|
|
|
|

Teny iditra1  loholona
Singan-teny  2 loha, 3 olona
Sokajin-teny  4  anarana
Fanazavàna teny malagasy  5 (tokony ho loh' olona no fanoratana azy nefa efa raikitra mihitsy ny manambatra azy ho teny iray) olona lehibe efa mato-tsaina, tsara toetra eo amin' ny tany ama-monina, mahatoky ary hendry amin' ny fanaovan-draharaha sy amin' ny fitondrana olona, ka to teny sy hajaina eo amin' ny tanàna sy ny fokonolona. Ny tena anjara toerany dia ny mitarika ny fivoriana fiaraha-mihevitra ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-pokonolona, ny mandrindra sy mandamina y fifanolanana eo amin' ny fianakaviana na ny mpiray fileovana, ny mitarika ny adidy amana asa fanasoavam-bahoaka, na ny momba ny vola izany na ny asa-tena atao... [1.10#L.354]
6 Fitambaran' ireo lehibe mpikarakara (izay atao koa hoe Ray aman-dreny) ao amin' ny fokonolona na fiangonana [1.1]
7 fitambaran'ireo zokiolona to teny eo amin'ny fokonolona [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  8 patriarche, sages du village, notables
9 sénateur [1.13]
Ohatra  10  Ny ray aman-dreny sy ny loholona no tompon'adidy amin'ny. [2.588#]
11  Isam-bohitra koa anefa dia nisy vadintany sy loholona nitondra ny Fokonolona. [2.113#35]
12  Izahay ihany, hoy ilay letrezana izay fantany tsara fa an'ny loholona tao an tanàna. [2.895#112]
Voambolana  13  Pôlitika
Ohabolana  14  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  15 Randzavola: loholona ao amin' ny Baiboly

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08