|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  manaraka
Fototeny  2 araka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Manjohy: Mitomany hanaraka an-dreniny Ikotokely.
5 Manao araka ny..,, mitandrina, manatanteraka: Manaraka ny didin' Andriamanitra.
6 Mandeha amin' ny lavan' ny, sisin' ny, moron' ny: Mandehana manaraka ny valamparia.
7 Tsy manohitra fa manao araka ny...: Manaraka ny fitongilanan-dratsy.
8 Momba ny..., miandany amin' ny,..: Manaraka ny fampianaran' i Bouddha.
9 Avy aoriana, mandimby: Manaraka ny lohataona ny fahavaratra.
10 Vokatry ny: Manaraka ny heloka ny sazy.
11 Manao tahaka, maka tahaka: Tsarovy fa hanaraka ny hataonao ny zanakao.
12 Miady mba hahazo, mitaky amin' ny alalan' ny fitsarana: Tsy misy mahadiso ahy raha manaraka ny anjara lovako aho.. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 to follow, to pursue; to obey, to agree to, to prosecute.. [1.2]
14 to follow; to obey; to prosecute. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15 suivre; obéir; poursuivre. [1.8]
Ohatra  16  Miolakolaka manaraka ny fefiloha natao ho azy kosa Ikopa. [2.470]
17  Ny alahady manaraka io anefa, vao mainka nihakaondrana indray aho, raha ny kaondrana no resahina. [2.4]
Haiendriteny 
18  Ny ankehitriny :
19  Ny lasa :
20  Ny hoavy :
21  Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  22  Fikambanana 36 amin' io teny io
Ohabolana  23  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)24  manaraka
Sokajin-teny  25  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  26 mitaratra tantely. [Sihanaka] [1.78]

Fivaditsoratra  27 makarana, 28 manakara, Manakara, 29 manaraka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09