|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/4) | 1 kibobo |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 vorona mpisitrika anaty ahitra toy ny tsipoy fa kely toy ny: Kibobo voanfandrika ko mandremandre re ahazoana zanakakoho.
[Betsileo]
[1.78] 4 Karazam-borona madinidinika; ohatra ny akohokely mavomavo ny habe amam-bikany, matetika hita mitsoriaka any anaty bozaka; fihinana tsara ny nofony ary tsy mba hazaina izy fa fandrihana (Turnix nigricollis). [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
5 a species of bustard quail. Turnix nigricollis, Gon. Same as kibo, kibokely and kibotay.
[1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
6 caille.
[1.19, 1.54] 7 caille (Cothurnis communis, Phasianidae). [1.5] |
| Ohatra |
8 kibobo nihehy voro-mila hanina aza fatra-pandatsa ry zalahy fa ny mamelon-tena zava-tsarotra.
[2.131]
9 Nanao andia telo ireny, samy nanana ny biby hazainy avy: tsipoy, kibobo, sahona. [2.472] |
| Voambolana | 10 Haibiby: vorona |
| Tsipelina hafa | 11 kibo |
| Tovy hevitra | 12 kibokely, kibotay, menamaso, papelika |
| Kamban-teny rehetra | 13 Fikambanana 2 amin' io teny io |
| Ohabolana | 14 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/4) | 15 kibobo |
| Sokajin-teny | 16 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
17 hena mahia: Kibobo fa be didy (Hena mahia fa anananambe).
[Betsileo]
[1.78] |
| Teny iditra (3/4) | 18 kibobo |
| Sokajin-teny | 19 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
20 trano bongo efa simba, tranon-tovovavy.
[Bara]
[1.78] |
| Teny iditra (4/4) | 21 kibobo |
| Sokajin-teny | 22 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
23 vovoka.
[Betsileo]
[1.78] |
| Fivaditsoratra | 24 biboko, 25 boboky, 26 kibobo |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09 |
|