Chapitres et versets citant Abrahama

  Genesis Fiandohana na Genesisy Fiandohana na Jenezy La Genèse
...............
Gen / Jen 17.5 Neither shall thy name any more be called Abram, but thy name shall be Abraham; for a father of many nations have I made thee. Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain' ny firenena maro ianao. ary ny anaranao dia tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria hataoko rain' ny firenena tsy hita isa hianao. Et l' on ne t' appellera plus Abram, mais ton nom sera Abraham, car je te fais père d' une multitude de nations.
...............
Gen / Jen 17.9 And God said unto Abraham, Thou shalt keep my covenant therefore, thou, and thy seed after thee in their generations. Dia hoy Andriamanitra tamin' i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin' ny taranaka fara mandimby. Hoy Andriamanitra tamin' i Abrahama: Ny aminao kosa, hitandrina ny fanekeko hianao, dia hianao sy ny taranakao amin' ny taona mifandimby. Dieu dit à Abraham : Et toi, tu observeras mon alliance, toi et ta race après toi, de génération en génération.
...............
Gen / Jen 17.15 And God said unto Abraham, As for Sarai thy wife, thou shalt not call her name Sarai, but Sarah shall her name be. Dia hoy Andriamanitra tamin' i Abrahama: Ny amin' i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany. Hoy Andriamanitra tamin' i Abrahama: Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany. Dieu dit à Abraham : Ta femme Saraï, tu ne l' appelleras plus Saraï, mais son nom est Sara.
...............
Gen / Jen 17.17 Then Abraham fell upon his face, and laughed, and said in his heart, Shall a child be born unto him that is an hundred years old? and shall Sarah, that is ninety years old, bear? Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona? Niankohoka tamin' ny tany Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka! Abraham tomba la face contre terre, et il se mit à rire car il se disait en lui-même : Un fils naîtra-t-il à un homme de cent ans, et Sara qui a quatre-vingt-dix ans va-t-elle enfanter ?
Gen / Jen 17.18 And Abraham said unto God, O that Ishmael might live before thee! Ary hoy Abrahama tamin' Andriamanitra : Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao! Dia hoy Arahama tamin' Andriamanitra: Enga anie ka ho velona eo anatrehanao Ismaely! Abraham dit à Dieu : Oh ! qu' Ismaèl vive devant ta face !
...............
Gen / Jen 17.22 And he left off talking with him, and God went up from Abraham. Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin' i Abrahama. Nony tapi-niteny tamin' i Abrahama Andriamanitra dia niakatra izy niala teo aminy. Lorsqu' il eut fini de lui parler, Dieu remonta d' auprès d' Abraham.
Gen / Jen 17.23 And Abraham took Ishmael his son, and all that were born in his house, and all that were bought with his money, every male among the men of Abraham' s house; and circumcised the flesh of their foreskin in the selfsame day, as God had said unto him. Koa dia nalain' i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin' izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain' Andriamanitra taminy. Dia nalain' i Abrahama Ismaely zanany, mbamin' ny ompikeliny rehetra sy izay rehetra novidiny vola, dia ny lahy rehetra tamin' ny olona ao an-tranony, ka noforany androtr' izay ihany, araka ny nandidian' Andriamanitra azy. Alors Abraham prit son fils Ismaèl, tous ceux qui étaient nés dans sa maison, tous ceux qu' il avait acquis de son argent, bref tous les mâles parmi les gens de la maison d' Abraham, et il circoncit la chair de leur prépuce, ce jour même, comme Dieu le lui
Gen / Jen 17.24 And Abraham was ninety years old and nine, when he was circumcised in the flesh of his foreskin. Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy. Efa sivy amby sivy folo taona Abrahama tamin' izy noforàna; Abraham était âgé de quatre-vingt-dix-neuf ans lorsqu' on circoncit la chair de son prépuce
...............
Gen / Jen 17.26 In the selfsame day was Abraham circumcised, and Ishmael his son. Androtrizay indrindra no namorana an' i Abrahama sy Isimaela zanany; Noforàna androtr' izay avokoa Abrahama sy Ismaely zanany, Ce jour même furent circoncis Abraham et son fils Ismaèl,
Gen / Jen 18.1 And the Lord appeared unto him in the plains of Mamre: and he sat in the tent door in the heat of the day; Ary Jehovah niseho tamin' i Abrahama teo an-kazo terebintan' i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran' ny lainy izy, raha nafana ny andro; Ary Iaveh niseho taminy, teo amin' ireo terebintan' i Mambre, raha ilay nipetraka teo am-baravaran' ny lainy iny izy, tamin' ilay nigaingaina iny ny andro. Yahvé lui apparut au Chêne de Mambré, tandis qu' il était assis à l' entrée de la tente, au plus chaud du jour.
...............
Gen / Jen 18.6 And Abraham hastened into the tent unto Sarah, and said, Make ready quickly three measures of fine meal, knead it, and make cakes upon the hearth. Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin' i Saraha ka nanao hoe: Faingana, makà koba tsara toto intelon' ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo. Dia niverina faingana Abrahama nankeo an-day amin' i Sarà ka nanao hoe: Abraham se hâta vers la tente auprès de Sara et dit : Prends vite trois boisseaux de farine, de fleur de farine, pétris et fais des galettes.
Gen / Jen 18.7 And Abraham ran unto the herd, and fetcht a calf tender and good, and gave it unto a young man; and he hasted to dress it. Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin' ny omby, dia naka zanak' omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin' ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy. Faingàna hianao, mangalà lafarina intelon' ny famarana, ditio ka ataovy mofo. Puis Abraham courut au troupeau et prit un veau tendre et bon; il le donna au serviteur qui se hâta de le préparer.
Gen / Jen 18.8 And he took butter, and milk, and the calf which he had dressed, and set it before them; and he stood by them under the tree, and they did eat. Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak' omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan' izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin' ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy. Avy eo Abrahama dia nandeha faingana ho any amin' ny andian' omby, dia naka zanak' omby anankiray tanora sy tsara izy, ary nomeny ny mpanompony izay nahandro izany faingana; dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin' ilay zanak' omby efa nandrahoina izy, ary narosony izany teo anoloan' izy ireo, ary izy kosa nitsangana teo anilany, teo am-poto-kazo. Ary nihinana izy ireo. Il prit du caillé, du lait, le veau qu' il avait apprêté et plaça le tout devant eux; il se tenait debout près d' eux, sous l' arbre, et ils mangèrent.
Gen / Jen 18.9 And they said unto him, Where is Sarah thy wife? And he said, Behold, in the tent. Ary hoy izy telo lahy tamin' i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy. Rahefa izany dia hoy ireo taminy: Aiza Sarà vadinao? Hoy ny navaliny: Ao an-day ao izy. Ils lui demandèrent : Où est Sara, ta femme ? Il répondit : Elle est dans la tente.
...............
Gen / Jen 18.11 Now Abraham and Sarah were old and well stricken in age; and it ceased to be with Sarah after the manner of women. Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin' ny fombam-behivavy Saraha. Ary Abrahama sy Sarà dia efa samy antitra, ela andro niainana; ary Sarà dia efa nitsaha-potoana, Or Abraham et Sara étaient vieux, avancés en âge, et Sara avait cessé d' avoir ce qu' ont les femmes.
...............
Gen / Jen 18.13 And the Lord said unto Abraham, Wherefore did Sarah laugh, saying, Shall I of a surety bear a child, which am old? Ary hoy Jehovah tamin' i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao? Hoy Iaveh tamin' i Abrahama: Nahoana Sarà no nihomehy nanao hoe: Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hiteraka indray? Mais Yahvé dit à Abraham : Pourquoi Sara a-t-elle ri, se disant : Vraiment, vais-je encore enfanter, alors que je suis devenue vieille ?
...............
Gen / Jen 18.16 And the men rose up from thence, and looked toward Sodom: and Abraham went with them to bring them on the way. Dia nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an' i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy. Nitsangana handeha ireo lehilahy ireo, dia nitodika nankany Sodoma; Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy. S'étant levés, les hommes partirent de là et arrivèrent en vue de Sodome. Abraham marchait avec eux pour les reconduire.
Gen / Jen 18.17 And the Lord said, Shall I hide from Abraham that thing which I do; Ary Jehovah nanao hoe: Hafeniko amin' i Abrahama va izay hataoko? Ary hoy Iaveh: Hafeniko amin' i Abrahama va izay efa hataoko? Yahvé s'était dit : Vais-je cacher à Abraham ce que je vais faire,
Gen / Jen 18.18 Seeing that Abraham shall surely become a great and mighty nation, and all the nations of the earth shall be blessed in him? Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin' ny tany. Abrahama anefa no ho tonga firenena lehibe sy mahery, sady aminy no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin' ny tany. alors qu' Abraham deviendra une nation grande et puissante et que par lui se béniront toutes les nations de la terre ?
Gen / Jen 18.19 For I know him, that he will command his children and his household after him, and they shall keep the way of the Lord, to do justice and judgment; that the Lord may bring upon Abraham that which he hath spoken of him. Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman' ireo ny lalàn' i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran' i Jehovah amin' i Abrahama izay efa nolazainy taminy. Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn' ny Tompo, amin' ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan' ny Tompo amin' i Abrahama ny soa nampanantenainy azy. Car je l' ai distingué, pour qu' il prescrive à ses fils et à sa maison après lui de garder la voie de Yahvé en accomplissant la justice et le droit; de la sorte, Yahvé réalisera pour Abraham ce qu' il lui a promis.
...............
Gen / Jen 18.22 And the men turned their faces from thence, and went toward Sodom: but Abraham stood yet before the Lord. Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan' i Jehovah. Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan' ny Tompo ihany. Les hommes partirent de là et allèrent à Sodome. Yahvé se tenait encore devant Abraham.
Gen / Jen 18.23 And Abraham drew near, and said, Wilt thou also destroy the righteous with the wicked? Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin' ny meloka va ny marina? Ary nanatona Abrahama ka nanao hoe: Hataonao maty miaraka amin' ny meloka koa va ny marina? Celui-ci s' approcha et dit : Vas-tu vraiment supprimer le juste avec le pécheur ?
...............
Gen / Jen 18.27 And Abraham answered and said, Behold now, I have taken upon me to speak unto the Lord, which am but dust and ashes: Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin' ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona: Fa hoy indray Abrahama: Indro efa sahy niteny tamin' ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana. Abraham reprit : Je suis bien hardi de parler à mon Seigneur, moi qui suis poussière et cendre.
...............
Gen / Jen 18.29 And he spake unto him yet again, and said, Peradventure there shall be forty found there. And he said, I will not do it for forty' s sake. Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo. Dia mbola niteny taminy ihany Abrahama, ka nanao hoe: Angamba ho efa-polo ny olo-marina ao. Ary hoy izy: Tsy hanao izany aho, noho ny fitiavako an' izy efa-polo ireo. Abraham reprit encore la parole et dit : Peut-être n' y en aura-t-il que quarante, et il répondit : Je ne le ferai pas, à cause des quarante.
Gen / Jen 18.30 And he said unto him, Oh let not the Lord be angry, and I will speak: Peradventure there shall thirty be found there. And he said, I will not do it, if I find thirty there. Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao. Ary hoy Abrahama: Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo, raha mbola miteny aho: Angamba telo-polo izy no ho hita ao. Dia hoy izy: Tsy hanao izany aho raha telo-polo no hitako ao. Abraham dit : Que mon Seigneur ne s' irrite pas et que je puisse parler : peut-être s' en trouvera-t-il trente, et il répondit : Je ne le ferai pas, si j' en trouve trente.
Gen / Jen 18.31 And he said, Behold now, I have taken upon me to speak unto the Lord: Peradventure there shall be twenty found there. And he said, I will not destroy it for twenty' s sake. ArY hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin' ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo. Hoy Abrahama: Indro efa sahy niteny tamin' ny Tompo aho, angamba roa-polo izy no ho hita ao. Ary hoy izy: Tsy handringana ny tanàna aho raha roa-polo izy. Il dit : Je suis bien hardi de parler à mon Seigneur : peut-être s' en trouvera-t-il vingt, et il répondit : Je ne détruirai pas, à cause des vingt.
Gen / Jen 18.32 And he said, Oh let not the Lord be angry, and I will speak yet but this once: Peradventure ten shall be found there. And he said, I will not destroy it for ten' s sake. Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo. Hoy Abrahama: Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo, fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho: Angamba folo izy no ho hita ao. Dia hoy izy: Tsy handringana azy aho noho ireo folo ireo. Il dit : Que mon Seigneur ne s' irrite pas et je parlerai une dernière fois : peut-être s' en trouvera-t-il dix, et il répondit : Je ne détruirai pas, à cause des dix.
Gen / Jen 18.33 And the Lord went his way, as soon as he had left communing with Abraham: and Abraham returned unto his place. Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin' i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin' ny fonenany. Lasa nandeha Iaveh nony tapi-niteny tamin' i Abrahama, ary Abrahama kosa dia nody. Yahvé, ayant achevé de parler à Abraham, s' en alla, et Abraham retourna chez lui.
...............
Gen / Jen 19.27 And Abraham gat up early in the morning to the place where he stood before the Lord: Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin' ilay efa nijanonany teo anatrehan' i Jehovah; Nifoha maraina koa Abrahama, dia nankany amin' ilay toerana nijanonany teo anatrehan' ny Tompo. Levé de bon matin, Abraham vint à l' endroit où il s'était tenu devant Yahvé
...............
Gen / Jen 19.29 And it came to pass, when God destroyed the cities of the plain, that God remembered Abraham, and sent Lot out of the midst of the overthrow, when he overthrew the cities in the which Lot dwelt. Ary raha noravan' Andriamanitra ny tanàna tany amin' ny tany lemaka, dia nahatsiaro an' i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an' i Lota hiala teo afovoan' ny horavana, tamin' ny nandravany ny tanàna izay nonenan' i Lota. Nahatsiaro an' i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin' ny tany lemaka, ka nanafaka an' i Lota tamin' ny fikorontanana izy, nony nanakorontana ny tanàna nonenan' i Lota. Ainsi, lorsque Dieu détruisit les villes de la Plaine, il s' est souvenu d' Abraham et il a retiré Lot du milieu de la catastrophe, dans le renversement des villes où habitait Lot.
Gen / Jen 20.1 And Abraham journeyed from thence toward the south country, and dwelled between Kadesh and Shur, and sojourned in Gerar. Dia nifindra niala teo Abrahama nankany amin' ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan' i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy. Nifindra niala teo Abrahama, dia nankany amin' ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan' i Kadesa sy Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy. Abraham partit de là pour le pays du Négeb et demeura entre Cadès et Shur. Il vint séjourner à Gérar.
Gen / Jen 20.2 And Abraham said of Sarah his wife, She is my sister: and Abimelech king of Gerar sent, and took Sarah. Ary hoy ny filazan' i Abrahama an' i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan' i Gerara, nampaka an' i Saraha. Sarà vadiny nolazain' i Abrahama hoe: anabaviko io. Naniraka olona haka an' i Sarà Abimeleka mpanjakan' i Jerara. Abraham dit de sa femme Sara : C' est ma soeur et Abimélek, le roi de Gérar, fit enlever Sara.
...............
Gen / Jen 20.9 Then Abimelech called Abraham, and said unto him, What hast thou done unto us? and what have I offended thee, that thou hast brought on me and on my kingdom a great sin? thou hast done deeds unto me that ought not to be done. Ary Abimeleka dia nampaka an' i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin' ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko. Dia nantsoin' i Abimeleka koa Abrahama ka hoy izy taminy: Inona izao nataonao taminay izao? Inona no tsy mety nataoko taminao no dia nampiditra heloka be vava tamiko sy tamin' ny fanjakako hianao? Zavatra tsy fanao mihitsy izao nataonao tamiko izao. Puis Abimélek appela Abraham et lui dit : Que nous as-tu fait ? Quelle offense ai-je commise contre toi pour que tu attires une si grande faute sur moi et sur mon royaume ? Tu as agi à mon égard comme on ne doit pas agir.
Gen / Jen 20.10 And Abimelech said unto Abraham, What sawest thou, that thou hast done this thing? Ary hoy koa Abimeleka tamin' i Abrahama: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany ianao? Dia hoy koa Abimeleka tamin' i Abrahama: Fa nihevitra inona hianao, no dia nanao izany? Et Abimélek dit à Abraham : Qu' est-ce qui t' a pris d' agir ainsi ?
Gen / Jen 20.11 And Abraham said, Because I thought, Surely the fear of God is not in this place; and they will slay me for my wife' s sake. Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an' Andriamanitra tokoa amin' ity tany ity, ka hovonoin' ny olona aho noho ny amin' ny vadiko. Ary izao no navalin' i Abrahama: Hoy aho anakampo: Tsy misy tahotra an' Andriamanitra kely akory angamba amin' ity tany ity, ka hovonoin' ny olona aho, noho ny amin' ny vadiko. Abraham répondit : Je me suis dit : Pour sûr, il n' y a aucune crainte de Dieu dans cet endroit, et on va me tuer à cause de ma femme.
...............
Gen / Jen 20.14 And Abimelech took sheep, and oxen, and menservants, and womenservants, and gave them unto Abraham, and restored him Sarah his wife. Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an' i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy. Dia naka omby sy ondry sy ankizilahy amin' ankizivavy Abimeleka ka nomeny an' i Abrahama, ary Sarà vadiny naveriny taminy koa. Abimélek prit du petit et du gros bétail, des serviteurs et des servantes et les donna à Abraham, et lui rendit sa femme Sara.
...............
Gen / Jen 20.17 So Abraham prayed unto God: and God healed Abimelech, and his wife, and his maidservants; and they bare children. Ary Abrahama dia nifona tamin' Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an' i Abimeleka sy ny vadiny mbamin' ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo. Ary nifona tamin' Andriamanitra Abrahama dia nositranin' Andriamanitra Abimeleka sy ny vadiny amam-panompovaviny, ka niteraka ireo. Abraham intercéda auprès de Dieu et Dieu guérit Abimélek, sa femme et ses servantes, pour qu' ils puissent avoir des enfants.
Gen / Jen 20.18 For the Lord had fast closed up all the wombs of the house of Abimelech, because of Sarah Abraham' s wife. Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin' ny ankohonan' i Abimeleka noho ny amin' i Saraha, vadin' i Abrahama. Fa efa nataon' ny Tompo momba ny kibon' ny ankohonan' i Abimeleka rehetra noho ny amin' i Sarà vadin' i Abrahama. Car Yahvé avait rendu stérile le sein de toutes les femmes dans la maison d' Abimélek, à cause de Sara, la femme d' Abraham.
...............
Gen / Jen 21.2 For Sarah conceived, and bare Abraham a son in his old age, at the set time of which God had spoken to him. Dia nanan' anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin' i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin' ny fotoana izay efa nolazain' Andriamanitra taminy. Nanana anaka Sarà ka nitera-dahy tamin' i Abrahama, tamin' ny fahanterany, nony tonga ny fotoana nolazain' Andriamanitra azy. Sara conçut et enfanta un fils à Abraham déjà vieux, au temps que Dieu avait marqué.
Gen / Jen 21.3 And Abraham called the name of his son that was born unto him, whom Sarah bare to him, Isaac. Ary ny anaran' ny zanany izay teraka, ilay naterak' i Saraha taminy dia nataon' i Abrahama hoe Isaka. Ary ny anaran' ilay zaza teraka taminy, naterak' i Sarà taminy, dia nataon' i Abrahama hoe Isaaka. Au fils qui lui naquit, enfanté par Sara, Abraham donna le nom d' Isaac.
Gen / Jen 21.4 And Abraham circumcised his son Isaac being eight days old, as God had commanded him. Dia noforan' i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian' Andriamanitra azy. Nony teraka havaloana izy dia noforan' i Abrahama, araka ny efa nandidian' Andriamanitra azy. Abraham circoncit son fils Isaac, quand il eut huit jours, comme Dieu lui avait ordonné.
Gen / Jen 21.5 And Abraham was an hundred years old, when his son Isaac was born unto him. Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an' i Isaka zanany izy. Efa zato taona Abrahama tamin' ny nahaterahan' Isaaka zanany. Abraham avait cent ans lorsque lui naquit son fils Isaac.
...............
Gen / Jen 21.7 And she said, Who would have said unto Abraham, that Sarah should have given children suck? for I have born him a son in his old age. Ary hoy koa izy: Nampoizin' iza akory moa no hilaza amin' i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy. Iza moa no nanan-kevitra ny hilaza amin' i Abrahama hoe: Hampinono zaza Sarà? Kanjo antitra izy ity vao tera-dahy taminy aho. Elle dit aussi : Qui aurait dit à Abraham que Sara allaiterait des enfants ! car j' ai donné un fils à sa vieillesse.
Gen / Jen 21.8 And the child grew, and was weaned: and Abraham made a great feast the same day that Isaac was weaned. Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin' ny andro nanotazana an' Isaka. Nihalehibe ny zaza dia notazana. Ary nanao fanasana lehibe Abrahama tamin' ny andro nanotazana an' Isaaka. L' enfant grandit et fut sevré, et Abraham fit un grand festin le jour où l' on sevra Isaac.
Gen / Jen 21.9 And Sarah saw the son of Hagar the Egyptian, which she had born unto Abraham, mocking. Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak' i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin' i Abrahama. Ilay zanak' i Agara Ejipsiana naterany tamin' i Abrahama kosa, hitan' i Sarà fa nihomehy, Or Sara aperçut le fils né à Abraham de l'Égyptienne Agar, qui jouait avec son fils Isaac,
