|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  tapitra
Sokajin-teny  2  matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 Vita tanteraka, tomombana: Misaotra fa tapitra ny asa nataonao
4 Tsy misy mijanona na kely aza, lany, foana: Tapitra ny vara tao an-tsompitra
5 Vita, izay no izy: Tapitra ny tantara
6 (vola) Voaloa daholo, tsy misy sisa mijanona: Tsarovy tsara fa tapitra izay ny volanao a! [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 ended, finished; used up, all gone [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 fini, terminé [1.3, 1.8]
9 achevé, accompli [1.3]
10 épuisé [1.8]
Ohatra  11  tapitra ity asa ity (Ce travail est fini, terminé, achevé) [1.3]
12  tapitra ny taona (Nous sommes à la fin de l'année) [1.3]
13  Rehefa tapitra ny tenin'ireo mpiampaga, dia navela hiteny izy telo mianaka. [2.324]
14  Nony tapitra tafavoaka daholo ny voatiry dimy sy enina, dia indry mamonjy mamafa ny tranon-tsoavaly I Lidy. [2.470]
15  Nozerany zaran' angady tamin' ny lohany dia tapitra aina teo no ho eo. [2.472]
Haiendriteny 
16  Ny ankehitriny :
17  Ny lasa :
18  Ny hoavy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Kamban-teny rehetra  21  Fikambanana 9 amin' io teny io

Teny iditra (2/2)22  tapitra
Sokajin-teny  23  matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny anglisy  24 ended, finished; used up, all gone [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  25 sali, crotté [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09