|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  mandraka
Fototeny  2 andraka
Sokajin-teny  3  tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  4 Hatramin' ny, ambaraka: Andraso eto aho mandra-piveriko.
5 Hita araka io ohatra io fa ny "mandraka", toy ny "ambaraka" rahateo koa, dia tsy fampiasa raha tsy miaraka amin' ny anarana avy amin' ny matoantenin' ny mpanao manomboka amin' ny f, toy ny fiverina, fatory, fanoratra: Rotsirotsioizy mandra-patoriny. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 up to, until (of time). [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 jusqu'à. [1.3, 1.8]
Ohatra  8  Voatahiriko mandraka androany io taratasy io. [2.356]
9  Toetra mbola iainany ihany mandraka ankehitriny. [2.245]
10  Tadidiko tsara mandraka androany ny fotoana nifankahitanay sy Vola. [2.4]
Haiendriteny 
11  Tsotra :
Voambolana  12  Fotoana
Tovy hevitra  13 andraka
Kamban-teny rehetra  14  Fikambanana 12 amin' io teny io
Ohabolana  15  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3)16  mandràka
Fototeny  17 raka
Sokajin-teny  18  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  19 Mahia dia mahia, kaozatra: Mandràka erý izy hatramin' ny naharariany. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  20 to grow lean.. [1.2]

Teny iditra (3/3)21  Mandraka
Sokajin-teny  22  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]

Fivaditsoratra  23 makandra, 24 Mandraka, mandraka, mandràka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/10