|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mpanjono
Fototeny  2 jono
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Olona manao ho antom-pivelomana ny fakana hazandrano [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 a fisherman (with hook and line) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6 pêcheurà la ligne [1.8]
Ohatra  7  mpanjono sy mpihaza trozona ny ankamaroan' ny lehilahy fa ny zaza amim-behivavy ihany no matetika miantoka ny fambolena. [2.508#272]
8  Mitondra mpanjono ve izy ireny? [2.442#95]
9  Aleoko ihany lahy mpanjono mitoetra lalandava eo akaikiko, hoy Ikemba, sady nidongy kely izy. [2.499#15]
Fikambanana  10  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mpanjono
Ohabolana  11  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 12  Mpanjono
Singan-teny  13 mpanjono
Sokajin-teny  14  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  15  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  16 Rajaobelison Samuël
Lahatsiratra manontolo  17 
18  Ery amoron-kelodrano.
19  io tazano ilay mpanjono.
20  Fintan-telo indray mamahatra
21  no milahatra
22  anoloany.
23  Elo manga miofon'andro
24  ambony loha;
25  alokaloka mandeha
26  zary loko manaratsy
27  iretsy rahavavy anila:
28  maitso, vony, mena, fotsy,
29  eny ho eny mampihaingo.
30  Haron-kely mihorom-bava,
31  feno vatsy,
32  sy tavoahangin-dranovola,
33  mifanondana etsy ivoho.
34 
35  Hendratra izy ka nisintona,
36  nefa indrisy! efa lany izany jono!
37  Dia hirintona
38  hiala? Sanatria,
39  Miempo ho'aho ny tambaviny,
40  ka tsy an-kiato
41  ny fifiokan' ireo tady
42  feno kankana farango.
43  Injany mamango.
44  Dia mampakatra; nefa trondro sarim-pirina
45  no indry mipelapelaka
46  toa pitipiti-bolafotsy.
47  Kely loatra, hatao ahoana?
48  'Ndao hatsipy mba hiverina.
49 
50  Kilalao mamono andro,
51  ontam-po mampihomehy,
52  piti-drano an-tarehy!
53  Kanto, hono!
54  Raha izaho no tsy mahazo
55  dia hariako mbamim-pintana.
56  Saingy izy hafa loatra!
57  Trondro, trondro, trondro ihany
58  no tsy afaka ao an-tsainy.
59 
60  Dia manainga vao maraina,
61  velon-tsioka, velom-bolo,
62  hanadino ilay tontolo
63  sy korontany tsy lany.
64  Hiresaka
65  amim-boahary sy ny lokony;
66  hikirozaroza tongotra
67  ery amoron-kelodrano.

Fivaditsoratra  Mpanjono, mpanjono

Nohavaozina tamin' ny 2026/10/22