Gen / Jen 21.10 Wherefore she said unto Abraham, Cast out this bondwoman and her son: for the son of this bondwoman shall not be heir with my son, even with Isaac. Dia hoy izy tamin' i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak' io andevovavy io tsy hiray lova amin' ny zanako, dia amin' Isaka. ka hoy izy tamin' i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak' io andevovavy io dia tsy mahazo miray lova amin' ny zanako, amin' Isaaka. et elle dit à Abraham : Chasse cette servante et son fils, il ne faut pas que le fils de cette servante hérite avec mon fils Isaac.
Gen / Jen 21.11 And the thing was very grievous in Abraham' s sight because of his son. Fa ratsy teo imason' i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin' ny zanany. Nampalahelo mafy an' i Abrahama izany teny izany, noho ny amin' ny zanany. Cette parole déplut beaucoup à Abraham, à propos de son fils,
Gen / Jen 21.12 And God said unto Abraham, Let it not be grievous in thy sight because of the lad, and because of thy bondwoman; in all that Sarah hath said unto thee, hearken unto her voice; for in Isaac shall thy seed be called. Ary hoy Andriamanitra tamin' i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin' ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain' i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin' Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao. Fa hoy Andriamanitra tamin' i Abrahama: Aza atao mampalahelo anao ny amin' ny zaza sy ny andevovavinao, fa na inona na inona angatahin' i Sarà ekeo avokoa, satria avy amin' Isaaka no hihavian' ny taranaka hitondra ny anaranao. mais Dieu lui dit : Ne te chagrine pas à cause du petit et de ta servante, tout ce que Sara te demande, accorde-le, car c' est par Isaac qu' une descendance perpétuera ton nom,
...............
Gen / Jen 21.14 And Abraham rose up early in the morning, and took bread, and a bottle of water, and gave it unto Hagar, putting it on her shoulder, and the child, and sent her away: and she departed, and wandered in the wilderness of Beersheba. Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an' i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr' i Beri-sheba. Dia nifoha maraina koa Abrahama, ka naka mofo sy rano eran' ny siny hoditra anankiray; nomeny an' i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an' efitr' i Bersabea tany. Abraham se leva tôt, il prit du pain et une outre d' eau qu' il donna à Agar, et il mit l' enfant sur son épaule, puis il la renvoya. Elle s' en fut errer au désert de Bersabée.
...............
Gen / Jen 21.22 And it came to pass at that time, that Abimelech and Phichol the chief captain of his host spake unto Abraham, saying, God is with thee in all that thou doest: Ary tamin' izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin' ny miaramilany, dia niteny tamin' i Abrahama ka nanao hoe: Omban' Andriamanitra ianao amin' izay rehetra ataonao; Tamin' izany andro izany, Abimeleka narahin' i Fikola, filohan' ny tafiny, niteny tamin' i Abrahama hoe: Omban' Andriamanitra hianao amin' izay rehetra ataonao. En ce temps-là, Abimélek vint avec Pikol, le chef de son armée, dire à Abraham : Dieu est avec toi en tout ce que tu fais.
...............
Gen / Jen 21.24 And Abraham said, I will swear. Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho. Hoy Abrahama: Hianiànako izany. Abraham répondit : Oui, je le jure !
Gen / Jen 21.25 And Abraham reproved Abimelech because of a well of water, which Abimelech' s servants had violently taken away. Ary Abrahama nananatra an' i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain' ny mpanompon' i Abimeleka an-keriny Nanome tsiny an' i Abimeleka anefa Abrahama, fa nisy lavaka fantsakana anankiray nanaovan' ny mpanompony an-keriny. Abraham fit reproche à Abimélek à propos du puits que les serviteurs d' Abimélek avaient usurpé.
...............
Gen / Jen 21.27 And Abraham took sheep and oxen, and gave them unto Abimelech; and both of them made a covenant. Ary Abrahama naka ondry aman' osy sy omby. ka nomeny an' i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy. Dia naka ondry aman' omby Abrahama, natolony an' i Abimeleka ka nifanao fanekem-pihavanana izy roa lahy. Abraham prit du petit et du gros bétail et le donna à Abimélek, et tous les deux conclurent une alliance.
Gen / Jen 21.28 And Abraham set seven ewe lambs of the flock by themselves. Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin' ny ondry. Ary nanavaka ondrivavy kely fito tamin' ny biby fiompiny Abrahama. Abraham mit à part sept brebis du troupeau,
Gen / Jen 21.29 And Abimelech said unto Abraham, What mean these seven ewe lambs which thou hast set by themselves? Ary hoy Abimeleka tamin' i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo? Ka hoy Abimeleka taminy: Inona ireo ondrivavy kely fito navahanao ireo? et Abimélek lui demanda : Que font là ces sept brebis que tu as mises à part ?
...............
Gen / Jen 21.33 And Abraham planted a grove in Beersheba, and called there on the name of the Lord, the everlasting God. Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran' i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay. Namboly tamarisa tao Bersabea Abrahama, ary niantso ny anaran' ny Tompo Andriamanitra mandrakizay teo izy. Abraham planta un tamaris à Bersabée et il y invoqua le nom de Yahvé, Dieu d'Éternité.
Gen / Jen 21.34 And Abraham sojourned in the Philistines' land many days. Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin' ny tanin' ny Filistina. Naharitra ela no nitoerany tany amin' ny Filistìna. Abraham séjourna longtemps au pays des Philistins.
Gen / Jen 22.1 And it came to pass after these things, that God did tempt Abraham, and said unto him, Abraham: and he said, Behold, here I am. Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan' Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho. Taorian' izany, nizaha toetra an' i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Ry Abrahama ô! Ary hoy izy: Inty aho. Après ces événements, il arriva que Dieu éprouva< Abraham et lui dit : Abraham ! Abraham ! Il répondit : Me voici !
...............
Gen / Jen 22.3 And Abraham rose up early in the morning, and saddled his ass, and took two of his young men with him, and Isaac his son, and clave the wood for the burnt offering, and rose up, and went unto the place of which God had told him. Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin' ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin' ny tany izay efa nolazain' Andriamanitra taminy, Nifoha maraina koa Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany, naka roalahy tamin' ny mpanompony hiaraka aminy, sy Isaaka zanany, ary namaky ny hazo hataina amin' ny sorona dorana, dia niainga nankany amin' ny tany efa nolazain' Andriamanitra azy. Abraham se leva tôt, sella son âne et prit avec lui deux de ses serviteurs et son fils Isaac. Il fendit le bois de l' holocauste et se mit en route pour l' endroit que Dieu lui avait dit.
Gen / Jen 22.4 Then on the third day Abraham lifted up his eyes, and saw the place afar off. Nony tamin' ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany terý lavitra erý. Nony tamin' ny andro fahatelo, nanopy ny masony Abrahama ka mbola lavitra ihany izy dia nahatazana ilay fitoerana, Le troisième jour, Abraham, levant les yeux, vit l' endroit de loin.
Gen / Jen 22.5 And Abraham said unto his young men, Abide ye here with the ass; and I and the lad will go yonder and worship, and come again to you. Ary hoy Abrahama tamin' ny zatovony: Mijanòna eto amin' ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankerý; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray. dia nilaza tamin' ireto mpanompony Abrahama nanao hoe: Mijanòna eto amin' ny ampondra hianareo, fa izaho sy ny zaza dia mikasa ho ery hivavaka, vao hiverina eto aminareo indray. Abraham dit à ses serviteurs : Demeurez ici avec l'âne. Moi et l' enfant nous irons jusque là-bas, nous adorerons et nous reviendrons vers vous.
Gen / Jen 22.6 And Abraham took the wood of the burnt offering, and laid it upon Isaac his son; and he took the fire in his hand, and a knife; and they went both of them together. Dia nalain' i Abrahama ny hazo hataina amin' ny fanatitra dorana ka natataony an' Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka. Dia nalain' i Abrahama ny hazo hataina amin' ny sorona dorana, ka natataony an' Isaaka zanany, ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany, dia niara-nandeha izy mianaka. Fa hoy Isaaka tamin' i Abrahama rainy: Abraham prit le bois de l' holocauste et le chargea sur son fils Isaac, lui-même prit en mains le feu et le couteau et ils s' en allèrent tous deux ensemble.
Gen / Jen 22.7 And Isaac spake unto Abraham his father, and said, My father: and he said, Here am I, my son. And he said, Behold the fire and the wood: but where is the lamb for a burnt offering? Ary Isaka niteny tamin' i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana? Dada ô! Ka hoy ny navaliny: Inty aho, anaka. Dia hoy Isaaka: Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto, fa izay zanak' ondry atao sorona dorana kosa no aiza? Isaac s' adressa à son père Abraham et dit : Mon père ! Il répondit : Oui, mon fils ! - Eh bien, reprit-il, voilà le feu et le bois, mais où est l' agneau pour l' holocauste ?
Gen / Jen 22.8 And Abraham said, My son, God will provide himself a lamb for a burnt offering: so they went both of them together. Fa hoy Abrahama: Anaka. Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka. Hoy ny navalin' i Abrahama: Hataon' Andriamanitra izay hahitana ny zanak' ondry hatao sorona dorana, anaka. Dia niara-nandeha izy mianaka. Abraham répondit : C' est Dieu qui pourvoira à l' agneau pour l' holocauste, mon fils, et ils s' en allèrent tous deux ensemble.
Gen / Jen 22.9 And they came to the place which God had told him of; and Abraham built an altar there, and laid the wood in order, and bound Isaac his son, and laid him on the altar upon the wood. Ary rehefa tonga teo amin' ny tany izay efa nolazain' Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an' i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin' ny alitara teo ambonin' ny kitay. Nony tonga teo amin' ny fitoerana natoron' Andriamanitra azy izy, dia naorin' i Abrahama teo ny otely; nalahany ny kitay hazo, ary nafatony Isaaka zanany, ka napetrany tambonin' ny otely eo ambonin' ny kitay. Quand ils furent arrivés à l' endroit que Dieu lui avait indiqué, Abraham y éleva l' autel et disposa le bois, puis il lia son fils Isaac et le mit sur l' autel, par-dessus le bois.
Gen / Jen 22.10 And Abraham stretched forth his hand, and took the knife to slay his son. Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany. Dia naninjitra ny tànany Abrahama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany. Abraham étendit la main et saisit le couteau pour immoler son fils.
Gen / Jen 22.11 And the angel of the Lord called unto him out of heaven, and said, Abraham, Abraham: and he said, Here am I. Fa niantso azy Ilay Anjelin' i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho. Tamin' izay niantso tany an-danitra ny Anjelin' ny Tompo nanao hoe: Ry Abrahama! ry Abrahama ô! ka hoy ny navaliny: Inty aho. Mais l' Ange de Yahvé l' appela du ciel et dit : Abraham ! Abraham ! Il répondit : Me voici !
...............
Gen / Jen 22.13 And Abraham lifted up his eyes, and looked, and behold behind him a ram caught in a thicket by his horns: and Abraham went and took the ram, and offered him up for a burnt offering in the stead of his son. Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon' ny zanany. Ary nanopy maso Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr' ala tamin' ny tandrony; dia lasa Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon' ny zanany. Abraham leva les yeux et vit un bélier, qui s'était pris par les cornes dans un buisson, et Abraham alla prendre le bélier et l' offrit en holocauste à la place de son fils.
Gen / Jen 22.14 And Abraham called the name of that place Jehovahjireh: as it is said to this day, In the mount of the Lord it shall be seen. Ary ny anaran' izany tany izany dia nataon' i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan' i Jehovah. Ary nataon' i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran' io fitoerana io. Ary avy amin' izany ilay fitenenan' ny olona mandraka androany hoe: Ho hita ihany izany any an-tendrombohitry ny Tompo. A ce lieu, Abraham donna le nom de Yahvé pourvoit, en sorte qu' on dit aujourd' hui : Sur la montagne, Yahvé pourvoit.
Gen / Jen 22.15 And the angel of the Lord called unto Abraham out of heaven the second time, Dia niantso an' i Abrahama fanindroany tany an-danitra Ilay Anjelin' i Jehovah Ary ny anjelin' ny Tompo niantso an' i Abrahama fanindroany tany an-danitra, ka nanao hoe: L' Ange de Yahvé appela une seconde fois Abraham du ciel
...............
Gen / Jen 22.19 So Abraham returned unto his young men, and they rose up and went together to Beersheba; and Abraham dwelt at Beersheba. Ary Abrahama dia niverina nankeny amin' ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany Beri-sheba; ary Abrahama dia nonina tany Beri-sheba. Dia niverina nankeny amin' ny mpanompony Abrahama, ka niainga izy ireo dia niara-nandeha nankany Bersabea. Ary nonina tao Bersabea Abrahama. Abraham revint vers ses serviteurs et ils se mirent en route ensemble pour Bersabée. Abraham résida à Bersabée.
Gen / Jen 22.20 And it came to pass after these things, that it was told Abraham, saying, Behold, Milcah, she hath also born children unto thy brother Nahor; Ary rehefa afaka izany, dia nisy nanambara tamin' i Abrahama hoe: Indro, efa niteraka zazalahy koa Milka tamin' i Nahora rahalahinao, Taty aorian' izany, nisy nampandre vaovao tamin' i Abrahama dia izao: Efa nitera-dahy tamin' i Nakora rahalahinao koa Melkà, Après ces événements, on annonça à Abraham que Milka elle aussi avait enfanté des fils à son frère Nahor :
...............
Gen / Jen 22.23 And Bethuel begat Rebekah: these eight Milcah did bear to Nahor, Abraham' s brother. Ary Betoela niteraka an-dRebeka. Ireo valo ireo no naterak' i Milka tamin' i Nahora, rahalahin' i Abrahama. Batoela no rain-dRebekà. Izy valo lahy ireo no naterak' i Melkà tamin' i Nakora rahalahin' i Abrahama. et Bétuel engendra Rébecca . Ce sont les huit enfants que Milka donna à Nahor, le frère d' Abraham.
...............
Gen / Jen 23.2 And Sarah died in Kirjatharba; the same is Hebron in the land of Canaan: and Abraham came to mourn for Sarah, and to weep for her. Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin' ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an' i Saraha sy hitomany azy. Ary Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrona izany, any amin' ny tany Kanaana; ka tonga Abrahama hisaona an' i Sarà sy hitomany azy. et elle mourut à Qiryat-Arba - c' est Hébron - au pays de Canaan. Abraham entra faire le deuil de Sara et la pleurer.
Gen / Jen 23.3 And Abraham stood up from before his dead, and spake unto the sons of Heth, saying, Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan' ny fatin' ny vadiny, dia niteny tamin' ny taranak' i Heta ka nanao hoe: Dia nitsangana Abrahama niala teo anilan' ny maty, ka niteny tamin' ny zanak' i Heta hoe: Puis Abraham se leva de devant son mort et parla ainsi aux fils de Hèt :
...............
Gen / Jen 23.5 And the children of Heth answered Abraham, saying unto him, Dia namaly an' i Abrahama ny taranak' i Heta ka nanao taminy hoe: Dia namaly an' i Abrahama ny zanak' i Heta, ka nanao taminy hoe: Les fils de Hèt firent cette réponse à Abraham :
...............
Gen / Jen 23.7 And Abraham stood up, and bowed himself to the people of the land, even to the children of Heth. Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan' ny taranak' i Heta tompon-tany, Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan' ny vahoaka tompon-tany, dia ny zanak' i Heta, Abraham se leva et s' inclina devant les gens du pays, les fils de Hèt,
...............
Gen / Jen 23.10 And Ephron dwelt among the children of Heth: and Ephron the Hittite answered Abraham in the audience of the children of Heth, even of all that went in at the gate of his city, saying, Ary Efrona nipetraka teo amin' ny taranak' i Heta; dia namaly an' i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan' ny taranak' i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin' ny tanànany, ka nanao hoe: Ary Efrona nipetraka teo afovoan' ny zanak' i Heta. Efrona Heteana namaly an' i Abrahama teo anatrehan' ny zanak' i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin' ny tanànany; hoy izy taminy: Or Éphrôn était assis parmi les fils de Hèt, et Éphrôn le Hittite répondit à Abraham au su des fils de Hèt, de tous ceux qui franchissaient la porte de sa ville :
...............
Gen / Jen 23.12 And Abraham bowed down himself before the people of the land. Ary niankohoka teo anatrehan' ny olona tompon-tany Abrahama, Niankohoka teo anatrehan' ny vahoaka tompon-tany Abrahama, Abraham s' inclina devant les gens du pays
...............
Gen / Jen 23.14 And Ephron answered Abraham, saying unto him, Ary Efrona dia namaly an' i Abrahama ka nanao taminy hoe: Namaly Efròna ka nanao tamin' i Abrahama hoe: Éphrôn répondit à Abraham :
...............
Gen / Jen 23.16 And Abraham hearkened unto Ephron; and Abraham weighed to Ephron the silver, which he had named in the audience of the sons of Heth, four hundred shekels of silver, current money with the merchant. Dia neken' i Abrahama ny tenin' i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan' ny taranak' i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin' ny mpivarotra. Nohenoin' i Abrahama i Efrona ka nolanjain' i Abrahama ny vola voalazany teo anatrehan' ny zanak' i Heta, dia volafotsy efa-jato sikla, araka ny fandraisan' ny mpivarotra azy. Abraham donna son consentement à Éphrôn et Abraham pesa à Éphrôn l' argent dont il avait parlé au su des fils de Hèt, soit quatre cents sicles d' argent ayant cours chez le marchand.
...............
Gen / Jen 23.18 Unto Abraham for a possession in the presence of the children of Heth, before all that went in at the gate of his city. tamini' i Abrahama ho fananana, teo imason' ny taranak' i Heta, dia izay rehetra niditra teo ambavahadin' ny tanànany. dia tapaka ho fananan' i Abrahama eo anatrehan' ny zanak' i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin' ny tanànany. passèrent en propriété à Abraham au vu des fils de Hèt, de tous ceux qui franchissaient la porte de sa ville.
Gen / Jen 23.19 And after this, Abraham buried Sarah his wife in the cave of the field of Machpelah before Mamre: the same is Hebron in the land of Canaan. Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an' i Saraha vadiny tao amin' ny zohy tao amin' ny saha Makpela tandrifin' i Mamre (Hebrona izany), ao amin' ny tany Kanana; Izay Abrahama vao nandevina an' i Sarà vadiny, tao an-johin' i Makpelà, tandrifin' i Mambre dia Hebrona izany, any amin' ny tany Kanaana. Puis Abraham enterra Sara, sa femme, dans la grotte du champ de Makpéla, vis-à-vis de Mambré c' est Hébron, au pays de Canaan.
Gen / Jen 23.20 And the field, and the cave that is therein, were made sure unto Abraham for a possession of a buryingplace by the sons of Heth. ka ny saha mbamin' ny zohy izay ao anatiny dia nataon' ny taranak' i Heta varo-maty tamin' i Abrahama ho tany fandevenana. Ka ny saha sy ny zohy ao anatiny dia tapaka lasan' i Abrahama, varo-maty, ho tany fandevenana, avy amin' ny zanak' i Heta. C' est ainsi que le champ et la grotte qui y est sise furent acquis à Abraham des fils de Hèt comme possession funéraire.
Gen / Jen 24.1 And Abraham was old, and well stricken in age: and the Lord had blessed Abraham in all things. Ary Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an' i Abrahama tamin' ny zavatra rehetra. Efa zoky olona sy nandroso fahanterana Abrahama sady nosoavin' ny Tompo tamin' ny zavatra rehetra. Abraham était alors un vieillard avancé en âge, et Yahvé avait béni Abraham en tout.
Gen / Jen 24.2 And Abraham said unto his eldest servant of his house, that ruled over all that he had, Put, I pray thee, thy hand under my thigh: Ary hoy Abrahama tamin' ilay lehiben' ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin' ny feko ny tananao; Ary hoy Abrahama tamin' ny mpanompony, ilay tranainy indrindra tao an-tranony, nanapaka ny fananany rehetra: Ataovy ato ambanin' ny feko ny tananao, Abraham dit au plus vieux serviteur de sa maison, le régisseur de tous ses biens : Mets ta main sous ma cuisse.
...............
Gen / Jen 24.6 And Abraham said unto him, Beware thou that thou bring not my son thither again. Ary hoy Abrahama taminy: Tandremo mba tsy ho entinao miverina any ny zanako. Hoy Abrahama taminy: Tandremo sao dia entinao mankany ny zanako. Abraham lui répondit : Garde-toi bien de ramener mon fils là-bas.
...............
Gen / Jen 24.9 And the servant put his hand under the thigh of Abraham his master, and sware to him concerning that matter. Ary nataon' ilay mpanompo tambanin' ny fen' i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny amin' izany zavatra izany izy. Dia napetrak' ilay mpanompo tao ambany fen' i Abrahama tompony ny tànany, ka nanao fianianana momba izany teo anatrehany. Le serviteur mit sa main sous la cuisse de son maître Abraham et il lui prêta serment pour cette affaire.
...............
Gen / Jen 24.12 And he said O Lord God of my master Abraham, I pray thee, send me good speed this day, and shew kindness unto my master Abraham. Dia hoy izy: Jehovah ô, Andriamanitr' i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko. ka hoy izy: Ry Iaveh, Andriamanitr' i Abrahama tompoko, mba ataovy tojo ny tadiaviko aho anio, ary ampisehoy hatsaram-po Abrahama tompoko. Et il dit : Yahvé, Dieu de mon maître Abraham, sois-moi propice aujourd' hui et montre ta bienveillance pour mon maître Abraham !
...............
Gen / Jen 24.15 And it came to pass, before he had done speaking, that, behold, Rebekah came out, who was born to Bethuel, son of Milcah, the wife of Nahor, Abraham' s brother, with her pitcher upon her shoulder. Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak' i Betoela, zanakalahin' i Milka, vadin' i Nahpra, rahalahin' i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. Tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia indro tamy nitondra ny sininy teo an-tsorony Rebekà, zanakavavin' i Batoela zanak' i Melkà vadin' i Nakora rahalahin' i Abrahama. Il n' avait pas fini de parler que sortait Rébecca, qui était fille de Bétuel, fils de Milka, la femme de Nahor, frère d' Abraham, et elle avait sa cruche sur l'épaule.
