|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 mahaleo
Fototeny  2leo
Sokajin-teny  3 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 manan-kery hahatohitra, afaka handresy: Tsy mahaleo azy aho ka hany heriko mangina
mahavita, afaka hisahana, hikarakara: Mahaleo tsara ny fitondrana ny ankizy ilay mpampianatra vaovao
mahatanty, mahazaka: Olona tsy mba mahaleo ny esoeso sy ny fanarabiana izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 to equal, to match, to parallel, to manage [1.2]
6 to be able to support; to be able to overcome [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 avoir assez de force pour vaincre, pour résister, pour exécuter. Tsy mahaleo azy hianao (Vous ne sauriez l'emporter sur lui) ~ Mahaleo tsara ny fitondrana ireo ankizy kamboty ireo izy (Il est dévoué pour s'occuper de ces orphelins) ~ Mahaleo ny fahoriana izy (Il sait supporter le malheur) [1.3]
8 être capable de vaincre; être capable de supporter [1.8]
Ohatra  9 Ny voky tsy mahaleo ny tsaroana! [2.296]
10 Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; [2.996]
11 Tsy zaza miankina fa lehilahy mahaleo-tena no tiany. [2.285]
Haiendriteny 
12 Ny ankehitriny :
13 Ny lasa :
14 Ny hoavy :
15 Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  16Fikambanana 4 amin' io teny io
Ohabolana  17 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)18 Mahaleo
Fototeny  19leo
Sokajin-teny  20 anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  21 music band formed in 1972 by seven musicians: Dama, Dadah, Bekoto, Fafa, Nono, Charles, Raoul. [3.1]
Voambolana  22 Tantara
Sary 

Fivaditsoratra  23 alahemo, 24 alemaho, 25 mahaelo, 26 mahaleo, Mahaleo

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03