|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 anakandriana |
| Singan-teny | 2 anaka, 3 andriana |
| Sokajin-teny | 4 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
5 antidahy.
[Betsileo]
[1.78] 6 zanak' andriana. [Betsimisaraka] [1.78] |
| Fanazavàna teny anglisy |
7 Petty princes among the various tribes.
[Provincial]
[1.2] |
| Ohabolana | 8 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 9 Anakandriana |
| Singan-teny | 10 anaka, 11 andriana |
| Sokajin-teny | 12 anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
[anakanDRIana]
[1.1#72] 13 zavatra tsy hita maso ninoan' ny Ntaolo ho nonina tany anaty lava-bato, ary mpanelanelana eamin' Andriamanitra sy ny olombelona; ny anakandriana no voalaza ho nanindry mandry na nanoro hevitra ny mpimasy. [Anakandriana] [ranakanDRIana] [1.1#814] 14 zavatra tsy hita vatana, ninoan' ny Ntaolo ho "mpamoaka ny fitahian' Andriamanitra, aloalon' ny tany sy ny lanitra", ka nanaovan' ny olona hataka sy vavaka ary hasim-bola, ka nanome, hono, raha hitany fa mahatsara ny olona mangataka ny zavatra angatahiny. [Ranakandriana] |
| Fanazavàna teny anglisy |
15 Supposed supernatural beings imployed as agents between God and man. See anakandriana.
[1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
[ranakanDRIana]
[1.3#506] 16 êtres surnaturels, censés habiter surtout dans les cavernes ; agents intermédiaires entre Dieu et les hommes, ils inspiraient tous les mpimasy (devins). [Ranakandriana] 17 [Malzac confond ici mpimasy et mpisikidy]. [1.196] |
| Ohatra |
18 Izany no atao hoe «Anakandriana|Ranakandriana na Anakandriana|Ranakandriana.
[2.588]
19 tsindry ny ranakandriana, ary ny olona mpaminany mahalala koa: [2.48] 20 Izy no nampiditra ny fitondram-panjakana misy anakandriana sy Anakandriambe. [2.508#] |
| Voambolana | 21 Finoana |
| Tsipelina hafa | 22 Ranakandriana, ranakandriana |
| Fivaditsoratra | 23 anakandriana, Anakandriana |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/10 |
|