...............
Gen / Jen 24.27 And he said, Blessed be the Lord God of my master Abraham, who hath not left destitute my master of his mercy and his truth: I being in the way, the Lord led me to the house of my master' s brethren. ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr' i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin' ny tompoko; fa izaho dia notantanan' i Jehovah teny an-dalana ho atý an-tranon' ny havan' ny tompoko. ka nanao hoe: Isaorana anie Iaveh, Andriamanitr' i Abrahama tompoko, fa tsy niova famindram-po sy fahamarinana amin' ny tompoko; izaho koa notantànan' ny Tompo amin' ny làlana mankaty amin' ny rahalahin' ny tompoko. et il dit : Béni soit Yahvé, Dieu de mon maître Abraham, qui n' a pas ménagé sa bienveillance et sa bonté à mon maître. Yahvé a guidé mes pas chez le frère de mon maître !
...............
Gen / Jen 24.34 And he said, I am Abraham' s servant. Dia hoy ralehilahy: Mpanompon' i Abrahama aho. Hoy izy: Mpanompon' i Abrahama aho. Il dit : Je suis le serviteur d' Abraham.
...............
Gen / Jen 24.42 And I came this day unto the well, and said, O Lord God of my master Abraham, if now thou do prosper my way which I go: Ary tonga androany teo amin' ny fantsakana aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andriamanitr' i Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao, Nony tonga tao am-pantsakana aho androany, dia nanao hoe: Ry Iaveh, Andriamanitr' i Abrahama tompoko, raha mba sitrakao ihany ny hanambina ny dia nalehako, Je suis arrivé aujourd' hui à la source et j' ai dit : Yahvé, Dieu de mon maître Abraham, montre, je te prie, si tu es disposé à mener au but le chemin par où je vais :
...............
Gen / Jen 24.48 And I bowed down my head, and worshipped the Lord, and blessed the Lord God of my master Abraham, which had led me in the right way to take my master' s brother' s daughter unto his son. Dia niondrika aho ka niankohoka teo anatrehan' i Jehovah, dia nisaotra an' i Jehovah, Andriamanitr' i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin' ny lalana marina haka ny zanakavavin' ny rahalahin' ny tompoko, ho an' ny zanany Ary dia niondrika aho, ka niankohoka teo anatrehan' ny Tompo, ary nisaotra an' ny Tompo Andriamanitr' i Abrahama tompoko, izay nitondra ahy tamin' ny làlana marina, mba haka ny zana-drahalahin' ny tompoko ho an' ny zanany. et je me suis prosterné et j' ai adoré Yahvé, et j' ai béni Yahvé, Dieu de mon maître Abraham, qui m' avait conduit par un chemin de bonté prendre pour son fils la fille du frère de mon maître.
...............
Gen / Jen 24.52 And it came to pass, that, when Abraham' s servant heard their words, he worshipped the Lord, bowing himself to the earth. Ary rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay mpanompon' i Abrahama, dia niankohoka tamin' ny tany teo anatrehan' i Jehovah izy. Nony nandre izany ity mpanompon' i Abrahama dia niankohoka tamin' ny tany teo anatrehan' ny Tompo. Lorsque le serviteur d' Abraham entendit ces paroles, il se prosterna à terre devant Yahvé.
...............
Gen / Jen 24.59 And they sent away Rebekah their sister, and her nurse, and Abraham' s servant, and his men. Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon' i Abrahama mbamin' ny olony izy. Izay vao nalefan' izy ireo Rebekà anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ny mpanompon' i Abrahama mbamin' ny olony. Alors ils laissèrent partir leur soeur Rébecca, avec sa nourrice, le serviteur d' Abraham et ses hommes.
Gen / Jen 25.1 Then again Abraham took a wife, and her name was Keturah. Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany. Ary Abrahama nampaka-bady, Setorà no anarany. Abraham prit encore une femme, qui s' appelait Qetura.
Gen / Jen 25.2 And she bare him Zimran, and Jokshan, and Medan, and Midian, and Ishbak, and Shuah. Dia niteraka an' i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin' i Abrahama izy. Ka izao no naterak' io taminy: Zamràna, Jeksàna, Madàna, Madiàna, Jesbaoka ary Soe. Elle lui enfanta Zimrân, Yoqshân, Medân, Madiân, Yishbaq et Shuah. -
...............
Gen / Jen 25.5 And Abraham gave all that he had unto Isaac. Dia natolotr' i Abrahama an' Isaka izay rehetra nananany. Natolotr' i Abrahama an' Isaaka ny fananany rehetra. Abraham donna tous ses biens à Isaac.
Gen / Jen 25.6 But unto the sons of the concubines, which Abraham had, Abraham gave gifts, and sent them away from Isaac his son, while he yet lived, eastward, unto the east country. Fa ny zanak' ireo vaditsindranony hafa, izay nananan' i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin' Isaka zanany hiantsinanana ho any amin' ny tany atsinanana. Fa tolotànana no nomeny ny zanaky ny vaditsindranony; sady mbola velona teo izy dia efa nampandehaniny izy ireo hiala teo amin' Isaaka hiantsinanana any amin' ny tany Atsinanana. Quant aux fils de ses concubines, Abraham leur fit des présents et les envoya, de son vivant, loin de son fils Isaac à l' est, au pays d' Orient.
Gen / Jen 25.7 And these are the days of the years of Abraham' s life which he lived, an hundred threescore and fifteen years. Ary ny andro niainan' i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona. Dimy amby fito-polo amby zato taona no andro niainan' i Abrahama, Voici la durée de la vie d' Abraham : cent soixante-quinze ans.
Gen / Jen 25.8 Then Abraham gave up the ghost, and died in a good old age, an old man, and full of years; and was gathered to his people. Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin' ny razany izy. ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin' ny razany. Puis Abraham expira, il mourut dans une vieillesse heureuse, âgé et rassasié de jours, et il fut réuni à sa parenté.
...............
Gen / Jen 25.10 The field which Abraham purchased of the sons of Heth: there was Abraham buried, and Sarah his wife. dia ilay saha izay novinidin' i Abrahama tamin' ny taranak' i Heta; tao no nandevenana an' i Abrahama sy Saraha vadiny. dia ilay saha novidin' i Abrahama tamin' ny taranak' i Heta. Tao no nalevina Abrahama sy Sarà vadiny. C' est le champ qu' Abraham avait acheté aux fils de Hèt; là furent enterrés Abraham et sa femme Sara.
Gen / Jen 25.11 And it came to pass after the death of Abraham, that God blessed his son Isaac; and Isaac dwelt by the well Lahairoi. Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin' Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin' i Bera-lahai-roy. Nony maty Abrahama nasian' Andriamanitra soa Isaaka zanany; ary tao akaikin' ny fantsakana "Lakaï-Roï" Isaaka no nonina. Après la mort d' Abraham, Dieu bénit son fils Isaac, et Isaac habita près du puits de Lahaï Roï.
Gen / Jen 25.12 Now these are the generations of Ishmael, Abraham' s son, whom Hagar the Egyptian, Sarah' s handmaid, bare unto Abraham: Ary izao no taranak' Isimaela, zanakalahin' i Abrahama izay naterak' i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin' i Saraha, tamin' i Abrahama : Izao no tantaran' Ismaely zanak' i Abrahama izay naterak' i Agara Ejipsiana mpanompovavin' i Sarà tamin' i Abrahama. Voici la descendance d' Ismaèl, le fils d' Abraham, que lui enfanta Agar, la servante égyptienne de Sara.
...............
Gen / Jen 25.19 And these are the generations of Isaac, Abraham' s son: Abraham begat Isaac: Ary izao no taranak' Isaka, zanakalahin' i Abrahama: Izao no tantaran' Isaaka zanak' i Abrahama. Voici l' histoire d' Isaac fils d' Abraham. Abraham engendra Isaac.
Gen / Jen 25.20 And Isaac was forty years old when he took Rebekah to wife, the daughter of Bethuel the Syrian of Padanaram, the sister to Laban the Syrian. Abrahama niteraka an' Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin' i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin' i Labana Syriana. Abrahama niteraka an' Isaaka. Ary efa efa-polo taona Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak' i Batoela Arameana any Padan-Arama, sy anabavin' i Labana Arameana. Isaac avait quarante ans lorsqu' il épousa Rébecca, fille de Bétuel, l' Araméen de Paddân-Aram, et soeur de Laban l' Araméen.
Gen / Jen 26.1 And there was a famine in the land, beside the first famine that was in the days of Abraham. And Isaac went unto Abimelech king of the Philistines unto Gerar. Ary nisy mosary indray teo amin' ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon' i Abrahama. Ary Isaka nankany amin' i Abimeleka mpanjakan' ny Filistina, tany Gerara. Nisy mosary indray tamin' ny tany; hafa fa tsy ilay mosary fony fahavelon' i Abrahama. Ka lasa Isaaka nankany Jerara amin' i Abimeleka, mpanjakan' ny Filistina. Il y eut une famine dans le pays - en plus de la première famine qui eut lieu du temps d' Abraham - et Isaac se rendit à Gérar chez Abimélek, roi des Philistins.
...............
Gen / Jen 26.3 Sojourn in this land, and I will be with thee, and will bless thee; for unto thee, and unto thy seed, I will give all these countries, and I will perform the oath which I sware unto Abraham thy father; Mivahinia eto amin' ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin' i Abrahama rainao; Dia eto amin' ity tany ity mitoetra; fa homba anao aho, sy hanisy soa anao; homeko anao sy ny taranakao ireto tany rehetra ireto, fa hotanterahiko ny fianianana nataoko tamin' i Abrahama rainao. Séjourne dans ce pays-ci, je serai avec toi et te bénirai. Car c' est à toi et à ta race que je donnerai tous ces pays-ci et je tiendrai le serment que j' ai fait à ton père Abraham.
...............
Gen / Jen 26.5 Because that Abraham obeyed my voice, and kept my charge, my commandments, my statutes, and my laws. satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko. satria efa nihaino ny feoko Abrahama ary nitandrina ny teniko sy ny didiko amam-pitsipiko sy ny lalàko. en retour de l' obéissance d' Abraham, qui a gardé mes observances, mes commandements, mes règles et mes lois.
...............
Gen / Jen 26.15 For all the wells which his father' s servants had digged in the days of Abraham his father, the Philistines had stopped them, and filled them with earth. Ary ny lavaka fantsakana rehetra, izay efa nohadin' ny mpanompon-drainy fony fahavelon' i Abrahama rainy, dia efa novonoin' ny Filistina sy nototofany tany avokoa. Nototofan' ny Filistina nofenoiny tany avokoa ny lavaka fantsakàna nohadin' ny mpanompon-drainy, fony fahavelon' i Abrahama rainy. Tous les puits que les serviteurs de son père avaient creusés, - du temps de son père Abraham, - les Philistins les avaient bouchés et comblés de terre.
...............
Gen / Jen 26.18 And Isaac digged again the wells of water, which they had digged in the days of Abraham his father; for the Philistines had stopped them after the death of Abraham: and he called their names after the names by which his father had called them. Dia noloaran' Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon' i Abrahama rainy, fa efa novonoin' ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany. Ary ny lavaka fantsakàna voahady fony fahavelon' i Abrahama rainy izay nototofan' ny Filistina nony maty Abrahama dia nohadin' Isaaka indray, ka nasiany anarana araka ny anarana nomen-drainy azy ihany. Isaac creusa de nouveau les puits qu' avaient creusés les serviteurs de son père Abraham et que les Philistins avaient bouchés après la mort d' Abraham, et il leur donna les mêmes noms que son père leur avait donnés.
...............
Gen / Jen 26.24 And the Lord appeared unto him the same night, and said, I am the God of Abraham thy father: fear not, for I am with thee, and will bless thee, and multiply thy seed for my servant Abraham' s sake. Ary Jehovah niseho taminy tamin' iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr' i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin' i Abrahama mpanompoko. Ary niseho taminy Iaveh ny alin' izay ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr' i Abrahama, rainao, aza matahotra fa momba anao aho; ka hanisy soa anao ka hahamaro ny taranakao, noho ny amin' i Abrahama mpanompoko. Yahvé lui apparut cette nuit-là et dit : Je suis le Dieu de ton père Abraham. Ne crains rien, car je suis avec toi. Je te bénirai, je multiplierai ta postérité, en considération de mon serviteur Abraham.
...............
Gen / Jen 28.4 And give thee the blessing of Abraham, to thee, and to thy seed with thee; that thou mayest inherit the land wherein thou art a stranger, which God gave unto Abraham. ary homeny anao anie ny fitahiana an' i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen' Andriamanitra an' i Abrahama. Homeny anao anie ny fanasoavana an' i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao, mba hanananao ny tany itoeranao, izay efa nomen' Andriamanitra an' i Abrahama. Qu' il t' accorde, ainsi qu'à ta descendance, la bénédiction d' Abraham, pour que tu possèdes le pays dans lequel tu séjournes et que Dieu a donné à Abraham.
...............
Gen / Jen 28.9 Then went Esau unto Ishmael, and took unto the wives which he had Mahalath the daughter of Ishmael Abraham' s son, the sister of Nebajoth, to be his wife. dia lasa Esao nankany amin' Isimaela ka naka an' i Mahalota, zanakavavin' Isimaela, zanak' i Abrahama, sady anabavin' i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin' ny vady izay nananany. ka lasa izy nankany amin' Ismaely, naka an' i Maheleta, zanakavavin' Ismaely, zanak' i Abrahama, sy anabavin' i Nabaïota, ho vadiny, fanampin' ireo efa nananany. et il alla chez Ismaèl et prit pour femme - en plus de celles qu' il avait - Mahalat, fille d' Ismaèl, le fils d' Abraham, et soeur de Nebayot.
...............
Gen / Jen 28.13 And, behold, the Lord stood above it, and said, I am the Lord God of Abraham thy father, and the God of Isaac: the land whereon thou liest, to thee will I give it, and to thy seed; Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr' i Abrahama rainao sy Andriamanitr' Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao; Ary niseho tery ambony Iaveh ka nanao hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitr' i Abrahama, rainao, sy Andriamanitr' Isaaka; io tany andrianao io, dia homeko anao sy ny taranakao. Voilà que Yahvé se tenait devant lui et dit : Je suis Yahvé, le Dieu d' Abraham ton ancêtre et le Dieu d' Isaac. La terre sur laquelle tu es couché, je la donne à toi et à ta descendance.
...............
Gen / Jen 31.42 Except the God of my father, the God of Abraham, and the fear of Isaac, had been with me, surely thou hadst sent me away now empty. God hath seen mine affliction and the labour of my hands, and rebuked thee yesternight. Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr' i Abrahama, Ilay natahoran' Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran' ny tanako ka nananatra anao halina. Raha tsy ny Andriamanitry ny raiko, dia ny Andriamanitr' i Abrahama sy Ilay atahoran' Isaaka, no nomba ahy, tsy maintsy ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran' ny tanako Andriamanitra, ka nitsara antsika izy halina. Si le Dieu de mon père, le Dieu d' Abraham, le Parent d' Isaac, n' avait pas été avec moi, tu m' aurais renvoyé les mains vides. Mais Dieu a vu mes fatigues et le labeur de mes bras et, la nuit passée, il a rendu son jugement.
...............
Gen / Jen 31.53 The God of Abraham, and the God of Nahor, the God of their father, judge betwixt us. And Jacob sware by the fear of his father Isaac. Ny andriamanitr' i Abrahama sy ny andriamanitr' i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain' izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran' i Isaka rainy kosa no nianianan' i Jakoba. Ary aoka ny Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' i Nakora ary Andriamanitry ny razan' ireo no hitsara antsika. Que le Dieu d' Abraham et le Dieu de Nahor jugent entre nous. Et Jacob prêta serment par le Parent d' Isaac, son père.
...............
Gen / Jen 32.9 And Jacob said, O God of my father Abraham, and God of my father Isaac, the Lord which saidst unto me, Return unto thy country, and to thy kindred, and I will deal well with thee: fa hoy izy: Raha tafahaona amin' ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray. Ary hoy Jakoba: E! ry Andriamanitr' i Abrahama raiko, Andriamanitr' Isaaka raiko, Iaveh izay nilaza tamiko hoe: Modia any amin' ny taninao, sy any amin' ny fitoerana nahaterahanao, fa hanisy soa anao aho. Il se dit : Si Ésaü se dirige vers l' un des camps et l' attaque, le camp qui reste pourra se sauver.
Gen / Jen 32.10 I am not worthy of the least of all the mercies, and of all the truth, which thou hast shewed unto thy servant; for with my staff I passed over this Jordan; and now I am become two bands. Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr' i Abrahama raiko, sady Andriamanitr' Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin' ny taninao sy any amin' ny havanao dia hanao soa aminao Aho; Kely tsinontsinona aho, ka tsy mendrika ny fahasoavana amam-pahamarinana rehetra nataonao tamin' ny mpanomponao, fa ny tehiko ihany no taty amiko no nita ity Jordany ity aho; nefa indro efa tonga antokon' olona roa aho ankehitriny. Jacob dit : Dieu de mon père Abraham et Dieu de mon père Isaac, Yahvé, qui m' as commandé : Retourne dans ton pays et dans ta patrie et je te ferai du bien,
...............
Gen / Jen 35.12 And the land which I gave Abraham and Isaac, to thee I will give it, and to thy seed after thee will I give the land. ary ny tany izay nomeko an' i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany. Ny tany nomeko an' i Abrahama sy Isaaka, dia homeko anao, ary homeko ny taranakao mandimby anao izany tany izany. Le pays que j' ai donné à Abraham et à Isaac, je te le donne, et à ta postérité après toi je donnerai ce pays.
...............
Gen / Jen 35.27 And Jacob came unto Isaac his father unto Mamre, unto the city of Arbah, which is Hebron, where Abraham and Isaac sojourned. Ary Jakoba nankany amin' Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian' i Abrahama sy Isaka. Ary Jakoba tonga tany amin' Isaaka rainy, tany Mambre, any Kiriat-Arabe; dia Hebròna izany, izay nitoeran' i Abrahama sy Isaaka. Jacob arriva chez son père Isaac, à Mambré, à Qiryat-Arba, - c' est Hébron, - où séjournèrent Abraham et Isaac.
...............
Gen / Jen 48.15 And he blessed Joseph, and said, God, before whom my fathers Abraham and Isaac did walk, the God which fed me all my life long unto this day, Dia nitso-drano an' i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan' i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany, Dia nitso-drano an' i Josefa izy, ka nanao hoe: Enga anie ka ilay Andriamanitra izay teo anatrehany no nandehanan' i Abrahama sy Isaaka razako, ilay Andriamanitra izay namelona ahy hatrizay niainako ka mandrak' ankehitriny; Il bénit ainsi Joseph : Que le Dieu devant qui ont marché mes pères Abraham et Isaac, que le Dieu qui fut mon pasteur depuis que je vis jusqu'à maintenant,
Gen / Jen 48.16 The Angel which redeemed me from all evil, bless the lads; and let my name be named on them, and the name of my fathers Abraham and Isaac; and let them grow into a multitude in the midst of the earth. ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin' ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran' i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin' ny tany anie izy. ary ilay anjely namonjy ahy ho afaka tamin' ny loza rehetra hitso-drano an' ireto zaza ireto. Aoka hantsoina amin' ny anarako, sy amin' ny anaran' i Abrahama sy Isaaka razako izy; ary hitombo ho maro dia maro, eo amin' ny tany. que l' Ange qui m' a sauvé de tout mal bénisse ces enfants, que survivent en eux mon nom et le nom de mes ancêtres, Abraham et Isaac, qu' ils croissent et multiplient sur la terre !
...............
Gen / Jen 49.30 In the cave that is in the field of Machpelah, which is before Mamre, in the land of Canaan, which Abraham bought with the field of Ephron the Hittite for a possession of a buryingplace. ao anatin' ny zohy izay any amin' ny saha Makpela, izay tandrifin' i Mamre, any amin' ny tany Kanana, dia ilay novidin' i Abrahama mbamin' ny saha tamin' i Efrona Hetita ho tany fandevenana. anatin' ny zohy amin' ny saha Makpelà, tandrifin' i Mambre, any amin' ny tany Kanaana: dia izay novidin' i Abrahama mbamin' ny saha, tamin' i Efrona, Heteana, hananany fasana ho azy. dans la grotte du champ de Makpéla, en face de Mambré, au pays de Canaan, qu' Abraham a achetée à Éphrôn le Hittite comme possession funéraire.
Gen / Jen 49.31 There they buried Abraham and Sarah his wife; there they buried Isaac and Rebekah his wife; and there I buried Leah. Tao no nandevenany an' i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an' Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an' i Lea, Tao no nandevenana an' i Abrahama sy Sarà vadiny. Tao no nandevenana an' Isaaka sy Rebekà vadiny. Ary tao no nandevenako an' i Lià. Là furent ensevelis Abraham et sa femme Sara, là furent ensevelis Isaac et sa femme Rébecca, là j' ai enseveli Léa.
...............
Gen / Jen 50.13 For his sons carried him into the land of Canaan, and buried him in the cave of the field of Machpelah, which Abraham bought with the field for a possession of a buryingplace of Ephron the Hittite, before Mamre. dia nitondra azy tany amin' ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin' ny zohy amin' ny saha Makpela, tandrifin' i Mamre, dia ilay novidin' i Abrahama mbamin' ny saha tamin' i Efrona Hetita ho tany fandevenana. Nitondra azy ho any amin' ny tany Kanaana ny zanany, dia nandevina azy ao amin' ny zohy, amin' ny sahan' i Makpela, izay novidin' i Abrahama mbamin' ny saha tamin' i Efrona, Heteana, mba hananany fasana ho azy, tandrifin' i Mambre. et ils le transportèrent au pays de Canaan et l' ensevelirent dans la grotte du champ de Makpéla, qu' Abraham avait acquise d'Éphrôn le Hittite comme possession funéraire, en face de Mambré.
...............
Gen / Jen 50.24 And Joseph said unto his brethren, I die: and God will surely visit you, and bring you out of this land unto the land which he sware to Abraham, to Isaac, and to Jacob. Ary hoy Josefa tamin' ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin' ity tany ity ho any amin' ny tany izay nianianany tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy. Ary hoy Josefa tamin' ireo rahalahiny: Izaho ity ho faty; nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa sy hampiakatra anareo avy amin' ity tany ity ho any amin' ny tany nianianany homena an' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba. Enfin Joseph dit à ses frères : Je vais mourir, mais Dieu vous visitera et vous fera remonter de ce pays dans le pays qu' il a promis par serment à Abraham, Isaac et Jacob.

