|
|
|
|

Teny iditra1  manampatra
Fototeny  2 ampatra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mampiasa tsy am-pisalasalana sady feno fanaranam-po: Nanampatra ny herin-tsandriny tamin' ilay zaza kely tsy ampy folo taona akory izy.
5 Manao araka izay tratra, araka izay tiana: Saingy mba efa navelan' ny dokotera hihinana ventin-kanina Rabe ka dia efa nanampatra erý.
6 Mampiseho am-pieboeboana, mirehareha: Nanampatra ny harenany marina izy tamin' ny fanambadian' ny zanany ~ Nanamparany ny fahaizany teo izahay nandritra ny adiny roa. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 to stretch out the limbs.. [1.2]
8 to stretch out; to extend. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 étendre; allonger. [1.3, 1.8]
10 déployer, montrer: Hanampatra ny hatezerany amin' ny mpanota Andriamanitra (Dieu déployra sa colère contre les pêcheurs). [1.3]
Ohatra  11  fa ny adala kosa manampatra ny hadalany. [2.996#]
Haiendriteny 
12  Ny ankehitriny :
13  Ny lasa :
14  Ny hoavy :
15  Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  16 manampatra hery
Ohabolana  17  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  18 manampatra, 19 mpanamatra

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09