|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  manangona
Fototeny  2 angona
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manao izay hahatonga olona maro amin' ny toerana iray: Manangona ny mpianatra rehetra ny lehiben' ny sekoly
9 Mamory zavatra betsaka hotehirizina: Manangona loto no raharahan-dRangahy iny
10 Mampivondrona: Nanangona ny heriny rehetra izy dia nitsambikina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 to collect, to assemble, to gather things or persons together. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  12 rassembler, accumuler [1.13]
Ohatra  13  Tsy maintsy manangona hery tsara amin' ny fitondrana azy an-doloha ho ery amin' ny gara, iny alina iny ihany. [2.470#34]
Ohabolana  14  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3) 15  manangòna
Fototeny  16 angona
Sokajin-teny  17  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manangona [Fitanisana]

Teny iditra (3/3) 18  manangona
Sokajin-teny  19  anarana
Fanazavàna teny frantsay  20 [Tankarana] (de manana : prendre, avoir, et gona : les coups). Sakoanala villosa R.Vig. (Fabaceae). Bois sans grand intérêt. Voir aussi sakoanala. [1.196]
Voambolana  21  Haizavamaniry
Anarana ara-tsiansa 

Fivaditsoratra  23 manangano, manangona, manangòna, 24 manongàna, manongana

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19