|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  sosoka
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  15 Kofehy asisika amin' ny fahan' ny lamba iray efa misy marambato mba hanamafy azy
16 Izay anampy ny efa misy
17 Izay ambolena asolo ny efa tsy naniry [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  18 reprise [1.13]
19 [Tanala] (sens général : ce que l'on intercale ; le bois tendre servait à faire les couvre-joints) [1.196]
Ohatra  20  Novidina vaovao ihany daholo izany akanjonay rehetra izany, saingy ela mihitsy vao nisolo, ka zary efa feno sosoka sy tampitampina daholo. [2.472#10]
21  Ahoana no tsy hiresahina etoana ny Lalàmpanorenan' i Etazonia, izay tsy niova hatramin' ny nanoratana azy tamin' ny 1787 kanefa nohatevenina tamin' ny sosoka fito amby roapolo tao anatin' ny 220 taona? [4.27#]
Voambolana  22  Toe-karena: zaitra
Fikambanana  23  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny how sosoka

Teny iditra (2/2) 24  sosoka
Sokajin-teny  25  anarana
Fanazavàna teny frantsay  26 [Tanala] Protorhus sericea Engl. (Anacardiaceae). [1.196]
Voambolana  27  Haizavamaniry
Anarana ara-tsiansa 

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/20