|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  fihasinana
Fototeny  2 hasina
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 ny toerana na ny fombafomba isehoan' ny mpanjaka amin' ny vahoaka mba hanajan' ny olona azy sy hanaovany ny velirano hankato azy ary hanolorana azy ny hasina (volatsivaky) mariky ny maha-mpanjaka azy. [1.10]
5 toerana nanamasinana ny Mpanjaka fahiny. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  6 lieu de la consécration, du couronnement. [1.3]
Kamban-teny rehetra  7 taom-pihasinana

Teny iditra (2/3)8  fihasinana
Fototeny  9 hasina
Sokajin-teny  10  anarana
Fanazavàna teny malagasy  11 Fiolanana; fandrotsirotsiana. [1.1]

Teny iditra (3/3)12  Fihasinana
Sokajin-teny  13  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  14 renivohitr' i Manandriana fahiny. Mbola betsaka ny aloalo hita any ankehitriny. Tao no nonenan' Andrianantara mpanjakan' i Manandriana sy Ramanato ilay mpamoron-tononkalo betsileo nalaza dia nalaza. [1.10]

Fivaditsoratra  15 fanihisana, 16 fanisihana, 17 Fihasinana, fihasinana, 18 hanifisana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/10