Entrée Voninkazo taratasy
Mots élémentaires voninkazo ; taratasy
Partie du discours nom propre (titre de poème) [liste complète]
Auteur Rajaobelison Samuël
Texte 
Dodona aho hanimbolo
F'efa babony tontolo,
Kanjo he! mangasihasy!
Voninkazo taratasy!

Ny voninkazo-Nanahary
Ve tsy nisy? ka inona àry,
Ka inona no nanolorana
'Ty voninkazo torantorana?

Karazan-doko mahakofona
Fa tsy hanitra na fofona,
Nony'njay atao an-tratra:
Henjankenjana mandratra.

Samy voninkazo ihany:
Ny iray velomin-tany,
Dokadoka, lenodenoka,
Misy fofo-maharenoka!
Samy voninkazo ihany:
Ny iray namboarina any ho any
Lafo vidy, sarotsarotra,
Entam-barotra! entam-barotra!

Samy fotsy, samy mena,
Samy ngita raha jerena.
Ny iray, fahaizana hosodoko;
Ny iray, kilalaon'ny foko!

Eto an-tany koa dia misy
Toerana amboarina indrisy!
Maka tahaka ny lanitra,
Nefa tsisy fofo-manitra.
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres

Mis à jour le 2023/10/21