|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/4) | 1 fanahy |
| Fototeny | 2 hahy |
| Sokajin-teny | 3 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Fomba entina manahy na mamelatra zavatra amin' ny toerana talaky andro mba ho maina: Tsy toy izao, retsy, no fanahy vary, ry Ketaka
[1.1] |
| Teny iditra (2/4) | 5 fanahy |
| Fototeny | 6 ahy |
| Sokajin-teny | 7 anarana |
| Haiendriteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
10 Fomba entina manahy
11 Zavatra ao amin' ny olombelona entiny manahy ny amin' ny tenany, mampahatsiaro tena azy: Very fanahy mbola velona ohatra ny valala voatango 12 Zavatra mampiavaka ny olona amin' ny biby: Ny fanahy no olona. 13 Saina mieritreritra, fahendrena: Ny manam-panahy mody voky fa ny adala manesika ihany. 14 Ilay zavatra tsy mety maty fitambaran' ny saina sy ny sitra-po ao amin' ny olombelona izay misaraka amin' ny vatana rehefa maty ny olona mba ho any amin' ny fiainana any an-koatra: Hivavaka ho an' ny fanahin' ny maty isika. 15 Toetra: Manao fanahin-jaza. 16 Fahasalamana: Nahakepoka ny fandrenesana an-dRakoto maty tampoka: olona tsara fanahy izao izy no niala tao an-trano. [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
17 the mind, the seat of thought, anxiety, or care; care for, thoughtful concern; tact, disposition, character, intelligence, knowledge; the soul, the immortal part of man. See nahy.
[1.2] 18 the spirit, the soul; an attitude or temperament [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
19 esprit, âme; attitude ou tempérament
[1.8] |
| Ohatra |
20 Toetra no lazaina hoe fanahy eto.
[1.316#]
21 Fa misy fanahy handalana, Re lahy! [2.69#] 22 Fanandratana ny fanahy maha-olona. [1.317#] |
| Voambolana | 23 Filôzôfia |
| Tovy hevitra | 24 iniana, nahy, satry |
| Fikambanana | 25 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 49 misy ny teny hoe fanahy |
| Ohabolana | 26 Ohabolana misy io teny io |
| Lahatsoratra | 27 Randzavola: fanahy ao amin' ny Baiboly |
| Teny iditra (3/4) | 28 fañahy |
| Sokajin-teny | 29 anarana |
| Haiendriteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
32 [Bara] fitaka
[1.78] |
| Teny iditra (4/4) | 33 Fanahy |
| Sokajin-teny | 34 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana] |
| Ohatra |
35 Velona amin'ny fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny fanahy
[2.996]
|
| Voambolana | 36 Soratra Masina |
| Fivaditsoratra | 37 fahany, 38 fahina, fañahy, fanahy, Fanahy, 39 fiha~na, fihana, 40 hafina |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19 |
|