|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  taiza
Fototeny  2 aiza
Singan-teny  3 t~, 4 aiza
Sokajin-teny  5  ny lasan' ny tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  6 Enti-milaza ny lasa amin' ny Aiza ka manontany ny toerana naleha: Taiza no nitsangantsangana ianareo omaly. [1.1]
Ohatra  7  Mba taiza no nahita ady hianao? [2.324]
8  Ary taiza ihany ianao omaly? [2.471#47]
9  taiza ianareo no namovo? [2.472#184]
Kamban-teny rehetra  10 avy taiza

Teny iditra (2/3)11  taiza
Sokajin-teny  12  anarana
Fanazavàna teny malagasy  13 Zaza ampinonoina, karakaraina sy kolokoloina manokana: Tsy taiza intsony Ibalita fa efa zaza afa-miahy tena.
14 Ilazana ny zanak' olon-kafa mipetraka ao amin' ny tena ka atao toy ny zanaka: Taizanay tao an-trano Rakoto nandritra ny fito taona.. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  15 a nursing child; the care of children. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  16 nourrisson; soins qu'on prend des enfants. [1.8]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Voambolana  29  Fahasalamana
Kamban-teny rehetra  30  Fikambanana 10 amin' io teny io

Teny iditra (3/3)31  TAIZA
Sokajin-teny  32  anarana (fanafohezanteny) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  33 Tambajotran' Antananarivo Iarovana ny Zon' ny Ankizy. [3.1]
Fanazavàna teny frantsay  34 TAIZA compte une trentaine de membres, dont les différentes entités ministèrielles chargées de la protection des enfants (Direction Régionale de la Santé et du Planning Familial Analamanga, Service Central de la Police des Moeurs et de la Protection des Mineurs, Juges des Enfants, BMH, ...), mais aussi des associations et divers centres d'accueil des enfants, notamment Avotra, Avoko, CDA Andohatapenaka, SOS aux Victimes du Non Droit, etc.. [4.14]
Teny nalaina  35  Soratra misy io teny io

Fivaditsoratra  36 TAIZA, taiza

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/10