|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 lahatra |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Fitohitohizan-javatra na olona manaraka tsipika iray; fametrahan-javatra na olona mihitsy tomandavana:
4 Tsara lahatra ny boky eto ambony latabatra izany 5 Lamina, fandaminan-javatra: 6 Tsara lahatra ny kilalao tamin' ny lanonana 26 Jiona 7 Firindra, filazan-javatra milamina mifanaraka tsara: 8 Tsy ilaina ny kabary tsara lahatra fa poaka aty 9 Fitondran' Andriamanitra na ny vintana mihatra amin' ny olombelona: 10 Izao no lahatra ka atao ahoana? [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
11 order; ranks; fate
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
12 arrangement
[1.3, 1.7] 13 rang, ordre [1.3#370, 1.8] 14 alignement, organisation, arrangement, discours: 15 Tsara lahatra ny boky (Les livres sont bien rangés) ~ Tsara lahatra ny mpianatra (Les élèves sont bien alignés) ~ Tsara lahatra ny nanaovany izany raharaha izany (Il a bien organisé ce travail) [1.3#370] 16 destin [1.8] 17 destinée [1.66] |
| Ohatra |
18 Ramielovola Ramielovoahangy / ny nifiny dia vato lahatra / ny tanany dia vanim-bero / ataonao ho trandraka anaty voaroy ve aho Randriamatoa?
[2.131]
19 Ary na dia manaiky aza hianao, ka tsy lahatra, ho tanteraka aiza, ka afaka ny tsiny? [2.324] |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Kamban-teny rehetra | 42 Fikambanana 28 amin' io teny io |
| Ohabolana | 43 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | 44 halatra, lahatra |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|