|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mahaleo
Fototeny  2 leo
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 manan-kery hahatohitra, afaka handresy: Tsy mahaleo azy aho ka hany heriko mangina
9 mahavita, afaka hisahana, hikarakara: Mahaleo tsara ny fitondrana ny ankizy ilay mpampianatra vaovao
10 mahatanty, mahazaka: Olona tsy mba mahaleo ny esoeso sy ny fanarabiana izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 to equal, to match, to parallel, to manage [1.2]
12 to be able to support; to be able to overcome [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 avoir assez de force pour vaincre, pour résister, pour exécuter. Tsy mahaleo azy hianao (Vous ne sauriez l'emporter sur lui) ~ Mahaleo tsara ny fitondrana ireo ankizy kamboty ireo izy (Il est dévoué pour s'occuper de ces orphelins) ~ Mahaleo ny fahoriana izy (Il sait supporter le malheur) [1.3]
14 être capable de vaincre; être capable de supporter [1.8]
Ohatra  15  Ny voky tsy mahaleo ny tsaroana! [2.296#140]
16  Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; [2.996]
17  Tsy zaza miankina fa lehilahy mahaleo-tena no tiany. [2.285#165]
Fikambanana  18  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 4 misy ny teny how mahaleo
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 20  mahaleo
Fototeny  21 leo
Sokajin-teny  22  anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  23 music band formed in 1972 by seven musicians: Dama, Dadah, Bekoto, Fafa, Nono, Charles, Raoul. [3.1]
Voambolana  24  Tantara
Sary 
25  26 

Fivaditsoratra  27 alahemo, 28 alemaho, 29 mahaelo, mahaleo, Mahaleo

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/07