|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/3) | 1 mamaky |
| Fototeny | 2 vaky |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Manapotika zavatra amin' ny fandonana azy amin-javatra hafa na amin' ny fanatontàna azy amin' ny tany: Iza ianareo no namaky ny siny?
5 Mampitresaka, manasaka: Mamaky hazo fisaka ho roa ny mpandrafitra 6 Manimba, mandrava, mandroba: Mamaky trano mihitsy ny jirika 7 Mandalo eo afovoany manomboka amin' ny laniny iray ka hatramin' ny laniny iray hafa (matetika ny teny verindroa (Mamakivaky) no ampiasaina amin' itỳ hevitra itỳ): Menatra erỳ izy namaky na namakivaky ny vahoaka maro be 8 Mampiseho ho fantatry ny be sy ny maro: Rakotono namaky lainga an-dRajaona [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
9 to split; to break
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
10 fendre dans le sens de la longueur; casser
[1.3, 1.8] 11 rompre 12 traverser, aller, passer 13 mettre en déroute [1.3] |
| Ohatra |
14 namaky ny any atsimo manontolo izahay (Nous avons traversé tout le sud)
[1.3]
15 Izahay no namaky voalohany iny làlana iny (Nous avons été les premiers à passer par ce chemin) [1.3] 16 namaky ny fefiloha ny rano (L’eau a rompu la digue) [1.3] |
| Haiendriteny |
|
| Kamban-teny rehetra | 21 Fikambanana 17 amin' io teny io |
| Teny iditra (2/3) | 22 mamaky |
| Fototeny | 23 vaky |
| Sokajin-teny | 24 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
25 Manasaratsaraka ny teny voasoratra mba hahazoana ny hevitra ao anatiny: Mbola tsy mahay mamaky teny ny zafikeliko fahenina
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
26 to read
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
27 lire
[1.3, 1.8] 28 publier [1.3] |
| Haiendriteny |
|
| Kamban-teny rehetra | 33 mamaky teny |
| Teny iditra (3/3) | 34 mamaky |
| Fototeny | 35 vaky |
| Sokajin-teny | 36 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny frantsay |
37 accuser, dénoncer
[1.3] |
| Haiendriteny |
|
| Fivaditsoratra | 42 Kimama, mamaky, 43 mamika, 44 mikama |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09 |
|