|
|
|
|

Teny iditra 1  sarotra
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Haiendriteny 
3  Tsotra :
4  Tovonana :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  24 [Bezanozano] lafo, sarobidy [1.78]
25 Tsy mora ny fanaovana azy, manahirana: Asa sarotra ~ Sarotra ny mampiditra io farafara lehibe io amin' ity varavarankely ity
26 Sarotiny, mahihitra, tia tena: Sarotra izy raha hanome
27 Ilazana olona tia hanina loatra, ka tsy mizara na ahazoana potiny kely akory: Nafenin' ity Rangahy sarotra tao anaty satrony, hono, ny voanjo mahamay mba tsy ho hitan-janany
28 Mampidi-doza: Sarotra ny maniny ny mpitondra
29 Lafo vidy: Sarotra ny vary izao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  30 difficult; selfish, hard to get along with; costly [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  31 difficile [1.3, 1.8]
32 ardu, périlleux, pénible, dangereux
33 cher, coûteux, ruineux
34 avare, ladre, intéressé, égoïste, sévère, exigeant [1.3]
35 égoïste, difficile à vivre; qui coûte cher [1.8]
Ohatra  36  sarotra ny mampiditra resaka, hoy Ilaimanga fa hoatry ny haninona ihany. [2.324]
37  Mbola tsy nahita aho aloha fa sarotra ny mandainga, hoy ny rainy. [2.470#12]
38  Lehibe aman-tsaro-boasana ny fitsaranao [2.996]
Mpanahaka  39  hangana, 40  hentona, 41  Lafo
Fikambanana  42  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 49 misy ny teny how sarotra
Ohabolana  43  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  sarotra, 44 Soratra, soratra, 45 tsarôra

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/07