  Exodus Fanafahana na Eksodosy Fanafahana na Eksaody L'Exode
...............
Eks 2.24 And God heard their groaning, and God remembered his covenant with Abraham, with Isaac, and with Jacob. Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Koa nohenoin' Andriamanitra ny fitarainany; tsaroany ny fanekeny tamin' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba. Dieu entendit leur gémissement ; Dieu se souvint de son alliance avec Abraham, Isaac et Jacob.
...............
Eks 3.6 Moreover he said, I am the God of thy father, the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob. And Moses hid his face; for he was afraid to look upon God. Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' Isaka ary Andriamanitr' i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an' Andriamanitra izy. Ary hoy koa izy: Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr' i Abrahama, Andriamanitr' Isaaka ary Andriamanitr' i Jakoba. Nosaronan' i Moizy ny tavany fa natahotra ny hijery an' Andriamanitra izy. Et il dit : " Je suis le Dieu de tes pères, le Dieu d' Abraham, le Dieu d' Isaac et le Dieu de Jacob. " Alors Moïse se voila la face, car il craignait de fixer son regard sur Dieu.
...............
Eks 3.15 And God said moreover unto Moses, Thus shalt thou say unto the children of Israel, the Lord God of your fathers, the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob, hath sent me unto you: this is my name for ever, and this is my memorial unto all generations. Ary hoy koa Andriamanitra tamin' i Mosesy: Izao no holazainao amin' ny Zanak' Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' i Isaka ary Andriamanitr' i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atý aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin' ny taranaka fara mandimby. Dia hoy koa Andriamanitra tamin' i Moizy: Lazao amin' ny zanak' Israely hoe: Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr' i Abrahama, Andriamanitr' Isaaka, Andriamanitr' i Jakoba, no maniraka ahy ho aty aminareo. Fa izany no anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin' ny taranaka fara mandimby. Dieu dit encore à Moïse : " Tu parleras ainsi aux Israélites : "Yahvé, le Dieu de vos pères, le Dieu d' Abraham, le Dieu d' Isaac et le Dieu de Jacob m' a envoyé vers vous. C' est mon nom pour toujours, c' est ainsi que l' on m' invoquera de génération en génération.
Eks 3.16 Go, and gather the elders of Israel together, and say unto them, The Lord God of your fathers, the God of Abraham, of Isaac, and of Jacob, appeared unto me, saying, I have surely visited you, and seen that which is done to you in Egypt: Mandehana, dia angòny ny loholon' ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atý Egypta; Mandehana, vorio ny loholon' Israely, ka lazao aminy hoe: Niseho tamiko Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, nanao hoe: Namangy anareo aho, ary nahita ny anaovan' ny olona anareo any Ejipta. " Va, réunis les anciens d' Israël et dis-leur : "Yahvé, le Dieu de vos pères, m' est apparu - le Dieu d' Abraham, d' Isaac et de Jacob - et il m' a dit : Je vous ai visités et j' ai vu ce qu' on vous fait en Égypte,
...............
Eks 4.5 That they may believe that the Lord God of their fathers, the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob, hath appeared unto thee. mba hinoan' ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' Isaka ary Andriamanitr' i Jakoba. Narosony ny tànany dia nandray azy izy ka nanjary tehina indray io teo an-tànany. " Afin qu' ils croient que Yahvé t' est apparu, le Dieu de leurs pères, le Dieu d' Abraham, le Dieu d' Isaac et le Dieu de Jacob. "
...............
Eks 6.3 And I appeared unto Abraham, unto Isaac, and unto Jacob, by the name of God Almighty, but by my name JEHOVAH was I not known to them. ary tamin' ny anarako hoe Andriamanitra tsitoha no nisehoako tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe Jehovah tsy mbola nahafantarany Ahy, Efa niseho tamin' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba ho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra aho; fa mbola tsy nanambara ahy taminy aho araky ny anarako hoe Iaveh. Je suis apparu à Abraham, à Isaac et à Jacob comme El Shaddaï, mais mon nom de Yahvé, je ne le leur ai pas fait connaître.
...............
Eks 6.8 And I will bring you in unto the land, concerning the which I did swear to give it to Abraham, to Isaac, and to Jacob; and I will give it you for an heritage: I am the Lord. Ary Izaho hampiditra anareo any amin' ny tany izay nananganako tanàna homena an' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah. Hampidiriko any amin' ny tany efa nianianako homena an' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba hianareo, homeko ho fanananareo izany: izaho no Iaveh. Puis je vous ferai entrer dans la terre que j' ai juré de donné à Abraham, à Isaac et à Jacob, et je vous la donnerai en patrimoine, moi Yahvé. "
...............
Eks 32.13 Remember Abraham, Isaac, and Israel, thy servants, to whom thou swarest by thine own self, and saidst unto them, I will multiply your seed as the stars of heaven, and all this land that I have spoken of will I give unto your seed, and they shall inherit it for ever. Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin' ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin' ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay. Fa tsarovy Abrahama sy Isaaka ary Israely mpanomponao izay nilazanao tamim-pianianana amin' ny tenanao hoe: Hohamaroiko toy ny kintana eny an-danitra ny taranakareo ary homeko ny taranakareo izany tany rehetra nolazaiko taminareo izany, ka hanjakany mandrakizay. Souviens-toi de tes serviteurs Abraham, Isaac et Israël, à qui tu as juré par toi-même et à qui tu as dit : Je multiplierai votre postérité comme les étoiles du ciel, et tout ce pays dont je vous ai parlé, je le donnerai à vos descendants et il sera leur héritage à jamais. "
Eks 33.1 And the Lord said unto Moses, Depart, and go up hence, thou and the people which thou hast brought up out of the land of Egypt, unto the land which I sware unto Abraham, to Isaac, and to Jacob, saying, Unto thy seed will I give it: Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atý ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin' ny tany Egypta, ho amin' ny tany izay nianianako tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mandehana, miaingà avy eto, hianao sy ny vahoaka nentinao niakatra avy any amin' ny tany Ejipta, ho any amin' ny tany efa nampanantenaiko tamim-pianianana an' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba nataoko hoe: Homeko ny taranakao io. Yahvé dit à Moïse : " Va, monte d' ici, toi et le peuple que tu as fait monter du pays d'Égypte, vers la terre dont j' ai dit par serment à Abraham, Isaac et Jacob que je la donnerais à leur descendance.

