|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  embona
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Fanazavàna teny malagasy  12 fahatsiarovana amin' alahelo olona na zavatra (toy ny tanàna na tany) noho ny fitiavana: Anisan' ny fihetseham-po mamelovelo so am-pony embona ny tanindrazana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 sigh [1.209]
Fanazavàna teny frantsay  14 regret
15 soupir poussé en songeant à une personne ou à un objet chéri, absent ou perdu [1.3]
Ohatra  16  Hita mifaritra mazava ny azy ny embona. [2.314#48]
17  Tsy tana ny embona : " Vitsika momba kitay, hoy Jean Narivony, ka manimanina ny any aminay! [2.356#64]
18  Izay no voalohany nandehanan' ny sainy tany amin' i Sahondra, dia ohatra ny nisy embona nifangaro hatezerana nibosesika tao am-pony. [2.529#66]
Voambolana  19  Ontam-po
Mpanahaka  20  hanina
Fikambanana  21  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny hoe embona

Teny iditra (2/3) 22  embona
Sokajin-teny  23  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny fameno :
Fanazavàna teny frantsay  26 [Tankarana] flotter [1.19]

Teny iditra (3/3) 27  Embona
Singan-teny  28 embona
Sokajin-teny  29  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  30  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  31 Razafindrafidy Bien-Aimé
Lahatsiratra manontolo  32 
33  Midona malefaka ery Ankaratra,
34  vaky tsipelana ny eny Anjafy.
35  Midona kanefa tsy fahavaratra,
36  fa erika kely no re mifafy.

37  Lanitra soa, tomarataratra,
38  otronin'ny rahona mitsitoko,
39  kanefa, ry lahy, iry Ankaratra
40  zary manjombona sy manjoko.

41  Ankaratra ô! nahoana kosa,
42  manembona ve ilay nisaraka,
43  ka ny tolokony miavosa
44  eo aminao no te-hiraraka?…

45  Raha manina izy ka mitomany,
46  lalim-pisento fa te-hiverina,
47  asaivo mitony hangina ihany
48  fa toraka izany'lay eto Imerina!

49  Ny sentom-pony raha tonga fatra
50  - ka indro mandrotika ny fanahy -
51  aoka hionona fa ny ratra
52  iombonako aminy lavitra ahy!

53  Tsy oram-baratra no midona, fa
54  fo feno hanina no miteny,
55  ka ny vetsom-panahiny kely foana
56  tsy sasa-mivezika sy manjeny.

57  Eny, ry rahona ery Ankaratra!
58  ry rahona fotsy iaraha-mijery,
59  meteza ianao mba ho fitaratra
60  hampita ny sarin'ilay miery.

61  Vaky tsipelana ve Anjafy
62  ka tsy hidoboka iry Ankaratra?
63  Raha izy misento ka mafimafy,
64  ny foko no toy ny latsaham-baratra!

Fivaditsoratra  65 ambeno, 66 ambone, 67 añombe, 68 bomena, embona, Embona, 69 mañebo

Nohavaozina tamin' ny 2026/10/18