|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  efa-
Sokajin-teny  2  endritenin' ny hoe efatra
Ohatra  3  Sarotra amin'izy efa-mianaka mihitsy ny manaraka ny lalana [2.324]
4  Ny Evanjelista efa-dahy, Matio, Marka, Lioka sy Jaona, lehilahy tsy mitovy toetra, na dia samy Apostoly ihany aza [1.38#376]

Teny iditra (2/3) 5  efa
Sokajin-teny  6  matoanteny mpamaritra
Haiendriteny 
7  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  35 [Antemoro] vita, miafara, mifarana, tony [1.78]
36 [Antesaka] vita [1.78]
37 [Tanala] vita, voaloa, tontosa [1.78]
38 Vita, voafarana, tapitra: Efa ny asa vao tonga ianao
39 Tontosa, lavorary: Efako ny asa nampanaovina ahy ka miadan-tsaina aho
40 Voaloa: Efa ny trosako izao ka faly aho
41 Mety ho vita: Efako io fa aza manahy ianao
42 Voaonitra, voaverina: Efany ny halatra nataony ha nolefahan' ny fanjakana ny saziny
43 Fampiasa eo alohan' ny matoanteny milaza ny ankehitriny na ny lasa na ny ho avy, saingy samy hafa ny heviny amin' izany
44 Eo alohan' ny milaza ny ankehitriny, ny efa dia milaza fa eo am-panaovana ilay asa: Efa mihinana izahay
45 Eo alohan' ny milaza ny lasa, milaza fa efa vita tanteraka ilay asa: Efa nihinana izahay
46 Eo alohan' ny milaza ny ho avy, milaza fa antomotry ny hanao ilay asa ny olona miteny: Efa hihinana izahay [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  47 finished, completed, accomplished: Efa lasa (Gone) [a sort of past perfect] [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  48 Fini, terminé, achevé, tué, mort: Efako ny tranoko (J'ai fini ma maison) ~ Efa ny asa vao tonga hianao (Le travail est terminé quand vous arrivez)
49 Payé, acquitté, restitué, compensé, réparé: Efa ny trosany izao (La dette est maintenant payée) ~ Efany ny haiatra nataony (Il a restitué ce qu'il avait volé)
50 Qu'on peut faire: Moa efanao izany? -- Efako (Pouvez-vous le faire -- Je peux le faire)
51 Efa placé devant un passé indique un temps complètement écoulé: Efa namely ahy izy (Il m'a frappé) ~ Efa ela no nahatongavany (Il y a longtemps qu'il est arrivé)
52 Efa placé devant un présent indique que l'action est tout-à-fait en train ou que le sujet est tout-à-fait dans l'état exprimé par le mot: Efa manoratra ny taratasy izy (Il est en train d'écrire la lettre) ~ Efa madio izy (Il est maintenant propre) ~ Efa olon-dehibe izy (Il est maintenant grand)
53 Efa placé devant un futur indique que l'action est sur le point d'être faite ou subie: Efa ho faty izy (Il est sur le point de mourir) ~ Efa hovonoin-ko faty izy (Il va être mis à mort) [1.3]
54 [Antesaka] fini, payé [1.82]
55 terminé, achevé: Efa lasa (Effectivement parti) [1.8]
Ohatra  56  Mbola kely mihitsy aho, dia efa betsaka ny zavatra fantatro momba ny rafi-batana sy ny fiainan' olombelona. [2.472#9]
57  efa ho telo volana izao no nandaozako an' i Madagasikara. [2.471#42]
Fikambanana  58  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 11 misy ny teny hoe efa
Ohabolana  59  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (3/3) 60  efa
Sokajin-teny  61  tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  62 [Antesaka] déjà [1.82]
Fikambanana  63  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 3 misy ny teny hoe efa

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21