  Leviticus Fisoronana na Levitikosy Fisoronana na Levitika Le Lévitique
...............
Lev 26.42 Then will I remember my covenant with Jacob, and also my covenant with Isaac, and also my covenant with Abraham will I remember; and I will remember the land. dia hotsarovako ny fanekeko tamin' i Jakoba sy ny fanekeko tamin' Isaka ary ny fanekeko tamin' i Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany. dia hotsarovako koa ny fanekeko tamin' i Jakoba, hotsarovako koa ny fanekeko tamin' Isaaka ary ny fanekeko tamin' i Abrahama, dia hotsarovako ny tany. Je me rappellerai mon alliance avec Jacob ainsi que mon alliance avec Isaac et mon alliance avec Abraham, je me souviendrai du pays.

  Numbers Fanisana na Nomery Fanisana Les Nombres
...............
Nom / Fan 32.11 Surely none of the men that came up out of Egypt, from twenty years old and upward, shall see the land which I sware unto Abraham, unto Isaac, and unto Jacob; because they have not wholly followed me: Ny olona izay niakatra avy tany Egypta, hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin' ny fanarahana Ahy izy; Tsy hisy hahita ny tany efa nianianako tamin' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba homena azy, ireo olona niakatra avy tany Ejipta, hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, satria tsy nanaraka ahy tsara izy ireo, "Si jamais ces hommes, qui sont sortis d'Égypte et qui ont l'âge de vingt ans au moins, voient le pays que j' ai promis par serment à Abraham, à Isaac et à Jacob..., car ils ne m' ont pas suivi sans défaillance,

  Deuteronomy Fifanekena na Detoronomia Fifanekena na Detoronomy Le Deutéronome
...............
Deo / Dt 1.8 Behold, I have set the land before you: go in and possess the land which the Lord sware unto your fathers, Abraham, Isaac, and Jacob, to give unto them and to their seed after them. Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan' i Jehovah tamin' ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy. Indro, ataoko eo anoloanareo izany tany izany, ka mandehana alaovy hanananareo azy, ny tany efa nianianan' ny Tompo tamin' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba rainareo, homena azy, dia ho azy ireo sy ny taranany mandimby azy. Voici le pays que je vous ai donné ; allez donc prendre possession du pays que Yahvé a promis par serment à vos pères, Abraham, Isaac et Jacob, et à leur postérité après eux. "
...............
Deo / Dt 6.10 And it shall be, when the Lord thy God shall have brought thee into the land which he sware unto thy fathers, to Abraham, to Isaac, and to Jacob, to give thee great and goodly cities, which thou buildedst not, Ary rehefa entin' i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin' ny tany izay nianianany tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao, Raha avy izay hahatafidiran' ny Tompo Andriamanitrao anao any amin' ny tany nianianany tamin' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba razanao, homena anao, tanàna sady soa no lehibe, tsy naorinao; Lorsque Yahvé ton Dieu t' aura conduit au pays qu' il a juré à tes pères, Abraham, Isaac et Jacob, de te donner, aux villes grandes et prospères que tu n' as pas bâties,
...............
Deo / Dt 9.5 Not for thy righteousness, or for the uprightness of thine heart, dost thou go to possess their land: but for the wickedness of these nations the Lord thy God doth drive them out from before thee, and that he may perform the word which the Lord sware unto thy fathers, Abraham, Isaac, and Jacob. Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin' ireo firenena ireo no androahan' i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan' i Jehovah tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao. Tsy noho ny fahamarinanao na ny hitsim-ponao no andehananao haka ny taniny ho fanananao, fa noho ny haratsian' ireo firenena ireo no androahan' ny Tompo Andriamanitrao azy eo anoloanao, ary koa mba hahatanterahan' ny teny efa nianianan' ny Tompo tamin' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba razanao. Ce n' est pas en raison de ta juste conduite ni de la droiture de ton coeur que tu entres en possession de leur pays, mais c' est en raison de leur perversité que Yahvé ton Dieu dépossède ces nations à ton profit ; et c' est aussi pour tenir la parole qu' il a jurée à tes pères, Abraham, Isaac et Jacob.
...............
Deo / Dt 9.27 Remember thy servants, Abraham, Isaac, and Jacob; look not unto the stubbornness of this people, nor to their wickedness, nor to their sin: Tsarovy ny mpanomponao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba; fa aza mijery ny ditran' ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny, na ny fahotany, Tsarovy Abrahama sy Isaaka ary Jakoba mpanomponao, fa aza heverinao ny ditran' ity vahoaka ity, na ny faharatsiany amam-pahotany, Souviens-toi de tes serviteurs, Abraham, Isaac et Jacob, et ne fais pas attention à l' indocilité de ce peuple, à sa perversité et à son péché,
...............
Deo / Dt 29.12 That thou shouldest enter into covenant with the Lord thy God, and into his oath, which the Lord thy God maketh with thee this day: hanandratany anao ho fireneny, ary mba ho Andriamanitrao Izy, araka izay nolazainy taminao sy araka izay nianianany tamin' ny razanao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba. mba hanandratany anao anio ho vahoakany, dia izy no ho Andriamanitrao, araka ny nolazainy taminao sy nianianany tamin' ny razanao Abrahama sy Isaaka ary Jakoba. pour faire aujourd' hui de toi un peuple tandis que lui-même sera pour toi un Dieu, comme il te l' a dit et comme il l' a juré à tes pères Abraham, Isaac et Jacob.
...............
Deo / Dt 30.20 That thou mayest love the Lord thy God, and that thou mayest obey his voice, and that thou mayest cleave unto him: for he is thy life, and the length of thy days: that thou mayest dwell in the land which the Lord sware unto thy fathers, to Abraham, to Isaac, and to Jacob, to give them. dia ny ho tia an' i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan' ny andronao, mba honenanao eo amin' ny tany izay nianianan' i Jehovah tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy. amin' ny fitiavana an' ny Tompo Andriamanitrao, sy fihainoana ny feony, ary firaiketana aminy, fa izany no fiainanao sy andro lava honenanao any amin' ny tany efa nianianan' ny Tompo homena an' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, razanao. aimant Yahvé ton Dieu, écoutant sa voix, t' attachant à lui ; car là est ta vie, ainsi que la longue durée de ton séjour sur la terre que Yahvé a juré à tes pères, Abraham, Isaac et Jacob, de leur donner.
...............
Deo / Dt 34.4 And the Lord said unto him, This is the land which I sware unto Abraham, unto Isaac, and unto Jacob, saying, I will give it unto thy seed: I have caused thee to see it with thine eyes, but thou shalt not go over thither. Dia hoy Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao. Dia hoy Iaveh taminy: Io no tany izay nianianako tamin' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izany. Nataoko nahita maso azy hianao, nefa tsy hiditra eny hianao. Yahvé lui dit : " Voici le pays que j' ai promis par serment à Abraham, Isaac et Jacob, en ces termes : Je le donnerai à ta postérité. Je te l' ai fait voir de tes yeux, mais tu n' y passeras pas. "

  Joshua Josoa Josoe Livre de Josué
...............
Jos 24.2 And Joshua said unto all the people, Thus saith the Lord God of Israel, Your fathers dwelt on the other side of the flood in old time, even Terah, the father of Abraham, and the father of Nachor: and they served other gods. Ary hoy Josoa tamin' ny vahoaka rehetra: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin' ny Ony no nonenan' ny razanareo tany aloha. dia Tera, rain' i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy. dia hoy Josoe tamin' ny vahoaka rehetra. Izao no lazain' ny Tompo Andriamanitr' Israely: Taloha dia tany an-dafin' ny ony no nonenan' ny razanareo. Tare rain' i Abrahama sy rain' i Nakora, ary andriamani-kafa no notompoin' izy ireo. Josué dit alors à tout le peuple : " Ainsi parle Yahvé, le Dieu d' Israël : Au-delà du Fleuve habitaient jadis vos pères, Térah, père d' Abraham et de Nahor, et ils servaient d' autres dieux.
Jos 24.3 And I took your father Abraham from the other side of the flood, and led him throughout all the land of Canaan, and multiplied his seed, and gave him Isaac. Dia naka an' i Abrahama razanareo avy tany an-dafin' ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an' Isaka ho zanany. Nalaiko tany an-dafin' ny ony Abrahama razanareo ary nentiko ho amin' ny tany Kanaana rehetra; nampitomboiko taranaka, ary nomeko an' Isaaka izy. Alors je pris votre père Abraham d' au-delà du Fleuve et je lui fis parcourir toute la terre de Canaan, je multipliai sa descendance et je lui donnai Isaac.

  1st Book of Kings 1 Mpanjaka Mpanjaka I 1er Livre des Rois
...............
1Mp 18.36 And it came to pass at the time of the offering of the evening sacrifice, that Elijah the prophet came near, and said, Lord God of Abraham, Isaac, and of Israel, let it be known this day that thou art God in Israel, and that I am thy servant, and that I have done all these things at thy word. Ary nony tamin' ny fotoan' ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr' i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin' ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao. Nony tamin' ny fotoana fanolorana ny fanatitra, dia nandroso Elia mpaminany, ka nanao hoe: Ry Iaveh Andriamanitr' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba ô! aoka ho fantatra anio fa Andriamanitra amin' Israely hianao, ary izaho dia mpanomponao ka teninao no nanaovako izao zavatra rehetra izao. A l' heure où l' on présente l' offrande, Élie le prophète s' approcha et dit : " Yahvé, Dieu d' Abraham, d' Isaac et d' Israël, qu' on sache aujourd' hui que tu es Dieu en Israël, que je suis ton serviteur et que c' est par ton ordre que j' ai accompli toutes ces choses.

  2nd Book of Kings 2 Mpanjaka Mpanjaka II 2ème Livre des Rois
...............
2Mp 13.23 And the Lord was gracious unto them, and had compassion on them, and had respect unto them, because of his covenant with Abraham, Isaac, and Jacob, and would not destroy them, neither cast he them from his presence as yet. Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny. Namindra fo tamin' izy ireo anefa Iaveh ka niantra azy; nitodika azy izy noho ny fanekeny tamin' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba; tsy te-handringana azy ireo izy, na hanesotra azy tsy ho eo anatrehany mandrak' ankehitriny. Mais Yahvé leur fit grâce et les prit en pitié. Il se tourna vers eux à cause de l' alliance qu' il avait conclue avec Abraham, Isaac et Jacob; il ne voulut pas les anéantir et ne les rejeta pas loin de sa face.

  1st Book of Chronicles 1 Tantara Tantara I 1er Livre des Chroniques
...............
1Tt / 1Tan 1.27 Abram; the same is Abraham. Abrama (dia Abrahama izany). Abrama, izay hoe: Abrahama. Abram - c' est Abraham.
1Tt / 1Tan 1.28 The sons of Abraham; Isaac, and Ishmael. Ny zanakalahin' i Abrahama dia Isaka sy Isimaela. Zanak' i Abrahama: Isaaka sy Ismaela. Fils d' Abraham : Isaac et Ismaèl.
...............
1Tt / 1Tan 1.32 Now the sons of Keturah, Abraham' s concubine: she bare Zimran, and Jokshan, and Medan, and Midian, and Ishbak, and Shuah. And the sons of Jokshan; Sheba, and Dedan. Ary ny zanakalahin' i Ketora, vaditsindranon' i Abrahama. Izy no niteraka an' i Zimrama sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha. Ary ny zanakalahin' i Joksana dia Sheba sy Dedana. Zanakalahin' i Setorà, vaditsindranon' i Abrahama: ny naterany dia Zamrama, Jeksàna, Madàna, Madiana, Jesbaoka, ary Soe. Zanak' i Jeksàna: Sabà sy Dadàna. Fils de Qetura, concubine d' Abraham. Elle enfanta Zimrân, Yoqshân, Medân, Madiân, Yishbaq et Shuah. Fils de Yoqshân : Sheba et Dedân.
...............
1Tt / 1Tan 1.34 And Abraham begat Isaac. The sons of Isaac; Esau and Israel. Ary Abrahama niteraka an' Isaka. Ny zanakalahin' i Isaka dia Esao sy Isiraely. Abrahama niteraka an' Isaaka. Zanak' Isaaka: Esao sy Jakoba. Abraham engendra Isaac. Fils d' Isaac : Ésaü et Israël.
...............
1Tt / 1Tan 16.16 Even of the covenant which he made with Abraham, and of his oath unto Isaac; Eny, dia ilay nataony tamin' i Abrahama sy ny fianianany tamin' Isaka, Ny fanekena nifanaovany tamin' i Abrahama, ny fianianana nataony tamin' Isaaka, pacte conclu avec Abraham, serment qu' il fit à Isaac.
...............
1Tt / 1Tan 29.18 O Lord God of Abraham, Isaac, and of Israel, our fathers, keep this for ever in the imagination of the thoughts of the heart of thy people, and prepare their heart unto thee: Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon' ny olonao mandrakizay izany fikasan' ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony; Ry Iaveh, Andriamanitr' i Abrahama sy Isaaka ary Israely razanay ô, tahirizo mandrakizay izany mba ho fomban' ny hevitra ao am-pon' ny vahoakanao, ary tano hitodika aminao ny fony. Yahvé, Dieu d' Abraham, d' Isaac et d' Israël nos pères, garde à jamais cela, formes-en les dispositions de coeur de ton peuple, et fixe en toi leurs coeurs.

  2nd Book of Chronicles 2 Tantara Tantara II 2ème Livre des Chroniques
...............
2Tt / 2Tan 20.7 Art not thou our God, who didst drive out the inhabitants of this land before thy people Israel, and gavest it to the seed of Abraham thy friend for ever? Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin' ity tany ity hiala teo anoloan' ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an' ny taranak' i Abrahama sakaizanao? Tsy hianao va, ry Andriamanitra ô, no nandroaka ny mponina tamin' ity tany ity teo anoloan' Israely vahoakanao, sy nanome azy ho an' ny taranak' i Abrahama sakaizanao mandrakizay? N' est-ce pas toi qui es notre Dieu, toi qui, devant Israël ton peuple, as dépossédé les habitants de ce pays ? Ne l' as-tu pas donné à la race d' Abraham que tu aimeras éternellement ?
...............
2Tt / 2Tan 30.6 So the posts went with the letters from the king and his princes throughout all Israel and Judah, and according to the commandment of the king, saying, Ye children of Israel, turn again unto the Lord God of Abraham, Isaac, and Israel, and he will return to the remnant of you, that are escaped out of the hand of the kings of Assyria. Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin' ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin' ny mpanjaka hoe: Ry zanak' isiraely ô, miverena amin' i Jehovah, Andriamanitr' i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin' izay sisa aminareo izay tsy azon' ny tànan' ireo mpanjakan' i Asyria. Dia nandeha ny mpihazakazaka nitondra ny taratasin' ny mpanjaka sy ny lehibe any amin' Israely sy Jodà rehetra, ka nilaza, araka ny didin' ny mpanjaka nanao hoe: Ry Zanak' Israely ô, miverena amin' ny Tompo Andriamanitr' i Abrahama sy Isaaka ary Israely, dia hiverina amin' izay sisa izy, dia aminareo izay afaka tsy latsaka eo an-tanan' ny mpanjakan' i Asiria. Des courriers partirent, avec des lettres de la main du roi et des officiers, dans tout Israël et Juda. Ils devaient dire, selon l' ordre du roi : " Israélites, revenez à Yahvé, le Dieu d' Abraham, d' Isaac et d' Israël, et il reviendra à ceux d' entre vous qui restent après avoir échappé à la poigne des rois d' Assyrie.

