|
|
|
|

Teny iditra1  manatitra
Fototeny  2 atitra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Manolotra, manome zavatra ho an' olona: Nanatitra vorona ho an' i dadatoa izahay tamin' ny 26 Jiona.
5 Mitondra miverina, mamerina: Mahagaga ahy fa mbola tsy nanatitra ny volako izy hatramin' izao.
6 Miara-dalana amin' olona avy amin' ny toerana iray mankamin' ny toerana iray hafa mba hiaro na hanome voninahitra: Miaramila roa lahy no nanatitra anay.
7 Manao veloma mpandeha any amin' ny toerana iaingany: Nanatitra an-dry zoky teny amin' ny fiantsonan-dalamby izahay omaly maraina.
8 Miaraka amin' ny mpanambady ka mametraka azy any an-tranony: Olona betsaka no nanatitra ny mpanambady. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 to present, to convey. [1.2, 1.7]
10 to send, to return.. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  11 présenter, apporter. [1.3, 1.8]
12 offrir: Avy manatitra voaloboka ho anareo aho (Je viens vous offrir des raisins).
13 conduire: Nanatitra ny vahiny tao an-tranom-bahiny izy (Il a conduit l'étranger à l'hôtel).
14 escorter: Nisy miaramila nanatitra azy (Des soldats l'ont escorté).
15 porter: Nanatitra entana tany Toamasina izy (Il a porté des paquets à Tamatave).
16 rendre: Tsy mbola nanatitra ny bokiko izy (Il ne m'a pas encore rendu mon livre). [1.3]
17 offrir, livrer. [1.8]
Ohatra  18  manatitra ny nahandro, tompoko! [2.69]
19  Alina iray no manatitra dia samy mody. [2.245]
20  Koa dia manatitra ho anao ny fanjakako aho, ho zanakao ho didianao. [2.508]
21  Ary manatitra anay hatreo Suez Mr Duffus fa sarotsarotra ihany ny fandehanana hatreo Suez. [2.366]
Haiendriteny 
22  Ny ankehitriny :
23  Ny lasa :
24  Ny hoavy :
25  Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  26  Fikambanana 4 amin' io teny io
Ohabolana  27  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  28 manatitra, 29 manitatra, 30 mitantarà, mitantara

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09