| 
 | 
| | | |  | 
  | 
| Teny iditra | 1 malama | 
| Fototeny | 2lama | 
| Sokajin-teny | 3 mpamaritra | 
| Fanazavàna teny malagasy | 
4 Malambolambo mampibolisatra: Tandremo sao potraka fa malama ny fotaka Midifidify tsy mety mandoa trosa: Olona malama iny Rangahy iny fa aza mba mampisambo-bola an' iny. [1.1]  | 
| Fanazavàna teny anglisy | 
5 smooth, slippery [1.2, 1.7] | 
| Fanazavàna teny frantsay | 
6 glissant [1.3, 1.8] 7 Poli, uni figuré: mauvais payeur, peu probe, qui ne rend pas ce qu'il emprunte [1.3] 8 lisse [1.8]  | 
| Ohatra | 
9 Indray asabotsy, fahavaratra ny andro tamin' izay, latsaka tany an-tevana noho ny tany malama io omby io, ka tapaka ny tongony iray.
[2.472] 
 10 Raha manaiky ny tsy hiverina ilalana ny tongotrao kapohin‘ ny bozaka kotsan' ando sy solafaka impolo kely amin' ny fotaka malaman' ny riaka... [2.529] 11 nefa tandremo sao lavo fa malama ny lalana; [2.1010] 12 Tonon' andry malama, Mahaiza mitan-kazomanga, Fa ny zana-Bazaha no hitsangaaa. [2.69]  | 
| Haiendriteny | 
  | 
| Kamban-teny rehetra | 14Fikambanana 15 amin' io teny io | 
| Ohabolana | 15 Ohabolana misy io teny io | 
| Fivaditsoratra | 16 malama, 17 mamalà, mamala | 
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02 | 
 |