaka, 34 mitsoboka, 35 mitsofoka, 36 mitsopaka, 37 mitsorofoka, 38 mitsoropaka, 39 mitsotaka |
| Fikambanana | 40 Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 21 misy ny teny how miditra |
| Ohabolana | 41 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 42 miditra |
| Fototeny | 43 ditra |
| Sokajin-teny | 44 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
45 Manao ditra: Miditra handeha Zomà ny zafikeliko
[1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
46 s'opiniâtrer, résister, ne pas céder
[1.3] |
| Haiendriteny |
|
| Mpanahaka | 51 mihenahena, 52 mikiribiby, 53 mikitroka, 54 mitokona, 55 mitokozihitra, 56 mitompo teny fantatra |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22 |
|