  Book of Nehemiah Nehemia Nehemia Livre de Néhémie
...............
Neh / Ne 9.7 Thou art the Lord the God, who didst choose Abram, and broughtest him forth out of Ur of the Chaldees, and gavest him the name of Abraham; Hianao no Jehovah Andriamanitra, Izay nifidy an' i Abrama ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran' ny Kaldeana sady nanao ny anarany hoe Abrahama; Hianao, ry Iaveh Andriamanitra, no nifidy an' i Abrahama, ka nitondra azy nivoaka avy any Ora, any Kaldea, sy nanome anarana azy hoe Abrahama. Tu es Yahvé, Dieu, qui fis choix d' Abram, le tiras d' Ur des Chaldéens et lui donnas le nom d' Abraham.

      Tobia Livre de Tobie
...............
Tb 6.21 Amin' ny alina fahatelo dia horaisinao ny tso-drano nampanantenaina ny taranany hiterahanareo zanaka matanjaka. Rahefa afaka ny alina fahatelo dia raiso amim-pahatahorana ny Tompo razazavavy, ka aoka ny fanirian-janaka no hitarika anao fa tsy ny filan' ny nofo, mba hahazoanao ao amin' ny zanakao, ny tso-drano nampanantenaina ny taranak' i Abrahama.
...............
Tb 7.15 Dia nalainy ny tànana havanan' ny zanany vavy nataony teo amin' ny tànana havanan' i Tobia ka hoy izy: Homba anareo anie ny Andriamanitr' i Abrahama, ny Andriamanitr' Isaaka, ary ny Andriamanitr' i Jakoba, hanakambana anareo anie izy, ary hampidina ny tso-dranony feno aminareo. Ragouèl appela sa femme Edna et lui dit : "Ma soeur, prépare la seconde chambre, où tu la conduiras."

      Jodita Livre de Judith
...............
Jdt 8.22 Tsy maintsy tsarovany ny nizahan-toetra an' i Abrahama razantsika, sy ny niaretany fahoriana be, hahatongavany ho sakaizan' Andriamanitra. Le meurtre de nos frères, la déportation du pays, le dépeuplement de notre héritage retomberont sur nos têtes parmi les nations dont nous serons devenus les esclaves et nous serons alors pour nos nouveaux maîtres un scandale et une honte,

  Book of Esther Estera Estera Livre d'Esther
...............
Est 13.15 Koa ankehitriny, ry Tompo Andriamanitro sy Mpanjakako, Andriamanitr' i Abrahama, mamindrà fo amin' ny vahoakanao, fa manopy maso anay ny fahavalonay hamono anay, sy handringana ny lovanao faharazana.
...............
Est 14.18 Na oviana na oviana hatrizay nitondrana ahy nanketo ka mandrak' androany, tsy mba nisy fifaliana nankafizin' ny ankizivavinao, afa-tsy taminao ihany, ry Tompo Andriamanitra, Andriamanitr' i Abrahama!

      Makabeo I 1er Livre des Maccabées
...............
1M 2.52 Moa va tsy niseho ho nahatoky Abrahama, tamin' ny fizahan-toetra, ary moa ve tsy nekena ho fahamarinana ho azy ny finoany? Abraham n' a-t-il pas été trouvé fidèle dans l'épreuve et cela ne lui a-t-il pas été compté comme justice?
...............
1M 12.21 Misy soratra momba ny Sparsiata sy ny Jody nahitana fa mpihavana izy firenena roa ireo, ary samy taranak' i Abrahama. Il a été trouvé dans un récit au sujet des Spartiates et des Juifs qu' ils sont frères et qu' ils sont de la race d' Abraham.

      Makabeo II 2ème Livre des Maccabées
...............
2M 1.2 Hanasoa anareo anie Andriamanitra, ary hahatsiaro ny fanekeny tamin' i Abrahama, Isaaka sy Jakoba, mpanompony mahatoky. Que Dieu vous comble de ses bienfaits, qu' il se souvienne de son alliance avec Abraham, Isaac et Jacob, ses fidèles serviteurs.

  The Psalms Salamo Salamo Les Psaumes
...............
Sal 47.9 The princes of the people are gathered together, even the people of the God of Abraham: for the shields of the earth belong unto God: he is greatly exalted. Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon' Andriamanitr' i Abrahama; fa an' Andriamanitra ny ampingan' ny tany; Avo indrindra Izy. Manjaka amin' ny firenena Andriamanitra, mipetraka eo amin' ny seza fiandrianany masina izy. Dieu, il règne sur les païens, Dieu siège sur son trône de sainteté.
Sal 47.10 Ireo mpanapaka ny firenena mivory, mba ho tonga vahoakan' Andriamanitr' i Abrahama koa izy ireo; fa an' Andriamanitra ny ampingan' ny tany, voasandratra ambony indrindra izy. Les princes des peuples s' unissent c' est le peuple du Dieu d' Abraham. A Dieu sont les pavois de la terre, au plus haut il est monté.
...............
Sal 105.6 O ye seed of Abraham his servant, ye children of Jacob his chosen. Ry taranak' i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak' i Jakoba. ry taranak' i Abrahama mpanompony, tamingan' i Jakoba olom-boafidiny. Lignée d' Abraham son serviteur, enfants de Jacob son élu,
...............
Sal 105.9 Which covenant he made with Abraham, and his oath unto Isaac; Eny, ilay nataony tamin' i Abrahama, Sy ny fianianany tamin' Isaka; Fanekena nataony tamin' i Abrahama; ary fianianana nataony tamin' Isaaka. pacte conclu avec Abraham, serment qu' il fit à Isaac.
...............
Sal 105.42 For he remembered his holy promise, and Abraham his servant. Fa nahatsiaro ny teniny masina Sy Abrahama mpanompony Izy, Fa tsaroany ny teniny masina, sy Abrahama mpanompony. Se rappelant sa parole sacrée envers Abraham son serviteur,

      Eklesiastika L'Ecclésiastique
...............
Si 44.19 Raza-malazan' ny firenena maro Abrahama, ary tsy nisy olona nitovy voninahitra taminy. Abraham, ancêtre célèbre d' une multitude de nations, nul ne lui fut égal en gloire.
...............
Si 44.22 Nohamafisiny toy izany tamin' Isaaka koa noho ny amin' i Abrahama, ny fitahiana ny firenena rehetra, sy ny fanekena. A Isaac, à cause d' Abraham son père, il renouvela

  Book of Isaiah Isaia Izaia Livre d'Isaïe
...............
Isa / Iz 29.22 Therefore thus saith the Lord, who redeemed Abraham, concerning the house of Jacob, Jacob shall not now be ashamed, neither shall his face now wax pale. Koa ny amin' ny taranak' i Jakoba dia izao no lazain' i Jehovah, Izay nanavotra an' i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tavany. Noho izany, izao no lazain' ny Tompo amin' ny taranak' i Jakoba, dia izy izay nanavotra an' i Abrahama: Tsy hisy hahamenatra an' i Jakoba intsony tsy hivaloarika intsony ny handriny. C' est pourquoi, ainsi parle Yahvé, Dieu de la maison de Jacob, lui qui a racheté Abraham : Désormais Jacob ne sera plus déçu, désormais son visage ne blêmira plus,
...............
Isa / Iz 41.8 But thou, Israel, art my servant, Jacob whom I have chosen, the seed of Abraham my friend. Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak' i Abrahama sakaizako, Fa hianao kosa, ry Israely, mpanompoko, hianao, ry Jakoba nofidiko, taranak' i Abrahama, sakaizako. Et toi, Israël, mon serviteur, Jacob, que j' ai choisi, race d' Abraham, mon ami,
...............
Isa / Iz 51.2 Look unto Abraham your father, and unto Sarah that bare you: for I called him alone, and blessed him, and increased him. Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko. Diniho Abrahama rainareo; sy Sarà, izay niteraka anareo; fa fony izy mbola tokana no nantsoiko izy, dia notahiko sy nohamaroiko. Regardez Abraham votre père et Sara qui vous a enfantés. Il était seul quand je l' ai appelé, mais je l' ai béni et multiplié.
...............
Isa / Iz 63.16 Doubtless thou art our father, though Abraham be ignorant of us, and Israel acknowledge us not: thou, O Lord, art our father, our redeemer; thy name is from everlasting. Kanefa Hianao no Rainay, fa Abrahama tsy mahalala anay, Ary Isiraely tsy mahafantatra anay, Jehovah ô, Hianao no Rainay, ary Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay. Hianao anefa no rainay; fa Abrahama tsy mahalala anay, ary Israely tsy mahafantatra anay. Hianao, Iaveh, no rainay; Mpanavotra anay no anaranao, hatrizay ela izay. Pourtant tu es notre père. Si Abraham ne nous a pas reconnus, si Israël ne se souvient plus de nous, toi, Yahvé, tu es notre père, notre rédempteur, tel est ton nom depuis toujours.

  Book of Jeremiah Jeremia Jeremia Livre de Jérémie
...............
Jer / Jr 33.26 Then will I cast away the seed of Jacob and David my servant, so that I will not take any of his seed to be rulers over the seed of Abraham, Isaac, and Jacob: for I will cause their captivity to return, and have mercy on them. Dia hariako ny taranak' i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ny taranany tsy mba hanalako ho mpanapaka ny taranak' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; Fa hampodiko avy amin' ny fahababoana izy ka hamindrako fo. dia amin' izay aho vao hanary ny taranak' i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ho tsy amin' ny taranany intsony no hangalako filohany ho an' ny taranak' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba! Fa hampodiko ireo lasan-ko babo ary hangoraka azy ireo aho. alors je rejetterai la descendance de Jacob et de David mon serviteur et cesserai de prendre parmi ses descendants ceux qui gouverneront la postérité d' Abraham, d' Isaac et de Jacob! Car je vais ramener leurs captifs et les prendre en pitié.

      Baroka Livre de Baruch
...............
Bar 2.34 Koa hampodiko izy ho any amin' ny tany efa nianianako nampanantenaina ny razany, dia Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, ka izy ireo no ho tompon' izany; ary hahamaro azy aho, ka tsy hihavitsy izy. Alors je les ramènerai au pays que j' ai promis par serment à leurs pères Abraham, Isaac et Jacob, et ils y seront maîtres. Je les multiplierai et ils ne seront plus diminués.

  Book of Ezekiel Ezekiela Ezekiela Livre d'Ezéchiel
...............
Eze / Ez 33.24 Son of man, they that inhabit those wastes of the land of Israel speak, saying, Abraham was one, and he inherited the land: but we are many; the land is given us for inheritance. Ry zanak' olona, ny monina amin' ireny rava amin' ny tanin' ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika Ry zanak' olona, ireo monina amin' ireny toeran-dravarava amin' ny tanin' Israely ireny, manao hoe: Irery Abrahama, ary efa nahazo ny tany ho anjarany; isika kosa maro ary efa nomena antsika ny tany ho fananantsika. Fils d' homme, ceux qui habitent ces ruines, sur le sol d' Israël, parlent ainsi : " Abraham était seul lorsqu' il a été mis en possession de ce pays. Nous qui sommes nombreux, c' est à nous que le pays est donné en patrimoine. "

  Book of Daniel Daniela Daniely Livre de Daniel
...............
Dan / Da 3.35 Aza dia esorinao aminay ny famindram-ponao, noho ny amin' i Abrahama sakaizanao, sy Isaaka mpanomponao ary Israely masinao, ne nous retire pas ta grâce, pour l' amour d' Abraham ton ami et d' Isaac ton serviteur et d' Israël ton saint,

  Book of Micah Mika Mikea Livre de Michée
...............
Mik / Mi 7.20 Thou wilt perform the truth to Jacob, and the mercy to Abraham, which thou hast sworn unto our fathers from the days of old. Hanefa fahamarinana ho an' i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an' i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin' ny razanay hatramin' ny andro taloha ela. hampiseho amin' i Jakoba ny fahamarinanao hianao, sy amin' i Abrahama ny famindram-ponao; izay efa nianiananao tamin' ny razanay hatramin' ny andro fahataloha. Accorde à Jacob ta fidélité, à Abraham ta grâce, que tu as jurées à nos pères dès les jours d' antan.

  The Gospel according to Matthew Matio Matio L'Évangile selon Saint Matthieu
Mat / Mt 1.1 The book of the generation of Jesus Christ, the son of David, the son of Abraham. Ny filazana ny razan' i Jesosy Kristy, zanak' i Davida zanak' i Abrahama. Filazana ny razan' i Jeso-Kristy, Zanak' i Davida, Zanak' i Abrahama. Livre de la genèse de Jésus Christ, fils de David, fils d' Abraham :
Mat / Mt 1.2 Abraham begat Isaac; and Isaac begat Jacob; and Jacob begat Judas and his brethren; Abrahama niteraka an' i Isaka; ary Isaka niteraka an' i Jakoba; ary Jakoba niteraka an' i Joda mirahalahy avy; Abrahama niteraka an' Isaaka; Isaaka niteraka an' i Jakoba; Jakoba niteraka an' i Jodà mirahalahy avy; Abraham engendra Isaac, Isaac engendra Jacob, Jacob engendra Juda et ses frères,
...............
Mat / Mt 1.17 So all the generations from Abraham to David are fourteen generations; and from David until the carrying away into Babylon are fourteen generations; and from the carrying away into Babylon unto Christ are fourteen generations. Ary ny taranaka rehetra hatramin' i Abrahama ka hatramin' i Davida dia taranaka efatra ambin' ny folo; ary hatramin' i Davida ka hatramin' ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin' ny folo; ary hatramin' ny nifindrana tany Babylona ka hatramin' i Kristy dia taranaka efatra ambin' ny folo. Koa ny taranaka rehetra hatramin' i Abrahama ka hatramin' i Davida, dia taranaka efatra ambin' ny folo; ary hatramin' i Davida ka hatramin' ny nifindrana tany Babilona, dia taranaka efatra ambin' ny folo; ary hatramin' ny nifindrana tany Babilona ka hatramin' ny Kristy, dia taranaka efatra ambin' ny folo. Le total des générations est donc : d' Abraham à David, quatorze générations ; de la déportation de Babylone au Christ, quatorze générations.
...............
Mat / Mt 3.9 And think not to say within yourselves, We have Abraham to our father: for I say unto you, that God is able of these stones to raise up children unto Abraham. ary aza manao anakampo hoe: Manana an' i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an' i Abrahama avy amin' ireto vato ireto. ary aza manao anakampo hoe: Manana an' i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangona zanaka ho an' i Abrahama avy amin' ireto vato ireto. et ne vous avisez pas de dire en vous-mêmes : "Nous avons pour père Abraham. " Car je vous le dis, Dieu peut, des pierres que voici, faire surgir des enfants à Abraham.
...............
Mat / Mt 8.11 And I say unto you, That many shall come from the east and west, and shall sit down with Abraham, and Isaac, and Jacob, in the kingdom of heaven. Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin' ny fanjakan' ny lanitra; Ary izany koa no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin' ny fihinanam-be miaraka amin' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba any amin' ny fanjakan' ny lanitra, Eh bien ! je vous dis que beaucoup viendront du levant et du couchant prendre place au festin avec Abraham, Isaac et Jacob dans le Royaume des Cieux,
...............
Mat / Mt 22.32 I am the God of Abraham, and the God of Isaac, and the God of Jacob? God is not the God of the dead, but of the living. Izaho no Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' isaka ary Andriamanitr' i Jakoba (Eks. 3. 6)? Andriamanitra tsy an' ny maty, fa an' ny velona. Izaho no Andriamanitr' i Abrahama, sy Andriamanitr' Isaaka, ary Andriamanitr' i Jakoba? Nefa tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an' ny velona. Je suis le Dieu d' Abraham, le Dieu d' Isaac et le Dieu de Jacob ? Ce n' est pas de morts mais de vivants qu' il est le Dieu ! "

  The Gospel according to Mark Marka Marka L'Évangile selon Saint Marc
...............
Mar / Mk 12.26 And as touching the dead, that they rise: have ye not read in the book of Moses, how in the bush God spake unto him, saying, I am the God of Abraham, and the God of Isaac, and the God of Jacob? Ka ny amin' ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin' ny bokin' i Mosesy, eo amin' ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan' Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' isaka ary Andriamanitr' i Jakoba? (Eks. 3. 6.) Ary raha ny amin' ny fitsanganan' ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ao amin' ny bokin' i Moizy, amin' ilay misy ny voaroy, izay nolazain' Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr' i Abrahama, sy Andriamanitr' Isaaka, ary Andriamanitr' i Jakoba? Quant au fait que les morts ressuscitent, n' avez-vous pas lu dans le Livre de Moïse, au passage du Buisson, comment Dieu lui a dit : Je suis le Dieu d' Abraham, le Dieu d' Isaac et le Dieu de Jacob ?

