|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1 fanahy
Fototeny  2hahy
Sokajin-teny  3 anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Fomba entina manahy na mamelatra zavatra amin' ny toerana talaky andro mba ho maina: Tsy toy izao, retsy, no fanahy vary, ry Ketaka [1.1]

Teny iditra (2/4)5 fanahy
Fototeny  6ahy
Sokajin-teny  7 anarana
Fanazavàna teny malagasy  8 Fomba entina manahy
Zavatra ao amin' ny olombelona entiny manahy ny amin' ny tenany, mampahatsiaro tena azy: Very fanahy mbola velona ohatra ny valala voatango
Zavatra mampiavaka ny olona amin' ny biby: Ny fanahy no olona.
Saina mieritreritra, fahendrena: Ny manam-panahy mody voky fa ny adala manesika ihany.
Ilay zavatra tsy mety maty fitambaran' ny saina sy ny sitra-po ao amin' ny olombelona izay misaraka amin' ny vatana rehefa maty ny olona mba ho any amin' ny fiainana any an-koatra: Hivavaka ho an' ny fanahin' ny maty isika.
Toetra: Manao fanahin-jaza.
Fahasalamana: Nahakepoka ny fandrenesana an-dRakoto maty tampoka: olona tsara fanahy izao izy no niala tao an-trano. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 the mind, the seat of thought, anxiety, or care; care for, thoughtful concern; tact, disposition, character, intelligence, knowledge; the soul, the immortal part of man. See nahy. [1.2]
10 the spirit, the soul; an attitude or temperament [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11 esprit, âme; attitude ou tempérament [1.8]
Ohatra  12 Toetra no lazaina hoe fanahy eto. [1.316#]
13 Fa misy fanahy handalana, Re lahy! [2.69#]
14 Fanandratana ny fanahy maha-olona. [1.317#]
Haiendriteny 
15 Tsotra :
16 Tovonana :
Voambolana  17 Filôzôfia
Tovy hevitra  18iniana, nahy, satry
Kamban-teny rehetra  19Fikambanana 49 amin' io teny io
Ohabolana  20 Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  21Randzavola: fanahy ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (3/4)22 fañahy
Sokajin-teny  23 anarana
Fanazavàna teny malagasy  24 fitaka [Bara] [1.78]
Haiendriteny 
25 Tsotra :
26 Tovonana :

Teny iditra (4/4)27 Fanahy
Sokajin-teny  28 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Ohatra  29 Velona amin'ny fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny fanahy [2.996]
Voambolana  30 Soratra Masina

Fivaditsoratra  31 fahany, 32 fahina, 33 Fanahy, fanahy, fañahy, 34 fiha~na, fihana, 35 hafina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03