|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  kibobo
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 vorona mpisitrika anaty ahitra toy ny tsipoy fa kely toy ny: Kibobo voanfandrika ko mandremandre re ahazoana zanakakoho. [Betsileo] [1.78]
4 Karazam-borona madinidinika; ohatra ny akohokely mavomavo ny habe amam-bikany, matetika hita mitsoriaka any anaty bozaka; fihinana tsara ny nofony ary tsy mba hazaina izy fa fandrihana (Turnix nigricollis). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 a species of bustard quail. Turnix nigricollis, Gon. Same as kibo, kibokely and kibotay. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  6 caille. [1.19, 1.54]
7 caille (Cothurnis communis, Phasianidae). [1.5]
Ohatra  8  kibobo nihehy voro-mila hanina aza fatra-pandatsa ry zalahy fa ny mamelon-tena zava-tsarotra. [2.131]
9  Nanao andia telo ireny, samy nanana ny biby hazainy avy: tsipoy, kibobo, sahona. [2.472]
Voambolana  10  Haibiby: vorona
Tsipelina hafa  11 kibo
Tovy hevitra  12 kibokely, kibotay, menamaso, papelika
Kamban-teny rehetra  13  Fikambanana 2 amin' io teny io
Ohabolana  14  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/4)15  kibobo
Sokajin-teny  16  anarana
Fanazavàna teny malagasy  17 hena mahia: Kibobo fa be didy (Hena mahia fa anananambe). [Betsileo] [1.78]

Teny iditra (3/4)18  kibobo
Sokajin-teny  19  anarana
Fanazavàna teny malagasy  20 trano bongo efa simba, tranon-tovovavy. [Bara] [1.78]

Teny iditra (4/4)21  kibobo
Sokajin-teny  22  anarana
Fanazavàna teny malagasy  23 vovoka. [Betsileo] [1.78]

Fivaditsoratra  24 biboko, 25 boboky, 26 kibobo

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09