|
|
|
|

Teny iditra 1  mahia
Fototeny  2 hia
Sokajin-teny  3  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4 tsy mahazo nofo, manify kely, tsy mba nofosana: Mahia erỳ Rakoto hatramin' ny naharariany farany tao
5 tsy matavy, tsy misy taviny na menaka: Mahia ny hena novidinao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 thin; meagre [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 maigre, décharné [1.8]
Haiendriteny 
8  Ny ankehitriny :
9  Ny lasa :
10  Ny hoavy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Tohi-kevitra  12 matavy
Mpanahaka  13  be rangomaina, 14  kangoaza, 15  kanty velona, 16  kaoka, 17  kaozatina, 18  kaozatra, 19  kinaoly, 20  mandràka, 21  marani-taolana, 22  mirepika, 23  miripika, 24  mitrakitraky, 25  mitranitrany, 26  mitrikatrika, 27  nipoaka, 28  ohatra ny horona, 29  ohatra ny sorohitra, 30  ohatra ny takatra, 31  raiki-tapisaka, 32  ranga, 33  rangirangy, 34  sakohaza, 35  taolantaolanina, 36  tsingoahina, 37  tsy velon-komana
Fikambanana  38  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 3 misy ny teny how mahia
Ohabolana  39  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  40 mahay, mahia

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22