|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  lalina
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  20 Enti-milaza izay misy elanelany be ny tampony na ny vavany sy ny fanambaniny na ny vodiny: Lalina itỳ rano ity ~ Latsaka tao anaty tevana lalina izy
21 Mangitsokitsoka
22 Enti-milaza teny na hevitra voafototra tsara, tsy misafosafo ivelany fotsiny: Lalina ny hevitra naposak' ilay mpandahatra
23 Fatratra, mahatalanjona, lehibe: Lalina izy raha hikabary ~ Lalina ny fahoriana nahazo azy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  24 deep [1.2, 1.7]
25 profound [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  26 Profond au physique et au moral, fameux, fort, éminent, extrême en son genre [1.3]
27 profond [1.3, 1.8]
Ohatra  28  Tsy lalina ilay lava-bato, ka tafiditra tsara tao ny fahazavan'ny kintana, ary nahazo nijery sy nandinika tsara ny tarehin-dRazaimalala izy. [2.324]
Tohi-kevitra  29 marivo
Fikambanana  30  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 16 misy ny teny hoe lalina
Ohabolana  31  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 32  lalina
Sokajin-teny  33  anarana
Fanazavàna teny frantsay  34 [Tanosy] (dans son sens général ce mot, tiré du malais dalam, signifie remarquable, exceptionnel). C'est le nom général des arbres appartenant aux genres Homalium et Bivinia (Salicaceae). Leurs bois durs et de bonne conservation ont en effet d'excellentes qualités. [1.196]
Voambolana  35  Haizavamaniry

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22