|
|
|
|

Teny iditra (1/7)1  hay
Sokajin-teny  2  tenim-piontanana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 Tenim-piontanana: Enti-milaza fanontaniana: Hay! tonga sahady ianao.
4 Enti-milaza toa figagana noho ny fahatongavan-javatra na toe-javatra tsy araka ny nampoizina: Natao hitsikitsika hivavahana, hay, Papango nipaoka ny akoho. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 an exclamation of surprise or scorn. Really! Truly! Indeed! It is repeated frequently as an encouragement to warriors.. [1.2]
6 really! indeed!. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 oh! vraiment!. [1.8]
Ohatra  8  hay, hoy ny mpanjaka. [2.606]
Kamban-teny rehetra  9  Fikambanana 3 amin' io teny io

Teny iditra (2/7)10  hay
Sokajin-teny  11  matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  12 fantatra. [Taisaka] [1.78]
13 Azo, azo averina, fantatra (saingy ilazana indrindra zavatra ilana fianarana): Efa hainao va ilay tsianjery? (Ny hevitra fotsiny hoe "fantatra", tsy ilana fianarana, dia tsy fiteny loatra afatsy any an' indran-tany, na dia miha-mahazo vahana aza ankehitriny: Aiza ho aiza eto ny tranon-dRatsima, ry zaza? -- Tsy haiko, tompoko).
14 Fantatra ny fanaovana azy: Aoka hataoko fa raharaha haiko raha izany foana.
15 Mety ho vita: Tsy mba hain' ny zanako, tompoko, ny mandainga.
16 Azo, tanty: Tsy hay leferina ny hoso-dratsy avy amin' ny havanta.
17 Azo ifampiraharahana, azo akekezina: Tsy haiko io olona io fa ianao no aoka hiresaka aminy.
18 Voafehy: Tsy hain' ny vadiny Rasoa.. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  19 possible, able to, can be done by. In the provinces, to know, to be acquainted with.. [1.2]
20 known; within one's capabilities. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  21 connu. [Taisaka] [1.82]
22 connu; dont on est capable. [1.8]
Ohatra  23  Izay manapotsitra sy misintona lohanono koa ve dia tsy ho haiko [2.117]
24  hay izany no anton-diany! [2.499]
Haiendriteny 
25  Ny ankehitriny :
26  Ny lasa :
27  Ny hoavy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Kamban-teny rehetra  33  Fikambanana 3 amin' io teny io
Ohabolana  34  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (3/7)35  hay
Sokajin-teny  36  anarana
Fanazavàna teny malagasy  37 Fahaizana (teny miditra amin' ny famoronan-teny maromaro ka ny heviny hatrany dia hoe fahaizana, fahalalana). [1.1]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Mpamaritra :
Kamban-teny rehetra  40  Fikambanana 36 amin' io teny io

Teny iditra (4/7)41  hay
Sokajin-teny  42  anarana
Fanazavàna teny malagasy  43 may, kilan'ny afo. [Sihanaka] [1.78]
44 Hafanana, firehetana na fahamaizana vokatry ny afo na ny masoandro, doro: Hain-trano, hain-tanety; hain' andro (hainandro).. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  45 burning. A word not used alone, but in compounds. [1.2]
46 heat, fire. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  47 chaleur. [Taisaka] [1.82]
48 chaleur; feu. [1.8]
49 (toute l'île) (comparer au sanscrit kashai : brûler ; au vietnamien : ray : culture sur incendie, etc. ; des mots de même origine existent dans toutes les langues de l'océan Indien et des rives du Pacifique). Substantif : feu, incendie. On dit notamment hain-tanety: incendie des herbes, feu de brousse, mais périodiquement pour le renouvellement des pâturages. C'est une pratique désastreuse pour la végétation et le maintien de l'équilibre biologique.. [1.196]
Sampanteny 
Anarana :
Mpamaritra :
Kamban-teny rehetra  52  Fikambanana 17 amin' io teny io

Teny iditra (5/7)53  hay
Sokajin-teny  54  anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  55 tany foana. [Tambahoaka] [1.78]
56 Tanety na lohasaha ngazana tsy misy ala na ahitra lava fa efa nodorana. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  57 an exposed situation, an open space near a forest, or surrounded by forest..
58 open, exposed. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  59 dénudé, dont on a brûlé la végétation. La région dite Ankay tirait son nom de ce que toutes les forêts y avaient été brûlées pour faire du charbon de bois ; la métallurgie du fer à la mode malgache se faisait au charbon de bois ; et aussi pour créer des pâturages. [Merina] [1.196]
Voambolana  60  Haizavamaniry
Kamban-teny rehetra  61 tany hay

Teny iditra (6/7)62  hay
Sokajin-teny  63  anarana
Fanazavàna teny anglisy  64 the name of an insect found in rice. [Provincial] [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  65 insecte parasite du riz. [Tankarana] [1.19]
66 Nom générique des maladies des plantes qui se traduisent par un dessèchement des feuilles, comme si elles avaient été brûlées ; que ces maladies soient dues à des parasites végétaux ou animaux. Par exemple, haim-bary = haombary : « le pou du riz », mais aussi les dégâts dus à des attaques cryptogamiques, etc.. [1.196]
Voambolana  67  Haibiby: tsy manan-kazon-damosina

Teny iditra (7/7)68  hay    
Sokajin-teny  69  anarana
Fanazavàna teny anglisy  70 ahimaina. [1.2]
71 vilona, ahitra maina. [1.17]

Fivaditsoratra  72 ahy, 73 hay, 74 hia, 75 iha

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09