|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 hontsa |
| Sokajin-teny | 2 mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 malemy, trotraka: Hontsan' ny hanoanana.
4 feno alahelo amin' ny fahitana olona niharan-doza na fadiranovana: Hontsa aho nahita azy mianaka kely mitofezaky ny hanoanana. 5 ngoly, vonto: Hontsan' ny fitiavana azy koa ny anao ka tsy avala handeha any. [1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
6 mou, comme ce qui est bien cuit, fatigué, harassé; fig. pénétré d’un vif sentiment de joie ou de tristesse.
[1.3] |
| Ohatra |
7 hontsan' ny hanoanana izy (il est harassé de faim)
[1.3]
8 hontsan’ ny alahelo izy (il est accablé de tristesse) [1.3] 9 hontsan' ny fitiavana an’ Andriamanitra izy (il est pénétré d’amour pour Dieu [1.3] |
| Sampanteny |
|
| Teny iditra (2/2) | 17 hontsa |
| Sokajin-teny | 18 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
19 tantely tampohan-drano ho sotroina.
[Tanala]
[1.78] 20 ranom-panafody nomamiana. [1.13] |
| Fanazavàna teny frantsay |
21 potion, sirop.
[1.13] |
| Voambolana | 22 Fahasalamana |
| Kamban-teny rehetra | 23 hontsa fanafana kohaka |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09 |
|