|
|
|
|

Teny iditra 1  lasa
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 Miainga, mandeha: Lasa anikeheo i Dada ~ Manisa telo aho dia lasa
4 Milefa, mandositra, tsy tana: Tapaka ny fatorany ka lasa ilay alika
5 Entina: Lasany ilay bokinao teto ambony latabatra
6 Vidina: Aiza hovidiko iry satroka iry -- Efa lasan' olona io, tompoko ~ Lasako dimampolo itỳ amalona itỳ
7 Angalarina, faohina: Lasan' ny sasany halina ny kisoanay
8 Tsy eo intsony: Zavatra efa lasana izany ka tsy tokony hofohazina intsony
9 Lany andro: Efa lasa izany lamody izany
10 Maty: Lasa halina tamin' ny iray Rakoto
11 Manomboka milalao: Lasa aho [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  12 qui part, qui est parti, qui s'en va, qui s'en est allé, qui commence ou a commencé à ajouter, qui s'est échappé: Veloma, fa lasa aho (Adieu, je m'en vais, je part) ~ Lasan-davitra izy (Il est allé au loin) ~ Lasa taon' itsy izy (Il est parti l'année dernière) ~ Mameleza, fa lasa ny azy (Jouez, car il a commencé) ~ Lasa aho (Je commence à jouer, je joue) ~ Tapaka ny fatorana, ka lasa tampoka izy (Les liens se sont cassés, et il s'est vite échappé)
13 pris, emporté, volé, acheté: Lasako ny bokinao tao ambony latabatra (J'ai pris votre livre qui était sur la table) ~ Moa lasa any aminareo ny sininay? (Auriez-vous pris notre cruche chez vous?) ~ Lasan'ny sasany halina ny ombinay (On a volé nos boeufs la nuit dernière) ~ Lasako iraimbilanja ity satroka ity (J'ai acheté ce chapeau un franc)
14 qui a fait son temps, passé, mort: Efa lasa izany lamody izany (Cette mode a fait son temps) ~ Tonga taty tamin'ny taona lasa izy (Il est venu ici l'année dernière) [1.3]
Ohatra  15  Malahelo vady lasan-davitra [2.69#214]
16  Dia lasan' izy roa lahy ny tanimbary. [2.293#32]
17  izay no olonay lasanareo any andafy, koa tsy aterinareo fa tananareo any ihany [2.366#55]
18  Taon-dasa, tsy tsaroana tokoa ny an' i Datoa [2.445#50]
Haiendriteny 
19  Tsotra :
20  Tovonana :
21  Filaza mandidy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Tovy hevitra  24 lasana
Mpanahaka  25  dila, 26  nadio ny rano nitana, 27  nandao, 28  nanifi-drano, 29  niala, 30  nidify, 31  niendaka, 32  nihataka, 33  ny lalana mody no nasiany olona, 34  nirintona, 35  nisava, 36  nisinda, 37  nisintaka, 38  nisintona
Fikambanana  39  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 28 misy ny teny how lasa
Ohabolana  40  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  lasa, 41 sala

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22