|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/3) | 1 gaga |
| Sokajin-teny | 2 mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Mihetsi-tsaina amam-panahy eo anoloan' ny zavatra tsy fahita andavanandro na tsy nampoizina, amin' ny lafiny tsara na ratsy: Gaga anao aho ~ Gaga ny nataonao aho na gaga amin' ny nataonao aho ~ Gaga aho raha sahy nanao izany Rakoto..
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
4 amazed, astonished at. It governs an accusative case, as gaga anao aho, I am astonished at you. See ankona, kehaka, taitra, talanjona. [Jav. gaget, kayet, to startle.].
[1.2] 5 astonished. [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
6 Etonné, stupéfait, en admiration, surpris: Gaga anao aho (Je vous admire) ~ Gaga ny nataonao aho (J'admire ce que vous avez fait) ~ Gaga aho raha sahynanao ratsy toy izany îzy (Je suis étonné qu'il ait osé se conduire aussi mal).
[1.3] 7 étonné, ébahi. [1.8] |
| Ohatra |
8 gaga aho raha tany Ambohimahagaga ary talanjona raha tery Andohatanjona [2.131] 9 Toa gaga ihany koa izy, satria nanaronana sosoa maraina sy nasaina nihinana tao an-dakozia. [2.470] 10 Hoy izy gaga nijery ahy tsara. [2.471] |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Tovy hevitra | 22 dagaga, dogaga, gaina foana, ilatsaham-baratra, kehana foana, kepoka, renoka, revo, sondriana, talanjona, tokaka, tolagaga, vaky vava, vakim-baratra, variana, zendana |
| Kamban-teny rehetra | 23 Mahagaga |
| Teny iditra (2/3) | 24 gagà |
| Sokajin-teny | 25 filaza mandidin' ny mpamaritra gaga [Fitanisana] |
| Ohatra |
26 Admirez, soyez étonné
[1.3]
|
| Teny iditra (3/3) | 27 gagà |
| Sokajin-teny | 28 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
29 goaika.
[Bara]
[1.78] |
| Fanazavàna teny anglisy |
30 a provincial word for goaika [Mal. gagak.].
[1.2] |
| Voambolana | 31 Haibiby: vorona |
| Tovy hevitra | 32 goaga, goaika, goaka, goake, goaky |
| Kamban-teny rehetra | 33 hazongagà |
| Fivaditsoratra | 34 gagà, gaga |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09 |
|