Entrée (1/3) | 1 volan-tsinana |
Mots élémentaires | 2 volana, 3 tsinana |
Partie du discours | 4 nom |
Explications en français |
5 les premiers jours de la lune croissant [1.3] |
Exemples |
6 Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana
[2.996]
|
Tous les mots composés |
|
Vocabulaire | 8 Astronomie |
Entrée (2/3) | 9 volan-tsinana |
Partie du discours | 10 nom |
Explications en français |
11 demi-cercle [1.3] |
Exemples |
12 Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana
[2.996]
|
Vocabulaire | 13 Mathématiques: géométrie |
Entrée (3/3) | 14 Volan-tsinana |
Mots élémentaires | 15 volan-tsinana, 16 volana, 17 tsinana |
Partie du discours | 18 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 19 Littérature: poèmes |
Auteur |
20 Razafintsalama Josefa |
Texte complet |
21 Raha nisoka, natao tsy hiverina; 22 nony maty, natao tsy hiposaka, 23 kanjo io ihany io mitsingerina, 24 fa ny zava-malefa-pitosaka ; 25 fisehoany dia mihelontrelona , 26 fa mitsidi-mitranga milentika 27 ary impito no maty ka velona 28 fa tsy tena dia lasa mirendrika 29 iry volan-tsinana andrefana 30 mahalala fotoam-piherenana! 31 Samy faly no sady finaritra, 32 ka indreny miainga mirohotra 33 eo an-kianja hikorana maharitra 34 ireo maro kilonga isam-bohitra; 35 fa ny zaza kamboty, manjonitra, 36 mahatsiahy ilay kibo nitoerana 37 sy ny ray nanao sikim-ponitra , 38 faingy hani-mandalo miserana 39 toraka io volan-tsinana andrefana, 40 tsy mandika fotoam-piherenana. 41 Ireo hazo amoron'ny tevana 42 velon-tsento mangina tarafiny, 43 fa ny sainy he! mihevangevana 44 ka maniry azy io hotahafiny... 45 Dia voavetso ny ela nilaozana, 46 ka ny endrika, bika, nananana, 47 no tanian-kimpody , hiaranana 48 toraka io volan-tsinana andrefana 49 tsy mandiso fotoam-piherenana! |
Anagrammes | 50 volan-tsinana, Volan-tsinana |
Mis à jour le 2025/09/19 |
![]() |