Entrée Ny Varavarankelinao
Partie du discours nom propre (titre de poème) [liste complète]
Auteur Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte 
Mandalo eo matetika aho, dia manjary fahazarako
Ny mahita anao mitazana eo am-baravarankely
Fotoana fohy fifaliako, fotoana fohy fahasambarako
Eo ny endrikao mitsiky, mitsikitsiky toa anjely.
Mandalo eo matetika aho dia mitraka hatrany hatrany,
Mino fa hahita anao, dia mahita anao tokoa !
Tsy hita intsony ny hafaliako sy hasambarako amin’izany
Fa manenika fanahy, mahatototra ny fo…
Andray izay fahatairako, nandalo teo aho izao…
Nikatona àry fa nahoana, ny varavarankelinao ?
Nitanondrika ny fo, ny fanahy nangenahena…
Nanohy nandalo ihany aho, tsy nivoha hatramin’izao,
Angamba tsy hivoha intsony, ny varavarankelinao.
Mitanondrika ny fo, manomboka tsy hanantena.
Vocabulaire 
Tableaux et planches Tous les titres

Mis à jour le 2023/04/02