  The Gospel according to Luke Lioka Lioka L'Évangile selon Saint Luc
...............
Lio / Lk 1.55 As he spake to our fathers, to Abraham, and to his seed for ever. (Araka ny voalazany tamin' ny razantsika), tamin' i Abrahama sy ny taranany mandrakizay. tamin' i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin' ny razantsika. - selon qu' il l' avait annoncé à nos pères - en faveur d' Abraham et de sa postérité à jamais ! "
...............
Lio / Lk 1.73 The oath which he sware to our father Abraham, Dia ny fianianana izay nianianany tamin' i Abrahama razantsika, dia ilay fianianana nataony tamin' i Abrahama razantsika hanome antsika du serment qu' il a juré à Abraham, notre père, de nous accorder
...............
Lio / Lk 3.8 Bring forth therefore fruits worthy of repentance, and begin not to say within yourselves, We have Abraham to our father: for I say unto you, That God is able of these stones to raise up children unto Abraham. Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an' i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an' i Abrahama avy amin' ireto vato ireto. Manaova asa mendrika vokatry ny fibebahana, ary aza manao anakampo hoe: Abrahama no rainay; fa lazaiko marina aminareo fa azon' Andriamanitra atao ny manangana zanaka ho an' i Abrahama na dia amin' ireto vato ireto aza. Produisez donc des fruits dignes du repentir, et n' allez pas dire en vous-mêmes : "Nous avons pour père Abraham. " Car je vous dis que Dieu peut, des pierres que voici, faire surgir des enfants à Abraham.
...............
Lio / Lk 3.34 Which was the son of Jacob, which was the son of Isaac, which was the son of Abraham, which was the son of Thara, which was the son of Nachor, zanak' i Jakoba, zanak' isaka, zanak' i Abrahama, zanak' i Tera, zanak' i Nahora, zanak' i Jakoba, zanak' Isaaka, zanak' i Abrahama, zanak' i Tarè, zanak' i Nakora, fils de Jacob, fils d' Isaac, fils d' Abraham, fils de Thara, fils de Nachor,
...............
Lio / Lk 13.16 And ought not this woman, being a daughter of Abraham, whom Satan hath bound, lo, these eighteen years, be loosed from this bond on the sabbath day? Koa ity vehivavy zanak' i Abrahama ity, izay efa nafatotr' i Satana izao valo ambin' ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin' izany fatorana izany amin' ny andro Sabata va? Ary ity zanakavavin' i Abrahama izay efa nafatotr' i Satana hatramin' ny valo ambin' ny folo taona ity ve tsy tokony hovahana amin' izany fatorana izany amin' ny andro sabata? Et cette fille d' Abraham, que Satan a liée voici dix-huit ans, il n' eût pas fallu la délier de ce lien le jour du sabbat ! "
...............
Lio / Lk 13.28 There shall be weeping and gnashing of teeth, when ye shall see Abraham, and Isaac, and Jacob, and all the prophets, in the kingdom of God, and you yourselves thrust out. Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an' i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin' ny fanjakan' Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany. Ary amin' izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify rahefa hitanareo eo amin' ny fanjakan' Andriamanitra Abrahama sy Isaaka ary Jakoba mbamin' ny mpaminany rehetra, fa hianareo kosa ho voaroaka any ivelany. " Là seront les pleurs et les grincements de dents, lorsque vous verrez Abraham, Isaac, Jacob et tous les prophètes dans le Royaume de Dieu, et vous, jetés dehors.
...............
Lio / Lk 16.22 And it came to pass, that the beggar died, and was carried by the angels into Abraham' s bosom: the rich man also died, and was buried; Ary maty ilay malahelo, dia nentin' ny anjely ho any an-tratran' i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina; Ary maty ilay mahantra ka nentin' ny anjely tany an-tratran' i Abrahama; dia maty koa ilay mpanan-karena ka nalevina. Or il advint que le pauvre mourut et fut emporté par les anges dans le sein d' Abraham. Le riche aussi mourut, et on l' ensevelit.
Lio / Lk 16.23 And in hell he lift up his eyes, being in torments, and seeth Abraham afar off, and Lazarus in his bosom. ary raha nijaly tao amin' ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an' i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany. Tao amin' ny fitoeran' ny maty, ilay nijaly iny izy, dia niandrandra, ka tazany teny lavitra eny Abrahama sy Lazara teo an-tratrany, " Dans l' Hadès, en proie à des tortures, il lève les yeux et voit de loin Abraham, et Lazare en son sein.
Lio / Lk 16.24 And he cried and said, Father Abraham, have mercy on me, and send Lazarus, that he may dip the tip of his finger in water, and cool my tongue; for I am tormented in this flame. Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron' ny rantsan-tanany amin' ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin' ity lelafo ity. ka niantso izy nanao hoe: Ry kiaky Abrahama ô! mamindrà fo amiko, mba iraho kely re Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay, fa mijaly loatra aho eto anatin' ity lelafo ity. Alors il s'écria : "Père Abraham, aie pitié de moi et envoie Lazare tremper dans l' eau le bout de son doigt pour me rafraîchir la langue, car je suis tourmenté dans cette flamme. "
Lio / Lk 16.25 But Abraham said, Son, remember that thou in thy lifetime receivedst thy good things, and likewise Lazarus evil things: but now he is comforted, and thou art tormented. Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin' ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay . ary ianao kosa no fadiranovana. Fa hoy Abrahama taminy: Anaka, tsarovy fa tamin' ny andro niainanao hianao moa nahita soa, ary Lazara kosa nozoim-pahoriana: koa ankehitriny kosa mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana. Mais Abraham dit : "Mon enfant, souviens-toi que tu as reçu tes biens pendant ta vie, et Lazare pareillement ses maux ; maintenant ici il est consolé, et toi, tu es tourmenté.
...............
Lio / Lk 16.29 Abraham saith unto him, They have Moses and the prophets; let them hear them. Fa hoy Abrahama taminy: Manana an' i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy. Fa hoy Abrahama taminy: Manana an' i Moizy sy ny Mpaminany izy ireo, ka aoka hihaino an' ireo izy. Et Abraham de dire : "Ils ont Moïse et les Prophètes ; qu' ils les écoutent. " -
Lio / Lk 16.30 And he said, Nay, father Abraham: but if one went unto them from the dead, they will repent. Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin' ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy. Fa hoy izy: Tsia re, ry kiaky Abrahama ô! fa raha anankiray amin' ny maty no mankany aminy, dia hibebaka izy. "Non, père Abraham, dit-il, mais si quelqu' un de chez les morts va les trouver, ils se repentiront. "
Lio / Lk 16.31 And he said unto him, If they hear not Moses and the prophets, neither will they be persuaded, though one rose from the dead. Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an' i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin' ny maty aza. Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an' i Moizy sy ny Mpaminany izy, dia tsy hino na dia misy mitsangana amin' ny maty aza. Mais il lui dit : "Du moment qu' ils n'écoutent pas Moïse et les Prophètes, même si quelqu' un ressuscite d' entre les morts, ils ne seront pas convaincus. " "
...............
Lio / Lk 19.9 And Jesus said unto him, This day is salvation come to this house, forsomuch as he also is a son of Abraham. Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin' ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak' i Abrahama koa. Dia hoy Jeso taminy: Tonga amin' ity trano ity androany ny famonjena, satria zanak' i Abrahama koa ity lehilahy ity, Et Jésus lui dit : " Aujourd' hui le salut est arrivé pour cette maison, parce que lui aussi est un fils d' Abraham.
...............
Lio / Lk 20.37 Now that the dead are raised, even Moses shewed at the bush, when he calleth the Lord the God of Abraham, and the God of Isaac, and the God of Jacob. Ary Mosesy aza nanambara teo amin' ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an' i Jehovah hoe Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' isaka ary Andriamanitr' i Jakoba (Eks. 3. 6). Ary raha ny hoe hitsangana ny maty, dia zavatra efa nambaran' i Moizy teo amin' ilay nilazany ny Voaroy izany, fa tamin' io izy dia niantso ny Tompo hoe: Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' Isaaka ary Andriamanitr' i Jakoba. Et que les morts ressuscitent, Moïse aussi l' a donné à entendre dans le passage du Buisson quand il appelle le Seigneur le Dieu d' Abraham, le Dieu d' Isaac et le Dieu de Jacob.

  The Gospel according to John Jaona Joany L'Évangile selon Saint Jean
...............
Jao / Jo 8.33 They answered him, We be Abraham' s seed, and were never in bondage to any man: how sayest thou, Ye shall be made free? Ary ireo dia namaly Azy ka nanao hoe: Taranak' i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon' olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo? Dia hoy ny navalin' izy ireo azy: Taranak' i Abrahama izahay, ary tsy mba nandevozin' olona na oviana na oviana, ka ahoana no ilazanao hoe: Ho olona afaka hianareo? Ils lui répondirent : " Nous sommes la descendance d' Abraham et jamais nous n' avons été esclaves de personne. Comment peux-tu dire : " Vous deviendrez libres ? "
...............
Jao / Jo 8.37 I know that ye are Abraham' s seed; but ye seek to kill me, because my word hath no place in you. Fantatro ihany fa taranak' i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo. Fantatro ihany fa taranak' i Abrahama hianareo, nefa mitady hamono ahy hianareo, satria tsy tafalatsaka ao am-ponareo ny teniko. Je sais, vous êtes la descendance d' Abraham ; mais vous cherchez à me tuer, parce que ma parole ne pénètre pas en vous.
...............
Jao / Jo 8.39 They answered and said unto him, Abraham is our father. Jesus saith unto them, If ye were Abraham' s children, ye would do the works of Abraham. Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak' i Abrahama ianareo, dia ny asan' i Abrahama no hataonareo. Namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Fa hoy Jeso taminy: Raha zanak' i Abrahama hianareo, dia hanao ny asan' i Abrahama. Ils lui répondirent : " Notre père, c' est Abraham. " Jésus leur dit : " Si vous êtes enfants d' Abraham, faites les oeuvres d' Abraham.
Jao / Jo 8.40 But now ye seek to kill me, a man that hath told you the truth, which I have heard of God: this did not Abraham. Fa ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin' Andriamanitra; tsy mba nanao izany Abrahama. Nefa mitady hamono ahy hianareo ankehitriny, dia izaho izay nilaza taminareo ny marina reko tamin' Andriamanitra: tsy asan' i Abrahama izany. Or maintenant vous cherchez à me tuer, moi, un homme qui vous ai dit la vérité, que j' ai entendue de Dieu. Cela, Abraham ne l' a pas fait !
...............
Jao / Jo 8.52 Then said the Jews unto him, Now we know that thou hast a devil. Abraham is dead, and the prophets; and thou sayest, If a man keep my saying, he shall never taste of death. Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay. Dia hoy ny Jody: Fantatray amin' izao fa manana demony hianao; Abrahama sy ny mpaminany aza maty, fa hianao kosa manao hoe: Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana mandrakizay izy. Les Juifs lui dirent : " Maintenant nous savons que tu as un démon. Abraham est mort, les prophètes aussi, et tu dis : "Si quelqu' un garde ma parole, il ne goûtera jamais de la mort. "
Jao / Jo 8.53 Art thou greater than our father Abraham, which is dead? and the prophets are dead: whom makest thou thyself? Moa Hianao va lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? sady efa maty koa ny mpaminany; manao Anao ho iza moa Hianao? Angaha hianao lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty; manao anao ho iza re hianao e? Es-tu donc plus grand qu' Abraham, notre père, qui est mort ? Les prophètes aussi sont morts. Qui prétends-tu être ? "
...............
Jao / Jo 8.56 Your father Abraham rejoiced to see my day: and he saw it, and was glad. Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly. Nientan-kafaliana Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly. Abraham, votre père, exulta à la pensée qu' il verrait mon Jour. Il l' a vu et fut dans la joie. "
Jao / Jo 8.57 Then said the Jews unto him, Thou art not yet fifty years old, and hast thou seen Abraham? Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an' i Abrahama va? Dia hoy ny Jody taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory hianao, ka dia hoe nahita an' i Abrahama? Les Juifs lui dirent alors : " Tu n' as pas cinquante ans et tu as vu Abraham ! "
Jao / Jo 8.58 Jesus said unto them, Verily, verily, I say unto you, Before Abraham was, I am. Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho. Lazaiko marina dia marina aminareo, hoy Jeso taminy: Fony mbola tsy àry Abrahama, dia efa izaho aho. Jésus leur dit : " En vérité, en vérité, je vous le dis, avant qu' Abraham existât, Je Suis. "

  The Acts of the Apostles Asa Asa Les Actes des Apôtres
...............
Asa 3.13 The God of Abraham, and of Isaac, and of Jacob, the God of our fathers, hath glorified his Son Jesus; whom ye delivered up, and denied him in the presence of Pilate, when he was determined to let him go. Andriamanitr' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an' i Jesosy Mpanompony, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan' i Pilato, rehefa nokasainy halefa. Ny Andriamanitr' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an' i Jeso Zanany, izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan' i Pilaty, na dia nataony halefa aza izy. Le Dieu d' Abraham, d' Isaac et de Jacob, le Dieu de nos pères a glorifié son serviteur Jésus que vous, vous avez livré et que vous avez renié devant Pilate, alors qu' il était décidé à le relâcher.
...............
Asa 3.25 Ye are the children of the prophets, and of the covenant which God made with our fathers, saying unto Abraham, And in thy seed shall all the kindreds of the earth be blessed. Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon' Andriamanitra tamin' ny razanareo, raha hoy Izy tamin' i Abrahama: Ary amin' ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin' ny tany (Gen. 22. 18). Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon' Andriamanitra tamin' ny razantsika, raha izy nilaza tamin' i Abrahama hoe: Ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin' ny tany, " Vous êtes, vous, les fils des prophètes et de l' alliance que Dieu a conclue avec nos pères quand il a dit à Abraham : Et en ta postérité seront bénies toutes les familles de la terre.
...............
Asa 7.2 And he said, Men, brethren, and fathers, hearken; The God of glory appeared unto our father Abraham, when he was in Mesopotamia, before he dwelt in Charran, fa hoy Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin' i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana, Ka hoy ny navalin' i Etiena azy: Mihainoa hianareo rahalahy sy ray. Raha mbola tany Mesopotamia Abrahama razantsika, fa tsy mbola nitoetra tany Harana, dia niseho taminy Andriamanitra be voninahitra, Il répondit : " Frères et pères, écoutez. Le Dieu de la gloire apparut à notre père Abraham, encore en Mésopotamie avant de s'établir à Harân,
...............
Asa 7.8 And he gave him the covenant of circumcision: and so Abraham begat Isaac, and circumcised him the eighth day; and Isaac begat Jacob; and Jacob begat the twelve patriarchs. Ary nomeny fanekena amin' ny famorana izy. Ary dia niteraka an' isaka izy ka namora azy tamin' ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an' i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin' ny folo lahy. Dia nomeny fanekena amin' ny famorana Abrahama, ka nony niteraka an' i Isaaka dia namora azy tamin' ny andro fahavalo; Isaaka kosa niteraka sy namora an' i Jakoba, ary Jakoba an' ireo Patriarka roa ambin' ny folo lahy. Il lui donna ensuite l' alliance de la circoncision ; c' est ainsi qu'étant devenu père d' Isaac, Abraham le circoncit le huitième jour. Et Isaac fit de même pour Jacob, et Jacob pour les douze patriarches.
...............
Asa 7.16 And were carried over into Sychem, and laid in the sepulchre that Abraham bought for a sum of money of the sons of Emmor the father of Sychem. ary nentina ho any Sekema izy ka nalevina tao amin' ny fasana izay novidin' i Abrahama vola tamin' ny zanak' i Hamora tany Sekema. Ary nentina nankany Sikema izy ireo, ka nalevina tao amin' ny fasana izay novidin' i Abrahama vola tamin' ny zanak' i Hemora tany Sikema. Leurs corps furent transportés à Sichem et déposés dans le tombeau qu' Abraham avait acheté à prix d' argent aux fils d' Emmor, père de Sichem.
Asa 7.17 But when the time of the promise drew nigh, which God had sworn to Abraham, the people grew and multiplied in Egypt, Fa rehefa ho tonga ny fotoana hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon' Andriamanitra tamin' i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta, Nony efa akaiky ny fotoana hahatanterahan' ny teny napetrak' Andriamanitra tamin' i Abrahama, dia nitombo sy nihabetsaka ny olona tany Ejipta, " Comme approchait le temps où devait s' accomplir la promesse que Dieu avait faite solennellement à Abraham, le peuple s' accrut et se multiplia en Égypte,
...............
Asa 7.32 Saying, I am the God of thy fathers, the God of Abraham, and the God of Isaac, and the God of Jacob. Then Moses trembled, and durst not behold. Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Eks. 3. 6). Dia tora-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika. Izaho no Andriamanitry ny razanao, Andriamanitr' i Abrahama, Andriamanitr' Isaaka, ary Andriamanitr' i Jakoba. Tera-kovitra tery Moizy ka tsy sahy nijery akory. "Je suis le Dieu de tes pères, le Dieu d' Abraham, d' Isaac et de Jacob. " Tout tremblant, Moïse n' osait regarder.
...............
Asa 13.26 Men and brethren, children of the stock of Abraham, and whosoever among you feareth God, to you is the word of this salvation sent. Ry rahalahy, taranak' i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an' Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin' izao famonjena izao. Ry rahalahy taranak' i Abrahama, sy ireo matahotra an' Andriamanitra eo aminareo koa, ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin' izao famonjena izao, " Frères, vous les enfants de la race d' Abraham, et vous ici présents qui craignez Dieu, c' est à vous que ce message de salut a été envoyé.

