|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  mba
Sokajin-teny  2  mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 Teny mpampitohy fehezankevitra ka milaza antony hanaovan-javatra:
4 Tonga izahay mba hijery sy hamantatra
5 (arahin' ny "milaza ny ho avy" mandrakariva ity mba ity) [1.1#650]
Fanazavàna teny anglisy  6 in order that [1.2#436, 1.7]
7 too, as well as; that [1.2#436]
8 in order to (followed by the future tense) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 Particule exprimant le respect, la surprise, l’optatif; afin que [1.3#439]
10 afin que, pour que:
11 Mitenena mafy mba ho henon'ny olona rehetra ny feonao
12 (Parlez fort pour que tout le monde vous entende)
[1.12]
13 Pour: Tsy maintsy mihinana mba ho velona (Il faut manger pour vivre) [1.66.fr#740]
14 afin de, afin que (suivi du futur) [1.8]
Mpanahaka  15  ndrao, 16  sangoa, 17  sao
Kamban-teny rehetra  18  Fikambanana 7 amin' io teny io

Teny iditra (2/3)19  mba
Sokajin-teny  20  filaza mandidin' ny anarana omba [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  21 Kianteny enti-manisika hevitra.
22 Fanajana, fiangaviana raha toa ka mampiasa matoanteny amin' ny fomba mandidy; entina manalefaka kokoa izay lazaina ny "mba" fa tsy mandidy:
23 Mba omeo kely amin' iny aho. / Mba mianara fa aza varian-daolao
24 Fanesoana:
25 Izany hono ka mba hendry
26 Filazana sahala amin' ny "koa", izay ampiasaina miaraka aminy rahateo:
27 Mba handeha koa aho raha mandeha ianao [1.1#650]
Fanazavàna teny anglisy  28 a softening particle, meaning please [1.2#436]
29 used to make a request or statement more respectful;
30  mba omeo taratasy kely aho (please, give me some paper) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  31 impératif de omba :
32 Mba hendry hianao (Soyez sage vous aussi [comme les autres]) ~ Mba tonga hianareo (Venez, arrivez vous aussi) [1.3#439]
33 qui adoucit une commande;
34 mba omeo taratasy kely aho (veuillez me donner du papier) [1.8]

Teny iditra (3/3)35  mba
Sokajin-teny  36  kianteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  37 Kianteny kely ampiasaina mba hampirisika na hanainga olona ho toy izao sy toy izao:
38 Mbà hendry anaka. Mbà olom-banona
39 (marihina fa tsy fampiasa miaraka amin' ny matoanteny amin' ny fomba mandidy
40 itỳ mbà itỳ: Mbà mianatra tsara fa tsy mba mianara tsara; Ny "mba" manalefaka ny fomba mandidy no azo ampiarahina amin' ny fomba mandidy:
41 Mba mianara fa aza varian-daolao) [1.1#650]

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17