|
|
|
|

Teny iditra1  mitarika
Fototeny  2 tarika
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mandrirotra, misarika: Mitari-bato ~ Soavaly mainty sy fotsy no nitarika ny kalesy
5 Misintona, manintona: Nody nandositra izy mba hitarika ny fahavalo any amin' ny toerana misa velapandrika
6 Mitondra: Ianao no aoka hitarika ireto vahiny ireto any amin' ny tranom-bahiny? ~ Iza no mitarika ireto mpianatra ireto?
7 Mitaona: Ikoto no mitarika azy hiloka
8 Manomboka sady mitantana, manainga, manentana: Mitarika fivavahana, mitari-kira
9 Mibaiko, mandeha eny anoloana mba hibaiko sy harahin' ny sasany: Mitari-tafika
10 Mampahazo, mampahita: Mitarika voninahitra ny fahaizana matetika
11 Mirefarefa: Mitarika ny ziponao fa akaro [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  12 traîner, tirer, attirer, conduire, diriger [1.3]
Haiendriteny 
13  Ny ankehitriny :
14  Ny lasa :
15  Ny hoavy :
16  Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  17  Fikambanana 5 amin' io teny io
Ohabolana  18  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  19 Makirita, 20 miakatry, 21 miatrika, 22 miritaka, mitarika, 23 mitraika, 24 mitriaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09