|
|
|
|

Teny iditra (1/6)1  manina
Fototeny  2 hanina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mahatsiaro ny any lavitra ka malahelo te hahita, manembona: Manina ny any aminay aho izany. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 to long for, to regret; (instead of the passive verb, use mahamanina). [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6 regretter, soupirer après (au lieu du passif on emploie mahamanina). [1.8]
Ohatra  7  manina ny tanindrazana aho izany! [2.470]
8  Mba finoana velona eo amin' ny mpiantsambo rehetra koa fa izay efa nandia ny fiainan-dranomasina, tsy maintsy manina mandrakariva ny fidoboky ny onja. [2.471]
Haiendriteny 
9  Ny ankehitriny :
10  Ny lasa :
11  Ny hoavy :
12  Filaza mandidy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Voambolana  14  Ontam-po
Kamban-teny rehetra  15  Fikambanana 2 amin' io teny io
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/6)17  manina
Fototeny  18 ina
Sokajin-teny  19  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny anglisy  20 to command, to direct, to govern, to conduct, to manage. Chiefly used in speaking of the affairs of the kingdom.. [Provincial] [1.2]
Haiendriteny 
21  Ny ankehitriny :
22  Ny lasa :
23  Ny hoavy :
24  Filaza mandidy :

Teny iditra (3/6)25  manina
Sokajin-teny  26  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  27 manendry. [Bara] [1.78]

Teny iditra (4/6)28  manìna
Fototeny  29 hanina
Sokajin-teny  30  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Teny iditra (5/6)31  maninà
Fototeny  32 ina
Sokajin-teny  33  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Teny iditra (6/6)34  Manina
Singan-teny  35 manina
Sokajin-teny  36  anarana (lohatenin-tantara fohy)
Voambolana  37  Haisoratra: tantara fohy
Mpanoratra 
38 Tselatra
Lahatsoratra  39  - Veloma ihany, ry masoandro hilentika; masina, ry volana hisoka, fa ianareo no vaky andro tsinana alina ka mba hoperako hafatra amin-drahavana: lazao azy fa misento azy tsy hita aho ka manohoka aloka irery; ory havana hariva ka mivoady ny andro ho maraina. Laingo nosarahina aman-kazo aho, elatra nolaingosana amam-borona ka sady malazo no saraka amin'aina.

40  - Mitevy ala ny any atsinanana ka alin-kely manjepy ny aty andrefana: saron-javona antoandro ny any Ankaratra ka kamokamo tomefika ny aty Andringitra. Raha mahatsiaro ny any, misento mahalana ny aty. Sakanan-tany tsy hipaka mantsy, elanin'andro tsy hihaona, fa manindria fo tsy ho aiza, rahavako, fa andro maro no hananana ahy.


Fivaditsoratra  41 manany, manañy, mañañy, mañany, 42 manina, Manina, maninà, manìna

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/10