|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 mandady |
| Fototeny | 2 lady |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Mifindra toerana ka ny kibo no enti-mikisaka: Mandady ny bibilava
5 Mananika: Jereo ireto vitsika mandady amin' ity hazo itỳ 6 Mandeha amin' ny tongotra sy ny tanana: Hay ve mbola mandady itỳ zaza itỳ fa mbola tsy mandeha akory? 7 Mandokadoka fatratra, mita handitra: Loza raha handady amin' ny lehibe Rakoto [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
8 to creep; to crawl; to be subservient
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9 Ramper au physique, se traîner par terre, se glisser comme les serpents, grimper comme les fourmis:
10 Mandady ny trambo (Le cent-pieds rampe) ~ Mandady eo anatrohan’ ny tompony io alika io (Ce chien rampe devant son maître) ~ Mbolà mandady io zaza kely io (Ce petit enfant se traîne encore par terre) ~ Mandady amin’ ny hazo ireo vitsika ireo (Ces fourmis grimpent sur les arbres) 11 figuré: ramper au moral aduler, cajoler, s’abaisser, s’humilier: 12 Mandady amin’ ny lehibe izy (Il est rampant avec les chefs, il adule les chefs) ~ Notenenina mafy izy vao nandady (Il a fallu lui parler fort pour qu’il s'humiliât) [1.3#366] 13 ramper, marcher à quatre pattes; se traîner par terre; s'abaisser [1.8] |
| Ohatra |
14 Ary ny renin-jaza mandady avy any an-jorofirarazana.
[2.857#]
15 Ny avoko ihany no mandady amin' izy ireo fa ny sasany samy mitsangana. [2.643#] |
| Haiendriteny |
|
| Mpanahaka | 20 misolelaka |
| Kamban-teny rehetra | 21 Fikambanana 8 amin' io teny io |
| Ohabolana | 22 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 23 mandady |
| Sokajin-teny | 24 anarana |
| Fanazavàna teny frantsay |
25 Nom donné aux patates douces : Ipomoea batatas (L.) Lam. (Convolvulaceae) lorsqu'on ne peut prononcer leur nom habituel par suite d'un interdit rituel (fady).
[Betsileo]
[1.196] |
| Voambolana | 26 Haizavamaniry |
| Anarana ara-tsiansa |
|
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|