  Letter to the Romans Romanina Romana Épître de Saint Paul aux Romains
Rom / Rm 4.1 What shall we say then that Abraham our father, as pertaining to the flesh, hath found? Inona ary no holazaintsika ho efa azon' i Abrahama, razantsika araka ny nofo? Inona àry, ny amin' i Abrahama razantsika, no ho lazaintsika, fa azony araka ny nofo? Que dirons-nous donc d' Abraham, notre ancêtre selon la chair ?
Rom / Rm 4.2 For if Abraham were justified by works, he hath whereof to glory; but not before God. Fa raha asa no nanamarinana an' i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin' Andriamanitra. Raha noho ny asa no nanamarinana an' i Abrahama, dia manana hireharehana ihany izy; nefa tsy manana izany akory izy, eo anatrehan' Andriamanitra. Abraham tint sa justice des oeuvres, il a de quoi se glorifier. Mais non au regard de Dieu !
Rom / Rm 4.3 For what saith the scripture? Abraham believed God, and it was counted unto him for righteousness. Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an' Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6). Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Izao: nino an' Andriamanitra i Abrahama, ka izany no notanana ho fahamarinany. Que dit en effet l'Écriture ? Abraham crut à Dieu, et ce lui fut compté comme justice.
...............
Rom / Rm 4.9 Cometh this blessedness then upon the circumcision only, or upon the uncircumcision also? for we say that faith was reckoned to Abraham for righteousness. Koa izany fahasambarana izany moa an' ny voafora ihany va, sa an' ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan' i Abrahama. Ary izany hasambarana izany ve, an' ny voafora ihany, sa an' ny tsy voafora koa? Cette déclaration de bonheur s' adresse-t-elle donc aux circoncis ou bien également aux incirconcis ? Nous disons, en effet, que la foi d' Abraham lui fut comptée comme justice.
Rom / Rm 4.10 How was it then reckoned? when he was in circumcision, or in uncircumcision? Not in circumcision, but in uncircumcision. Ary ahoana no nanisana izany? Tamin' izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin' izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora. Voalazantsika fa ny finoana dia notanana ho fahamarinan' i Abrahama. Oviana àry no nitanana izany? Tamin' izy efa voafora ve, sa fony izy mbola tsy voafora? Tsy tamin' izy efa voafora tsy akory, fa fony izy mbola tsy voafora. Comment donc fut-elle comptée ? Quand il était circoncis ou avant qu' il le fût ? Non pas après, mais avant ;
...............
Rom / Rm 4.12 And the father of circumcision to them who are not of the circumcision only, but who also walk in the steps of that faith of our father Abraham, which he had being yet uncircumcised. ary ho rain' ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian' ny finoan' i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora. ary ho rain' ny voafora koa, tsy izay voafora fe voafora anefa, fa izay manara-dia ny finoana nananan' i Abrahama razantsika, fony izy mbola tsy voafora. et le père des circoncis, qui ne se contentent pas d'être circoncis, mais marchent sur les traces de la foi qu' avant la circoncision eut notre père Abraham.
Rom / Rm 4.13 For the promise, that he should be the heir of the world, was not to Abraham, or to his seed, through the law, but through the righteousness of faith. Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin' ny finoana, no nahazoan' i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy. Tsy ny lalàna no nahazoan' i Abrahama sy ny taranany fampanantenana handova izao tontolo izao, fa ny fahamarinana avy amin' ny finoana. De fait ce n' est point par l' intermédiaire d' une loi qu' agit la promesse faite à Abraham ou à sa descendance de recevoir le monde en héritage, mais par le moyen de la justice de la foi.
...............
Rom / Rm 4.16 Therefore it is of faith, that it might be by grace; to the end the promise might be sure to all the seed; not to that only which is of the law, but to that also which is of the faith of Abraham; who is the father of us all, Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an' ny taranaka rehetra,- tsy ho an' izay amin' ny lalàna ihany, fa ho an' izay amin' ny finoan' i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra - Koa ny finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, ka ho mafy ho an' ny taranaka rehetra ny fampanantenana, dia tsy ho an' izay amin' ny Lalàna ihany, fa ho an' izay amin' ny finoan' i Abrahama koa, satria raintsika rehetra izy, Aussi dépend-il de la foi, afin d'être don gracieux, et qu' ainsi la promesse soit assurée à toute la descendance, qui se réclame non de la Loi seulement, mais encore de la foi d' Abraham, notre père à tous,
...............
Rom / Rm 9.7 Neither, because they are the seed of Abraham, are they all children: but, In Isaac shall thy seed be called. Ary na dia taranak' i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin' isaka no hantsoina izay taranaka ho anao (Gen. 21. 12). ary izay terak' i Abrahama no tsy zanany daholo, fa izao: Ny avy amin' Isaaka ihany no hantsoina ho taranakao; De même que, pour être postérité d' Abraham, tous ne sont pas ses enfants ; mais c' est par Isaac qu' une descendance portera ton nom,
Rom / Rm 11.1 I say then, Hath God cast away his people? God forbid. For I also am an Israelite, of the seed of Abraham, of the tribe of Benjamin. Dia hoy izaho: Sao narian' Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Isiraelita' taranak' i Abrahama ihany, avy amin' ny firenen' i Benjamina. Koa hoy izaho: Moa dia narian' Andriamanitra va ny olony? Sanatria izany! Fa izaho koa dia Israelita, taranak' i Abrahama, sy fokon' i Benjamina, Je demande donc : Dieu aurait-il rejeté son peuple ? Certes non ! Ne suis-je pas moi-même Israélite, de la race d' Abraham, de la tribu de Benjamin ?

  2nd Letter to the Corinthians 2 Korintianina Korintiana II 2ème Épître de Saint Paul aux Corinthiens
...............
2Kr / 2Kor 11.22 Are they Hebrews? so am I. Are they Israelites? so am I. Are they the seed of Abraham? so am I. Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak' i Abrahama va izy? Izaho koa. Hebrio va izy ireo? izaho koa; Israelita va izy? izaho koa; taranak' i Abrahama va izy? izaho koa; Ils sont Hébreux ? Moi aussi. Ils sont Israélites ? Moi aussi. Ils sont postérité d' Abraham ? Moi aussi.

  Letter to the Galatians Galatianina Galata Épître de Saint Paul aux Galates
...............
Gal / Ga 3.6 Even as Abraham believed God, and it was accounted to him for righteousness. Dia tahaka an' i Abrahama nino an' Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6). Izany tokoa no ilay voasoratra hoe: Nino an' Andriamanitra i Abrahama, ka dia notanana ho fahamarinany izany. Ainsi Abraham crut-il en Dieu, et ce lui fut compté comme justice.
Gal / Ga 3.7 Know ye therefore that they which are of faith, the same are the children of Abraham. Koa fantaro fa izay amin' ny finoana no zanak' i Abrahama. Koa fantaro àry fa izay amin' ny finoana no zanak' i Abrahama. Comprenez-le donc : ceux qui se réclament de la foi, ce sont eux les fils d' Abraham.
Gal / Ga 3.8 And the scripture, foreseeing that God would justify the heathen through faith, preached before the gospel unto Abraham, saying, In thee shall all nations be blessed. Ary satria hitan' ny Soratra Masina rahateo fa amin' ny finoana no anamarinan' Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin' i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra (Gen. 12. 3); Ary tsinjon' ny Soratra Masina rahateo fa amin' ny finoana no anamarinan' Andriamanitra ny jentily, ka nilaza vaovao mahafaly tamin' i Abrahama izy, nanao hoe: Aminao no hanaovan' Andriamanitra ny firenena rehetra. Et l'Écriture, prévoyant que Dieu justifierait les païens par la foi, annonça d' avance à Abraham cette bonne nouvelle : En toi seront bénies toutes les nations.
Gal / Ga 3.9 So then they which be of faith are blessed with faithful Abraham. ka dia izay amin' ny finoana notahina mbamin' i Abrahama mpino. Dia miara-kasoavina amin' i Abrahama mpino amin' izany, izay amin' ny finoana. Si bien que ceux qui se réclament de la foi sont bénis avec Abraham le croyant.
...............
Gal / Ga 3.14 That the blessing of Abraham might come on the Gentiles through Jesus Christ; that we might receive the promise of the Spirit through faith. mba ho tonga amin' ny jentilisa ny fitahiana an' i Abrahama ao amin' i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin' ny finoana ny teny fikasana ny amin' ny Fanahy. mba ho tonga amin' ny jentily, ao amin' ny Kristy Jeso, ny tso-drano nampanantenaina an' i Abrahama; dia horaisintsika amin' ny finoana koa ny fampanantenana ny Fanahy. afin qu' aux païens passe dans le Christ Jésus la bénédiction d' Abraham et que par la foi nous recevions l' Esprit de la promesse.
...............
Gal / Ga 3.16 Now to Abraham and his seed were the promises made. He saith not, And to seeds, as of many; but as of one, And to thy seed, which is Christ. Ary tamin' i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an' ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an' ny taranakao (Gen. 22. 18), dia Kristy izany. Ary ilay fampanantenana natao tamin' i Abrahama sy ny taranany, izay tsy ataony hoe: ny taranany toy ny milaza maro, fa ny taranako, hoy izy, toy ny manondro tokana, izany hoe ny Kristy, Or c' est à Abraham que les promesses furent adressées et à sa descendance. L'Écriture ne dit pas : " et aux descendants ", comme s' il s' agissait de plusieurs ; elle n' en désigne qu' un : et à ta descendance, c' est-à-dire le Christ.
...............
Gal / Ga 3.18 For if the inheritance be of the law, it is no more of promise: but God gave it to Abraham by promise. Fa raha avy amin' ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin' ny teny fikasana intsony; nefa tamin' i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan' Andriamanitra azy. Fa raha ho avy amin' ny Lalàna ny lova, dia tsy ho avy amin' ny teny fampanantenana intsony, nefa teny fampanantenana no nataon' Andriamanitra tamin' i Abrahama hahazoana izany fahasoavana izany. Car si on hérite en vertu de la Loi, ce n' est plus en vertu de la promesse : or c' est par une promesse que Dieu accorda sa faveur à Abraham.
...............
Gal / Ga 3.29 And if ye be Christ' s, then are ye Abraham' s seed, and heirs according to the promise. Fa raha an' i Kristy ianareo, dia taranak' i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. Ary raha an' ny Kristy hianareo, dia taranak' i Abrahama tahaka azy, ka mpandova araka ny fampanantenana. Mais si vous appartenez au Christ, vous êtes donc la descendance d' Abraham, héritiers selon la promesse.
...............
Gal / Ga 4.22 For it is written, that Abraham had two sons, the one by a bondmaid, the other by a freewoman. fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin' ny andevovavy, ary ny anankiray tamin' ny tsy andevo. Voasoratra ao fa nanan-janaka roa lahy i Abrahama, ny iray tamin' ny andevovavy, ary ny iray tamin' ny olona afaka. Il est écrit en effet qu' Abraham eut deux fils, l' un de la servante, l' autre de la femme libre ;

  Letter to the Hebrews Hebreo Hebrio Épître de Saint Paul aux Hébreux
...............
Heb 2.16 For verily he took not on him the nature of angels; but he took on him the seed of Abraham. Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak' i Abrahama no vonjeny. Na aiza na aiza tsy mba anjely no vonjeny, fa ny taranak' i Abrahama no vonjeny. Car ce n' est certes pas des anges qu' il se charge, mais c' est de la descendance d' Abraham qu' il se charge.
...............
Heb 6.13 For when God made promise to Abraham, because he could swear by no greater, he sware by himself, Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin' i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin' ny tenany Izy Tamin' ny fampanantenana nataon' Andriamanitra tamin' i Abrahama, noho ny tsy fisian' ny lehibebe kokoa noho ny tenany, dia nianiana tamin' ny tenany izy. En effet, lorsqu' il fit la promesse à Abraham, Dieu, ne pouvant jurer par un plus grand, jura par lui-même,
...............
Heb 6.15 And so, after he had patiently endured, he obtained the promise. Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana. ary nahazo ny nampanantenaina azy io Patriarka io, satria niandry tamim-paharetana izy. C' est ainsi qu' Abraham, ayant persévéré, vit s' accomplir la promesse.
Heb 7.1 For this Melchisedec, king of Salem, priest of the most high God, who met Abraham returning from the slaughter of the kings, and blessed him; Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan' i Salema sy mpisoron' Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an' i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy, Io Melkisedeka io, izay mpanjakan' i Salema, mpisoron' ny Avo indrindra, nitsena an' i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy, En effet, ce Melchisédech, roi de Salem, prêtre du Dieu Très-Haut, qui se porta à la rencontre d' Abraham s' en retournant après la défaite des rois, et qui le bénit ;
Heb 7.2 To whom also Abraham gave a tenth part of all; first being by interpretation King of righteousness, and after that also King of Salem, which is, King of peace; sady nomen' i Abrahama ny ampahafolon' ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan' ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan' i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan' ny fiadanana; notoloran' i Abrahama ny ampahafolon' ny babony rehetra; - mpanjakan' ny fahamarinana no hevitr' anarany voalohany, vao mpanjakan' i Salema koa, izany hoe mpanjakan' ny fiadanana; à qui aussi Abraham attribua la dîme de tout, dont on interprète d' abord le nom comme " roi de justice " et qui est aussi roi de Salem, c' est-à-dire " roi de paix ",
...............
Heb 7.4 Now consider how great this man was, unto whom even the patriarch Abraham gave the tenth of the spoils. Ary hevero ny halehiben' io lehilahy io -, izay nomen' i Abrahama patriarka ny ampahafolon' izay tsara tamin' ny zavatra nobaboina. Mba hevero lahy ny halehiben' io lehilahy io, fa notoloran' i Abrahama, ilay Patriarka, ny ampahafolon' ny babony tsara indrindra izy. Considérez donc comme il est grand celui à qui Abraham donna aussi la dîme du meilleur butin, lui le Patriarche.
Heb 7.5 And verily they that are of the sons of Levi, who receive the office of the priesthood, have a commandment to take tithes of the people according to the law, that is, of their brethren, though they come out of the loins of Abraham: Ary izay avy tamin' ny taranak' i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin' ny olona araka ny lalàna, dia amin' ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon' i Abrahama aza ireny; Nefa, araka ny Lalàna, dia ny taranak' i Levì izay mandray ny fisoronana ihany no mahazo teny handray ny ampahafolon-karena amin' ny vahoaka, izany hoe amin' ny rahalahiny, izay terak' i Abrahama koa; Et à la vérité, ceux des fils de Lévi qui reçoivent la prêtrise ont ordre, selon la Loi de lever la dîme sur le peuple, c' est-à-dire sur leurs frères qui sont pourtant eux aussi sortis des reins d' Abraham.
Heb 7.6 But he whose descent is not counted from them received tithes of Abraham, and blessed him that had the promises. nefa izay tsy isan' ny firazanan' ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin' i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana. fa izy izay tsy iray razana amin' izy ireo akory indray, dia sady nandray ny ampahafolon-karena tamin' i Abrahama no nitso-drano azy izay nahazo ny teny fampanantenana koa! Mais celui qui n'était pas de leur lignée a levé la dîme sur Abraham, et il a béni le détenteur des promesses.
...............
Heb 7.9 And as I may so say, Levi also, who receiveth tithes, payed tithes in Abraham. Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin' i Abrahama, Ary azo lazaina aza fa i Levì izay mandray ny ampahafolon-karena, dia mba nandoa izany tao amin' ny tenan' i Abrahama ihany koa, Enfin c' est pour ainsi dire Lévi lui-même, lui qui perçoit la dîme, qui se trouve l' avoir payée en la personne d' Abraham ;
Heb 7.10 For he was yet in the loins of his father, when Melchisedec met him. satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin' ny nitsenan' i Melkizedeka an' i Abrahama. satria mbola tao an-kibon' io razana io izy, tamin' ny nitsenan' i Melkisedeka an' i Abrahama. car il était encore dans les reins de son aïeul, lorsque Melchisédech se porta à sa rencontre.
...............
Heb 11.8 By faith Abraham, when he was called to go out into a place which he should after receive for an inheritance, obeyed; and he went out, not knowing whither he went. Finoana no naneken' i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin' izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany. Ny finoana no naneken' i Abrahama ny fiantsoan' Andriamanitra azy, handeha ho any amin' ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany. Par la foi, Abraham obéit à l' appel de partir vers un pays qu' il devait recevoir en héritage, et il partit ne sachant où il allait.
...............
Heb 11.17 By faith Abraham, when he was tried, offered up Isaac: and he that had received the promises offered up his only begotten son, Finoana no nanateran i Abrahama an' isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin' ilay efa nandray tsara ny teny fikasana, Ny finoana no nanoloran' i Abrahama an' Isaaka ho sorona, raha nozahan-toetra izy. Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana, Par la foi, Abraham, mis à l'épreuve, a offert Isaac, et c' est son fils unique qu' il offrait en sacrifice, lui qui était le dépositaire des promesses,

  Letter of James Jakoba Jakoba Épître de Saint Jacques
...............
Jak / Jk 2.21 Was not Abraham our father justified by works, when he had offered Isaac his son upon the altar? Tsy nohamarinina tamin' ny asa va Abrahama razantsika tamin' ny nanaterany an' isaka zanany teo ambonin' ny alitara? Moa tsy ny asa va no nanamarinana an' i Abrahama razantsika, tamin' izy nanolotra an' Isaaka zanany teo ambonin' ny otely? Abraham, notre père, ne fut-il pas justifié par les oeuvres quand il offrit Isaac, son fils, sur l' autel ?
...............
Jak / Jk 2.23 And the scripture was fulfilled which saith, Abraham believed God, and it was imputed unto him for righteousness: and he was called the Friend of God. ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an' Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 25.6), ary natao hoe "Sakaizan' Andriamanitra" izy (Isa. 41.8). Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe: Ary Abrahama nino an' Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan' Andriamanitra izy. Ainsi fut accomplie cette parole de l'Écriture : Abraham crut à Dieu, cela lui fut compté comme justice et il fut appelé ami de Dieu. "

  1st Letter of Peter 1 Petera Piera I 1ère Épître de Saint Pierre
...............
1Pe / 1P 3.6 Even as Sara obeyed Abraham, calling him lord: whose daughters ye are, as long as ye do well, and are not afraid with any amazement. dia tahaka an' i Saraha, izay nanaiky an' i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona. tahaka an' i Sarà izay nanaiky an' i Abrahama sy nanao azy ho tompony; ary zanany hianareo, raha manao soa tsy aman-tahotra na inona na inona fampitahorana anareo. telle Sara obéissait à Abraham, en l' appelant son Seigneur. C' est d' elle que vous êtes devenues les enfants, si vous agissez bien, sans terreur et sans aucun trouble.