Entrée | 1 Ary hitako |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 ary, hita |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Andriarimalala René |
Texte complet |
6 Ary hitako fa tsy misy zava-maharitra 7 Eto ambonin'ny tany; 8 Izay mila hoheverina ho mahafinaritra 9 Dia mihelina ihany. 10 Nisaina aho, nandinika, niandry sy niaritra, 11 Hamantatra hatrany, 12 Fa tsy misy mihitsy na dia iray aza faritra 13 Tsy tratran'izany. 14 Ary hitako ny filendan' ny olo-mangirika 15 Ny fahasambarana, 16 Mitady harena izay andriany ilika 17 Tsy misy hasasarana: 18 Ny sasany lasana lavitra ery no mijirika 19 Irony fianarana; 20 Kanefa nony azony, injay misy hiriky 21 Ny ankasomparana. 22 Ary hitako fa ireo falifaly, mpihoraka 23 Fa feno ny soa. 24 Nihevitra ho avo tsy tratry ny toraka 25 Tsy hety ho voa, 26 Dia niandry ny farany ihany hamboraka 27 Ny niafina koa: 28 Ilay aloka iray mahatra-mampangoraka; 29 Dia ny alok'akoho! 30 Ary hitako ny rehetra fa manana fetrany 31 Tsy azo ihodivirana; 32 Fa na inona kiriny sy hoe amboletrany, 33 Tiany hidirana, 34 Izay tiany indrindra tsy maintsy hapetrany 35 Tsy azo ifikirana, 36 Fa ity tany ity, dia izany no toetrany 37 - Tsy azo ifandirana. 38 Ary hitako koa fa ny ratsy dia ambinina 39 - Saiky matetika - 40 Ary angamba izy mihevitra fa tsy hoadinina, 41 Ka be fitetika, 42 Manjehy andro ho lava izay satry hofihinina, 43 Hany ka mbetika 44 Ny fieritreretany tsy hainy ampanginina 45 Iniany alentika. 46 Ary hitako am-po sy an-tsaina tsy miambatra, 47 Hitako loatra 48 Fa samy hizaka ny anjara tsy miangatra 49 - Tsy afa-manoatra - 50 Ary hitako fa rehefa izany no atambatra, 51 Tsy misy hoatra 52 Ny mihevitra Toerana Hafa hahasambatra, 53 Dia any Ankoatra. 54 Ary hitako fa rahefa tsy maintsy hihelina 55 - Tsy hisy fandavana - 56 Tsy maintsy ho vovoka isika olombelona 57 Dia tsara hozahavana 58 Izay mba mahamamy kokoa ka ho telina 59 Ny fiainana, rahavana, 60 Tsotra io: 61 rantsano izay manelingelina 62 Ny fifankatiavana. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |