|
|
|
|

Teny iditra1  anoin-tsarotra
Singan-teny  2 anoina, 3 sarotra
Sokajin-teny  4  kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  5 atao amin-kasahiranana: Hanointsarotra ny fanaovana itỳ trano itỳ satria ho avy izao ny orana. (Marihina fa matoantenin' ny iharana ny anoina izay mitanisa: anoina, hanoina, nanoina ka diso bevava ara-pitsipika ny hoe manoina, izay ampiasain' ny maro amin' ny fiteny hoe manoin-tsarotra; ny tiany hampiasaina dia ny mataontenin' ny mpanao mifanandrify aminy, dia ny hoe manano sarotra). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 difficult, beset with difficulties. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 difficile à accomplir. [1.8]

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12