|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/3) | 1 lalana |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Soritra namboarina hatao fandehanana mampitohy toerana na tanàna roa: Tsara ny lalana mankany Mojanga / Manaraha mandrakariva ny lalan' ny fahamarinana.
4 Zavatra tsy maintsy atao mba hahatongavana amin' izay kendrena: Ny fikezahana no lalana mitondra amin' ny fahombiazana. 5 Fahazoana manao zavatra iray, fahazoam-pahefana hanao zavatra iray: Iza no nanome lalana anao hiditra ato amin' ny sahako? (diso ny mampiasa ny teny hoe "alalana" amin' ny fehezan-teny toy io): Mangata-dalana handeha izahay, tompoko.. 6 Teny misy hevitra ifandraisany: Lalan-kely, lalan-tsarety, lalam-be, arabe, lalam-boahangy, kizo, soritra, diantsarety, sakeli-dalana, kihondalana, fihaonan-dalana, sampan-dalana, hodimirana, finlahana, fivilian-dalana, lalamasaka, kizo tokana, lalantampina. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
7 a road, a way, a path [Mal. jalan; Jav. Dalan] see alalana, andalana, for many derivatives.
[1.2] 8 a road. [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9 route, chemin.
[1.8] 10 voie, rue. [1.13] [lalaña] 11 chemin. [Sakalava-Mayotte] [1.405] |
| Ohatra |
12 lalany ihany ny lohasaha firaofany.
[2.470]
13 Sarotra amin'izy efa-mianaka mihitsy ny manaraka ny lalana|dalana, fa efa feno ny mpandositra, ka dia ny manavatsava manao hitsin-lalana|dalana no nataony. [2.324] 14 Nihantsy ady taminy aho, hanova azy ho lalan' ny Fahafahana, saingy toa ho resiny. [2.471] |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Kamban-teny rehetra | 19 Fikambanana 97 amin' io teny io |
| Ohabolana | 20 Ohabolana misy io teny io |
| Lahatsoratra | 21 Randzavola: lalana ao amin' ny Baiboly (=> varotra sy ranto) |
| Teny iditra (2/3) | 22 lalàna |
| Sokajin-teny | 23 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
24 Fitsipika na amboaram-pitsipika tsy maintsy arahin' ny olon-drehetra, avoakan' ny mpitondra fanjakanà, na voaraikitry ny fomba amam-panao hatra ny fahagolan-tany, na ataon' ny solombavambahoaka: Fantatrao ve ny lalàna momba ny fifidianana? / Makà hevitra amin' ny olona mpahay lalàna ianao.
25 Fepetra arahina amin' ny sokajin-javatra na fahaizana manokana: Araka ny lalànan' ny fitsipipitenenana malagasy dia tsy asiana / amin' ny fanakambanon-teny, raha ka na tra no iafaran' ny teny voalohany: Kara-pifidianana. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
26 [French la loi] a law.
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
27 [français la loi] loi.
[1.8] |
| Haiendriteny |
|
| Kamban-teny rehetra | 30 Fikambanana 30 amin' io teny io |
| Ohabolana | 31 Ohabolana misy io teny io |
| Lahatsoratra | 32 Randzavola: lalàna ao amin' ny Baiboly |
| Teny iditra (3/3) | 33 Lalana |
| Sokajin-teny | 34 anarana (lohatenin' boky) [Fitanisana] |
| Voambolana | 35 Haisoratra: boky |
| Mpanoratra |
36 Rakotoson Michèle |
| Fivaditsoratra | 37 Lalana, lalana, lalàna |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/10 |
|