|
|
|
|

Teny iditra1  Mpiandry omby
Singan-teny  2 mpiandry, 3 omby
Sokajin-teny  4  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  5  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  6 Andriarimalala René
Lahatsiratra manontolo  7  Injany re tsitapitapy
8  Any an-tendrombohitra any
9  Ny firefotry ny japy.

10  Rivorivo be mifioka !
11  Izay nandraraka an'izany?
12  Tovolahy mampiady sioka.

13  Mpiandry omby maro andiany
14  Mihosy ahitra efa hoto
15  Fa avy ny hariva hodiany.

16  Sady milalao no miasa,
17  Misakana omby tsy hifanoto;
18  Fa nivadika ny rasa…

19  Ka manenjana salaka
20  Ny vantobanto-jazalahy
21  Manao tolona sy daka.

22  Manatanja-tena izy
23  Ho mahery toa ombalahy
24  Fa efa maika tsy ho ankizy!

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13